Fanampiana ho an’ireo niharam-pahavoazana noho ny nandrian’ny havana akaiky taminy
Ny tianay holazaina amin’ny hoe “fandrian’ny havana akaiky” ato amin’ity lahatsoratra ity dia izay rehetra mety ho fandotoan’olon-dehibe kokoa ao anatin’ny fianakaviana ny tenan’ny ankizy iray. Matetika no lehilahy ilay meloka. Mety ho ny ray izany, ny raikely, ny dadatoa na ny anadahy lehibe an’ilay iharam-pahavoazana. Indraindray, nefa mahalana lavitra, dia vehivavy no manao ilay heloka. Araka ny filazan’ilay boky hoe “Ireo ankizy tsy milaza na inona na inona” (anglisy), ny fifandraisana ataon’ny havana akaiky dia mety hiseho amin’ny endriny samihafa. Izany dia mety ho fanafosafoana tsy mendrika na ho tonga hatramin’ny firaisana. Mazava ho azy fa ara-dalàna ny hifanehoan’ny ankizy sy ny olon-dehibe firaiketam-po amin’ny fifampikasihana ara-batana. Nefa, raha toa ny olon-dehibe iray ka manovo avy amin’ny fifandraisany amin’ilay zaza, fahataitairana eo amin’ny lahy sy ny vavy, na raha toa ka misy zavatra ataony amin’ilay zaza tsy ho sahiny natao raha teo ny reniny, dia tena azo ampoizina fa amin’ny farany izy dia hampiasa azy amin’ny fomba ratsy.
“NANDRITRA ny ankamaroan’ny fiainany i Rachel dia nenjehin’ny fahatsiarovana fahamelohana nahatsiravina. Nino mafy izy fa tsy mendrika mihitsy ka nahatsiaro ho nanirery tamim-pamoizam-po.” Inona no tena nety ho nanamatroka ny fiainan’io renim-pianakaviana anglisy io?
Nanambara toy izao ny zazavavy Kaliforniana iray 16 taona: “Mitondra ao am-poko fanaintainana lalina izay tsy ho afaka mihitsy aho. Maharary ilay izy, tena maharary.” Inona no nahatonga ny fijaliany?
Mitovy ny valiny amin’ny tsirairay avy amin’ny toe-javatra. Izany dia voafintina amin’ny teny iray ihany: ny fandrian’ny havana akaiky taminy. Ireo vehivavy roa ireo tokoa dia nosavihin’ny rainy fony mbola zaza. Mampalahelo fa tsy izy ireo ihany velively no niharan’ny nanjo toy izany. Tany Etazonia, ny famotopotorana natao dia nampiharihary fa zazavavy iray amin’ny dimy sy zazalahy iray amin’ny folo no niharam-pahavoazana noho ny fandotoana azy talohan’ny hahatongavany ho olon-dehibe. Matetika ny nanao ilay heloka dia olona fantatr’ilay zaza, ary mazàna izany no fandrian’ny havana akaiky taminy. Fitantarana azo ampitahaina amin’izany no voarainay avy any amin’ny tany maro hafa.
Arakaraka ny hilentehan’izao tontolo izao ankehitriny ao anatin’ny fietrena, dia tsy isalasalana fa hitombo io zava-manahirana io. Amin’izao andro izao sahady, dia vehivavy maro miaraka amin’ny kongregasiona kristiana no mijaly noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po noho izy ireny nandrian’ny havany akaiky tao anatin’ny fahazazany. Ny sasany lasa mitady fanampiana any amin’ny mpanolo-tsaina sy mpandinika ny toe-tsaina samihafa, nefa be dia be no miantehitra amin’ny fanohanan’ireo anadahiny sy rahavaviny ao amin’ny finoana. Moa àry ve ireo kristiana matotra afaka manao zavatra mba hanamaivanana azy ireny, na dia tsy manam-pahaizana manokana amin’ny fitandremam-pahasalaman’ny saina aza izy ireny? Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tena misy anjara raisin’izy ireny. — I Tesaloniana 5:11.
