FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/11 p. 16-21
  • Ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra​—famantarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra​—famantarana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy
  • ILAY SOAVALY FOTSY SY NY MPITAINGINA AZY
  • Mamita ny fandreseny izy
  • Nohazavaina ny zava-miafin’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny asa malaza manaraka ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mpitaingin-tsoavaly Efatra Mirifatra!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/11 p. 16-21

Ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra​—famantarana

‘Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy, soavaly mena, soavaly mainty, soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy.’​—APOKALYPSY 6:2-8.

1. Ny 2 oktobra 1914, inona no nataon’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower talohan’ny hipetrahana mba hisakafo maraina?

ZOMA 2 oktobra 1914 tamin’izay, tany amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny fikambanana Watch Tower, 124 Columbia Heigths, any Brooklyn (New York). Tamin’io maraina io, tamin’ny fito ora, raha vao niditra tao amin’ny efitrano fisakafoan’ny mpiasa ny prezidàn’ny Fikambanana dia tsy nandeha nipetraka avy hatrany. Nitehaka izy mba hihainoan’ny mpianakavin’ny Betela rehetra efa nipetraka. Avy eo, tamin’ny feo feno toky, dia notononiny ireo teny voalohandohany amin’ny andininy faha-telo amin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Mandroso ny Mpanjakantsika”, hira hita ao amin’ny pejy faha-162 sy 163 amin’ny “Fihiranan’ny vao mazava ratsin’ny arivo taona” (anglisy). Toy izao izany teny izany: Nifarana ny andron’ny Jentilisa, lasa ny andron’ireo mpanjaka.” Rehefa vita izany vao nipetraka teo amin’ny toerana nahazatra azy izy mba hitarika ny fandaharana ara-pivavahana nomanina hatao isa-maraina alohan’ny sakafo.

2. Fotoana toy inona nialoha no efa nanambaran’ilay prezidà fa ny 1914 dia ho taona voamarika, ary fotoana inona no mbola nahavelomany taorian’ny fanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany?

2 Vao tamin’ny 1876, tao amin’ny lahatsoratra iray natolony ho an’ny Mpandinika ny Baiboly (The Bible Examiner), dia nasehon’ilay prezidà fa ny 1914 dia hanamarika ny fahataperan’ny “andron’ny jentilisa”, izay hisy vokany lehibe eo amin’ny olombelona rehetra (Lioka 21:24). Nahagaga fa rehefa nanambara tamin’ny fianakavian’ny Betela tany Brooklyn ny prezidà fa nifarana ny andron’ny Jentilisa, ny ady lehibe voalohany teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra dia teo amin’ny fahenina amby enimpolo androny. Fanambarana ady 14 no efa nataon’ireo mpiady tao amin’io fifandonana nahatsiravina io. Talohan’ny nahavitan’io ady navaivay mba hahazoana ny fanapahana maneran-tany sy mba hitondrana ny varotra iombonana io dia firenena sy empira 29 no ho voatarika ao amin’io ady io izay tsy hay nosaintsainina. Ny prezidàn’ny Fikambanana izay nanonona ireo teny tena mety ireo dia maty talohan’ny 6 aprily 1917, daty nidiran’ny taniny, Etazonia, tamin’ny ady tamin’ny fikambanana tamin’ny Empira britanika hanohitra ireo fanjakana tany Eoropa afovoany.

3. Ahoana no nanantitranteran’ny prezidà indray ny maha-zava-dehibe ny 1914 ary nety ho nanao ahoana ny fihetseham-pony rehefa nanambara izy hoe: “Tapitra ny andron’ny Jentilisa.”

3 Nohamafisin’ny prezidàn’ny Fikambanana indray ny tena maha-zava-dehibe ny taona 1914 tao amin’ireo andalan-tsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny nivoahany tamn’ny 1879 ary indrindra koa tao amin’ilay boky hoe Akaiky ny fotoana, navoaka tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1889. Ny 2 oktobra 1914 anefa dia ampy ny fahafahany nandinika ireo zava-niseho naneran-tany nitranga tamin’io taona manan-tantara io mba hahazoana tanjaka tamin’ny toerana notanany izay nampahafantariny ampahibemaso. Afaka nahatsiaro tena ho voamarina izy, tamin’io lafiny io fara faharatsiny, tamin’ny naha-mpianatra narisika sy nitandrina ny fandaharan-taonan’ny Baiboly izay manambara ara-paminaniana ny fotoana sy fizaran-taona voatendrin’Andriamanitra.

4. Fiandohan’ny fandrosoana nitaingin-tsoavaly inona no natrehin’ilay prezidà talohan’ny nahafatesany, ary nahoana no azo natao ny niresaka izany ho toy ny “famantarana”?

4 Araka izany, talohan’ny nahafatesany tampoka tamin’ny alin’ny talata 31 oktobra 1916, ny prezidàn’ny Fikambanana dia vavolombelona nahita maso ny fanombohan’ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra voalazan’ny Apokalypsy, hatramin’ilay taona tokony hahataperan’ny andron’ny Jentilisa araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly. Ny apokalypsy, na Fanambarana, no boky farany ao amin’ny Soratra grika kristiana izay mahazatra ny olona ny miantso azy hoe Testamenta Vaovao. Zava-dehibe maneran-tany ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ireo, satria izany anisan’ny “famantarana” izay mampiseho hoe aiza ho aiza moa izao ny olombelona eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Aharihariny fa isika dia tonga ao amin’izay nantsoin’ireo mpianatr’i Jesosy hoe “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, MN.) Ny amin’ny hoe tena maha-“famantarana” izany, dia ampahafantarin’ny andininy voalohany amin’ny Apokalypsy izay milaza hoe: “Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny izy hanambara amin’i Jaona mpanompony.”​—Apokalypsy 1:1.

5. Ahoana no fitarihan-tenin’ny Apokalypsy araka ny fandikan-teny isan-karazany, ary, araka ny asehon’ny fitarihan-teniny, feno inona moa io boky io?

5 Voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:1-8 ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra. Hahaliana ny hanamarihantsika fa raha milaza ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fa “naseho ho famantarana” io fanambarana io (Kuen dia miresaka ny amin’ny zava-miseho” “lazaina amin’ny alalan’ny famantarana”), Darby, Osty sy Grosjean & Léturmy dia milaza fa “nampahafantatra izany izy”. Araka ny asehon’ireo fampidiran-dresaka ireo, ny Apokalypsy dia feno famantarana, marika mampiseho fisehoan-javatra faran’izy lehibe izay hanamarika ny tantaran’olombelona. Izany fisehoan-javatra izany dia tokony hitranga amin’ny ho avy, “tsy ho ela”.

Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy

6. Iza moa no navela hahita ny fahasambarana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 1:3 ary amin’ny fomba ahoana?

6 Tsy misy porofo ara-tantara mihitsy mahatonga ho afaka hanizingizina fa hoe ireo zavatra ireo dia nitranga tao anatin’ireo taonjato 18 izay nanaraka ny nahafatesan’ny apostoly Jaona tany amin’ny 98. Ny taonjato faharoapolo àry no hitana ny saintsika. Ho tsapantsika amin’izany fa isika izay miaina ao anatin’izany fotoana mahavariana izany no navela hahatsapa ny fahasambarana nasian’ilay apostoly nahazo tsindrimandry fitenenana tamin’izao teny izao: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny; fa antomotra ny andro.” (Apokalypsy 1:3). Mba hahasambatra antsika, dia aoka hodinihintsika “ny famantarana” voaforon’ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy. Aoka àry hovakintsika ny Apokalypsy 6:1-8:

7. Inona no nitranga rehefa namoha ny tombo-kase voalohany tamin’ny horonana teny an-tanany ny Zanak’ondrin’Andriamanitra?

7 “Ary nahita aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] ny anankiray tamin’ny tombo-kase fito [teo amin’ilay horonana teny an-tanany], ary reko ny anankiray tamin’ny zava-manan-aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipika; ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.

8. Inona no hitan’ny apostoly Jaona rehefa novahana ny tombo-kase faharoa tamin’ny horonana?

8 “Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan-aina faharoa hanao hoe: Avia. Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.

9. Inona no hitany sy reny taorian’ny famohana ny tombo-kase fahatelo?

9 “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.’

10. Inona no hitan’i Jaona sy reny rehefa novahana ny tombo-kase fahefatra?

10 “Ary rehefa novohany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ny zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.”

ILAY SOAVALY FOTSY SY NY MPITAINGINA AZY

11-13. a) Mampiseho inona ny soavaly fotsy? Ny mpitaingina azy? Mifanitsy amin’ny mpitaingin-tsoavaly iza iresahan’ny salamo iray izy io, ary ampiharin’ny apostoly Paoly amin’iza moa ny teny ara-paminanian’io salamo io ao amin’ny Hebreo 1:8, 9?

11 Ny soavaly fotsy dia mampiseho soavaly fitondran’ny mpanjaka miady, biby fitaingina marina sy madio, haingana toy ny soavaly. Ny mpitaingina azy dia mampiseho mpanjaka vao nandray fiandrianana satria nomena satroboninahitry ny mpanjaka izy. Izy io dia mpanjaka mpiady satria nitondra tsipìka. Ambonin’izany, dia mandroso amin’ny maha-mpiady izy, mandra-pandresiny ny fahavalo faran’ny Fanjakany. Tokony ho fandresena feno izany. Toy izany koa fa nomena sabatra lehibe izy, fiadian’ny mpanjaka. Iza àry no miantsoroka izany anjara asa izany amin’izao taonjato faharoapolo izao? Miharihary tokoa fa ilay Mpanjaka ahatanterahan’ny Salamo 45 ihany, izay amakiantsika toy izao:

12 “Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka hilaza ny mpanjaka no teny ataoko (...). Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana. Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra​—firenena maro no ringana ka hitsakitsahanao​—ka mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka. Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia [Andriamanitra no seza fiandriananao, MN] mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.”​—Andininy 11 ka hatramin’ny faha-7.

13 Ao amin’ny Hebreo 1:8, 9 ny apostoly Paoly dia manonona ny Salamo 45:6, 7 izay ampihariny amin’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Ilay mpitaingin-tsoavaly mitaingina soavaly fotsy izay mandroso amim-pandresena àry dia tsy mety ho iza afa-tsy Jesosy Kristy tamin’ny nanomezana satroboninahitra azy tany an-danitra, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914.

14. a) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana moa no nidiran’i Jesosy tao Jerosalema toy ny hoe tokony homena satro-boninahitra tao izy, ary inona no faminaniana notanterahiny? b) Razambe nalaza iza no notahafiny rehefa niditra tamin’izany fomba izany tany Jerosalema izy?

14 Izany dia mahatonga antsika hieritreritra ny fidiran’i Jesosy Kristy tany Jerosalema, nitaingina biby toy ny hoe handray satroboninahitra tao amin’ny tempoly izy. Tamin’io andro io izy dia tsy nitaingina soavaly fotsy miriotra, fa boriky. Izany dia fahatanterahan’ny Zakaria 9:9 izay milaza toy izao: “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro; ny Mpanjakanao avy ho anao: marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky dia zana-boriky tanora.” Mifanaraka amin’io faminaniana io, Jesosy àry dia nitaingina biby morabe tamin’ny fotoana lehibe teo amin’ny fiainany teto an-tany, rehefa niditra tao Jerosalema izy tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana jiosy Nisana, taona 33. Tamin’izany izy dia nifanitsy tamin’ny zanak’ondrin’ny Paska nampidirin’ny Jiosy tao an-tranon’izy ireo ny 10 Nisana ka notanany hatreo amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana ny 14 Nisana. Izany dia mba hisehoana ho ny Zanak’ondrin’Andriamanitra tamin’ny andro nampidiran’ny Jiosy indrindra tao an-tranony ny zanak’ondrin’ny Paska izay hotanany hatreo amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana tamin’ny 14 Nisana. Tamin’ny fitaingenana an’io biby io toy izany, Jesosy dia nanahaka an’ilay razambeny nalaza, dia Solomona, zanak’i Davida. Rehefa niala tamin’ny fiandrianana i Davida taorian’ny 40 taona nanjakana teo amin’ny fanjakan’ny Israely, dia nasainy nitaingina ampondravavy Solomona mba homena satroboninahitry ny mpanjaka. Nanaraka izany, rehefa avy nanosotra an’i Solomona mba handimby an-drainy i Zadoka mpisoronabe, dia niantsoantso toy izao ny vahoaka Isiraelita: “Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!”​—I Mpanjaka 1:33-40.

15. a) Nanao ahoana ny fandraisan’ny vahoaka rehefa nankany Jerosalema nitaingina boriky i Jesosy? b) Nanao ahoana ny fandraisan’ny mponina tao Jerosalema azy, ary nahoana?

