FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w84 1/2 p. 6-8
  • Fanantenana ho an’ireo mamoifo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanantenana ho an’ireo mamoifo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahatsiarovana ho meloka
  • “Mangataha fanampiana”
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Misy Fanampiana ho Anao
    Mifohaza!—2001
  • Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Jehovah, Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
w84 1/2 p. 6-8

Fanantenana ho an’ireo mamoifo

“Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana [fampiononana, MN] avy amin’ny soratra masina.” (Romana 15:4). Nahoana moa no tsy hihevitra ireo tenin’i apostoly Paoly ireo rehefa mahafantatra fa ny anankiray amin’ireo zava-manahirana lehiben’ireo mpamono tena indrindra dia ny famoizam-po, ny famoizana izay rehetra mety ho fanantenana? “Ny fampiononana avy amin’ny Soratra Masina” ve ho ampy hery hampisava ny alahelony? Izany tokoa. Afa-tsy izany dia olona namono tena mihoatra ny iray no nanao izany fanandraman-javatra izany. Hevero ireto ohatra manaraka ireto:

Vao avy namoha gaza mba hanempotra azy ny vehivavy tanora iray raha nisy Vavolombelon’i Jehovah anankiray nandondona tao am-baravarany ary nampita taminy ny amin’ny fanantenana vaovao avy tao amin’ny Baiboly.

Ny zazavavy iray tratry ny famoizam-po hatramin’ny lozam-piarakodia nahatonga azy halemy dia nanandrana imbetsaka namono tena. Nefa ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nampahita azy “ny fampiononana avy amin’ny Soratra Masina”, ary dia afaka nankafy ny fiainana indray izy.

Ity lehilahy be taona ity dia namoy ny vadiny taloha kelin’ny hankalazany ny fahadimampolo taona nivadiany. Nahatsiaro fahaketrahana lalina izy ary teo am-panomanana ny poizina nokasainy hohanina raha tonga teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah ary nampiseho taminy ny fomba mety hitondran’ny hafatry ny Baiboly antony vaovao hiainana ho azy.

Ireo olona rehetra ireo dia nianatra ‘niandry an’i Jehovah sy nahery fo’. (Salamo 37:14) Nanomboka nanovo hery teo anilany izy ireo ary ‘nametraka taminy ny entany ka nanohana azy ireo izy’. (Salamo 55:22.) Tonga tamin’ny fahafantarana koa ny fikasana izay noheveriny hotanterahina izy ireo. Nanoloana io fahitan-javatra mampientana io, ny tarehin-javatra misy azy ireo ankehitriny dia nanjary toa tsy mafy loatra, mora nozakaina kokoa. Eny, “ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina” dia namonjy ara-bakiteny ny ain’izy ireo.

Nefa inona no holazaina ny amin’ireo izay reraka noho ny fiheveran-tena ho meloka ka namoy ny fifaliany ary manao fanatsoahan-kevitra fa “Andriamanitry ny fanantenana” dia nanda azy ireo (Romana 15:13)? Moa ve ny Soratra Masina manomana ho azy ireo izay mety ho “fampiononana”? Izany tokoa. “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka i Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18). Tsy mahafoy azy ireny mora loatra toy izany izy.

Ny fahatsiarovana ho meloka

Takatra, mazava ho azy, fa izay nanao fahadisoana lehibe dia manontany tena mandritra ny fotoana kelikely raha hamela azy mandrakizay Andriamanitra. Rehefa mahatsapa amin’ny fomba feno izay nataony izy dia angamba very hevitra loatra, hany ka nihevitra ho nanjary olona maharikoriko indrindra sy tsy mendrika indrindra eo amin’izao tontolo izao. Kanefa na dia mankahala ny ota aza Jehovah dia mamindra fo amin’izay mpanota manenina amim-pahatsorana noho ny fitondrantenany ratsy ary miala amin’izany, ka hainy ny hamela dia “hamela heloka tokoa”. — Isaia 55:7.

