Ireo misioneran’i Gileada: mizotra ho amin’ny zava-kendrena iray ihany
“MPIANATRA ianareo tamin’ny herinandro lasa, ho misionera ianareo amin’ny herinandro ho avy”. Tena voafidy tsara tokoa ireo teny ireo mba hilazana izay tsapan’ireo mpianatra 23 tamin’ny kilasy faha-81 tao Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, tamin’ny fanomezana ny diplaomany. Izy ireo sy ireo olona 4 262 tonga tao amin’ny efitrano fanaovana fivoriambe an’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanànan’i Jersey dia hahatadidy ela tokoa ny 7 septambra 1986.
Nanomboka tamin’ny vavaka i Martin Poetzinger, taorian’izay Carey Barber, prezidan’ny fizarana diplaoma, no nanolotra ny fandaharana ary nasainy nomarihina fa nandritra ny taona maro, noho ny fiofanana azony tao Gileada, dia mpitory ny filazantsara an’arivony maro no nizotra ho amin’ny zava-kendrena iray ihany: ny hirahina hatrany amin’ny faran’ny tany amin’ny maha-tena misionera mba hitory ny fanantenana ilay Fanjakana. Faly indrindra izahay amin’ny hoe ireto misionera vaovao ireto, araka ny hevitry ny anarana hoe “Gileada”, dia hanampy ny anjarany amin’ny ‘antontam-panambarana’.
Raha nanokatra ny fandaharana i Milton Henschel, dia nanazava fa ireo nahazo diplaoma, toy ireo apostoly tamin’ny andron’i Jesosy, dia voaomana ho amin’ny asa lehibe iray. Paoly misionera dia nilazalaza ny fihetseham-pony nanoloana io asa io raha nanambara toy izao: “Fa na dia afaka amin’ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.” — I Korintiana 9:19.
Inona no asehon’ireo tenin’i Paoly ireo? Fa ireny misionera vaovao ireny dia tokony ho tia ny olona. Tokony haniry hanampy ny karazan’olona rehetra izy hahafantatra ny hafatry ny fahamarinana manome famonjena, eny fa na dia ireo mifanerasera, angamba amim-pahazotoana, amin’ny fandaminana ara-pivavahana hafa aza.
Ny mpandahateny manaraka, i Theodore Jaracz, dia nampahatsiaro an’ireo misionera vaovao fa, mifanohitra amin’ny mpizaha tany maro izay manao dia lavitra mba hitsidika faritany, izy ireo kosa dia nirahina ho any amin’ny tanàna samihafa mba hitory ny vaovao tsara. Namporisika azy ireo izy mba hahatsiaro ny ohatra navelan’i Jesosy, ireo mpianatra voalohany ary koa ireo misionera amin’ny andro ankehitriny, izay maro aminy no mbola manompo amim-pahatokiana any amin’ny faritany nanendrena azy. “Aoka ianareo hahatoky eo amin’ny zava-kendrenareo, hoy ny nolazainy. Aza manaiky ho voavily amin’ny fitsiriritana zavatra ara-nofo. Raha manana maso ‘tsotra’ ianareo, amin’izay dia hahatoky eo amin’ny zava-kendrenareo ianareo.’ (Lioka 11:34). “Amin’ny maha-misioneran’i Gileada anareo, hoy koa ny nanampiny, dia mikendry zava-kendrena iray ihany ianareo: mikatsaka ny olona mendrika sy mitory ny vaovao tsara.”
Max Larson, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, dia nanome torohevitra ara-potoana ny amin’ny fomba fanao tsy maintsy harahin’ny misionera anankiray rehefa mahita fahasahiranana izy eny amin’ny faritaniny. “Aza miala ary aza mandeha, hoy ny nohazavainy. Alamino ireo zava-manahirana anao.” Amin’ny fomba ahoana? ‘Amin’ny fananana ny sain’Andriamanitra.’ (I Korintiana 2:11-16). Nosoritan’ny mpandahateny ny maha-zava-dehibe ny hangatahana ny fanampian’i Jehovah ao amin’ny vavaka, ary nohantitranteriny ny amin’ny ilàn’ireo misionera hisaintsaina tsy tapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
Lon Schilling, avy ao amin’ny Komitin’ny toeram-piompiana sy fambolena an’ny Fikambanana Watchtower, dia nifikitra tamin’ny fampisehoana fa sarobidy ny manana sy mihazona toe-tsaina tsara. “Ahoana no ho toetry ny sainao raha mifanehatra amin’ny fitsapana iray ianao na ao anatin’ny tarehin-javatra iray hanery anao hifankazatra aminy? hoy ny nanontaniany. Noho isika manana safidy, dia tompon’andraikitra ny amin’ny fomba fiodinan’ireo fisehoan-javatra isika.” Nasainy nomarihina fa tsy “mitarika antsika amin’ny alalan’ny fiasana fitarihana iray avy any an-danitra” akory Andriamanitra. Araka izany, ny misionera dia tsy tokony hanantena mihoatra noho ny mety avy amin’Andriamanitra. Ireo izay mamela an-tsitrapo an’i Jehovah hitantana azy amin’ny alalan’ny Teniny, ny fanahiny ary ny fandaminany dia afaka hihazona toe-tsaina tsara.
