FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 8-12
  • Misy Fanampiana ho Anao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Fanampiana ho Anao
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atreho ireo zava-manahirana
  • Mitadiava olona iresahana
  • Nahazo fanampiana izy ireo
  • Tian’ny olona ho velona ianao
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no misy famonoan-tena betsaka aoka izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 8-12

Misy Fanampiana ho Anao

‘FANAFODY fampatoriana 49 ao anaty kaopy. Hohaniko ve ireto sa tsia?’, hoy ny lehilahy soisa iray, 28 taona. Nilaozan’ny vady aman-janany izy, ka ketraka mafy. Efa laniny ilay fanafody, vao nilaza indray izy hoe: ‘Tsy te ho faty aho kah!’ Soa ihany fa tsy maty izy ka afaka nitantara izay nitranga. Tsy izay rehetra manandrana mamono tena akory no maty.

Niresaka momba ny zatovo manandrana mamono tena i Alex Crosby, avy ao amin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina, ka hoy izy: “Tsy hitranga izany raha afaka misalovana mandritra ny ora vitsivitsy fotsiny ianao. Betsaka ny zatovo ho voasakanao tsy hamono tena, raha misalovana toy izany ianao. Ho voavonjinao ny ain’izy ireo.”

Niasa tao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Vonjy Aina tao amin’ny Oniversite Japoney Fianarana ho Dokotera, i Hisashi Kurosawa, ka nanampy olona an-jatony maro nikasa hamono tena mba hankamamy ny fiainana indray. Azo atao tsara ny mamonjy aina amin’ny fisalovanana toy izany. Inona no fanampiana ilain’ireo olona mitady hamono tena?

Atreho ireo zava-manahirana

Araka ny efa hita tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia lazain’ireo mpanao fikarohana, fa tratran’ny aretin-tsaina na midoroka zava-mahadomelina ny 90 isan-jaton’ireo mamono tena. Hoy anefa i Eve Mościcki, avy ao amin’ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina: “Ny fisorohana ny aretin-tsaina sy ny aretina vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina, no tena antenaina fa hanakana ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra tsy hamono tena.”

Mampalahelo fa maro no tratran’ny aretin-tsaina toy izany, nefa misalasala hitady fanampiana. Nahoana? “Noho ny fitsarana an-tendrony eo amin’ny fiaraha-monina”, hoy i Yoshitomo Takahashi, avy ao amin’ny Ivon-toerana Momba ny Fahasalaman’ny Saina any Tokyo. Vokatr’izany, hoy izy, dia tsy sahy mitady fanampiana avy hatrany ilay olona na dia fantapantany ihany aza fa marary izy.

Tsy voasakan’ny henatra anefa ny sasany. Be mpahafantatra i Hiroshi Ogawa, mpanolotra fandaharana ao amin’ny tele, any Japon, ary efa nanao izany nandritra ny 17 taona. Nekeny ampahibemaso fa ketraka izy, ary efa tena saika namono tena. “Toy ny sery any amin’ny atidoha ny fahaketrahana”, hoy i Ogawa. Mety ho tratran’izany daholo ny olona, nefa nohazavainy fa azo sitranina izany.

Mitadiava olona iresahana

“Rehefa ilay olona irery no miatrika zava-manahirana, dia manjary lehibe loatra sy tsy misy fanafodiny ny fahitany ilay izy”, hoy i Béla Buda, ilay tompon’andraikitra momba ny fahasalamana any Hongria, voalaza tetsy ambony. Manasongadina ny fahendren’ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity io teniny io: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.”—Ohabolana 18:1.

Henoy ireo tenim-pahendrena ireo. Aza miady irery amin’ny onjam-piainana manafotra anao. Mitadiava olona azonao itokisana sy amborahana ny ao am-ponao. Hoy angamba ianao hoe ‘Iza moa no mba hamborahako ny ao am-poko?’ Maro no mieritreritra toy izany, araka ny Dr. Naoki Sato, manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina. Nolazainy fa tsy te hamboraka izay ao am-pony ny marary, satria tsy tiany ho fantatr’olona ny kilemany.

Aiza no mety hahitana olona vonon-kihaino? Any amin’ny tany maro dia azo atao ny mitady fanampiana amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny famonoan-tena. Na azo atao koa ny mitady dokotera fantatra ho mitsabo aretina mifandray amin’ny fihetseham-po. Eken’ny manam-pahaizana sasany anefa, fa mitondra fanampiana hafa koa ny fivavahana. Amin’ny fomba ahoana?