Davida mpanjaka dia niaiky ny amin’izany. Nanoratra tokoa izy hoe: “Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindram-po amin’izay rehetra miantso Anao.” (Salamo 86:5). Nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra nandritra ny androm-piainany manontolo i Davida, nefa tsy hoe tsy nanao fahotana lehibe izy. Kanefa isaky ny nitodika ny sainy ary nahatakatra marina ny haratsin’ny nataony izy, dia nibebaka tamim-pahatsorana ary nanantona an’i Jehovah tamin’ny vavaka, tamin’ny finoana fa hamela heloka izy. — Salamo 51:9-12.

Tsy ilaina ny milaza fa tsy haniry ny hanahaka an’i Davida mpanjaka isika raha ny amin’ny otany. Kanefa raha sendra manao fahotana isika na dia izany aza, dia afaka maneho fibebahana amim-pahatsorana sy lalina izay nasehony, miaiky an-karihary fa nanao ratsy isika ary manam-pinoana an’i Jehovah noho ny fahalalana fa vonona tanteraka ny hamela antsika tokoa izy. — I Jaona 2:1, 2.

Kanefa raha toa ny kristiana iray namoy ny fifaliana na ny fiadanan-tsaina noho ny antony iray na hafa, tsy ho azo atao ve, na dia izany aza, ny hanatsoaka hevitra fa nanaisotra ny fanahiny taminy Andriamanitra? Tsy voatery ho izany. Marina tokoa fa na dia falifaly aza ireo mpanompon’Andriamanitra mazàna, dia tsy hoe afaka misoroka ny fitebitebena izy ireo. Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nahita io fahatsiarovana nanasatra io, indrindra rehefa tao amin’ny sahan’i Getsemane izy taloha kelin’ny nahafatesany. Milaza toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ary fadiranovana [“tratry ny fitebitebena”, Bible en français courant] Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.” (Lioka 22:44). Moa ve ianao indraindray mahatsiaro tena ho meloka noho ny tebiteby nateraky ny fisedrana toy izao na izao? Amin’izay, tahaka an’i Jesosy, mitodiha any amin’i Jehovah mba hahazoana fampiononana.

Nefa moa ve tsy ratsy ho an’ny kristiana ny maniry fahafatesana? Raha ny tena izy, tadidinao ve izay tsapan’i Joba rehefa trotraka izy? Nijaly noho ny aretina tsy nifaditrovana izy, namely azy matetika ireo nilaza fa namany ary nino izy fa nahafoy azy i Jehovah. Noho izany dia nitaraina izy hoe: “Maharikoriko ahy ny aiko”. (Joba 10:1; 14:13). Teo imasony, ny fahafatesana dia fomba iray handosirana ny fijaliany sy hahitana indray ny fiadanana. Tsy toy ny fahavalo intsony izany taminy, na dia izany tokoa aza izy io araka ny tena izy. — I Korintiana 15:26.

Raha nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny zavatra i Joba ary hamarana ny androny mba hampitsaharana ny fijaliany, dia tamin’izay izy no nanao fahadisoana lehibe. Nefa rehefa mamoifo ny olona iray, fadiranovana, na tratry fikorontanana ara-pihetseham-po lehibe, dia tsy azony atao foana ny hifehy ireo eritreritra tonga ao an-tsainy. Kanefa raha mahatratra ny tenantsika mieritreritra lalandava ny fahafatesana isika na miantso azy tsy an-kiato, dia tokony ho heverintsika ho famantarana fanairana ireo fambara ireo. Izay indrindra no fotoana fanaovan-javatra. Nefa inona?