“Maranitra ve ny fitsapanao ny hasarobidin-javatra?” Io fanontaniana io dia napetrak’i Ulysses Glass, anankiray amin’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada. Tamin’ny fampiasana fitohitohizam-panazavana tamin’ny alalan’ny sary, io mpampianatra tranainy io dia nampiseho fa “ny fitsapana ny hasarobidin-javatra voalanjalanja, feno fahendrena, ary tsy azo hozongozonina dia hamela [an’ireo misionera] hihazona hatrany toe-tsaina mibanjina ireo tombontsoan’ilay Fanjakana”. Tamin’ny fampisehoana hajian’ny paositra anankiray, dia nilaza izy fa, na eo aza ny vidiny kely dia kely, ny hajia anankiray dia ilaina noho izy afaka miraikitra amin-javatra anankiray mandra-pahatongany any amin’ny handefasana azy. “Manahafa an’ity hajia ity, hoy ny nambarany, amin’ny firaiketana mafy amin-javatra iray ihany: ny fanirahana anareo hitory, mandra-pahatraranareo tsy haninon-tsy haninona ny tanjona alehanareo, any ambadiky ny fahoriana lehibe.”
Jack Redford, mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada sady misionera mihitsy taloha, dia nampahatsiaro tao amin’ny lahateniny ny sasantsasany amin’ireo fitsapana ho hitan’ireo misionera. Nosoritany fa raha matoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo dia afaka handresy ny vato misakana rehetra na inona izany na inona, na izany fianarana teny vaovao, ady atao amin’ny aretina eo amin’ilay tany, fiaraha-miana miaraka amin’olon-kafa, fifanarahana amin’ny fomba amam-panao isan-karazany na fandaminana ireo tsy fifanarahana avy amin’ny toetran’ny tsirairay. Namporisika izy hoe: “Aza manandrana manao izany amin’ny herin’ny tenanao ihany. Milaza amintsika ny teny ao amin’ny I Korintiana 3:9 hoe: ‘Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay.’ ” Nanome izao fanomezan-toky izao izy: “Ataovy ny anjaranareo, dia ho azonareo antoka fa hanao ny azy Jehovah.”
“Fanomezan’Andriamanitra ny Sekoly ara-Baibolin’i Gileada.” Tamin’ireo teny ireo no nanombohan’i Frederick Franz, prezidan’ny Fikambanana, ny lahateny farany tamin’ny maraina. Ny Sekolin’i Gileada, hoy izy, “dia tokony hanome olona izay hiasa ho vavolombelona, ho fanambarana velona noho ny efa naha-teo amin’ny fitoerany ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy hatramin’izao”. Avy eo dia nampahatsiaroviny tamin’ireo nahazo diplaoma avy amin’ny kilasy faha-81 fa amin’ny fikendren’izy ireo zava-kendrena iray ihany, izy ireo dia milanja andraikitra mavesatra, “satria, hoy ny nohantitranteriny, eny amin’ny saha ianareo dia handeha hanao fanambarana ao anatin’ny fotoana sarotra indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona. Noho izany, Jehovah dia nanankina amintsika ny andraikitra hampahafantatra ny vaovao tsara momba an’io Fanjakana io sy hampiseho amin’ny olombelona rehetra, hatramin’ireo faritra mihataka indrindra amin’ny tany, ny fomba handosirana efa nomaniny”.
