Tsy nivadika tamin’ilay Fanjakana tany Alemaina taorian’ny ady
Nataon’i Gertrud Poetzinger
Miorina amin’ny fotopoto-pitsipika inona moa ireo fanapahan-kevitsika? Jesosy Kristy, ilay mpampianatra tsara indrindra tamin’ny fotoana rehetra, dia namporisika ireo mpianany ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’. Raha nanao toy izany izy ireo, dia tsy ho diso na oviana na oviana izay ilaina eo amin’ny fiainana (Matio 6:33). Hatramin’ny fahatanorako, dia nisy fotoana maro nahafahako nahatsapa fa tena amin’ny fametrahana ny entan’ny tena amin’i Jehovah, amin’ny fanambarana ny asany sy amin’ny fanaovana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho ny zavatra imasoana voalohany, no “mampanan-karena” eo amin’ny lafiny ara-panahy (Ohabolana 10:22; Salamo 55:22; 71:5; 73:28). Ho tiako ny hitantara aminareo fisehoan-javatra vitsivitsy niavaka indrindra teo amin’ny fiainako izay manazava tsara an’io fotopoto-pitsipika io.
VAO nanomboka ny taona 1945. Nadiva hifarana ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa Sempotra ny fiezahana hiady alemana, hany ka niova fihetsika ny olona sy ny fitondram-panjakana mihitsy. Tsy nihazakazaka ho amin’ny fandresena ny rehetra fa hatramin’izay dia nanaiky ho resy. Koa nahita fitsaharana kely ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ireo mpanenjika azy nazia.
Izaho dia anisan’ireo vehivavy kristiana nafindra avy tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück ho any amin’ireo fonenan’ny manamboninahitra nazia mba hanao ny raharahan’ny mpitaiza zaza tany. Indray tolakandro, volana vitsivitsy talohan’ny hifaranan’ny ady, ny S.S. nanana zanaka notezaiko dia tonga nanatona ahy manokana tao an-tranony. Kiener no anarany.
“Nandre filazana ve ianao fa mandroso eo amin’ny manda tehezana atsinanana ny Rosiana?” hoy ny fanontaniany ahy tamin’ny feo mangatsiaka. Rehefa namaly hoe eny aho, dia napetrany tamiko izao fanontaniana hafa iray koa izao: “Inona no hataonao raha tonga eto izy ireo?” Nibanjina azy aho ka namaly hoe: “Fantatrao fa fahavalonay toy ny maha-fahavalonareo azy izy ireo. Koa ny amin’ny anovan’izany anay...” Eny, nomen’i Jehovah anay ny fahasahiana hitana ny fialanalananay kristiana sy hiaro amin-kerim-po ilay Fanjakana amin’izao fotoan-tsarotra izao. — Jaona 15:19.
Ny fandosirana
Tsy honohono fotsiny anefa ny resaka niely ny amin’ny fahavoazana alemana. Tamin’ny faran’ny volana aprily i Kiener dia tapa-kevitra ny handefa ny vady aman-janany ho any atsimo. Noho ny fangatahako, dia navelany hiaraka tamin’izy ireo aho. Nomen-dRtoa Kiener fitafiana sivily aho mba tsy hisy hiahiahy fa hoe nanana fifandraisana tamin’ny antoko nazia izy. Niakatra tao amin’ny kamiao iray izahay ary io dia niainga ho any avaratr’i Bavière, akaikin’ny manda tehezana amerikana kokoa noho ny an’ny rosiana.
Vao voalohany tamin’izay no tena nivoaka avy tao amin’ny fiainana tany amin’ny toby famoriana aho tao anatin’ny fito taona sy tapany. Mbola tsy vita anefa ny ady, ary niaina tao anatin’ny tebiteby nahatsiravina ny olona rehetra. Efa teny an-dalana elaela izahay rehefa nisy antokom-piaramanidina mpihaza nandalo nahitsy teo amboninay indrindra. Nipetraka teo aloha aho, niaraka tamin’ireo ankizy roa sy ny mpamily kamiao. Azon’io antoka fa hiverina hitifitra anay ireo fiaramanidina. Nanao izao vavaka tamin-kafanam-po izao tao am-poko aho: “Jehovah ô, aorian’izay rehetra nataonao ho ahy mba hiarovana ahy, dia miangavy anao aho, aza avela ho faty toy izao aho!”
Araka ny nanampoizanay azy, dia nanaraka tsipika biloka lehibe ireo mpihaza mba hitodika teo aminay indray. Na toy inona na toy inona fanindrian’ilay mpamily ny fanafainganana ny fiara, dia tsy ho afaka ny ho haingana noho ireo mihitsy izy! Tsitapitapitr’izay, dia nitranga teo anilanay ny lalankely iray nitarika ho any amin’ny ala kely. Nitodika tsy nahy nankany ambany hazo ilay mpamily nitondra anay. Koa satria natevina ny ravinkazo, dia tsy nety ho tazana avy tany ambony ilay kamiao, hany ka nandalo indray tsy nahita anay ireo fiaramanidina.
Nandritra ny ady, dia nahita tarehin-javatra hafa aho ka hodivi-Janahary no tsy nahavoazako tamin’izany. Nefa, ny fitsaharan’ny fankahalana izay nitranga folo andro monja taorian’io fisehoan-javatra io, dia nitondra ho ahy koa zava-tsarotra tsy maintsy noresena sy fitsapana.
Andraikitra lehibe kokoa
Rtoa Kiener sy ireo zanany ary ny tenako dia nahita fialofana niaraka tamin’ny mpialokaloka vitsivitsy hafa tao amin’ny vohitra kelin’i Mönchsdeggingen, any akaikin’i Noördlingen. Herinandro taorian’ny naneken’i Alemaina tamin’ny fomba ofisialy fa resy, dia nampahafantatra an’ilay tompovaviko taloha aho fa voatery handao azy. Araka ny tsy maintsy ho nampoizinao, dia very hevitra izy. Iza no azony nametrahana ny fitokisana? Indro fa niodina hanohitra ny nazia sy ny fianakavian’izy ireo ny tany manontolo. Izaho anefa dia nanana andraikitra lehibe kokoa tsy maintsy niantsorohana. Rehefa nifarana ny ady, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia nanana adidy handamina indray ny fitoriana ilay Fanjakana. Raha ny amiko, dia tsy maintsy nanandrana nitady indray an’i Martin vadiko aho.
Vao telo volana sy tapany no nivadianay rehefa voasambotra i Martin. Taty aoriana, dia nalefa ho any amin’ny toby fitanana tany Dachau izy. Taty aoriana koa, dia voasambotra koa ny tenako ka nahiboka tao Ravensbrück. Roa taona izay no tsy naharaisako vaovao avy taminy intsony mihitsy. Amin’ny fitambarany, dia hatramin’ny sivy taona naharitra tamin’izay no nahatafasaraka anay. Mbola velona ihany ve izy? Raha eny, ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana no hahitako azy?
Andro iray tsy hay hadinoina
Tonga àry ny fotoana hiaingako. Izany no nataoko indray maraina be tamin’ny efatra ora sy sasany. Tapa-mofo mainty iray no sakafoko maraina tamin’io andro io. Niainga tsy nanam-bola aho, tsy nanana karatra fahazoan-kanina na dia kely monja aza, ka ny hany entako dia kitapo-mpianatra iray nampirimako ny ambi-mofoko sy zavatra manokana vitsivitsy. Nandritra ny andro maninjitra aho dia nandeha mafy teny amin’ny araben’i Munich, tanàna nahaterahan’ny vadiko, ilay azoko nanampoizana fa hahitana azy indrindra raha mbola velona izy.
Rehefa latsaka ny alina, dia nahatazana vohitra iray aho. Nisy fepetra natao hisian’ny “couvre feu”, ary tsy azo natao ny nijanona tany ivelany ka tsy hisetra fetezana ho voasambotra. Nanalavitra ny arabe àry aho ka nivavaka toy izao: “Jehovah ô, mitalaho aminao aho, ampio aho. Nandritra ireo taona rehetra nanompoako anao, dia nahita toerana hatoriana foana aho. Avy eo dia niverina teo amin’ny arabe aho ary nijery nanodidina ahy, nefa mazava ho azy fa tsy nisy na inona na inona niova.