“Mangataha fanampiana”

Ny vehivavy tanora iray dia nahita zava-manahirana lehibe ara-bola sy ara-panambadiana. Tamin’ny fara tampon’ny tarehin-javatra ratsy indrindra dia nihinana fanafody be dia be izy nefa soa ihany fa velona ihany. Rehefa avy nieritreritra ny amin’ireo antony nitarika azy ho amin’io fara hery io izy dia nanazava hoe: “Inoako fa ny zava-manahirana dia avy amin’ny tsy namborahako ny tao am-poko tamin’ny olona. Tsy nanomana mialoha ny famonoan-tenako aho. Niangona fotsiny tao anatiko tao ireo fanerena mandra-pahatongan’ny fotoana izay nahamafy azy ireny loatra ka nanosika ahy hanao zavatra.” Manana torohevitra omena antsika ve izy? “Mangataha fanampiana alohan’ny hahatongavana amin’izany.”

Marina tokoa fa fahamalinana ny manao toy izany. Rehefa tratry ny fanerena mafy ara-pihetseham-po isika, ny zava-manindry antsika dia toa mavesatra aoka izany. Ny fahatsapantsika tena ho meloka, ny alahelontsika sy ny famoizam-pontsika dia mety ho toa mavesatra loatra amintsika. Nefa isika tsy voatery hitondra azy ireny irery. Marina tokoa fa tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly, Jehovah dia nanao izao didy izao: “Mifampitondrà izay mavesatra.” (Galatiana 6:2). Eny, misy olona foana vonona hanampy anao. Ankoatr’izany, ny sasany aza angamba dia manana adidy hanao izany. Nefa araka ny fitsipika ankapobeny dia tsy ho fantatr’izy ireo na oviana na oviana hoe hatraiza ianao no mila ny fanohanan’izy ireo raha tsy lazainao azy ireo izany.

Ny zazavavy iray, ketraka rehefa avy nahalala fa telo tamin’ireo namany no namono tena dia nanontany tena hoe: “Ahoana moa no mety ho nahafantaranay izany? (...) Ahoana moa no nety ho naha-teo anay tamin’ny fotoana izay nilany anay, nefa tsy nahiahianay kely akory izay tsapan’izy ireo?” Mety ho toa sarotra izay tsy izy ho anao ny miresaka amin’ny hafa ny zava-manahirana anao. Kanefa toa ho gaga ianao ny amin’ny maha-mora ny hamborahanao ny ao am-ponao raha vao avy nanao ny dingana voalohany. Ankoatr’izany, dia tokony ho azonao antoka fa ny olona sasany dia maniry marina tokoa hanampy anao. Iza, ohatra?

[Efajoro, pejy 7]

Hevero ny hafa

Ny zazavavy iray nihevitra ny hamono tena dia nanazava izay nisakana azy tsy hanao zavatra hatramin’ny farany: “Na iza na iza mamono tena, hoy izy, dia mamela aoriany fanaintainana, alahelo ary fahatsiarovan-tena ho meloka mbola mahasasatra lavitra sy sarotra kosehina kokoa noho ireo zava-manahirana izay toa tsy zakany.” — Matio 7:12.

[Efajoro, pejy 7]

Hilamina ny zavatra

“Tsy misy na inona na inona maharitra mandrakizay eo amin’izao tontolo izao (...). Fantatsika fa akaiky ny fanamaivanana.” Io hevitra io dia nahatonga ny namoy fo iray ho afaka handroaka ireo eritreriny hamono tena.

[Efajoro, pejy 8]

Fiovan-kevitra

Ny dokotera Herbert Hendin dia mitantara fa hatramin’ny taona maro dia nahafantatra olona efatra nitsambikina avy eny ambonin’ny trano avo lehibe izay velona soa aman-tsara izy. Ny roa tamin’izy ireo dia niaiky taminy fa raha vao tamin’ny fotoana nivarinan’izy ireo ho amin’ny tsy misy, dia ho tiany ny ho afaka hiova hevitra ihany. — “Ny famonoan-tena any Amerika” (anglisy), nataon’i Herbert Hendin.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara