FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w84 15/3 p. 15-20
  • “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fipoiran’ny antokom-pivavahana jiosy
  • Tsy nahaforona antokom-pivavahana ireo kristiana voalohany
  • Tsy misy fizarazarana ho antokom-pivavahana
  • Fampitandremana amin’ny fisarahana
  • Ny firaisan’ny zavatra inoana
  • Ny fomba hahatrarana sy hiarovana ny firaisan-tsaina
  • Ny firaisan-tsaina hafa dia hafa eo amin’ny vahoakan’i Jehovah
  • ‘Hampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Nahoana no misy antokom-pivavahana vaovao maro be toy izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Sekta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
w84 15/3 p. 15-20

“Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”

“Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra.” — EFESIANA 4:4-6.

1, 2. a) Rehefa niteny tamin’i Mosesy izy, inona no nasehon’i Jehovah mazava raha ny amin’ny tenany? b) Nety ho nisy hevitra ara-pivavahana samy hafa àry ve tao amin’ny Isiraely?

“JEHOVAH Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo — fa Andraimanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao — .” Tsy navelan’i Mosesy hisy fisalasalana mihitsy tao an-tsain’ny Isiraelita tafangona tao amin’ny tany lemak’i Moaba, talohan’ny hidiran’izy ireo indrindra tao amin’ny tany nampanantenaina. Nambarany mazava tamin’izy ireo fa ny Andriamaniny, Jehovah, no hany Andriamanitra ary nitaky fifikirana taminy irery ihany izy. Tao amin’ny lahateny teo aloha, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo: “Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao”. — Deoteronomia 6:4, 14, 15; 4:39, 40:

2 Ireo teny ireo dia tsy mamela toerana mihitsy ho an’ny hevitra ara-pivavahana hafa. Ny Isiraely dia nanana Andriamanitra iray ihany, Jehovah, izay nampiseho mazava ny hany fomba fivavaka aminy.

Fipoiran’ny antokom-pivavahana jiosy

3. Koa satria ny ankamaroan’ny Jiosy tsy nitoetra ho mahatoky teo anatrehan’i Jehovah, inona no nitranga tamin’izy ireo tamin’ny farany?

3 Tsy nanaraka ny fanompoam-pivavahana madio tamin’ilay hany Andriamanitra marina anefa ny ankamaroan’ny Isiraelita fa nanjary nivadi-pinoana sy nanompo sampy (Jeremia 17:13; 19:5). ‘Tsy nahita soa àry izy ireo.’ Tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny Babyloniana dia nandrava an’i Jerosalema ary nitondra Jiosy maro ho babo tany Babylona. Nisy sisa Jiosy nahatoky anefa niverina nankany Jerosalema, 70 taona taty aoriana ary nanomboka ny fanorenana ny tempoly faharoa ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia niala tamin’ny fivavahana marina ny ankamaroan’ny Jiosy ka tamin’ny farany dia nizarazara ho antokom-pivavahana isan-karazany.

4, 5. a) Lazalazao ny sasantsasany amin’ireo antokom-pivavahana jiosy niforona taorian’ny fahababoana tany Babylona. b) Soa ho an’ny Jiosy ve ny fisehoan’ireny antokom-pivavahana ireny? Hazavao.

4 Tamin’ny taonjato fahefatra na tamin’ny taonjato fahatelo talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nitombo ny antokom-pivavahan’ny “Hassidim” (“ireo tia fivavahana”) izay naneho zotom-po tafahoatra tamin’ny fitandremana ny lalàna jiosy. Tamin’ny ankapobeny izy ireny dia noheverina ho mpialoha lalana ny Eseniana sy ny Fariseo, antokom-pivavahana roa hafa izay teraka tamin’ny taonjato faharoa talohan’ny fanisan-taona iraisana. Izy ireo dia samy nanaraka ny fampianarana grika ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme). Ny Sadoseo kosa dia niavaka tamin’ireo teo aloha tamin’ny tsy ninoany ny fitohizan’ny fahavelomana. Resahin’ny Baiboly tokoa ny tsy fifanarahan’ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin’ny andron’ny apostoly (Asa. 23:7-10). Ny “encyclopédie” jiosy iray (The Concise Jewish Encyclopedia) dia nilaza fa “ny fihenjanana teo amin’ireo [antokom-pivavahana] roa aza dia niteraka famonoana olona sy ady an-trano”.

5 Ny “zélotes” dia nahaforona antokom-pivavahana jiosy hafa iray tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Izy ireny dia mpanindrahindra tanindrazana mpitolona izay lehiben’ny mpamporisika ny fikomian’ny Jiosy nandreseny ny Romana tamin’ny 66. Taorian’izany izy ireo dia nitady hanapaka ireo antokom-pivavahana nitam-piadiana hafa tao Jerosalema, ka izany dia niteraka ady an-trano sy fahoriana lehibe. Ireny ady ara-tafika nifanaovan’ny antokom-pivavahana jiosy nifandrafy ireny dia nitohy mandra-panafiky ny Romana farany an’i Jerosalema sy nandravany azy tamin’ny 70, ary nandritra ny faharetan’ny fanaovana fahirano koa aza. Miharihary tokoa fa ireny fizarazarana ho antoko ireny sy ny tsy fivadihan’ny Jiosy tamin’ny fanompoam-pivavahana madio sy miray amin’ilay hany Andriamanitra marina atao hoe Jehovah dia tsy mitondra soa mihitsy ho an’io vahoaka io.

Tsy nahaforona antokom-pivavahana ireo kristiana voalohany

6. Nahoana moa ireo kristiana voalohany no nihataka tamin’ireo antokom-pivavahana jiosy?

6 Tsy ilaina ny milaza fa ireo kristiana voalohany dia nihatakataka tamin’ireny ady nifanaovan’ny antokom-pivavahana jiosy isan-karazany ireny. Fantatr’izy ireny fa ny Fariseo sy ny Sadoseo dia anisan’ireo fahavalon’i Jesosy namely mafy indrindra. Tetsy an-daniny koa, ireo mpianatr’i Jesosy dia tsy afaka nanaraka ny zavatra ninoan’ny Eseniana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy na nitovy fitiavan-javatra taminy tamin’ny fiainana nisy fampijalian-tena, monastika. Noho izy tsy nomba ny atsy na ny aroa raha ny amin’ny raharaha ara-politika, izy ireo dia tsy nanana na inona na inona niombonana tamin’ireo “zélotes” nanindrahindra firenena (Jaona 17:16; 18:36). Ny kristiana kosa dia nanaraka ny fanompoam-pivavahana madio sy miray amin’ilay hany Andriamanitra marina, ka nanaraka tamin’izany izay nolazain’i Jesosy tamin’ny vehivavy tsy jiosy iray, dia ny hoe: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” — Jaona 4:23.

7. Inona no nambaran’i Jesosy sy Paoly, ary inona no asehon’ny tenin’izy ireo momba ny fanompoam-pivavahana kristiana marina?

7 Niteny tamin’ny kristiana marina ny apostoly Paoly ka nanambara hoe: “Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.” (I Korintiana 8:6). Ny tena kristianisma dia ny fanompoam-pivavahana miray amin’ilay hany Andriamanitra marina, Jehovah Ray, amin’ny alalan’ny Tompo iray ihany, dia Jesosy Kristy. Hoy Jesosy tamin’ireo mpianany: “Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” — Matio 23:10.

8. Nahoana no tsy nety ny niresahana an’ireo kristiana voalohany ho toy ny antokom-pivavahana?

8 Marina fa ireo anisan’ny antokom-pivavahana jiosy efa tranainy dia nilaza tamim-panarabiana ny kristianisma teraka, ho antokom-pivavahana (grika hairésis, teny izay manondro “antokon’olona nisaraka tamin’ny olon-kafa mba hanaraka ny fampianaran’ny tenany”) (Asa. 24:5; 28:22). Tamin’ny fiarovan-tenany teo anatrehan’i Feliksa governora anefa, dia nolavin’ny apostoly Paoly io anarana tsy mety io. Hoy izy: “Araka ny fampianarana izay ataony [ireo fahavalony ara-pivavahana] hoe fitokoana no anompoako an’Andriamanitry ny razako.” (Asa. 24:14). Azo antoka fa tsy nety ny niresahana ny fanompoam-pivavahan’ireo kristiana voalohany ho “fitokoana” satria tsy nanaraka olona izy ireo, fa Jesosy Kristy. Tetsy andaniny koa, ny fanompoam-pivavahany dia tsy sampany velively avy tamin’ny anankiray tamin’ireo antokom-pivavahana jiosy nisy tamin’ny taonjato voalohany.

Tsy misy fizarazarana ho antokom-pivavahana

9, 10. a) Nahoana ny kristianisma no tsy natao hizarazara ho Fiangonana sy antokom-pivavahana miavaka? b) Tsangan-kevitra inona avy momba ny niandohan’ny kristianisma no diso tanteraka?

9 Tsy antokom-pivavahana akory ny kristianisma tany am-boalohany, ary tsy natao hozarazaraina ho antokom-pivavahana maromaro koa izy io. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia nangataka Kristy mba ‘ho iray ihany ny mpianany rehetra’. (Jaona 17:21.) Tokony ‘hifankatia’ àry izy ireo (Jaona 13:35), ka izany dia nanilika ny fiforonan’ny antokom-pivavahana, antony miteraka fizarazarana.

10 Izany dia manipaka ny tsangan-kevitry ny teolojiana sy mpanoratra tantara maro ilazana fa misy karazana kristianisma maromaro. Araka izany, dia resahiny ny amin’ny “kristianisma an’ny Jiosy” (lazaina fa narovan’i Jakoba, Petera sy Jaona) mifanohitra amin’ny “kristianisma an’ny Jentilisa” (lazaina fa narovan’i Paoly). Izy ireny koa dia maka hevitra avy amin’ny “teolojia joanika [avy amin’i Jaona]” na amin’ny ‘teolojia paoliniana [avy amin’i Paoly]”, ka lasa hatramin’ny filazana fa tsy ho niely maneran-tany mihitsy ny kristianisma raha tsy novan’i Paoly tanteraka. Ireo olona manolotra ireo tsangan-kevitra ireo àry dia tsy mino ny kristianisma, na fara faharatsiny tsy mihevitra ho zavatra ara-dalàna ny fisaratsarahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho Fiangonana sy antokom-pivavahana an-jatony maro.

11. a) Teny inona ao amin’ny Soratra masina no manaporofo fa tsy Paoly no nanan-kevitra hanitatra ny kristianisma ho any amin’ny tsy Jiosy? b) Nankasitrahan’i Paoly ve ny fiforonan’ny antokom-pivavahana? d) Inona no zava-niseho manamarina fa niray saina tsara i Paoly sy ireo mpiara-niasa taminy?

11 Hafa tanteraka noho izany ny zava-misy. Talohan’ny nahatongavan’i Paoly ho kristiana aza, Jesosy Kristy dia efa nanankina tamin’ireo mpianany ny fanirahana ho vavolombelony any amin’ny firenena rehetra (Matio 28:19, 20; Asa. 1:8). Ny tenan’i Paoly mihitsy dia nitsangana hanohitra ny fironana hanaraka olona; izao tokoa no nolazainy: “Mananatra anareo aho (...) mba (...) tsy hisy fisarahana eo aminareo.” (I Korintiana 1:10-15; 3:3-5). Tena tsy misy antony tanteraka àry ny hilazana fa i Paoly dia nanana fiheverana ny amin’ny kristianisma hafa noho ny an’i Jakoba, Petera sy Jaona. Izy rehetra dia tafaray mba hampiely ny vaovao tsara. Indray mandeha, azo inoana fa tamin’ny 49, rehefa novorina tany Jerosalema ny konsily iray mba hamelabelatra ny amin’ny famorana, dia niara-niasa tanteraka ireo lehilahy efatra mba hizarazarana ny faritany tokony hanaovana ny fitoriana. — Galatiana 2:7-9.

Fampitandremana amin’ny fisarahana

12. Nisy fifankahalana naharitra ve teo amin’i Paoly sy Petera?

12 Koa satria ireo kristiana voalohany tsy tanteraka, dia hita avy hatrany fa nisy tsy fifanarahan-kevitra teo amin’izy ireo, na dia teo amin’ireo izay niantsoroka andraikitra lehibe tao amin’ny kongregasiona aza. Ohatra, tany Antiokia any Syria i Paoly dia voatery nananatra an’i Petera ny amin’ny hevitra sasany (Galatiana 2:11-14). Lasa nandeha ve i Petera ka namorona antokom-pivavahana toy ny hoe mba hampisehoana ny tsy fifanarahany tamin’ny kristianisma lazaina fa paoliniana? Tsy izany velively, satria rehefa afaka taona vitsivitsy taty aoriana, tamin’ny 64, dia niresaka ny amin’i Paoly tamin’ny teny mampiseho firaiketam-po izy. — II Petera 3:15, 16.

13, 14. a) Nalahatr’i Paoly ho anisan’ny inona ny “fisarahana” sy ny “fitokoana”? b) Araka ny filazan’i Paoly, inona no fihetsika tokony harahina eo anoloan’ireo izay nanorina antokom-pivavahana?

13 Raha nanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra i Paoly dia nandahatra ny “fisarahana” sy ny “fitokoana” ho anisan’ny “asan’ny nofo”. Hoy izy: “Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana (...) izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — Galatiana 5:19-21.

14 Koa satria “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny olona fototry ny “fisarahana” sy ny “fitokoana”, dia tsy azo atao ny mandefitra ny fisiany ao anatin’ny tena kongregasiona kristiana. Koa izao no nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy: “Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany. Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.” — Titosy 3:9-11.

