Ny fehafapolo taonan’ny sekoly iray ho an’ny misionera
Raha teny amin’ny manodidina ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Queens, any New York, ianao tamin’ny 6 martsa 1983, dia angamba ianao nety nanontany tena ny amin’izay nahatonga fihetsiketsehana tsy nisy toy izany tao. Vahoaka feno fahafahampo manokana niisa ho 2 000 no tonga nijery ny mpianatra 38 avy ao amin’ny kilasy faha-74 amin’ny Sekolin’i Gileada nandray ny diplaomany.
Ny fankalazana fanolorana diplaoma eo amin’izao tontolo izao dia matetika no tsy dia zava-dehibe loatra afa-tsy fifandimbiasana lahateny manorisory sy voatototry ny fakan-tsary. Fa raha ny fanolorana diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, izy kosa dia tsy manan-tsahala amin’ny karazany. Araka izany, ohatra, ireo nahazo diplaoma tamin’io kilasy io dia nirahina ho misionera any amin’ny tany 16 samihafa. Izany dia tsy nanao afa-tsy ny nampiravoravo ny fon’izay rehetra mankamamy ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ary ny prezidàn’io fanolorana diplaoma io, i A. Schroeder, mpikambana ao amin’ny kolejy foibe, dia nanazava fa io fankalazana io dia nanamarika ny fahefapolo taona nisian’izany fandaharam-piofanana ho amin’ny asa misionera izany. Nanomboka tamin’ny 1 febroary 1943, andro nitokanana ilay sekoly, dia mpianatra tsy latsaka ny 6000 avy any amin’ny tany maherin’ny 50 no efa nandalo tao. Na dia teo aza izany rehetra izany, ny hoe mitory any an-tany hafa dia zava-tsarotra. Koa mpandahateny maro no nanome torohevitra ho an’ireo misionera vaovao nandritra ny fivoriana. “Afaka miaro anareo ny fanetren-tena”, hoy ny fanazavan’i Martin Poetzinger. Rehefa tonga any amin’ny faritaniny vaovao ireo misionera dia mamantatra ireo olona izay tsy maintsy andehanany hiasana. “Tsy afaka manova ny olona isika”, hoy ny nambaran’i Martin Poetzinger, kanefa, amim-panetren-tena, dia azontsika atao ny “manao fiovana amin’ny tenantsika manokana” mba hahafahana miara-miasa amin’izy ireny. Nanoro hevitra ireo mpianatra i Max Larson, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fanontam-pirinty mba “hisaina toy ny misionera”. Tsy tokony hieritreritra ny handao ny faritaniny akory aza izy ireo,hoy ny nohazavainy, fa hiatrika kosa ny zava-manahirana tsirairay avy miaraka amin’ny fanapahan-kevitra hitoetra eo amin’izay misy azy.
Niara-niasa tamin’ireo mpianatra isan’andro isan’andro i U. Glass sy J. Redford mpampianatra nandritra ny dimy volana. Namporisika ireo misionera àry i U., Glass mba hanahaka ny apostoly Paoly izay vonona ny “handeha hatraiza hatraiza” ho tombontsoan’ny hafa. Notantarainy izay nitranga tamin’ny anabavy misionera tanora iray izay nandeha nanompo niaraka tain’ny vadiny, mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Pasifika Atsimo. Tsy mora tamin’io vehivavy somary niangetsana io ny nanavatsava lalana iray any ambanivohitra sy nananika tendrombohitra maro mandra-paharerany tanteraka. Kanefa na izany aza dia nahavita ny asany izy, tamin’ny fahitana fahafahampo nanampy ireo anadahiny sy rahavaviny. Niandany tamin’izany hevitra izany ihany koa i Jack Redford ary namporisika ireo misionera mba hanaiky na ny mora na ny sarotra—angamba mety ho fijaliana, tsy fahampian’ny zavatra mampiadana, fanorisorenana na aretina koa aza. Indraindray dia hisy zavatra madinidinika sasantsasany tsy hananan’izy ireo, ohatra, ny zava-pisotro ankafiziny. Kanefa raha mampifantoka ny sainy amin’ny zavatra tsy hita’ izy ireo dia ho azony atao ny hahatsapa fifaliana lalina any amin’ny faritaniny.—II Korintiana 4:16-18.
I Theodore Jaracz sy Milton Henschel, samy mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe, dia tsy maintsy nanome fampitandremana mahery ihany koa ho azy ireo. Nampahatsiahy ireo mpianatra i Jaracz fa na dia nahita ireo loza mahagaga nifandimby sy ny ranomasina Mena nisokatra aza ny Isiraelita dia nanadino an’i Jehovah (Deoteronomia 6:10-12). I Milton Henschel kosa dia nandahatra ny teniny nanodidina ny foto-kevitra hita ao amin’ny Mpitoriteny 7:12 izay manisy fifanoherana eo amin’ny vola sy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Any amin’ny tany maro samihafa, noho ny fisondrotan’ny vidim-piainana dia mila tsy hisy vidiny intsony ny vola. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fahalalana efa noraisin’ireo mpianatra dia azo “aely” ary hahasoa olona maro.—Ohabolana 15:7.
Ary farany, i Fred Franz, prezidan’ny sekolin’i Gileada dia namelabelatra lava ny foto-kevitra hoe “Ny fandaminan’i Jehovah”. Nampahatsiahiviny ny fotoana izay tsy nahatakaran’ny vahoakan’i Jehovah mazava tsar any ilàna fandaminana iray. Kanefa, arakaraka ny nitomboan’ny fahalalantsika ny Baiboly dia nanomboka fantatsika fa tsy misy fandaminana afa-tsy roa ihany raha ny marina, dia: ny an’i Jehovah sy ny an’i Satana. Avy eo dia namporisika ireo misionera izy mba hitoetra hifikitra amin’ny fandaminana izay ampiasain’i Jehovah.
Tamin’ny fandaharana ny tolakandro ireo mpianatra dia nampiseho sary diapozitiva mahavariana izay nanasoritra ny tantaran’ny Sekolin’i Gileada. Nilalao fampisehoana tantara iray amin’ny andro ankehitriny nampihetsi-po koa izy,izay nampiseho araka ny tena izy ireo zava-manahirana hitan’ny ray aman-dreny maro eo amin’ny fifandraisan’izy ireny amin’ny zanany.
Inoantsika fa zatra tsara amin’ny faritaniny vaovao ireny misionera nahazo diplaoma ireny ary hanampy araka izay azo atao ho fampandrosoana ny asa fitoriana tanterahina maneran-tany. Miharihary fa izany no nataon’ireo izay nodimbiasan’izy ireny.
[Sary, pejy 30]
Nanatrika ny fanolorana diplaoma ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn tamin’ny fahefapolo taonan’ny Sekolin’i Gileada fianarana Baiboly