Rehefa niditra tao amin’ilay vohitra aho, ny trano hitako voalohany dia niorina teo afovoan’ny tokotany voahodidina tamboho. Tazako tamin’ny vavahady ny vehivavy iray niasa teo an-tokotany ka nanontaniako hoe: “Aza fady, tompoko, mba azonao atao ve ny milaza amiko raha misy toerana handaniana ny alina eto?” Nitraka nijery ahy izy ka nanasa ahy tamim-pahamalinana hanodidina ny trano mba hanontany tamin’ny vadiny, satria efa be vahiny tao amin’izy ireo.
Rehefa avy nanodidina ny fonenan’izy ireo aho, dia niditra. Tamin’izay aho dia tonga teo anoloan’ny latabatra lehibe feno sakafo mampiavaka ny Alemana. Olona sivy no nipetraka teo, vonona ny hanomboka hisakafo. Ary ity izaho tsy nihinana na inona na inona hatramin’ny vao maraina be! Nandritra ny fotoana kelikely dia nijanona tsy nahahetsika aho. Nitraka ny tompon’ny trano nisakafoana ka nanaitra ahy tamin’ny fahavahotro rehefa niteny mahery hoe: “Aza mijoro fotsiny eo! Raha misy ho an’ny sivy, dia misy ho an’ny folo!”
Talohan’ny hipetrahana hihinana anefa, dia tiako ny hanontany azy raha ho azoko atao ny hipetraka ao an-tranony ny alina. Nanaiky izy, ary natoron’ny vadiny ahy ny fandriana fitondra milasy iray tao an-dalantsara, teo ambonin’ny tohatra indrindra. Tsy afaka ny tsy hangovitra aho rehefa nieritreritra ireo lehilahy rehetra nameno trano, nefa nanome toky azy ihany aho fa nety tamiko tanteraka io. Raha efa izany, dia nankany am-piangonana izy ho amin’ny fotoam-pivavahana hariva.
Nandritra ny fisakafoana, ny vehivavy tanora iray izay nandalo tao an-trano koa dia nihaino tsara ny resaka izay tsy ela dia niova ho fanaovana fanambarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy afaka nahafantatra marina izay noeritreretiny anefa aho. Rehefa afaka kelikely, dia lasa nankany amin’ny efitranony izy.
Nony avy eo, dia tafaverina ilay vehivavy tompon-trano ka nitarika ahy ho any amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Tao, dia nasehony ahy ny Baibolin’i Elberfelder iray, fandikan-teny alemana ahitana ny anaran’Andriamanitra manokana hoe Jehovah, ao amin’ny andinin-teny maro. “Mpianatra ny Baiboly iray no nanome ahy ity, taona maromaro lasa izay, hoy izy namboraka ny tao am-pony tamiko. Ho azonao atao ve ny milaza amiko raha tena Baiboly ity? Novakiko matetika izy ity, nefa hiaiky aminao aho fa tsy afaka mahazo azy irery. Sao sendra mba manana fanazavana vitsivitsy homena ahy ianao?”
Efa nandroso dia nandroso ny takariva, nefa nitohy hatramin’ny alina be ny resakay. Tany amin’ny misasakalina, ilay vehivavy tanora nihaino tamim-pitandremana aoka izany ny fifanakalozan-kevitra momba ilay Fanjakana dia tonga nankeo aminay tamin’ny filazana fa tsy nahita tory izy. Nieritreritra izay rehetra noresahinay izy. Nanampy teny izy fa tiany ny hanome zavatra ahy mba hanampiana ahy hanohy ny diako. Raha efa izany, dia notolorany 20 marks — vola be tamin’izany — aho.
Ho famaranana, dia nanazava tamin’izy ireo aho fa nikasa ny ho any Munich, ka tsy maintsy mandeha haingana araka izay azo atao. Nanontany ahy izay ora tiako hifohazana ilay vehivavy tompon-trano, ka hoy ny navaliko hoe: “Amin’ny dimy.” Efa nihoatra ny misasakalina tamin’izay. Raha mbola nanatona an’ilay farafara filasiana tao an-dalantsara aho, dia najanony. “Tsy hatory eo ianao, hoy izy tamiko. Avia atỳ.” Tamin’izay, dia namoha varavarana tao amin’ny lalantsara izy mba hampisehoana tamiko efitranon-tsakaiza iray feno fanaka araka ny modely tranainy, nisy ridao dantelina ary indrindra, fandriana nampiadana miaraka amin’ny lamba firakotra tsara tarehy. “Ao no hatory ianao”, hoy ny teny nanampiny.
Fisedrana karazany hafa
Rehefa nifoha aho tamin’ny dimy, dia efa nipetraka tao an-dakozia ireo mpampiantrano ahy. Niandry ahy ny sakafoko maraina. Taorian’ny sakafo, dia noraisin’ilay vehivavy tompon-trano ny kitapoko mba hofenoina “sandwiches”. Avy eo, dia nijanona teo amin’ny tokonana izy mivady mba hijery ahy miainga, tamin’ny fanofahofana tanana ho fanaovam-beloma mandra-pahalasako lavitra loatra ka tsy hahita azy ireo intsony.
Noeritreretiko izay rehetra nitranga tao anatin’ny 24 ora monja. Vao avy nandao an-dRtoa Kiener, vadin’ny S.S. niasako aho, nila tsy hanana na inona na inona. Ny hany nananako tamin’izay fotoana izay, dia fahavononana mafy hametraka ny Fanjakan’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany ka amin’izany dia hampiasa ny fahafahana vao azoko. Talohan’ny hahatongavana tany Munich anefa, dia tsy maintsy handresy fitsapana hafa iray koa aho mba hanohizana hikatsaka, tsy ny Fanjakan’Andriamanitra eto, fa “ny fahamarinany” indrindra. — Matio 6:33.
Tao antenatenan’ny tolakandro, dia reraka aho ary narary tongotra. Nahita hevitra hisakana fiarakodia aho, noho ny fanantenana fa horaisin’ny anankiray tamin’ireo kamiao amerikana nitatitra mpialokaloka ho any Munich. Farany, dia nisy anankiray nijanona, ary tamin’ny voambolana anglisy tsy zarizary aoka izany haiko, dia nanontany an’ilay mpamily aho raha afaka handray ahy izy. Nohazavainy tamiko fa feno ny tao an-damosin’ny kamiaony, nefa notolorany hevitra aho hiditra ao amin’ny efitra kely misy azy raha tiako. Nanaiky aho.
Rehefa nanakaiky an’i Munich, dia nijanona imbetsaka izy mba hampidina mpandeha. Nefa, rehefa nadiva hiditra tao an-tanàna izahay, dia nivily izy mba hiditra tany amin’ny arabe iray nitarika ho any amin’ireo havoana teo akaiky. Raha vantany vao tsikaritro izany, dia nanandrana nanao izay hahafantarany aho fa tiako ny ho any an-tanàna. “Tsy avy hatrany! hoy ny fihiakany. Andeha hitsangantsangana any an-tendrombohitra aloha isika.”
Tsapako tampoka fa lasa daholo ny mpandeha hafa rehetra. Nanandrana namoha ny varavarana aho fa tsy afaka. Niolikolika tany amin’ireo havoana miankina amin’ny Alpes ny lalana. Teny am-pandehanana rehetra teny, dia niezaka aho, tamin’ny fiteny anglisy kely haiko, nanazava tamin’io lehilahy io fa tsy tia ny hanao na inona na inona aminy aho. Na dia izany aza, dia nanohy nandeha izy. Farany, dia tonga tao amin’ny lohasaha ety sy feno ala mikitroka izahay. Rehefa avy nampijanona ny kamiao izy, dia namoha ny varavarana ho ahy. Nidina aho ary nijoro teo anoloany. Nanomboka nitantara tamiko izy fa nahafinaritra ny andro, ary kanto ny toerana manodidina sady tsy hisy olona hahita anay.
“Marina izany, hoy ny famaliko azy, tsara ny andro ary toerana mahafinaritra ity. Mety ho irery koa isika, nefa mahita antsika Jehovah, ary...” Loza fa tsy tadidiko intsony ny teny anglisy dikan’ny hoe “manasazy”. Koa satria tsy nisy nampiova hevitra azy, dia nanomboka nikofokofoka mafy sy nikiakiaka aho. Tsy maintsy ho nanaitra ny sainy izany, satria niova tanteraka ny fihetsiny. Nieritreritra kely izy, avy eo dia nandidy ahy mba hiakatra indray tao amin’ny kamiao. Tsy nanoka-bava mihitsy izy nitondra ahy ho any afovoan’i Munich. Tany, dia nijanona izy ary nanontany ahy raha tsy lavitra loatra ny nisy ahy aho. Nanome toky azy aho fa nety tanteraka tamiko izany. Dia novohany avy tany ivelany indray ny varavarana ka teo anoloany indray aho. Tamin’io indray mandeha io anefa, dia nandray ny tanako izy mba hilazana tamiko hoe: “Vehivavy tsara toetra ianao. Raha sitrakao, dia mivavaha mba tsy hivadihan’ny vadiko tahaka ny ataonao.”
Zara raha vao tonga tany Munich aho, dia nanomboka nitory manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Nanandrana nifandray indray tamin’ny Vavolombelona maro araka izay azo natao aho mba hanamora ny fanorenana indray ireo fivorianay sy ireo asanay hafa izay saika tapaka daholo noho ny ady sy ny fanenjehana.
Velona ny vadiko
Fotoana fohy taorian’ny niverenako tany Munich, dia reko fa mbola velona foana sy salama tsara i Martin. Nafindra tany amin’ny toby fanafoanana tany Mauthausen, any Autriche, izy, nefa tsy maty. Niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa eo amin’ny zato, dia tsy maintsy niandry tany izy ireo alohan’ny hahazoana ireo taratasy manamarina fa nenjehina izy ireo teo ambany fitondran’i Hitler. Raha tsy nisy izany tahirin-kevitra izany, dia tsy ho afaka ny hifindra toerana na hahazo sakafo izy ireo.
Raha vantany vao nahafantatra ny tarehin-javatra aho, dia nanatona manokana ny manam-boninahitra izay nifehy ny faritra iasan’ny tafika amerikana tany Munich mba hilaza taminy hoe: “Ao amin’ny toby fitanana any Autriche ny vadiko. Tsy afaka mandefa fiarakodia ve ianao mba hitondrana azy ho eto amiko?” Taty aoriana io lehilahy io dia nanao izay nilaina mba handehanan’ny fiarabe roa haka ny Vavolombelona rehetra tany an-toby.
Zava-nanahirana vaovao
Nanan-java-manahirana hafa halamina aho izao. Marina fa tafaverina ny vadiko, nefa aiza no honina izahay? Hatreo aho dia nonina tao amin’ny trano bongo kely tao amin’ny zaridaina andamosin’ny trano iray, ary natory teo ambony seza aho, teo afovoan’ny fitaovana fanaovan-jaridaina. Tsy maintsy nitady fonenana izahay. Fantatro anefa fa tamin’ny naha-mpianatr’i Jesosy, dia tokony hanome ny toerana voalohany ho an’ilay Fanjakana ihany aho.
Rehefa avy nivavaka ny amin’izany aho, dia nanao fanapahan-kevitra ny hampiato ny fitoriako mandritra ny indray andro mba hikarohana fonenana mendrika. Nankany amin’ny sampan-draharaha amerikana momba ny fonenana aho, ary tany dia nomena lisitry ny fitambarana efitrano hahofa. Tamin’ilay andro noferana, dia nifoha maraina aho mba handeha hijery ny trano rehetra tao amin’ilay lisitra. Hariva ny andro rehefa niala tao amin’ny trano farany aho. Tao koa dia vao reko fa efa lasan’olona ilay fonenana. Inona no hatao?
Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy. Fantany tsara tokoa izay nilainay. Nino mafy aho fa tsy maintsy hikarakara ireo izay nanao ilay Fanjakana ho zavatra nahiny voalohany indrindra izy ireo. Very anefa ny indray andro nitoriako, ary tsy lasa lavitra aho. Rehefa nifarana ny hataka nataoko, dia tsapako indray fa tsy nisy na inona na inona niova. Natoky an’ilay “Mpihaino vavaka” anefa aho. (Salamo 65:2.) Tamin’izany, ny hany fihetsika tokony harahina dia ny handroso sy hiandry valiny. Izany no nataoko tamin’ny heviny ara-bakiteny. Nahita vehivavy telo niresaka teo an-tsisin-dalana, metatra vitsivitsy avy teo amiko aho. Nanatona azy ireo aho mba hanontany azy raha nahafantatra fitambarana efitrano azo nofana izy ireo.
Nitodika avy hatrany ny anankiray tamin’izy ireo mba hiteny tamiko tsy nisy fihambahambana hoe: “Ny tenanao ihany no tokony hitady izany!” Nampangina ahy ny tsy fahalalany fomba, nefa hoy aho anakampo: ‘Rehefa dinihina, izany angamba no valiny nandrasako! Hanomboka eto mihitsy aho, eto an-joron-dalana, na dia tsy maintsy hanao ny faritany manontolo aza raha ilaina izany.’ Nanatona ny trano voalohany aho, nampaneno ary nisy vehivavy nandray ahy tamin’izao teny izao: “Ny sampan-draharaha momba ny filasiana angaha no naniraka anao?” Minoa ahy anefa fa tsy teo amin’ny lisitra ny adiresiny. Nitarika ahy ho any amin’ny fitambarana efitrano iray tany amin’ny rihana voalohany izy, ka nasehony ahy tany ny efitrano tsara tarehy iray sy ny lakozia kely iray nanatrika azy teo amin’ny andaniny hafa amin’ny lalantsara, nahatazanana tamin’ny fomba nahafinaritra aoka izany an’i Alpa bavaroazy!
Ireo soa azo avy amin’ny tsy fivadihana
Nipetraka tao amin’io fitambarana efitrano io àry izahay. Mazava ho azy fa raha vao teo am-boalohany dia sahirana aoka izany foana izahay tamin’ny asan’ilay Fanjakana. Nanohy nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra aho, ary nanao fandaminana i Martin mba hitsidika antokona Vavolombelona maromaro lavidavitra an’i Munich mba hanatanjaka azy ireny ara-panahy. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy niainga irery nandritra ny indray andro na roa andro izy, satria mbola sarotra dia sarotra foana ny fandehanana.
Indray maraina, dia nody tamin’ny sivy maraina i Martin, tamin’ny fotoana nivoahako hitory. Nangataka ahy izy mba hanomana akanjo madio sy fitaovana hafa, satria tsy maintsy niainga tamin’io tolakandro io ihany izy ireo. Nanazava taminy aho fa tsy maintsy niverina nankany amin’ny olona tsara fikasa sy nitarika fianarana ny Baiboly vitsivitsy, nefa ho tafaverina amin’ny mitataovovonana aho mba hanomana ny sakafony sy hanampy azy hampirina ny entany. Tamin’ny mitataovovonana anefa dia mbola tsy tonga foana aho. Mbola tsy vonona foana ny ban-kirarony sy ny fitafiany hafa. Lasa ny tamin’ny efatra, avy eo dia tamin’ny valo. Tamin’ny iraika ambin’ny folo alina aho vao tafaverina tamin’ny faran’ny andro iray feno asa. Izay vao tsaroako! Variana aoka izany tamin’ny asako sy ny fampianarako aho ka tsy nieritreritra na dia kely akory aza an’i Martin sy ny diany. Tena tsy zatra ny nanana vady tao an-trano aho!
Tsy afeniko anareo fa tsy varimbariana foana toy izany aho akory. Nandeha matetika dia matetika i Martin, ary tsy ela dia navesatra tamiko aoka izany ny tsy naha-tao an-trano azy. Rehefa tsy tao izy dia matetika aho no nahatratra ny tenako nitomany be, na dia manana toetra falifaly voa-janahary aza aho. Koa satria tsy tiako ny hahitan’ilay tompon-trano ahy tao anatin’izany toe-javatra izany, dia nankao amin’ny toeram-pandevenana iray, indroa mandingana avy teo aminay aho, ary tao dia nipetraka teo amin’ny foto-kazo iray aho mba hanampatra ny ranomasoko. Hoy tokoa aho anakampo: ‘Rehefa dinihina tokoa, dia olona be dia be no tonga mitomany eto. Tsy hisy ho gaga ny hanaovako toy izany!’ Tsy nanova na inona na inona tamin’ny zava-nanahirana anefa ny fitomaniana.
Tamin’izany fotoana izany aho, dia nanampy fianakaviana 22 hianatra ny Baiboly, fara fahakeliny indray mandeha isan-kerinandro. Nandia fotoana hafa dia hafa aho teo amin’ny asan’Andriamanitra, nefa mba ho tiako ny hizara izany tamin’ny vadiko! Tafaverina salama i Martin, nefa tsy niaraka mihitsy izahay. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy handamina an’io zava-nanahirana io. Namboraka ny tao am-poko koa aho tamin’ny anadahy Erich Frost izay nandamina ny asa fitoriana tany Alemaina tamin’izany. Nohazavaiko taminy fa hatramin’ny niverenan’ny vadiko, dia tsy nahita afa-tsy ny ban-kirarony sy ny atin’akanjony hosasana aho. Tsy isalasalana fa nihevitra ny hampahery ahy ny rahalahy Frost raha namaly ahy fa efa tsara noho ny tsy misy na inona na inona izany. Mazava ho azy fa tsy nampiaiky ahy loatra izany! Na ahoana na ahoana, dia naharitra aho.
Rehefa afaka kelikely taty aoriana, dia nasaina ho any Magdebourg i Martin ka tany izy dia nahazo fiofanana mba hahatongavana ho mpikarakara ireo rahalahy (toy izany no niantsoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany). Rehefa nifarana ny fianarana, dia nanambara ny rahalahy Frost fa nanana filazana manokana ho an’i Gertrud izy. Ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn dia vao nandefa toromarika nilazana fa hatramin’izao ny anabavy mpitory maharitra rehetra dia nomen-dalana hiaraka tamin’ny vadiny tany amin’ireo kongregasiona notsidihiny tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany. Nohenoina indray ny vavaka nataoko!
Hevitra vitsivitsy
Rehefa eritreretiko indray amin’izao andro izao ny ora nampitepotepo rehetra niainanay mivady, dia vao mainka mino mafy aho fa fantatry ny Raintsika any an-danitra izay ilaintsika, ka homeny antsika amin’ny fotoana mety izany raha tena manao tokoa ny Fanjakana ho zavatra imasoantsika voalohany indrindra isika. Voamariko koa fa rehefa tsy nahazo izay nangatahiko aho, dia satria tsy tena nilaiko izany. — Matio 6:32.
Nandritra ny 31 taona teo ho eo taorian’ny ady dia nitety ny lafiny rehetra tamin’i Alemaina niaraka tamin’ny vadiko aho raha mbola nitsidika ireo kongregasiona kristiana tao amin’io tany io izy mba hitondra fanampiana ara-panahy. Nanomboka tamin’ny 1978, dia miasa ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brooklyn (Etazonia) aho, ary manompo eto amin’ny maha-anisan’ny Kolejy foibe i Martin. Na dia 72 taona aza aho izao, dia velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa noho ny mbola ananana hery ampy handaniana andro feno tsara hiasana ho an’ilay Fanjakana.
[Sary, pejy 26]
Mbola nanao ny fanamian’ny tranomaizina aho raha nikarakara ny zanaky ny manamboninahitra S.S. iray.
[Sary, pejy 28]
Safononoka ny fitebitebena: hiverina hitifitra ny kamiao nitondra anay ireo fiaramanidina.
[Sary, pejy 30]
Sambatra aho ankehitriny afaka manao fanambarana ampahibemaso sy isan-trano eto Brooklyn (New York) miaraka amin’i Martin vadiko.