Ny firaisan’ny zavatra inoana

15, 16. Nahoana no tsy misy toerana mihitsy ho an’ny fampianarana hevitra samy hafa eo anivon’ny kongregasiona kristiana, ary inona no lazain’i Paoly ny amin’izany? b) Milaza ve izany fa ny kristiana iray dia tsy tokony hampiasa ny sainy? d) Inona no nolazain’i Petera sy Joda ary Paoly momba ny loza ateraky ny fisalasalana sy ny mety hahavoatarika lavitra ny fahamarinana?

15 Izany voalaza eo aloha rehetra izany dia mampiharihary fa tsy azo atao ny mizarazara ny tena kristianisma ho antokom-pinoana sy antokom-pivavahana samihafa. Tsy afaka miara-misy eo anivon’ny kongregasiona kristiana koa ny fironana na fampianarana hevitra maromaro. Izao tokoa no nolazain’i Paoly ho an’ny Korintiana: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — I Korintiana 1:10.

16 Izany anefa akory tsy milaza fa ny tena vavolombelona kristian’i Jehovah dia tsy afaka mampiasa ny sainy. Mifanohitra amin’izany, ny apostoly Petera dia nananatra ny mpamaky azy mba hampiasa ny ‘sainy madio [fahaiza-misaina mazava, MN] mba hanoherana ny “mpaniratsira” izay, amin’ny “andro farany”, dia hiseho ka handa ny ‘fanatrehan’i Kristy’ (II Petera 3:1-4). Tao amin’ny taratasiny i Joda dia niresaka ny amin’ireo “miahanahana”. (Joda 22.) Nefa, na Petera na Joda dia samy tsy mampahafantatra fa ny kristiana iray dia afaka manohy maniratsira na misalasala toy izany. Milaza amintsika i Petera mba “hitandrina” ny amin’ny olona “tsy miorina tsara izay manolana ny hevitry ny Soratra Masina” (II Petera 3:16, 17), fa hazavain’i Joda kosa ny hoe tandindomin-doza ireo misalasala ka tokony ‘hosarihina avy amin’ny afo’. (Joda 23.) Ireo kristiana izay nanaiky hiala amin’ny fahamarinana dia mila ny hampiana “amin’ny fahamoram-panahy” noho ny fanantenana fa “hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly”. — II Timoty 2:23-26.

17. Amin’ny fomba ahoana no hampiasan’ny kristiana marina ny sainy, ary hiezaka hanao inona amim-pahatsorana izy?

17 Ny tena kristiana dia mampiasa ny ‘fahaizany misaina mazava’, nefa amim-panetren-tena. Izao no nosoratan’i Paoly: “Mangataka aminareo (aho) mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ao amin’izy rehetra.” — Efesiana 4:1-6.

Ny fomba hahatrarana sy hiarovana ny firaisan-tsaina

18. Ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny fitenenana hoe a) “iray Andriamanitra”? b) “iray ny Tompo”? d) “iray ny Fanahy”? e) Inona no hany mpitari-dalana ho an’ny kristiana?

18 Niresaka i Paoly hoe “iray Andriamanitra (...) Izay ambonin’izy rehetra” Izao kosa no nambaran’i Mosesy: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” (Deoteronomia 6:4). Tsy niova mihitsy io fahamarinana tena lehibe io. Fanalahidin’ny firaisan-tsaina kristiana izany. Iray ihany ny Andriamanitra ary iray ihany ny fomba azo ekena mba hivavahana aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23, 24.) Ny ‘Tompo iray’ dia Jesosy Kristy, izay “Lohan’ny tena, dia ny fiangonana [kongregasiona, MN]”. (Kolosiana 1:18.) Ny tokony handraisana ny hoe ‘fanahy iray’ dia ny hery miasa sy mampirain’i Jehovah. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo”. (Jaona 14:26, 27). Ny ‘zavatra nampahatsiaroviny azy ireo’ dia tafiditra ao amin’ny Soratra grika kristiana izay mahaforona, miaraka amin’ny Soratra hebreo, ny Baiboly, ny hany tena mpitari-dalana ho an’ny kristiana.

19. Inona no dikan’ny hoe “iray ny tena”, ary iza no notendrena mba hanome sakafo ara-panahy iray ihany ho an’ny anisan’io “tena” io rehetra?

