‘Mitadiava fihavanana ka araho izany’
12 Araka ny lazain’ny Romana 13:1, 4, ny “fahefana lehibe” eo amin’izao tontolo izao ankehitriny angamba dia nametraka hery sasany ho fitandroana ny filaminana, ohatra ny polisy izay mitam-piadiana ara-dalàna mba hiarovana ny olom-pirenena sy ny fananan’izy ireo. Koa satria ireny fahefana leferin’Andriamanitra ireny aseho ho toy ny ‘mpanompon’Andriamanitra, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy’, dia azon’ny kristiana atao ara-dalàna ny mangataka na mandray fiarovan’ireny hery natao ho an’ny vahoaka ireny. Na dia heveriny fa ilaina aza ny miaro tena sy miaro ny ankohonan’ny tena amin’ny fampiasana izay rehetra ho azony raisina, dia tsy tokony hampiasa fiadiana fitifirana ny kristiana. Tsy hitady izay hamaliana hahazoana ny rariny irery koa izy. Any amin’ny tany maro aza, ny lalàna dia mandrara ny fananana fiadiana fitifirana ho fiarovan-tena. — Matio 22:21; jereo Eksodosy 22:1.
13 Nefa moa ve ny kristiana anefa tsy ho afaka hanao fanazaran-tena amin’ny fahaizana miady toy ny kung-fu sinoa mba hahaizana miaro tena? Aoka homarihintsika aloha fa io fahaizana tatsinanana io, ny mahafaty indrindra amin’ny rehetra, dia ny moanina bodista “zen” avy ao amin’ny monasiteran’i Shaolin, any amin’ny fidinana amin’i Songstan, anankiray amin’ireo tendrombohitra masina any Shina, no nanitatra azy. Ny fahaiza-miady any Japon — ny dikan’ny teny hoe Bushidô ara-bakiteny dia hoe “Ny lalan’ilay mpiady” — dia nanam-piandohana ara-pivavahana koa. Manam-pahaizana manokana maro amin’ny judo, ny kendo sy ny karaté no mbola manovo ihany amin’izao andro izao ny fakany hevitra avy amin’ny fisaintsainana ara-pivavahana. Ny karaté izay ny zava-kendreny dia ny hanao izay tsy hahafahan’ny fahavalo hamely, dia mety hiteraka ratra mafy na hahafaty mihitsy aza. Azo antoka tokoa fa ny kristiana izay mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah dia tsy hampiasa ny fahaizana miady mba hiarovan-tena. — Ohabolana 3:31.
Ireo asa mitaky ny hitanam-piadiana
17 Fa inona no tokony hataon’ny kristiana iray izay ny asany dia mitaky ny hitanany fiadiana mba hampiasana izany raha ilaina, hamelezana olon-kafa, na ny hanazarany tena amin’ny fahaizana miady toy ny judo na ny karaté? Ny tenany ihany no hanao ny fanapahan-kevitra amin’ny fitadidiana fa ny mpianatr’i Jesosy iray dia tokony hanaraka ny fihavanana (Romana 12:17, 18). Rehefa heverina amin’izay voasoratra ao amin’ny Isaia 2:4, ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manalavitra izany karazana asa izany. Na dia natao hiarovana olona (na ny fananany) aza ny asa toy izany, araka ny hevitra ao amin’ny Romana 13:4, ny zava-nisy dia nampiseho foana fa misy foana ho an’izay manana asa toy izany ny mety hivesarana trosan-dra amin’ny famonoana olona amin’ny alalan’ny fiadiany, noho izany dia hanimba ny fieritreretan’ny tenany, ary ao koa ny loza satria mety haratra na ho faty ny tenany noho ny valifaty (Salamo 51:14; jereo Nomery 35:11, 12, 22-25). Azo antoka fa tsaratsara kokoa ny hanalavirana izany amin’ny fifidianana asa tsy misy izany karazam-pisetran-javatra izany.
18 Amin’izao “andro farany” izao, dia mpiasa maro no mety hasaina hitondra fiadiana fitifirana. Mety ho tsy maintsy atao aza izany ho an’ireo mpiambina trano fametraham-bola (banque), ireo mpiasa amin’ny fikambanana momba ny filaminana, ireo mpiambina amin’ny alina na ireo polisy raha tiany ny hitana ny asany. Inona no hataon’ny kristiana izay manana adidy ‘hamelona ny ankohonany’? (I Timoty 5:8.) Ny fihetsiny, miorina amin’ny Baiboly, dia ho hafa noho ny an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mihevitra fa afaka mitam-piadiana sy mampiasa izany amin’ny tarehin-javatra mampidi-doza rehetra hiheverany fa ilàna izany (Efesiana 5:15-17). Noho ny fahatsiarovana ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fahamasinan’ny aina, dia ho tiany ny tsy hivesatra trosan-dra (Genesisy 9:6; Salamo 55:23). Ny kristiana matotra iray àry dia tokony hiezaka hitady asa tsy manery azy hitam-piadianaa. Rehefa avy niresaka tamin’ny mpampiasa azy ireo ny kristiana sasany dia nafindra ho amin’ny asa hafa iray tsy nilana ny hitanam-piadiana.
19 Amin’ny fotoana mahatonga izao tontolo izao hihamahery setra hatrany, dia tsy azo heverina ho toy ny ohatra intsony ny rahalahy iray hitana asa ilàna ny hitanana fiadiana. Ho azo atao ny hanome azy enim-bolana mba hiovana asa. Raha tsy manao izany izy, dia tsy ho afaka hiantsoroka tombontsoa manokana sy andraikitra eo anivon’ny kongregasiona. — I Timoty 3:2; Titosy 1:5, 6.
Aoka isika rehetra hanaraka ny fihavanana daholo
20 Tamin’ny fanarahana ny fihavanana, dia matetika tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah no nandray soa tamin’ny fiarovana ara-batana, ara-pitondran-tena, sy ara-panahy. Mazava fa izany lalana izany, atoron’ny Soratra Masina, no tokony harahina. Tao anatin’ny toe-javatra sasany namoizan’ny kristiana nahatoky ny ainy, ny herim-pony teo anoloan’ny fahafatesana dia hahatonga azy ireny hatsangana amin’ny maty aloha be (Hebreo 11:36-40; Apokalypsy 2:10). Indraindray Jehovah dia mamela an’i Satana hampihatra fitsapana amin-kalozana amin’ireo mpanompony. Nahatsapa izany i Joba, nefa nahita fiafarana sambatra izy ho valisoa noho ny tsy nivadihany (Joba 1:18, 19; 42:12-15). Na inona na inona mety hitranga amin’izao fotoan’ny herisetra izao, dia aoka isika tsy hivadika mihitsy. Aoka isika hametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra. “Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” — II Tantara 16:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa La Tour de Garde tamin’ny 15 jona 1973, pejy faha-382, 383.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 12-13, 17-20 ihany