Rehefa naharay ny diplaomany ireo mpianatra, dia hita niharihary ho ravoravo sy feno fankasitrahana noho ny nananany tombontsoa hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Nahatsapa ny zava-kendreny amin’ny maha-misionera ireo mpikambana tao amin’ny kilasy faha-81 avy ao Gileada ka, tao amin’ny taratasy anankiray nalefany ho an’ny kolejy foibe sy ny fianakavian’ny Betela, izy ireo dia nanapa-kevitra hikarakara amim-pahatokiana ireo tombontsoan’i Jehovah Andriamanitra sy ‘hankalaza ny anarany’ eo amin’ireo firenena (II Samoela 22:50). Ny tolakandro, taorian’ny fampisehoana an-tsehatra fomba fitory tamin’ny lasa tao New York sy tany amin’ny sahan’ny misionera, ary taorian’ny fampisehoana tantara mampihetsi-po anankiray amin’ny andro ankehitriny, dia nofaranana tamin’ny vavaka notononin’i Lyman Swingle ny fandaharana.
Faly aoka izany dieny mialoha ireo mpianatra 23 nahazo diplaoma hanompo toy ny misionera. Noho ny antony inona? Nanazava ny anankiray taminy hoe:
“Dia hoy Jesosy taminy: ‘Amidio ny fananao, ary avia hanaraka Ahy, (...) [ary] hianao kosa mandehana, ka, mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.’ [Matio 19:21; Lioka 9:60]. Izay nanosika anay hanao ny asa misionera ho zava-kendrenay, dia ny fanirianay hanampy ara-panahy olona betsaka araka izay azo atao, na aiza na aiza azo ampiasana anay tsaratsara kokoa.” — Frederick Steiner, notendrena ho any Guatemala.
Azonao atao ve ny hanitatra ny asanao ho an’Andriamanitra sy hanao izay hahatongavany ho mahavokatra kokoa? Raha eny, dia ataovy izany, sahala amin’ny nataon’ireo mpianatra ankehitriny nahazo diplaoma ireo mba hamenoana ireo fepetra takina amin’ny asa misionera. Ny fifalian’izy ireo lehibe indrindra, sy ny anao koa, dia ny manana fiainana voatokana tanteraka hanompoana an’i Jehovah. — Malakia 3:10.
[Efajoro, pejy 22]
“Nameno ny saiko tokoa ny lahatenin’ny rahalahy Larson ny amin’ny ilàna ny ho vonona hanaiky. Mba hanatanterahana ny andraikitro amin’ny maha-misionera ahy, dia tokony handositra ny ‘toe-tsaina araka ny nofo’ aho, ary hikatsaka ny fomba fihevitr’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy.” — Alain Saint-Jacques-Saint-Jean, notendrena ho any Nouvelle-Calédonie.
[Efajoro, pejy 23]
“Nanampy ahy hahita ny maha-zava-dehibe ny hanana fitsapana ny hasarobidin-javatra marina ny lahatenin’ny rahalahy Glass. Tsy tokony hamela ny tenanay ho voavily amin-javatra tsy misy heviny izahay. Tokony hijoro izahay.” — Humphrey Hermanus, notendrena ho any Suriname.
[Efajoro, pejy 24]
“Tamin’ny fihainoana ny rahalahy Redford aho, dia nahatsapa fahatsiarovan-tena ho tsy manana ahiahy, tamin’ny fahafantarana fa tsy vaovao akory ireo fahasahiranana ho hitanay. Afaka nandresy azy ireny ny hafa, ary izahay koa dia afaka hanao izany raha miantehitra amin’ny herin’i Jehovah fa tsy ny anay.” — Veronica Lipham, notendrena ho any Papouasie-Nouvelle-Guinée.
[Efajoro, pejy 24]
TOETOETRA ANKAPOBEN’ILAY KILASY:
Isan’ny tany aseho: 7
Isan’ny tany nanendrena: 12
Ara-kevin’ny taona: 30,3 taona
Ara-kevin’ny taona naha-tao anatin’ny fahamarinana: 13,4
Ara-kevin’ny taona naha-tao anatin’ny fanompoana manontolo andro: 9,3
[Sary, pejy 23]
Alan sy Betty COSTA Etazonia
Anton sy Rita GANSLMEIER Alemàna
John sy Cynthia GONZALES Etazonia
Uwe sy Katherine GRAULICH Alemàna
Humphrey sy Ludmila HERMANUS Antilles néerlandaises
Bárd sy Ester JOHANSEN Norvezy
Otto sy Yvonne KLOOSTERMAN Pays-Bas
Gary sy Annette LARSON Kanada
Mark sy Veronica LIPHAM Etazonia
Alain SAINT-JACQUES-SAINT-JEAN Frantsa
Frederick sy Helen STEINER Etazonia
Cynthia SZYMANSKI Etazonia
David WILKE Etazonia