15 Fa ahoana no handraisana an’i Jesosy, efatra andro alohan’ny Paska rehefa nidina ny tendrombohitra Oliva izy, nitaingina boriky, mba ho any Jerosalema, tanàna hanomezana ny satroboninanihitra? Ny vahoaka izay niaraka taminy dia nahatakatra ny hevitry ny fisehoan-javatra ka nahatsapa fa io no mpanjaka mesianika nampanantenaina ny Isiraely. Ireny Jiosy ireny dia nanofahofa sampan-drofia sy namelatra ny akanjony teny an-dalana mba handalovany. “Hosana [Vonjeo re, MN] ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah: Hosana any amin’ny avo indrindra.” (Matio 21:1-9). Toy izany ny fandraisan’ny vahoaka azy. Ny mponina tao Jerosalema kosa anefa dia teo ambany fitaoman’ireo filoha ara-pivavahana jiosy izay tsy mba nety hotarihin’ny fahatanterahan’ny faminaniana hitan’ny masony. Tsy nanokana fandraisana mpanjaka ho an’i Jesosy àry i Jerosalema.

16. Ahoana no nitondran’ireo filohan’ny tempoly an’ireo mpivarotra, ary ahoana no nitondrany an’i Jesosy?

16 Rehefa nankany amin’ny tempoly Jesosy, Kaiafa mpisoronabe dia tsy nanosotra azy mba ho Mpanjaka mesianika tsy niankina tamin’ny Empira romana. Ireo mpisorona dia namela ny mpivarotra nanao izay hahazoana harena be teo amin’ny kianjan’ny tempoly, fa Jesosy kosa naneho ireo toetra nety tamin’ny mpisoronabe iray tamin’ny fandroahana ireny mpivarotra ireny; ary noteneniny ireo izay nanakiana ny fihetsiny, tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: “Efa voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana’, fa hianareo kosa manao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’.” Nisy Jiosy jamba sy nandringa nanatona azy tao amin’ny tempoly ka nositraniny. Ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna kosa anefa dia nanakiana izay nolazain’i Jesosy ary tsy nety nanaiky azy ho “Zanak’i Davida” na nanendry azy ho amin’ny raharahan’ny filoha ara-dalàn’ny fanjakan’ny Isiraely. Rehefa nankany Betania Jesosy taorian’ny nandaozany azy ireo tao amin’ny tempoly, dia tsy tamin’ny naha-mpanjaka vao nandray fiandrianana azy akory.​—Matio 21:1-17.

17. Ahoana no nampisehoan’i Pontio Pilato fa nanintona ny sainy ny filazan’i Jesosy ny tenany ho mpanjaka, ary ahoana no nandavany ny fangatahan’ireo lohan’ny mpisorona raha ny amin’ny fiandrianan’i Jesosy?

17 Efatra andro taty aoriana, raha teo anatrehan’i Pontio Pilato governora romana i Jesosy, io tsy Jiosy na Jentilisa io dia nanontany azy na mpanjaka izy na tsia. Namaly Jesosy fa ny fanjakany dia tsy anisan’izao tontolo izao nisy an’i Pilato. Noho ny fangatahan’ny lohan’ny mpisorona izay niantsoantso hoe: “Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay”, dia natolotr’i Pilato azy ireo Jesosy mba hohomboana teo amin’ny hazo fijaliana tany Kalvary. Tsy nanaiky lembenana anefa i Pilato rehefa nandidy ny hamelana teo amin’ny hazo, ny soratra nasainy natao teo ambony lohan’i Jesosy ary nitondra izao teny izao: ”Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.”​—Jaona 19:15, 19-22.

18. Andro tena nety inona no nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, ary inona no nolazainy tamin’ireo mpianany talohan’ny hiakarany ho any an-danitra?

18 Anjaran’i Jehovah, Andriamanitra Tsitoha, izao, ny nanangana ny Zanany maty maritiora mba hahatongavany ho “Lahimatoa amin’ny maty”. Izany no nataony ny 16 Nisana, tamin’ny andro nanoloran’ny Jiosy ho azy tao amin’ny tempoly ny voaloham-bokatra tamin’ny fijinjana ny vary hordea (Apokalypsy 1:5). Tamin’io andro io àry ilay ho tonga Mpanjaka dia afaka niseho tamin’ireo mpianany nahatoky. Andro vitsivitsy talohan’izay, talohan’ny hiakarany ho any an-danitra, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”​—Matio 28:18, 19; Levitikosy 23:10-12; I Korintiana 15:20.

Mamita ny fandreseny izy

19. Afaka nanatanteraka sary ara-paminaniana inona tamin’ny fotoana nety Jesosy tamin’izany, ary tonga karazana mpanjaka nanao ahoana izy?

19 Tamin’izany no nahafahan’i Jesosy Kristy nanatanteraka ny sary ara-paminaniana izay nampiseho azy nitaingina soavaly fotsy ary, toy ny mpanjaka nandray satroboninahitra, namita ny fandreseny ny fahavalony rehetra, any an-danitra sy eto an-tany (Apokalypsy 6:1, 2). Hatramin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914, dia mpanjaka mpiady izy, azo lazaina hoe mitondra tsipìka mba hamelezana avy any lavitra ireo fahavalony. Raha ny marina, dia ho an’io Mpanjaka mpiady io no nanaovana ireto teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Salamo 45:3-8 ireto:

20. Nanasa azy hanao inona ny teny ara-paminanian’ny mpanao salamo iray?

20 “Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinanao; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana. Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra​—Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao​—ka mitsatoka ao am-pon’ny fahavalon’ny mpanjaka. Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia [Andriamanitra no seza fiandriananao, MN] mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao. Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ny lapa ivory no mampifaly anao.”

21. a) Nahoana moa no azontsika antoka fa tena mihatra tokoa amin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ny tenin’ny mpanao salamo? b) Ahoana no anasoritan’ny Salamo 45:5 fa hentitra ny fandefasan’i Jesosy ny zanatsipìkany tamin’ireo fahavalony?

21 Ao amin’ny hebreo 1:8, 9 ny apostoly Paoly dia manonona ny Salamo 45:3-8 ka mampihatra io andinin-teny io amin’i Jesosy Kristy mba hanintonana ny saintsika ho amin’ny toerana be voninahitra indrindra tanany hatramin’izao. Izany no porofo fa ny “mpanjaka” nitenenan’ny “Koraita” nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia tena Jesosy Kristy tokoa, ilay mpanjaka voatendry ara-dalàna (Jereo ny lohatenin’ny Salamo 45). Ny zana-tsipìka alefany amin’ny ‘tsipìkany’ dia hitsatoka amin’ny fon’ireo fahavalon’ny Fanjakany amin’ny fomba mbola hentitra dia hentitra kokoa ihany noho ny an’ireo Partiana, mpitaingin-tsoavaly sy mpandefa zana-tsipìka nalaza dia nalaza fahizay.

22. a) Ao amin’ny andalan-teny hafa inona ao amin’ny Apokalypsy moa no ilazalazana koa ilay mitaingina soavaly fotsy, ary anarana inona no entiny? b) Nahoana isika no voatahy, ary manao ahoana ny fandraisantsika izany?

22 Miharihary fa ny nitaingina ny soavaly fotsy sy voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:2 dia ilay aseho ho mitaingina soavaly fotsy koa ao amin’ny Apokalypsy 19:11-16. Ao amin’io andinin-teny farany io izy dia antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” ary mitondra eo amin’ny feny ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Lazalazaina izy eo amin’ny fara herin’ny ady ataony amin’ireo fahavalony, rehefa mitarika azy ho amin’ny fandresena farany ny fandrosoany, amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ao amin’ny saha fiadiana ao Hara-Magedona na Tendrombohitr’i Megido (Apokalypsy 16:14-16; 19:17-21). Manaraka izany, tsy hitan’ny mason’olombelona, no anaovana ny fanagadrana an’i Satana Devoly sy ireo demonia izay atsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona (Apokalypsy 20:1-3). Voatahy isika afaka mandinika amin’ny mason’ny finoana, ny fandrosoan’io mpanjaka manao satroboninahitra io, mitaingina “soavaly fotsy”, fandehanana nanomboka tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. Mihetsi-po hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny fanahintsika isika ka mihiaka hoe: ‘Mandrosoa, ry Mpitaingin-tsoavaly mpanjaka mitaingina ny soavaly fotsinao, ary mahazoa fandresena farany ao Hara-Magedona, ho fanamarinana ny fanapahin’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao izay nanome antsika io “famantarana” ara-paminaniana io!’

Ahoana no havalinao?

◻ Oviana moa ireo mpitaingin-tsoavaly no nanomboka ny diany?

◻ Inona no zavatra nandrasana tanteraka tamin’izay?

◻ Inona no fandehanana teo aloha efa nataon’ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany, ary ahoana no nandraisana izany?

◻ Araka ny Apokalypsy 6:1, 2; 19:11-16 sy Salamo 45:3-8, inona moa no zava-nokendrena tamin’iny dia farany nataon’io mpitaingin-tsoavaly io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara