Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fotoana isehoany miaraka
Tamin’ny jolay 1879, ny nomerao voalohany tamin’io gazety io dia nilazalaza toy izao ny asa nanendrena azy: “Araka ny asehon’ny anarany, ny zava-kendreny dia ny ho foto-piambenana hampitana fanazavana mahasoa ho an’ny ‘ondry vitsy’.” Amin’izao andro izao Ny Tilikambo Fiambenana dia mizara sakafo ara-panahy koa ho an’ny “olona betsaka” tso-po izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. — Lioka 12:32; Apokalypsy 7:9-17.
Niara-nitombo tamin’ny isan’ny indray nivoaka koa ny isan’ny fiteny nandikana an’io revio io. Amin’izao fotoana izao, dia 102 ny isany. Nitombo aoka izany ny fampielezana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fanampiny, Réveillez-vous!, mbamin’ny habetsahan’ny famandrihana tao anatin’izao 70 taona faramparany izao, araka ny porofoin’ireto tarehi-marika vitsivitsy ireto:
Taona Famandrihana vaovao Isan’ny gazety voazara
1914 2 746 95 973
1944 292 258 9 293 913
1964 1 551 436 127 055 165
1984 1 812 221 287 358 064
Indro isika izao fa eo amin’ny fiolahana vaovao fahatsiaro eo amin’ny tantaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana, izay efa 105 taona. Manomboka izao tokoa ireo lahatsoratra ao amin’io gazety io havoaka miaraka amin’ny fiteny 20 mahery. Faly dia faly izahay mampahafantatra anareo izany vaovao tsara izany ary mivavaka amin’i Jehovah mba hanohy hampiasa mafy Ny Tilikambo Fiambenana mba hanambarana ilay Fanjakana nankininy tamin’i Jesosy Kristy.
[Sary, pejy 8, 9]
soeda
danoa
norveziana
finoa
portiogay
alemana
sepedi
sesotho
tsonga
zoulou
neerlanday
frantsay
espaniola
italiana
afrikana
japone
tswana
venda
xhosa
kibemba