Raha somary misalasala ianao noho ny fahavoazana ara-tsaina mety hateraky ny fandrian’ny havana akaiky, dia hevero izao fanambarana manaraka izao, nataon’olona niharam-pahavoazana, taona maromaro taorian’ny loza: “Nandritra ny 15 taona, dia notanako ho ahy ihany ny zavatra rehetra; sanganehana tanteraka aho noho ny fahatsapako ho meloka (...). Namelona tena fankahalana ny lehilahy aho.”
“Mila ho ratsy noho ilay fanalam-baraka mihitsy ny fahatsapana ho meloka.”
“Lazaiko aminareo amim-pahatsorana, mino aho fa ho efa namarana ny androm-piainako aho noho io fahatsiarovana io.”
“Tsy ta-hanambady aho noho ny fahatsiarovana navelan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tamiko. Ary tsy tiako indrindra ny hanana zanaka.”
Ny fandinihana nataon’ny dokotera Bruce Woodling (avy ao amin’ny “faculté de médecine” ao amin’ny “University of Southern California”) sy Peter Kossoris (procureur adjoint) dia manamarina amin’izao teny izao ny haratsin’ny vokatry ny fandriana amin’ny havana akaiky: “Ny vehivavy lehibe nandrian’ny havana akaiky fony fahazaza na tamin’ny fotoana naha-zatovo dia mandrakariva mora voan’ny fahaketrahana sy ny fitebitebena.” Ny fitantarana nataon’ny Oniversite any Washington, navoaka tao amin’ny Medical Times dia nanazava toy izao: “Anisan’ireo zava-manahirana notsahivina, dia aoka hotononintsika: ny fahatsapan-tena ho meloka sy ny fahaketrahana; fiheverana misy fandavana ny tena; fahasahiranana eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’olombelona, mifamatotra amin’ny fiahiahiana olona; somary tsy fahaizana miaraka amin’ny maro sy fikorontanana eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy.”
Nahoana ny fandriana amin’ny havana akaiky no misy vokany manimba toy izany? Ny revio Child Welfare dia manintona ny saintsika ho amin’izay hita tamin’ny zazavavy iray nanaovan-drainy an-keriny: “Ny zazavavikely iray simbàna dia eo an-tanan’ny rainy izay miaro azy sy mikarakara azy (...). Tsy afaka miteny izy na mahatsapa lalina ny fahatezerany koa aza rehefa ampiasaina ny tenany. Voatery milefitra eo anoloan’ny zavatra takin-drainy izy, raha tsy izany dia tsy hahazo ny fitiavan-dray tena ilainy.”
Nanipika ara-drariny ny niharam-pahavoazana iray fa ny fandriana amin’ny havana akaiky dia “fanaovan-javatra mampiseho fitiavan-tena sy mendrika ny hotsinina (...); ary izany dia fanararaotana maharikoriko ny fitokisana sy ny fiankinan’ny zanaka”.
Nisy ankizivavy kely nandrian’ny havana akaiky nanjary nieritreritra fa tsy ho tia azy mihitsy afa-tsy amin’ny fitiavana araka ny nofo ny lehilahy, ka izany dia nanosika azy ireny hitondra tena toy ny maroroka tsy ara-dalàna, tsy eo anoloan’izay nanimba azy ihany fa eo anoloan’ny lehilahy amin’ny ankapobeny koa. Ny hafa, rehefa tonga zatovo, dia liana tsy misy toy izany amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy, raha tsy tonga ratsy fitondrantena tsotra izao. Be dia be no itambesaran’ny fahatsapana fahasosorana lalina sy tsy fahamendrehana ary indrindra fa fahamelohana. Eny, mahatsiaro tena ho meloka izy ireny noho izay nitranga, satria tsy nanda izy, sy noho ny fikorontanana ara-piraiketam-po naterak’ilay loza. Mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra koa izy raha mahatsiaro fa nitondra fahatsiarovana fahafinaretana sasany ho azy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, na raha toa nanozongozona ny fanambadian’ireo ray aman-dreniny ny fandrian’ny havana akaiky taminy.
Ahoana no azo anampiana ireny olona ireny handresy ny fikorontanana ara-piraiketam-po mahazo azy?
Izay tsy tokony holazaina
Ny vehivavy iray izay nijaly satria nandrian’ny havana akaiky nandritra ny taona maro dia lasa nanatona an’ireo loholona tao amin’ny kongregasionany mba hamboraka tamin’izy ireo ny zava-nanahirana azy. “Namporisika ahy izy ireo mba tsy hieritreritra izany intsony”, hoy ny fitantarany. Tsy isalasalana fa io torohevitra natao tamin’ny fananana fikasana tsara io dia miorina amin’izao fiheverana manaraka izao: Koa satria efa anisan’ny zavatra lasa ilay loza ka tsy misy na inona na inona azony atao intsony, ny zavatra tsara indrindra tokony hatao dia toa ny mandroaka ireny fahatsiarovana ireny tsy ho ao an-tsainy sy ny mampitodika ny eritreriny ho any amin’ny zavatra tsara dia tsara (Filipiana 4:8). Mampalahelo anefa fa tsy mora akory izany.
Nahoana? Aoka haka ohatra iray isika. Raha namoy sandry noho ny voina ny olona iray ka tonga mitsidika azy ireo namany, inona no hilana ny hilazan’izy ireo hoe: “Aza eritreretina intsony re izany e!” Mazava ho azy fa tsy hisy na inona na inona hilana izany, satria tena tsy mahay manadino izany izy.
Toy izany koa, vehivavy maro nandrian’ny havana akaiky no tsy afaka ny tsy hieritreritra izany intsony. Indraindray tokoa io loza io dia mamela marika tsy azo kosehina eo amin’ny fieritreretana. Vavolombelon’izany ireto andalan-tsoratra vitsivitsy ireto. “Nosimban-draiko aho teo amin’ny fahafito taonako. Tsy indray mandeha monja anefa fa imbetsaka. Nisakana ahy tsy hanohitra azy ny habadoako. Amin’izao fotoana izao, dia mizaka foana ny vokany aho. Miaina ao anatin’ny nofy ratsy tsy misy farany aho. Na dia afaka manilika vetivety an’io fahatsiarovana io aza aho, amin’ny farany izy dia mipoitra indray foana mba hampisamboaravoara ny foko. Menatra aho ary mahatsiaro tena ho maloto, nefa tsy fidina ahy izany.”
Marina fa ireo ratra ara-piraiketam-po avelan’ny fandrian’ny havana akaiky tamin’ny tena (toy ny amin’ny zava-mihatra mampikorontan-tsaina hafa) dia tsy hita maso. Tena misy sahala amin’ny fery ara-batana anefa izany. Inona àry no azo atao mba hanampiana ireo izay mijaly noho izany? Ilaina voalohany indrindra ny mihaino azy ireny sy ny manao izay hamborahany ny ao am-pony.
Izay mety hahasoa ny hilazana azy
Ny tokony hokendren’ny mpanolo-tsaina dia ny hanampy fa tsy hitsara. Afa-tsy izany koa, ny apostoly Paoly dia nandefa ho an’ny kristiana izao fananarana manaraka izao: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra”. (Efesiana 4:32). Rehefa hoe hanome torohevitra dia zava-dehibe ireo toetra ireo.
Ohatra, ny vehivavy iray nosimban-drainy nandritra ny taona maro fony kely, dia nanambara hoe: “Ireo loholona (na ny olon-kafa rehetra atonina mba hiresahana zava-manahirana karazan’izany) dia tokony haneho hatsaram-po mihoatra noho ny fahita.” Ny vehivavy hafa iray nalan’ny rain’ny tenany baraka koa dia nanazava toy izao: “Ny zava-dehibe dia ny tsy hahatafintohina. Manàna fahatoniana sy fahatakarana ny fihevitr’ilay olona hatrany, ka aza manery an’ilay niharam-pahavoazana hanome ny antsipiriany rehetra, fa manàna fahavononana hihaino izay rehetra holazainy anao. Manandrama mahatakatra izay tsapany.”
Tsy mora foana akory ny ho tony sy be fahamoram-panahy. Araka izany, ny vehivavy kristiana iray dia niaiky fa nirintondrintona sy nanjary tia ady izy rehefa nahatsiahy ny zava-nanahirana azy. Mampiseho tsy fahampian’ny fanajana ve ny fihetsika toy izany? Angamba. Tsy sarotra amin’ny kristiana matotra sy feno ‘fiantrana’ iray anefa ny hahatakatra fa tsy mila vaniny aminy akory ilay olona toroany hevitra; ny fihetsika asehony kosa dia mariky ny fikorontanana mahazo azy. — Filipiana 2:1-4.
Afa-tsy izany koa, sahala amin’ny nataon’i Jehovah, ireo izay manome torohevitra ny niharam-pahavoazana noho ny nandrian’ny havana akaiky taminy dia tokony hahay hihaino (Salamo 69:33). Zava-dehibe ny tsy hahamailaka azy loatra hiteny na hitsara (Ohabolana 18:13; Jakoba 1:19). Nefa moa ve tena ilaina tokoa ny hihainoana sy hampiononana ireo izay ianjadian’ny fahasahiranana toy izany? Izany tokoa. Izao no tantarain’ny vehivavy kristiana iray: “Afaka namelabelatra ny zava-manahirana ahy tamin’ny rahavavy iray be taona noho izaho aho, ary nitondra fanamaivanana be dia be ho ahy izany. Niara-nitomany (...) izahay.” Nanambara toy izao ny anankiray hafa: “Heveriko fa ny nanampy ahy indrindra, dia ny nahitana olona niresahana.”
Raha toa ilay niharam-pahavoazana ka ianjadian’ny fikorontanana ara-pihetseham-po lehibe, ny mpanolo-tsaina iray za-draharaha kokoa dia angamba hanampy azy hamantatra ny nahatonga ny mahazo azy sy ny fanafodiny. Mba hamporisihana an’ilay olona iresahany haneho ny fihetseham-pony miafina, dia ho azony atao ny hametraka aminy fanontaniana sahala amin’izao: “Tianao ve ny hiarahantsika midinika ny amin’izay nitranga? Ahoana no fiheveranao ny tenanao? Ahoana no fiheveranao ny rainao [ny dadatoanao, na olon-kafa meloka]? Nisy fotoana nanatsinianao tena ve noho izay nitranga? Mihevitra ve ianao fa ratsy noho ny hafa ny tenanao noho izany?” Ny mpanolo-tsaina iray feno fitiavana dia hampiseho fa tsy tafintohina izy noho ireo valinteny omena azy. Hohazavainy kosa fa ny fihetseham-po toy izany dia tsy maningana velively. Nisy nahazo fanamaivanana rehefa nandre izany.
Inona no tokony hatao raha manambara ilay olona voakasika fa mahatsiaro tena ho tsy mendrika izy noho izay nitranga? Ny zazavavy iray izay afa-baraka noho ny nataon-draibeny sy ny rainy ary ny raikeliny dia nanambara toy izao: “Ho azon’izy ireo [ny mpanolo-tsaina] atao ny manampy azy hahatsapa fa sarobidy tokoa izy. Taloha aho dia nihevitra fa hafa noho ireo mpiara-mianatra tamiko. Nihevi-tena ho naloto aho noharina tamin’izy ireny. Rehefa tonga zatovovavy aho dia nahita zava-nanahirana lehibe. Ankehitriny anefa dia fantatro fa tsy tezitra amiko Jehovah noho izany rehetra izany ary tena mihevitra ahy tokoa.” — Salamo 25:8; I Jaona 4:18, 19.
Matetika tokoa ireo niharam-pahavoazana no somary mampiseho fitiavana ady. Ao amin’ny bokiny hoe Ireo ankizy tsy milaza na inona na inona (anglisy), Linda Sanford dia milazalaza ny antony amin’izao teny izao: “Rehefa mitombo ilay zaza dia nahita ny tena hevitry ny amin’ny lahy sy ny vavy ary mahatsapa fa tsy mety sy mahatafintohina ny ataon’ny olon-dehibe. Mahatsiaro ho voafitaka àry izy. Hatreo izy dia nanana fanajana an’io olona be taona kokoa io ary natoky azy. Tsitapitapitr’izay, dia takany fa ny teny nanomezany toky dia tsy inona fa lainga tsy misy henatra.”
Mandrakariva anefa dia mihena ny fahatezerana sy ny fahatsiarovan’ilay niharam-pahavoazana ho meloka rehefa miaiky amim-pahatsorana ny fahadisoany ilay meloka ka miala tsiny. Araka izany, ny vehivavy iray izay voasambotra ny rainy rehefa hita ny nandriany taminy, dia mitantara toy izao: “Telo taona teo ho eo izay, dia nanome fanomezana tsara tarehy ahy ny raiko ary nilaza tamiko hoe: ‘Tiako ny hahafantaranao fa malahelo mafy aho noho izay nitranga tamintsika.’ Fantatro ny tiany holazaina, ary nanaiky ny fialany tsiny aho. Mifanaraka tsara aminy aho izao.”
Mampalahelo anefa fa meloka maro no mandà amin’ny fomba hentitra ny heloka nataony na tsy miaiky afa-tsy ny sombiny kely amin’izany. Etsy andaniny koa, amin’ny fotoana itadiavan’ny vehivavy ory iray fanampiana, dia mety ho efa maty ilay nanao an-keriny taminy. Mbola ao foana anefa ny fahatezerana naterak’ilay nandrian’ny havany akaiky taminy. Na dia amin’ny toe-javatra toy izany aza, ireo izay manoro hevitra an’ilay niharam-pahavoazana dia afaka mitondra fanampiana ho azy. Voalohany indrindra, dia afaka manaiky izy ireo fa takatra tanteraka ny mahatonga azy ho tezitra. Ny porofon’izany dia ny fahatezeran’i Jehovah foana amin’ireo mpanota tsy mibebaka. — Jaona 3:36.
Azon’izy ireo atao koa anefa ny mampiseho amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ilay vehivavy iresahany fa mampidi-doza ny tenany izy raha manaiky hotapahin’ny fahatezerana (Efesiana 4:26). Angamba ho tian’izy ireo ny hampieritreritra azy amin’ny fametrahana aminy amim-pahalemem-panahy, fanontaniana sahala amin’izao: “Mahasoa anao ve sa manimba anao ny fahatezerana? Moa ve tsy lehibe loatra ny fiheveranao an’ilay nanao an-keriny taminao ka misafoaka toy izao ianao? Heverinao ve fa tena afa-maina tamin’izany izy? Rehefa dinihina, moa ve tsy Jehovah no Mpitsara ny rehetra, na dia ireo manao ratsy mangingina aza?” — Salamo 69:5; Lioka 8:17; Romana 12:19.
Ilaina indraindray ny hanazavana ny teny voasoratra ao amin’ny Romana 12:21, nefa tsy hanao izany amin’ny fomba mandevilevy. Ilay mpanoro hevitra tokoa dia tsy mikendry ny hifehy ilay niharam-pahavoazana na hampihatra fanerena aminy, fa hanampy azy. Amin’izany, dia tsy mety ny hilazana aminy izay tokony ho tsapany, fa aleo lavitra mihaino azy mba hahafantarana izay tena tsapany, avy eo, amin’ny fametrahana aminy fanontaniana amim-pahamalinana, dia mitarika azy handini-tena sy hahatakatra ny antony ahatsapany fihetseham-po toy izany.
Raha mampiharihary ny teniny fa mahatsiaro tena ho meloka mafy izy, dia hety ny hanipihana fa ny fandrian’ny havana akaiky amin’ny zaza dia tsy tokony hisaina mihitsy ho fahadisoan’ilay zaza. Matetika ny ankizy kely no maneho ny firaiketam-pony amin’ny olon-dehibe amin’ny fomba samihafa, nefa tsy fantany mihitsy ny fahamaimaizan’ireo raha ny amin’ny lahy sy ny vavy. Momba izany, ilay boky hoe Ny ankizy tsy milaza na inona na inona (anglisy) dia manao izao fanamarihana izao: “Tsy irin’ny ankizy mihitsy hiseho amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ny fifankazarana sy ny firaiketam-po. Rehefa misy fandrian’ny havana akaiky, dia ilay olon-dehibe no mandika amin’ny fomba diso ny fanirian’ilay zaza amin’ny ilain’ny tenany.”
Azo antoka fa izay niharan’ny famelezana momba ny lahy sy ny vavy fony fahazaza dia afaka mino mafy fa takatr’Andriamanitra ny mahazo azy ka horaisiny amim-pitiavana izy. Jehovah tokoa dia vonona aza ny hamela ireo izay nanao fahadisoana lehibe — ka izany dia azo antoka fa tsy hita amin’ny zaza nofitahina — raha mibebaka sy miova fitondrantena izy ireny. — I Korintiana 6:9-11.
Ny fiheverana mijery ny zavatra tena misy
Tsy mora akory ny manampy ireo izay nikorontan-tsaina noho ny fandonana mafy ara-pihetseham-po. Izany akory tsy adidy mety ho vita ao anatin’ny minitra vitsivitsy ao amin’ny Efitrano Fanjakana feno hika iray. Mba hahatongavana amin’izany, dia ilaina ny faharetana, ny fitiavana, ny hatsaram-po, ny fiezahana miverimberina, ary indrindra fa ny fotoana. Tsy misy fanasitranana mahagaga akory. Ilaina àry ny hifanakalozana hevitra sy ny hivavahana be dia be mba hanampiana olona iray mikorontan-tsaina hahita indray ny fifandanjany ara-pihetseham-po. Mazava ho azy fa tsy hanjavona akory ny fahatsiarovana ilay loza, nefa ho afaka hianatra hiaina amin’izany ilay niharam-pahavoazana.
Ny vehivavy kristiana iray nahita an’io zava-manahirana io dia manazava toy izao: “Misy fotoana ahatsiarovako tena ho tsy mendrika foana. Miteny anakampo anefa aho fa tsy toy izany, ary mandrakariva dia mihena izany amin’ny faran’ny andro.” Nanambara toy izao ny anankiray hafa: “Ny Soratra masina dia nampianatra ahy hamela heloka, hanampy ny mpiara-belona amiko sy tsy hitsetra ny tenako.” Nanampy teny toy izao ny fahatelo: “Nampahafantarin’izy ireo ahy fa tia ahy foana Jehovah (...). Fantatro izao fa ho afaka handresy ny zava-manahirana ahy rehetra aho noho ny fanampian’i Jehovah.” — Salamo 55:22.
Fanafodiny raikitra
Nandritra ny fivahiniany teto an-tany, Jesosy dia nanasitrana tamin’ny fomba mahagaga ireo nanan-kilema ara-batana, toy ny ‘mandringa sy ny kilemaina’. (Matio 15:30.) Ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao haorina tsy ho ela, dia haverimberina imbetsaka dia imbetsaka io fahagagana io, mandra-panjavon’izay rehetra mety ho soritry ny aretina. — Isaia 33:24.
Ireo izay mitondra holatra ara-pihetseham-po manaintaina dia afaka mianatra sahady mizaka ny fahasahiranany sy mahita fahafinaretana amin’ny fanompoana an’i Jehovah noho ny herin’ny Teniny mampitony, dia hery hita amin’ireo torohevitra omen’ny kristiana matotra azy ireny amim-pitiavana sy faharetana (Jakoba 5:13-15). Ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao, dia ho tanteraka tsy misy diso izao fampanantenan’Andriamanitra izao: “Hadino ny fahoriana taloha.” (Isaia 65:16). Eny, ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia miandry amim-pitokisana ny fotoana ‘hamafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony, tsy hisian’ny fahafatesana na alahelo na fitarainana na fanaintainana intsony ka tsy hahitana intsony ny zavatra taloha’. (Apokalypsy 21:4.) Amin’izay dia ho sitrana daholo ny aretina rehetra, amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po.
[Teny notsongaina, pejy 28]
“Na dia afaka manilika vetivety an’io fahatsiarovana io aza aho amin’ny farany izy dia mipoitra indray foana mba hampisamboaravoara ny foko.”
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Ny nanampy ahy indrindra, dia ny nahitana olona niresahana.”