Nahazo fanampiana izy ireo

Kilemaina i Marin, any Boligaria, ka naniry mafy ny hamono tena. Sendra nahita Ny Tilikambo Fiambenana, gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy, indray andro. Novaliany ilay fanasana hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao anatin’ilay gazety. Izao no nolazainy momba ny tohin’izany: “Nampianarin’izy ireo ahy fa fanomezana avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny fiainana, ka tsy zontsika ny hanimba ny tenantsika na hanao fanahy iniana hamarana ny fiainantsika. Tapa-kevitra aho fa tsy hamono tena indray, ary nanjary nankamamiko indray ny fiainana!” Nanampy an’i Marin tamim-pitiavana koa ny fiangonana kristianina. Mbola kilemaina izy, nefa izao no nolazainy: “Feno fifaliana sy fahatoniana ny androm-piainako, ary feno zavatra mahafinaritra hatao, fa ny fotoana indray aza no tsy ampy! Isaorako an’i Jehovah sy ireo Vavolombelony daholo izany.”

Nampian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay lehilahy soisa voalaza terỳ am-boalohany. Nomarihiny manokana “ny hatsaram-panahin’ny fianakaviana kristianina” nampiantrano azy. Hoy koa izy: “Nifandimby nanasa ahy hisakafo isan’andro ny mpikambana tao amin’ny fiangonana [Vavolombelon’i Jehovah]. Tsy ny fandraisana tsara nataon’izy ireo ihany no nanampy ahy, fa noho izaho afaka niresaka koa.”

Tena nampahery an’io lehilahy io izay nianarany avy tao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny fahafantarany fa tena mangoraka ny olombelona i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. (Jaona 3:16) Tena mihaino anao izy rehefa ‘loaranao eo anatrehany ny fonao.’ (Salamo 62:8) “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra”, tsy mba hitsikerana ny fahadisoan’ny olona akory, fa “mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Izao no toky omeny antsika: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”—Isaia 41:10.

Nilaza toy izao momba ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao ilay lehilahy soisa: “Tena nanamaivana ny fahakiviana nitambesatra tamiko izany.” Anisan’io fanantenana izay lazaina ho “vatofantsiky ny aina” io, ny fampanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Hebreo 6:19; Salamo 37:10, 11, 29.

Tian’ny olona ho velona ianao

Mety hiatrika zava-tsarotra tokoa ianao, ka hanjary hieritreritra fa irery tanteraka, ary tsy mampaninona ny olona na dia maty aza ianao. Tsarovy anefa izao: Samy hafa be ny hoe mahatsiaro ho irery sy ny hoe tena irery. Nisy fotoana nahaketraka mafy an’i Elia mpaminany fahiny. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa.” Nahatsiaro ho irery tanteraka i Elia, ary tena nisy antony nahatonga izany. Maro be mantsy ny mpaminany namany novonoina ho faty. Nisy nandrahona hamono azy, ary teny am-pandosirana mba hiarovany ny ainy izy. Tena irery ve anefa izy? Tsia. Nampahafantarin’i Jehovah azy fa nisy olona 7 000 tahaka azy, niezaka tamim-pahatokiana hanompo an’ilay Andriamanitra marina, nandritra ireny fotoana nahatsiravina ireny. (1 Mpanjaka 19:1-18) Ary ahoana ny aminao? Mety ho tsy tena irery araka ny fiheveranao azy ve ianao?

Misy olona miahy anao. Mety ho anisan’izany ny ray aman-dreninao, ny vadinao, ny zanakao, sy ny namanao. Nefa mbola misy ankoatra ireo. Misy Kristianina matotra ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miahy anao izy ireo, ka hihaino anao sy hiara-mivavaka aminao ary hivavaka ho anao. (Jakoba 5:14, 15) Ary na dia mety handiso fanantenana anao aza ny olona tsy lavorary, dia misy Olona iray tsy handao anao mihitsy. Hoy i Davida Mpanjaka fahiny: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10) Eny, ‘miahy anao’ i Jehovah. (1 Petera 5:7) Aza hadinoina mihitsy, fa sarobidy amin’i Jehovah ianao.

Fanomezan’Andriamanitra ny aina. Marina fa mety ho toy ny enta-mavesatra ny fiainana indraindray, fa tsy toy ny fanomezana. Aoka anefa hatao hoe nisy fanomezana sarobidy nomenao olona iray. Tsy nampiasainy tsara akory ilay izy dia efa nariany. Hanao ahoana ny fihetsikao? Zara raha nampiasaintsika, izay tsy lavorary, ny fiainana nomena antsika. Resahin’ny Baiboly mihitsy fa mbola tsy “ny tena fiainana” no iainantsika ankehitriny, araka ny fijerin’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Tsy ho ela tokoa, dia ho tonga lafatra kokoa, hisy dikany kokoa, ary hahafinaritra kokoa ny fiainantsika. Ahoana no hetezan’izany?

Hoy ny Baiboly: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Eritrereto hoe hanao ahoana ny fiainanao rehefa tanteraka ireo teny ireo. Makà fotoana hakana sary an-tsaina tsara momba izany. Tsy eritreritra nofinofy fotsiny anefa izany. Raha misaintsaina ny fomba nitondran’i Jehovah ny vahoakany fahiny ianao, dia hanjary hatoky azy kokoa, ary tena hino fa tena hisy ireo zavatra azonao an-tsaina ireo.—Salamo 136:1-26.

Mety hila fotoana ianao vao tena hankamamy ny fiainana indray. Mivavaha hatrany amin’ilay ‘Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra.’ (2 Korintiana 1:3, 4; Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:17) Hanome anao ny tanjaka ilainao i Jehovah. Hampianariny anao fa mamy ny miaina.—Isaia 40:29.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Ahoana no Azonao Anampiana Olona Toa Mitady Hamono Tena?

Inona no tokony hatao raha misy olona miresaka aminao fa te hamono tena izy? “Henoy tsara izy”, hoy ny torohevitry ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina (CDC). Avelao ilay olona hilaza ny zavatra tsapany. Matetika anefa no mitokantokana sy tsy ahitan-teny firy ny olona mitady hamono tena. Ekeo fa tena mijaly sy mamoy fo izy. Mety ho voatosika hiresaka sy hamboraka aminao izay ao am-pony izy, raha lazainao aminy amin-katsaram-panahy ny fiovana sasany voamarikao taminy.

Mahaiza miombom-pihetseham-po aminy rehefa mihaino azy. Milaza ny CDC fa “zava-dehibe ny hanantitranterana fa tianao sy ny hafa koa ny hahavelomany.” Ampahafantaro azy fa halahelo mafy ianao, sy ny hafa koa, raha sanatria maty izy. Ampio izy hahita fa miahy azy ny Mpamorona.—1 Petera 5:7.

Nanoro hevitra koa ny manam-pahaizana fa tokony hesorina tsy ho hitan’izany olona izany izay zavatra rehetra mety ho azony ampiasaina hamonoan-tena, indrindra fa ny basy. Raha ratsy kokoa noho izany ny toe-javatra, dia mety ho azonao ampirisihina izy ho any amin’ny dokotera. Raha tena efa lasa lavitra ilay toe-javatra dia mety ho ianao mihitsy no hiantso ny sampan-draharaha momba ny vonjy aina.

[Efajoro, pejy 11]

‘Ho Voavela ve ny Heloko Raha efa Nieritreritra An’izany Aho?’

Nanampy olona maro handresy ny fikasana hamono tena ny fiarahana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy misy vita fanefitra amin’ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana sy ny fahaketrahana anefa. Manamelo-tena mafy ireo Kristianina efa nieritreritra ny hamono tena. Vao mainka manampy trotraka ny efa manjo azy ilay fanamelohan-tena. Ahoana no handresena ny eritreritra toy izany?

Tsara homarihina fa nisy lehilahy sy vehivavy nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly, nanjary naniry ho faty. Ketraka mafy noho ny zava-manahirana tao amin’ny fianakaviany i Rebeka, vadin’i Isaka, indray mandeha, ka hoy izy: “Tsy te-ho velona aho.” (Genesisy 27:46) Ory i Joba noho ny namoizany ny zanany, ny fahasalamany sy ny harenany ary ny lazany teo amin’ny fiaraha-monina, ka hoy izy: “Maharikoriko ahy ny aiko.” (Joba 10:1) Nitaraina toy izao tamin’Andriamanitra i Mosesy: “Masìna Hianao, vonoy mihitsy aho.” (Nomery 11:15) Hoy i Elia, mpaminanin’Andriamanitra indray mandeha: “Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô.” (1 Mpanjaka 19:4) I Jona mpaminany kosa dia namerimberina foana hoe: “Aleoko ho faty toy izay ho velona.”—Jona 4:8.

Nomelohin’i Jehovah ve ireo olona ireo noho izany eritreritra izany? Tsia, fa vao mainka aza notehiriziny ao amin’ny Baiboly ireny teny ireny. Tsara homarihina anefa, fa tsy nisy tamin’ireny mpanompo nahatoky ireny nanaiky ho resin’ny eritreritra toy izany ka lasa namono tena. Sarobidy tamin’i Jehovah izy ireo, ary niriny ho velona. Ahin’i Jehovah, na dia ny ain’ireo ratsy fanahy aza. Ampirisihiny izy ireo hiova ka “ho velona.” (Ezekiela 33:11) Raha ny ratsy fanahy aza ahin’i Jehovah toy izany, tsy mainka ve ireo miezaka hanao izay ahazoana sitraka aminy!

Nomen’Andriamanitra ho antsika ny sorom-panavotan’ny Zanany, ny fiangonana kristianina, ny Baiboly, ary ny tombontsoa hivavaka. Vonona hihaino ny vavaka ataontsika foana Andriamanitra. Afaka mihaino izy, ary hihaino izay manatona azy amim-panetren-tena sy amim-pahatsoram-po. “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”—Hebreo 4:16.

[Efajoro, pejy 12]

Efa Nisy Havanao Maty Namono Tena Ve?

Mikorontan-tsaina ny fianakaviana sy ny namana akaikin’ny olona namono tena. Misy manamelo-tena noho ilay loza. Fandre matetika ny hoe: ‘Raha mba niaraka taminy elaela mantsy aho tamin’iny andro iny’, ‘Raha mba nahatam-bava kely fotsiny mantsy aho tamin’iny’, ‘Raha mba nanampy azy kely fotsiny mantsy aho.’ Ny tiana hambara dia hoe: ‘Raha mba izao na izao mantsy no nataoko, dia mbola ho velona teo ihany izy.’ Mety ve anefa ny manamelo-tena noho ny famonoan-tena nataon’ny hafa?

Tsarovy, fa efa vita ilay famonoan-tena vao mora ny mahamarika ireo fihetsika nampiahiahy nasehon’ilay olona. Sarotra ny nahita ireny fihetsika ireny talohan’ilay famonoan-tena. Hoy ny Baiboly: “Ny fo no mahalala ny fangidian’ny alahelony; ary tsy raharahan’ny olon-kafa ny hafaliany.” (Ohabolana 14:10) Sarotra tsotra izao ny mamantatra izay ao an-tsain’ny olona sy izay tsapany, indraindray. Tsy hain’ny maro amin’ireo olona mitady hamono tena fotsiny ny miresaka amin’ny hafa ny fihetseham-pony lalina, eny fa na dia amin’ny fianakaviany akaiky aza.

Momba ny famantarana ny olona mitady hamono tena, dia izao no lazain’ny boky iray: “Tena saro-pantarina ireny famantarana ireny.” Ary milaza koa izy io fa na dia hitanao aza ny sasany tamin’ireo famantarana, dia tsy azo antoka avy hatrany hoe afaka nisakana ilay olona tsy hamono tena ianao. Tsy mety àry ny mampahory tena amin’ny fieritreretana an’izany, fa aleo mampionon-tena amin’ireto tenin’i Solomona Mpanjaka ireto: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy mijalijaly any amin’ny afobe mirehitra akory ilay havanao. Efa nifarana ny fahorian-tsaina sy fahoriam-po nahatonga azy namono tena. Tsy mijaly izy, fa miala sasatra fotsiny.

Mety ho tsara kokoa ny mifantoka amin’izay hahasoa ny velona, anisan’izany ny tenanao. Hoy ihany i Solomona: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao”, rehefa mbola velona ianao. (Mpitoriteny 9:10) Matokia, fa ny hoavin’ireo olona namono tena dia eo am-pelatanan’i Jehovah, ilay “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintiana 1:3.a

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hahita fomba fijery voalanjalanja kokoa momba ny hoavin’ireo namono tena ianao ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Hitsangana Amin’ny Maty ve Ireo Namono Tena?”, navoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Septambra 1990.

[Sary, pejy 8]

Mitadiava olona iresahana

[Sary, pejy 10]

Tian’ny olona ho velona ianao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara