‘Hampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana izy ireo’
“Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery [antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana, MN ].” — II PETERA 2:1.
1, 2. a) Inona moa tamin’ny voalohany ny Fiangonana rehetra ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana? b) Inona àry no fanontaniana mendrika ny hodinihina?
TEO am-piandohana ireo Fiangonana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia antokom-pivavahana daholo. Ny sasany amin’izy ireny — indrindra fa ny Eglizin’i Roma sy ireo Fiangonam-pirenena ortodoksa na protestanta samihafa — dia mihambo ho ambony noho ireo fivavahana hafa lazaina fa kristiana izay heveriny amim-panamavoana sy lazainy ho antokom-pivavahana. Izany dia zava-nitranga ara-tantara novelabelarina tao amin’ireo lahatsoratra roa teo aloha.
2 Manontany tena toy izao angamba anefa ny sasany: ‘Moa ve Jesosy Kristy sy ireo apostoliny nahatoky nanambara ny fialana tamin’ny kristianisma marina? Moa ve izy ireo nampiomana ny kristiana mba tsy hanaraka ireo olona izay hamorona antokom-pivavahana? Taonjato sivy ambin’ny folo lasa izay, moa ve ireo tena mpianatr’i Jesosy tsy maintsy nitandrin-tena tamin’ny fironana ho amin’ny fisaratsarahana? Ilaina koa ve ny fitandremana toy izany amin’izao andro izao?”
Ireo fironana voalohandohany hamorona antokom-pivavahana
3, 4. a) Inona moa no fampitandremana nomen’i Jesosy, ary inona no lazainy ny amin’ny tena kristianisma? b) Inona moa no fampitandremana karazan’izany nomen’i Petera?
3 Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:13-16). Tsia, tsy nilaza akory Jesosy fa ny kristianisma marina dia ho tonga fivavahana malalaka, mora arahina, ho hita hatraiza hatraiza na “katolika” izay hety amin’ny olona “maro”. Izany kosa dia ho lalana ety, tery, ary “vitsy” no hahita azy. Nampiomanina ireo “vitsy” ireo fa hisy mpaminany sandoka toa bonaika hitady hitarika azy ireny eo amin’ny lalana “malalaka” ‘mitarika ho amin’ny fandringanana’.
4 30 taona mahery taty aoriana, dia nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo [kristiana], izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery [antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana, MN], ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana [fandringanana, MN] tampoka ho amin’ny tenany. Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana. Ary amin’ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ny teny mamitaka.” — II Petera 2:1-3.
5. Oviana moa ireo “amboadia” nivadika no nanomboka niseho, ary tamin’ny fomba ahoana no ‘nampidirany mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana’?
5 “Ny lalan’ny fahamarinana” na ny lalana ‘izay mitarika ho amin’ny fiainana’ dia ny lalan’ny tena kristianisma. Ny “mpaminany sandoka” na ny “mpampianatra sandoka dia ny mpivadi-pinoana, ny ‘amboadia manao fitafian’ny ondry’, izay nanomboka nanao izay hahatsapana ny fanatrehany teo amin’ireo kristiana voalohany raha mbola tsy maty akory ireo apostolin’i Jesosy (I Jaona 2:18, 19; 4:1-3). Ny apostoly Paoly dia nampitandrina koa ny kristiana tamin’ireny “amboadia masiaka” ireny, ka nanondro azy ireny ho olona ‘hitsangana hitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy’. (Asa. 20:29, 30.) Nanomboka tamin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato voalohany, ireny mpampianatra sandoka ireny dia ‘nampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana’, ka nanambaka ireo kristiana voalohany “tamin’ny teny mamitaka”. Noho ireny mpivadi-pinoana ireny, dia ‘notenenin-dratsy “ny lalan’ny fahamarinana”, dia ny tena kristianisma.
Ireo antokom-pivavahana voalohandohany
6. Ahoana no ampisehoan’ny bokin’ny Apokalypsy fa efa nipoitra ireo antokom-pivavahana tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, ary nahoana no halan’i Jesosy izany?
6 Ao amin’ny Fanambarana azony tany amin’ny 96 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny apostoly Jaona dia mitantara fitohitohizana hafatra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra manome taratry ny toe-piainana ara-panahy nisy tao amin’ireo kongregasiona kristiana tamin’izany andro izany, dia toe-piainana nety ho nipoitra indray tao anatin’ny Tantara. Ny anankiroa tamin’ireny hafatra ireny dia mampiharihary ny fisian’ny antokom-pivavahana nivadika halan’i Kristy, ilay Filohan’ny tena kongregasiona kristiana. Ny anankiray fara faharatsiny tamin’ireny antokom-pivavahana ireny dia toa nandefitra teo anoloan’ny fanompoan-tsampy sy ny fijangajangana teo anivony. — Apokalypsy 2:6, 14, 15.
7. Ahoana no ampisehoan’ny taratasin’i Paoly fa efa natomboka ny ady tamin’ireo antokom-pivavahana tamin’ny androny?
7 Taratasy maromaro nosoratan’ny apostoly Paoly taloha be no mampahafantatra fa tsy maintsy ho efa nanao ady mafy izy mba hanoherana izany fironana hamorona antokom-pivavahana izany. Ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny kristiana tany Korinto, Paoly dia milaza ny alahelony noho ny fironan’izy ireny hanaraka olona, satria izany miteraka “fifampiandaniana” sy “fisarahana”. (I Korintiana 1:10-13; 3:1-4.) Hita koa izany zavatra nitana ny sainy izany ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatiana (1:6-9; 5:19-21), ho an’i Titosy (3:9, 10) sy ho an’i Timoty. — I Timoty 1:3-7; 4:1-3; 6:20, 21; II Timoty 4:3, 4.
8. Inona no ninoan’ny “gnostiques”, ary nahoana no ‘notenenin-dratsy ny lalan’ny fahamarinana noho izy ireny’?
8 Mpandinika Baiboly maromaro no mihevitra fa ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, ary indrindra fa ao amin’ny ho an’ny Efesiana sy ny Kolosiana, Paoly dia minia mampiasa teny grika manokana (toy ny hoe gnôsis, fahalalana, sy plêrôma, fahafenoana) noho ny fikendrena ny hanohitra ny “gnosticisme” (filazana ho manana fahalalana feno ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra). Na ahoana na ahoana, dia tsy isalasalana fa notoherin’i Paoly ireo hevi-diso novelabelarin’ny “gnostiques” taty aoriana. Ny “gnostiques” izay nandroso tokoa tamin’ny taonjato faharoa dia manaiky fotopoto-pitsipika roa: ninoany fa izay rehetra araka ny nofo dia ratsy ary izay rehetra ara-panahy dia tsara. Nilaza koa izy ireny fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny “fahalalana” (gnôsis) misy hevi-dalina. Ny finoany hoe ratsy ny tena nofo dia nitarika azy hanaraka fihetsika roa mifanipaka: ny fampijalian-tena na ny fanomezana fahafahampo ny nofo. Noho ny “gnosticisme” lazaina fa kristiana indrindra no ‘nitenenan-dratsy’ “ny lalan’ny fahamarinana”.
9. Tonony sy lazalazao ny sasantsasany tamin’ireo antokom-pivavahana voalohandohany naorin’olona kristiana nivadika.
9 Anisan’ireo antokom-pivavahana voalohandohany koa dia tao ny “marcionites”, mpianatr’i Marcion, zanakalahin’ny “eveka” nivadi-pinoana iray tany Azia Minora. Nino io Marcion io fa nisy andriamanitra roa: ilay Andriamanitra tsy tanteraka voalazan’ny “Testamenta Taloha” sy ilay Andriamanitra fitiavana miharihary ao amin’ny “Testamenta Vaovao”, na ny marimarina kokoa, ao amin’ny tapany amin’io nekeny (soratra sasany nataon’i Paoly sy Lioka). Niseho koa ny “montanisme” tamin’ny taonjato faharoa. Montanus dia “mpaminany” tany Azia Minora izay nitory ny fahantomoran’ny fahatongavan’i Kristy fanindroany sy ny fanorenana Jerosalema Vaovao tany Pépuze, any akaikin’i Ankara, any Torkia, ankehitriny. Nokianiny koa ny fitomboan’ny fahefana hatrany sy ny fileferana loatra teo amin’ny klerjy nivadi-pinoana. Nanaraka ny “montanisme” i Tertullien. Nisy fihetsiketsehana roa hafa koa nitsangana hanohitra ny fiharatsian’ny toe-pitondrantena teo amin’ireo lazaina fa kristiana sy ho fanoherana ny fahamoramorainy tamin’ireo mpivadi-pinoana: izany dia ny “novatiens”, tamin’ny taonjato fahatelo, ary ny “donatistes”, tamin’ny taonjato fahefatra. Ireo antokon’olona nisaraka ireo anefa dia nanaiky ireo fahadisoan-kevitra ara-pampianarana lehibe indrindra teo amin’ireo Fiangonana tranainy kokoa.
Manao fandaminana ilay “lehilahin’ota”
10. Iza no tokony ho voafaoka ho anisan’ny “mpampianatra sandoka” ‘nampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana’?
10 Ireny antokom-pinoana rehetra ireny sy ny hafa koa tsy voatononay, dia samy endriky ny fivadiham-pinoana. Nefa tsy ireo olona namorona izany ihany akory no “mpampianatra sandoka” izay ‘nampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana’. (II Petera 2:1-3, MN.) Nanambara koa Petera fa “maro no hanaraka ny fijejojejoany’. Vao hitantsika teo anefa fa ny sasantsasany tamin’ireny antokom-pivavahana ireny dia naorina indrindra mba hiadiana amin’ny faharatsiam-pitondrantenan’ny klerjy, dia ny kilasy manapaka. Ireny mpitondra ara-pivavahana ireny àry dia tokony halahatra koa ho anisan’ireo “mpampianatra sandoka” ary samy tokony hoheverina ho “antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana” ny Fiangonany.
11. Kilasy vaovao inona no nanomboka nisandratra, ary ahoana no nanambaran’i Paoly mialoha izany?
11 Araka ny efa nasainay nomarihina, ireny antokom-pivavahana nivadika rehetra ireny dia niady ny ho ambony. Ny tsirairay avy taminy dia tia ny hoheverina ho ny hany Fiangonana “ortodoksa (araka ny marina)”, “apostolika” sy “katolika” (hita hatraiza hatraiza) ka nihevitra ny hafa ho nanohitra ny finoana. Tao anatin’izany fotoana izany koa, teo anivon’ireo Fiangonana lehibe indrindra sy mahery indrindra, dia nisy kilasin’olona iray, ny klerjy, nitady hisandratra ho ambonin’ny sisa tamin’ny andian’ondry. Raha niresaka ny amin’ny fivadiham-pinoana sy ny fisehoan’ny kilasy manapaka iray, dia ny klerjy, ny apostoly Paoly, dia nanoratra toy izao: “Aza mety hofitahin’olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany [ny andron’i Jehovah], raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana [fandringanana, MN], ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.” — II Tesaloniana 2:2-4a.
12. a) Inona moa no atao hoe “lehilahin’ota”, ary oviana izany “lehilahy” izany no niseho tanteraka? b) Dingana inona avy no niafara tamin’ny fitomboan’ny klerjy tanteraka? d) Lazalazao ny amin’ny fandaminana misy ambaratongan’ny klerjy?
12 Efa ‘niasa sahady’ ny fivadiham-pinoana tamin’ny andron’i Paoly, nefa tsy niharihary tanteraka izany raha tsy taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy nahatoky, rehefa nesorina ny “zavatra nisakana”, dia ny naha-teo azy ireo (II Tesaloniana 2:6, 7). Niseho tsikelikely ny kilasin’olona mpitondra fivavahana. Teo am-piandohan’ny taonjato faharoa, Ignace, ‘evekan’i Antiokia’, dia miresaka ao amin’ny teny nosoratany ny amin’ny ambaratongam-pahefana telo: eveka, presbytra (pretra) sy diakra. Nanomboka niforona “ny lehilahin’ota”. Nefa ny “Rain’ny Eglizy” izay tena nandray anjara tokoa tamin’ny fandaminana ny klerjy ho fandaharana misy ambaratongam-pahefana dia i Cyprien, ‘evekan’i Carthage’, atsy Afrika Avaratra, izay maty tamin’ny 258. Araka ny Diksioneran’ny Teolojia Katolika, boky malaza, Cyprien dia milazalaza ny amin’ny ambaratongam-pahefana misy filoha tokana sy ambaratonga fito, ka ny eveka no mitana ny toerana ambony indrindra. Eo ambanin’ny eveka ny pretra, ny diakra, ny lefitry ny diakra, ny mpanao raharaha momba ny alitara (mpanompo), ny mpamaky teny sy ny mpamoaka demonia. Taty aoriana ny Eglizy tandrefana, latina na romana dia nanampy ambaratonga fahavalo, dia ny an’ny mpiandry varavarana. Ny Eglizy tatsinanana na grika kosa anefa dia nanorina ambaratongam-pahefana misy dimy. Tamin’izany, tamin’ny taonjato fahatelo, no “niseho” tanteraka “ny lehilahin’ota”, izany hoe kilasin’olona iray, ny klerjy nivadi-pinoana. Nisy foana izany nandritra ny taonjato maro tao anatin’ireo Fiangonana rehetra sy antokom-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana misy minisitera manokana, dia klerjy iray.
“Antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana” amin’ny andro farany
13. Tamin’ny lafiny roa inona moa ireo antokom-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana no ‘mitarika ho amin’ny fandringanana”?
13 Ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, ny fitenenana hoe antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana” ampiasain’i Petera dia adika ara-bakiteny hoe “antokom-pivavahan’ny fandringanana”. Roa àry ny mety ho heviny. Etsy andaniny, ireo antokom-pivavahana sy Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanafoana ny kristianisma madio, “ny lalan’ny fahamarinana”, ary, etsy ankilany, izy ireny koa dia “antokom-pivavahan’ny fandringanana” amin’ny heviny hoe ireo mpampianatra sandoka” ao aminy dia ‘mitarika fandringanana tampoka’ eo amin’izy ireo sy ireo izay ‘manaraka ny fijejojejoany’. Izao no teny nanampin’i Petera: “Efa ela izay no tsy nijanonjanonana ny fitsarana ireny [ireo mpampianatra sandoka], ary tsy rendremana ny fahaverezany [fandringanana azy, MN].” (II Petera 2:1-3). Ho tonga amin’izy ireo izany “fandringanana tampoka” izany amin’ny “fahoriana lehibe” izay manatona manao dingan-dava. — Matio 24:21.
14. Rahoviana “ny lehilahin’ota” no ho ringana, ary hilaza inona ny fandringanana azy?
14 Raha nampiseho izy fa ny “lehilahin’ota” izay raha ny marina dia kilasin’olona, dia tsy haringana alohan’ny ‘fanatrehan’i Kristy’, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fihaviany [fanatrehany, MN] (parousias).” (II Tesaloniana 2:8). Marina tokoa fa ny fandringanana ilay “mpandika lalàna”, izany hoe ny kilasin’ny klerjy, sy ny tapany sisa amin’ny empira ara-pivavahana babylonian’i Satana dia ho ‘fisehoana’ malazan’ny “fanatrehana” na “parousie” an’i Kristy. Izany dia hampiseho amin’ireo sakaiza toy ny amin’ireo fahavalon’i Jesosy Tompo fa tena manatrika tsy hita maso izy ary efa nanomboka ny “fahoriana lehibe” voambara.
Fampitandremana ho an’ny kristiana marina
15. Inona moa no fampitandremana raketin’ny fanoharana ny amin’ny vary sy ny ahi-dratsy ho an’ny kristiana?
15 Tamin’ny fanoharana nataony momba ny vary sy ny ahi-dratsy, dia nasehon’i Jesosy fa ny “ahi-dratsy”, dia ny kristiana nivadika eo anivon’ireo Fiangonana sy antokom-pivavahana, dia hitombo araka izay tiana ao anatin’ireo taonjato. Amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” vao ho hita mazava ny tsy fitovian’ny kristiana sandoka sy ny tena “zanaky ny fanjakana”, dia “ny vary”. (Matio 13:24-30, 37-40.) Nefa, ny fanoharana nataon’i Jesosy dia mirakitra koa fampitandremana natao ho an’ireo kristiana marina, na “zanaky ny fanjakana” voahosotry ny fanahy izy ireny na anisan’ireo namany. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy: “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” — Matio 13:41, 42.
16. a) Inona no asa fanavahana nitohy nanomboka tamin’ny 1919? b) Inona no fampitandramana nomen’ireo apostoly koa, ary inona no fanazavana nanampin’i Joda?
16 Tamin’ny 1919 no nanomboka ny fanavahana ny “vary” sy ny “ahi-dratsy” tao amin’ny saha ara-pivavahana. Izany anefa tsy milaza fa nanomboka tamin’io daty io, ireo anjelin’ny Zanak’olona dia tsy nanohy ‘nanangona ka namoaka tamin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka’. Mampahatsiahy antsika i Joda fa ireo “Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika” dia nanome izao fampitandremana manaraka izao: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ny haratsiam-panahiny.” Dia nampiany koa hoe: “Ireo no mahatonga fisarahana [fizarazarana, Bible en français courant].” — Joda 17-19.
17. Inona no nolazain’i Jesosy ny amin’ny “mpanompo ratsy fanahy”?
17 Ny tenin’i Jesosy voatonona eo aloha momba ny hanjo ireo mpandika lalàna “mahatafintohina” ny hafa dia mahatonga antsika hieritreritra izay nambarany taty aoriana kely ny amin’ny olona tsy hety hanaiky “ny mpanompo mahatoky sy malina”, izany hoe ireo kristiana voahosotra mahaforona ny kilasin’ny “vary”, izay ‘hotendren’ny Tompo ho mpanapaka ny fananany rehetra’. Nanome izao fampitandremana izao tokoa izy: “Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” — Matio 24:45-51.
18. a) Ahoana no nampisehoan’ny sasany ireo toetoetra mampiavaka ny “mpanompo ratsy fanahy”? b) Inona no hiafaran’izy ireo raha manohy ‘mahatonga fizarazarana’ izy?
18 Amin’izao androntsika izao, ny kristiana tsy mahatoky sasany dia maneho ireo toetoetra mampiavaka “izany mpanompo ratsy fanahy izany” amin’ny filazana anakampo hoe: “Maharitra ela ny tompoko”. Amin’izany izy ireny dia fantatra ho ny “mpaniratsira” izay manontany hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?” (II Petera 3:1-7). Araka ny nanambaran’i Joda azy, izy ireny dia mitady ‘hahatonga fizarazarana’. (Joda 19, Bible en français courant.) Manomboka ‘mikapoka ny mpanompo namany’ izy amin’ny heviny hoe kianiny ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” nandraisany ny fahalalany “ny lalan’ny fahamarinana” tamin’ny voalohany. Raha mikiry amin’izany fihetsika mahatonga fizarazarana izany izy ireo, amin’ny fotoana voatendry ireo anjely dia “hanangona” azy ireny ary ‘ny anjarany dia any amin’ny mpihatsaravelatsihy’ ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. ‘Any izy ireo no mitomany sy mikitro-nify’, toy ny rehefa vitany hatramin’ny fampahafantarany ny lazainy fa fitarainany amin’ny alalan’ny fomba maro fampitana hevitra.
19. a) Inona no nolazain’i Paoly ny amin’ny “antokom-pivavahana” hiseho eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa ‘ankasitrahan’Andriamanitra’ isika?
19 Izany dia mampahatsiahy antsika izao tenin’i Paoly ho an’ny Korintiana izao: “Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.” (I Korintiana 11:19). Marina tokoa fa raha misy amin’izao andro izao olona ‘mampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana’ eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga ny fotoana hampisehoan’ireo kristiana tsy mivadika fa ‘ankasitrahan’Andriamanitra’ sy Kristy izy ireny. Afaka sy tokony hanaporofo izy ireny fa mifikitra amin’ny tena firaisan-tsaina kristiana, dia firasan-tsaina horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba handinihana amin’ny fomba feno ny amin’ny “lehilahin’ota”, dia zahao ny toko faha-18 amin’ilay boky hoe “Le Royaume millénaire de Dieu s’est approché”, navoakan’ny Watctower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Tadidinao ve?
□ Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny fivadiham-pinoana niavian’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
□ Iza ary inona moa “ny lehilahin’ota”?
□ Amin’ny heviny ahoana moa ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no “mitarika ho amin’ny fandringanana?
□ Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny amin’ny “mpanompo ratsy fanahy”?
[Sary, pejy 11]
Nampiomana an’ireo mpianany i Jesosy fa ny mpaminany sandoka dia tahaka ny amboadia mitafy toy ny ondry.
[Sary, pejy 13]
Ny kristiana sandoka dia tahaka ny “ahi-dratsy” natao hodorana fotsiny.