Mitondra soa ny fanarahana ny fivavahana
ARAKA ny filazan’ny apostoly Petera, “na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa” dia tokony “hitady fihavanana sy hanaraka azy”. (I Petera 3:10, 11.) Tsy mora foana akory izany, nefa amin’ny fanaovana toy izany no ahazoana soa. Ho porofo dia vakio izay tantarain’ny Vavolombelon’i Jehovah kanadianina iray:
Zara raha vao feno 20 taona aho raha nahita fahatanterahan’ny nofinofin’ny fahazazako: voaray hiasa tao amin’ny polisy kanadianina aho. Nihevitra aho tamin’izay fa hanao izany ho raharahako foana. Teo amin’ny 16 taona taty aoriana anefa, dia nametra-pialana aho.
Alohan’ny hamelabelarana ireo anton’ny nialako, dia heveriko fa ilaina ny hanazavana izay nitranga tao anatin’ireo taona nialoha izany. Raha vao nanomboka nanao ny asan’ny polisy aho, dia nonina tao amin’ny provans’i Nouveau-Brunswick. Nandritra izany vanim-potoana izany, dia nifankahalala tamin’ny vehivavy tanora nahafatifaty iray aho ka nanambady azy. Nonina tao amin’ny fitambarana efitrano kely dia kely iray izahay. Ilay mpivady niambina azy dia nanaraka vao haingana ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika izy ireo no nanao fanambarana taminay. Tamin’izany fotoana izany, dia tena ny fivavahana no kely indrindra tamin’ireo zavatra nahiko. Ny vadiko kosa anefa dia nanaiky avy hatrany ny fahamarinana ary taty aoriana dia tonga Vavolombelon’i Jehovah izy. Fa raha ny amiko, ny kely indrindra azo lazaina dia hoe tsy nahaliana ahy izany. Nandramako daholo ny zavatra rehetra mba hitarihana azy hiova hevitra, nefa tsy nisy vokany. Nangataka ny pretra aza aho mba hanampy azy hiverina amin’ny lala-mahitsy. Rehefa mieritreritra indray ny fitsidihany anefa aho, dia heveriko fa noho ny fihariharian’ny tsy fahampian’ny fahalalany araka ny Baiboly, dia nampiorina mafy ny vadiko tamin’ny lalan’ny fahamarinana kosa aza izy.
Nandritra ny enin-taona teo ho eo, dia nanandrana nanaporofo tamin’ny vadiko aho fa nahatsikaiky ny zavatra ninoany, nefa niorina mafy hatrany ho an’i Jehovah izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihanalefaka aho ary namela azy hanana fahafahana hanao zavatra araka izay tiany. Tetsy andaniny koa, dia nitana ny finoako aho. Mazava ho azy fa tamin’izany fotoana izany ny zavatra niriko fatratra dia tsy nifanitsy velively tamin’ireo fampianaran’ny Soratra masina. Naniry handray galona haingana araka izay azo natao tao amin’ny polisy aho. Noho izany, dia nilatsaka an-tsitrapo hanao ora fanampiny aho ary nitady ireo raharaha tsy fanao noho ny fanantenana hanintona ny sain’ireo lehibeko. Izany dia nandany ny fotoana tokony ho natokako ho an’ny fianakaviako.
Toy izany no fomba fiainako hatreo amin’ny lohataonan’ny 1978. Tamin’izay ny vadiko dia nilaza ny faniriana hankany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena “Ny finoana mandresy” tany Montréal, any amin’ny provans’i Québec. Tsy nanaiky hitondra azy tany aho sady tsy nety nanatrika tany koa ny tenako. Rehefa nody tamin’ny andro voalohany izy dia nanazava tamiko fa ny fandaharana ny ampitso dia hatokana ho amin’ny fiainam-pianakaviana, ary nahatarika ahy hiaraka aminy izy. Amin’izao andro izao dia mbola misaotra an’i Jehovah ihany aho noho ny nanaovana izany. Nahatalanjona ahy ny filaminana nanjaka tao amin’izany vahoaka maro be izany. Tsy nisy olona nifoka sigara na nanao teny maloto. Toa sambatra sy nihavana tamin’ny namany ny tsirairay. Marina fa saika tsy nahafantatra na inona na inona ny amin’ny Baiboly aho, nefa hitako ho nahitana fianarana aoka izany sy azo nampiharina aoka izany ireo lahateny. Ireo olona ireo dia niezaka hianatra sy hampihatra ireo lalàn’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Soratra masina. Ny fanandramako tamin’ny naha-polisy ahy dia nampahafantatra ahy fa olona be dia be, na dia mahalala ny lalàna aza, no mitady fialana foana mba hahafahana manao araka izay tiany. Mifanohitra amin’izany, io fihaonambe io dia namela soritra mafy tao an-tsaiko. Fotoana fohy taorian’izany, rehefa niverina tany an-trano aho, dia nanomboka nianatra ny Baiboly, ary natao batisa tamin’ny oktobra 1979.
Arakaraka ny nandrosoako teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia niala tamin’ny fahazaran-dratsiko sasany aho ary tamin’ny farany dia voatendry ho mpikarakara momba ny asa. Tsy ela dia tsikaritr’ireo mpiara-miasa tamiko fa nitafy ny toetra kristiana aho, nefa tamin’ny voalohany dia tsy noheveriny ho zava-dehibe ny finoako vaovao (Efesiana 4:22-24). Rehefa nandeha ny fotoana, ny esoesony dia nahatonga ahy ihany ho afaka hanao fanambarana tamin’izy ireo. Raha ny marina, tsy ela ny sampan-draharaha manontolo dia nahafantatra fa Vavolombelon’i Jehovah aho, hany ka be dia be no tonga nanatona ahy mba hametraka fanontaniana tamiko. Tamin’ny toe-javatra rehetra dia velom-pankasitrahana aoka izany an’ireo lehibeko aho satria noho ny fanajany ny finoako, dia tsy nanankina tamiko asa nety ho nanimba ny fifandraisako tamin’i Jehovah izy ireo.
Toa nandeha tsara dia tsara àry ny zavatra rehetra raha ny hitako ny vadiko teo am-pamakiana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1984, ary raha ny marimarina kokoa, dia ilay lahatsoratra natao hianarana mitondra ny lohateny hoe ‘Mitadiava fihavanana ka araho izany’, ao amin’ny pejy faha-17 ka hatramin’ny faha-22. Io lahatsoratra io dia nanazava fa tsy azon’ny kristiana atao ny manaiky asa iray mitaky “ny hitanany fiadiana mba hampiasana izany raha ilaina, hamelezana olon-kafa”, satria “misy foana ho an’izay manana asa toy izany ny mety hivesarana trosan-dra amin’ny famonoana olona amin’ny alalan’ny fiadiany”. (Isaia 2:4; Romana 12:17, 18.) Nanampy teny toy izao io lahatsoratra io ihany koa: “Amin’ny fotoana mahatonga izao tontolo izao hihamahery setra hatrany, dia tsy azo heverina ho toy ny ohatra intsony ny rahalahy iray hitana asa ilàna ny hitanana fiadiana. Ho azo atao ny hanome azy enim-bolana mba hiovana asa. Raha tsy manao izany izy, dia tsy ho afaka hiantsoroka tombotsoa manokana sy andraikitra eo anivon’ny kongregasiona. — I Timoty 3:2; Titosy 1:5, 6.”
Niharihary tokoa fa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra hisy vokany mavesatra aho. Niara-nandinika an’io raharaha io tao anatin’ny fianakaviana izahay ary namelabelatra ny zava-nanahirana tamin’i Jehovah tao amin’ny vavaka. Raha vantany vao niverina tany amin’ny asako aho, dia lasa nanatona ny mpampiasa ahy ary nohazavaiko taminy ny tarehin-javatra. Rehefa niresaka naharitra izahay, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa azo inoana fa tsy hafahana amin’ny fitondrana fiadiana fitifirana aho. Koa nampahafantariko ny fanapahan-kevitro hametra-pialana tao anatin’ny enim-bolana.
Tsy fantatro velively ny hoe aiza no hitadiavana toerana hafa, satria hatramin’ny nialako tamin’ny fianarana dia tsy mbola niasa mihitsy aho. Tetsy andaniny koa, ny fandehan’ny asa dia voakorontan’ny tarehin-javatra ara-toe-karena sarotra. Araka ny fandehan’ny fotoana anefa, dia nanjary nahalala olona teo amin’ny raharaham-barotra aho. Tapa-kevitra àry aho ny handefa telefaonina ho azy ireo. Tsy nampoizina mihitsy fa tsy ampy herinandro taty aoriana, dia noresahina tamiko ny amin’ny fikambanana iray mafy orina izay nitady olona hitana toerana vaovao an’ny mpanao famotopotorana. Nifandray tamin’io fiasana io aho ary nahita fa ilay asa dia nifanitsy tanteraka tamin’ny fahaizako. Ilay asa dia hitovitovy amin’ny nataoko fony aho nikarakara ny fisakanana ny fitaka, ary tsy hasaina hitam-piadiana aho. Tsy sarotra aminareo ny maka sary an-tsaina fa avy hatrany dia nalefako tany amin’io fikambanana io ny filazalazana amin’ny ambangovangony ny fiainako sy ny asa efa nataoko.
Rehefa nihaona tamin’ny tompon’andraikitra iray aho, dia tapa-kevitra ny hanazava tamim-pahatsorana ireo anton’ny nialako tao amin’ny polisy. Endrey ny hagagako rehefa nampiharihary tamiko io lehilahy io (izay ho tonga lehibeko) fa noho ny fieritreretana no nialany tamin’ny asany teo aloha ka noho izany dia nipetraka tanteraka teo amin’ny toerako izy. Namboraka tamiko koa izy fa nitady olona tsy nampiahiahy ara-pitondrantena. Rehefa avy nisaotra ahy noho ny fahatsorako izy dia nanome toky fa hanohana ny fidirako. Tsy ampy tapa-bolana taty aoriana, dia tafiditra ara-dalàna aho.
Tsy misalasala na dia kely akory aza aho fa nahazo ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah ny fianakaviako sy ny tenako tamin’io toe-javatra io. Mety hisy rahalahy hafa ho ao anatin’ny tarehin-javatra toy ny hitako. Iriko amim-pahatsorana ny zavatra efa nodiaviko mba hamporisika azy ireo hiankina amin’i Jehovah sy hamela azy hitarika ny fisehoan-javatra. — Matio 6:33.
Araka ny asehon’io zava-nitranga tena niainana io, izay rehetra maniry hanaraka ny fihavanana sy hanome ny toerana voalohany ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony hanao fiezahana ary indraindray aza hanao fiovana eo amin’ny fiainana. Tahin’Andriamanitra anefa ireo izay mampihatra ny torohevitry ny Soratra masina sy maneho toe-tsaina sahala amin’ny an’i Davida mpanao salamo izay nanambara toy izao: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny làlanao marina aho.” — Salamo 27:11.