19 Ny ‘tena iray’ notononin’i Paoly dia ny kongregasiona kristiana izay Jesosy no “Lohany”. (Efesiana 1:22, 23.) Ny mpikambana voahosotra rehetra anisan’io kongregasiona tafaray io dia handray sakafo ara-panahy iray ihany. Noho ny fikendrena izany no nanendren’ny ‘tompony’ ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”, dia ny tena na ny kilasin’ny kristiana voahosotra mbola velona eto an-tany, ary izany dia nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Koa satria tamin’ny 1919, rehefa tonga izy mba hanara-maso ny nataony, dia hitan’ilay “tompo” ny sisa tamin’io tena io teo am-pizarana tamim-pahatokiana sy tamim-pahendrena, ny “anjara hanina”, ary “notendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra” izy. (Lioka 12:42-44.) Asehon’ny zava-misy fa nanomboka tamin’io daty io, izany “mpitandrin-draharaha” izany dia nikarakara tamim-pahatokiana an’io ‘fananana’ io.

20. a) Araka ny Isaia 65:11, 13, inona no tsy itovian’ny olon’Andriamanitra sy ireo mpivadi-pinoana? b) Inona no nandray anjara be dia be tamin’ny fisian’ny firaisan-tsain’ny olon’i Jehovah?

20 Ny klerjy ao amin’ny Fiangonana sy antokom-pivavahana maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy hita teo am-pizarana ny “anjara hanina” ara-panahy nety tamin’ny ‘antokon’olona’ an’i Kristy. Noho izany antony izany, ireny mpitondra fivavahana ireny sy ireo ondriny dia “mosarena”. (Isaia 65:11, 13.) Ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” kosa anefa dia nanao izay hananana “anjara hanina amin’ny fotoana” be dia be ho an’ireo kristiana voahosotra ary, nanomboka tamin’ny 1935, ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izay tsy mitsahatra ny mitombo isa (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Na inona na inona fiteniny sy toerana iainany, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia manaraka fandaharam-pianarana iray ihany mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia nanampy be dia be tamin’ny fanorenana sy ny fitanana ny firaisan-tsain’izy ireo.

Ny firaisan-tsaina hafa dia hafa eo amin’ny vahoakan’i Jehovah

21. Ahoana amin’izao andro izao no iarovana ny firaisan-tsaina eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no fampitahana azo atao amin’ny fandaminan’ny kongregasiona tamin’ny andron’ny apostoly?

21 Ny firaisan-tsain’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 45 000 miely any amin’ny tany 200 dia voaro koa noho ny fomba fandaminany mifototra amin’ny Soratra masina. ‘Ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema’ dia nahaforona kolejy foibe ho an’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany (Asa. 15:2). Io kolejy io sy ireo solontenany dia nanendry “mpiandraikitra” sy “mpikarakara momba ny asa” tao amin’ireo kongregasiona ary nanao fanapahan-kevitra hafa mba hitarihana izany (Filipiana 1:1; Titosy 1:5; Asa. 14:23; 16:4). Toy izany koa amin’izao andro izao; misy antokon’olona kristiana voahosotra, loholona, mahaforona ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ireo toromariky ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ampitaina amin’ireo kongregasiona izay tsidihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany (Asa. 15:22, 23, 30). Toy izany koa, ‘ireo kongregasiona dia mihamatanjaka amin’ny finoana sy mihamaro isan’andro’. — Asa. 16:5, MN.

22. Velom-pankasitrahana ny amin’inona indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hanohy hanao inona izy ireo?

22 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanafa-tena tamin’ny fizarazarana ho antokom-pivavahana mampiavaka ny finoana lazaina fa kristiana. Eo ambany fitarihan’ny ‘Tompony iray ihany’, dia Jesosy Kristy, sy ny ‘mpitandrin-draharahany’, izy ireny dia manohy mitory ao anatin’ny firaisan-tsaina “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:14, MN.) Miezaka amim-pahatsorana izy ireny mba ‘hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana’. ‘Maharitra amin’ny fanahy iray ihany izy ireny ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara’. — Efesiana 4:3; Filipiana 1:27.

Tadidinao ve?

□ Karazam-panompoam-pivavahana inona no nisy teo amin’ny Isiraely tamin’ny voalohany?

□ Inona no nitranga teo amin’ireo Jiosy nivadika nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra talohan’ny fanisan-taona iraisana?

□ Inona avy no andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa ny kristianisma dia tsy natao hozarazaraina ho antokom-pivavahana samy hafa?

□ Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tsy misy toerana ho an’ny fampianarana hevitra samy hafa eo anivon’ny kongregasiona kristiana?

□ Inona avy no anton-javatra mitondra firaisan-tsaina ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny fahalalana ny Soratra masina sy ny asa tontosain’izy ireo?

[Sary, pejy 19]

Tafaray ao anatin’ny fanompoam-pivavahana iray ihany ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara