Fitondram-panjakana iray hahomby ao amin’izay tsy nahombiazan’ny olombelona
“Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.” — SALAMO 66:5.
1, 2. a) Ahoana no anaporofoan’izao rehetra izao ny hery mahatahotra ananan’ny Mpamorona azy? b) Nahoana isika no tokony hino ireo faminanian’i Jehovah mahakasika ny androntsika?
JEHOVAH dia manana fahefana ny hahomby ao amin’izay tsy nahombiazan’ny olombelona. Matahotra ny herin’ny baomba ataomika ny olombelona, kanefa hita ho tsinontsinona izany hery izany raha oharina amin’izay miasa ao amin’ny masoandro. Ny masoandrontsika anefa dia tsy inona fa anankiray monja amin’ireo kintana eo amin’ny 200 lavitrisa mahaforona ny vahin-danitra misy antsika, dia ny “Voie lactée”. Ambonin’izany, ireo astronoma dia mihevitra fa izao rehetra izao dia ahitana vahin-danitra eo amin’ny 100 lavitrisa ka ny tsirairay avy aminy dia misy kintana an-davitrisany maro. Eritrereto ny hery tsy maintsy nangonina mba hahaforona ireny kintana rehetra ireny (Isaia 40:26)! Tsy azo lavina fa eo anilan’ny hery ambony ananan’ny Mpamorona, dia tena tsinontsinona ny fahaizan’ny olombelona. — Isaia 40:15.
2 Amin’izany, dia tsy misy afaka misalasala fa hoe afaka mitana ny teny nataony Jehovah (Isaia 46:9, 10; 55:11). Noho izany antony izany no tokony hinoantsika ny Teniny ara-paminaniana, indrindra fa rehefa manome antoka antsika izany fa tonga eo amin’ny fotoana noferany hanandraman’ny olombelona tsy hiankina aminy izika. Araka ny ahariharin’ny Tantara, ny fomba nitondran’izao tontolo izao ankehitriny ny fiainan’olombelona sy ny biby ary ny tany dia mahamenatra, pentina eo amin’izao rehetra izao izay an’Andriamanitra. Koa zon’i Jehovah tanteraka ny hikosoka an’io pentina io tanteraka. — Hosea 4:1-3; Joda 14, 15.
3. Inona no ampahafantarin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly antsika ny amin’ny ho avy efa akaiky?
3 Ny fisehoan-javatra ankehitriny dia manaporofo mazava fa ny fandehan-javatra ankehitriny dia miaina ao amin’ny vanim-potoana farany amin’ny “andro farany” izay nolazalazain’i Paoly ara-paminaniana ao amin’ny toko faha-3 amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty. Tsy ho ela Jehovah dia hanafoana an’izao tontolo izao sy hametraka ny an’i Satana filohany ho amin’ny tsy fahafahana hanimba intsony. Aorian’izany izy dia hanorina eto an-tany, fandehan-javatra vaovao tanteraka, amin’ny alalan’ilay fitondram-panjakana any an-danitra nahatonga an’i Jesosy hampianatra ny mpianany hivavaka amin’ny filazana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10; Daniela 2:44; Romana 16:20.
Ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanavotana
4. Ahoana no nanazavan’i Jehovah ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanavotana teo amin’ny Isiraely fahizay?
4 Ireo fitondram-panjakan’olombelona dia tsy afaka manafoana ny fahotana sy ny fahafatesana. Nefa ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia hahomby amin’io zavatra io izay tsy nahombiazan’ny olombelona. Azontsika atao ny mahatakatra izay hahatonga azy ho afaka ho tonga amin’io vokatra io amin’ny fiheverana ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny firenen’ny Isiraely rehefa nanana ny fankasitrahany io. Tamin’izany fotoana izany izy dia nanonona ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanavotana na ny avotra. Rehefa latsaka tao anatin’ny fahantrana ny Isiraelita iray, indraindray izy dia tsy maintsy nivaro-tena ho andevo tamin’ny hafa firenena iray. Ny anankiray tamin’ireo havany akaiky anefa dia afaka nividy azy raha nanana vidin’ny fanavotana ampy izy. — Levitikosy 25:47-49.
5, 6. a) Ahoana no amelan’io fotopoto-pitsipika io an’Andriamanitra hanafaka olombelona amin’ny fahotana nolovana? b) Moa ve ny olona rehetra nafahana avy hatrany tamin’ny fahotana?
5 Nanao fandaharana sahala amin’izany Andriamanitra mba hanavotana ny fianakavian’olombelona tamin’ny fanandevozan’ny ota. Amin’izany, ny vidin’ny avotra dia tokony hitovy amin’izay verin’ny olombelona (Deoteronomia 19:21). Ain’olombelona tanteraka, mandrakizay, anefa ny verin’i Adama. Koa satria ny olona mpanota tsy nanana na inona na inona sarobidy toy izany, dia tsy nanana fahafahana ‘hanavotra rahalahy’ izy. (Salamo 49:7.) Nanambara anefa ny Baiboly fa hisy olona ho avy izay hanana izany fahefana izany. Niharihary ho Jesosy Kristy izany olona izany. Mampahafantatra antsika tokoa ny Soratra masina fa efa nisy tany an-danitra izy talohan’ny nahatongavana ho olombelona ka taty aoriana ny ainy vao nafindra ho ao an-kibon’i Maria noho ny herin’Andriamanitra. Tamin’izany no nahaterahan’i Jesosy ho olombelona. Nefa, noho izy nanana an’Andriamanitra ho Ray, dia tsy nandova ny fahotana mahazo ny sisa amin’ny olombelona izy. — Matio 1:18-21; Jaona 1:1, 14; I Petera 2:22.
6 Jesosy àry dia nanana ny hany fananana nitovy vidy tamin’ny ain’olombelona tanteraka: ain’olombelona tanteraka hafa iray. Nifanohitra tamin’i Adama, dia nanohy nankatò an’Andriamanitra izy. Noho izany, rehefa nanao sorona ny ainy ho an’ny taranak’olombelona izy, Jehovah dia nandray izany ho toy ny vidim-panavotana ampy (Galatiana 1:4). Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa nafahana avy hatrany tamin’ny fahotana ny olombelona ka hanandratra azy rehetra ho amin’ny fahatanterahana ilay Fanjakana? Tsia; izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Jaona 3:16: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Anjarantsika àry ny manaiky ny avotra sy manaporofo izany amin’ny ataontsika. Amin’izany fepetra izany ihany ny tenantsika sy ny saintsika no hohavaozina ka hahatratra ny fahatanterahana ao amin’ny Paradisa. — Apokalypsy 21:4.
Ny fianarana ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao
7, 8. Manao ahoana ny fahaizan’ny atidohan’olombelona mbola tokony hohatsaraina?
7 Na dia ao aza ny tsy fahatanterahana, ny sain’ny olombelona dia afaka mitahiry fahalalana betsaka amin’ny fomba mahagaga. Izany anefa dia tsy mampiseho mihitsy afa-tsy ampahany kely monja amin’izay ho hainy hianarana ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina, rehefa tsy hanakantsakana intsony ny fiasany ny fahotana. Ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny bokin’ny atidoha (anglisy) dia nanao izao fanamarihana izao: “Ao an-tsaintsika ny anankiray amin’ireo fandaharana be kojakojany indrindra eo amin’izao rehetra izao fantatra. Ny heriny sy ny fahalefahany dia ambony lavitra noho ny an’izay rehetra mety ho ‘ordinateur’.” Hoy koa ny teny nanampiny: “Lazaina matetika fa tsy mampiasa fa-tsy 10 isan-jato amin’ny fahaizantsika ara-tsaina isika. Toa mbola mijery lafitsaran-javatra loatra izany fanombanana izany. Raha ny marina, dia tsy isalasalana fa tsy mampiasa ny 1 isan-jato amin’ny fahafahantsika akory aza isika — azo inoana kokoa fa 0,1 isan-jato, raha tsy latsaka aza.”
8 Alao sary an-tsaina izay ho hain’ny atidohan’olombelona hotanterahina ao amin’ny fandehan-javatra vaovao rehefa hananany tanteraka ny fahafahana hanao zavatra. Eritrereto ny zavatra mahavariana rehetra napetrak’i Jehovah eo amin’ny planetantsika, ny karazam-biby na zavamaniry miaina rehetra mbola hofantarintsika. Hevero koa izay ho azontsika ianarana ny amin’izao rehetra izao tsy hay refesina sy ireo vahin-danitra an-davitrisany maro ao aminy. Farany, dia eritrereto ireo asa ho haintsika tanterahina eo amin’ny lafin’ny zava-kanto, ny mozika sy ny asan-tanana, ohatra.
9. Inona moa no karazam-panabeazana izay hitondra soa betsaka indrindra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao?
9 Na ahoana na ahoana, dia karazam-pianarana hafa no hiharihary fa hahasoa indrindra. Izany dia ilay nampahatsiahivin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra [Jehovah, MN].” (Jaona 6:45). Tsy azo lavina fa izany no fampianarana tsara indrindra. Hahavita izany anefa ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra rehetra, anisan’izany ireo izay ho tafita velona amin’ny faran’izao fandehan-javatra izao (Apokalypsy 7:9, 14). Fa raha ny amin’ny vahoakan’ny Fanjakana hafa, Jesosy dia nanondro azy ireny tamin’izao teny voalaza ao amin’ny Jaona 5:28, 29 izao: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.” Ny maty an-davitrisany maro izay hatsangana noho ny fahagagana mihoatra lavitra noho izay mety ho vitan’ny olombelona, dia handray soa koa amin’ny fandaharam-pianarana lehibe dia lehibe.
10. Ahoana no hizarana ny fampianarana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao?
10 Amin’izao andro izao, dia misy fomba fampianarana maro mifanipaka. Ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina anefa, ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra dia hanorina fandaharam-pampianarana tokana mba hampianarana ny olona rehetra ny fahamarinana ny amin’i Jehovah. Izany fandaharana izany dia hahafaoka fianarana momba ny fifandraisan’olombelona. Tsy hankalazaina ao ny fireharehana ara-pirazanana sy ara-pirenena na ara-tsosialy. Ao kosa ny mponina amin’ny tany dia hianatra hifankatia sy hanaja ny fahamendrehan’ny tsirairay avy. Noho ny fanabeazana toy izany, dia hiova ny toetra mba hanome taratr’ireo toetra tsaran’i Jehovah kokoa. — Asa. 10:34, 35; Kolosiana 3:9-12.
11, 12. Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa hahatratra ny zava-kendreny io fandaharam-panabeazana io?
11 Hahatratra ny zava-kendreny ve ny fanabeazana toy izany. Mino mafy izany izahay. Voalohany indrindra, dia satria Jehovah no manome toky ny amin’izany ary tsy mahay mandainga izy (Titosy 1:2). Afa-tsy izany koa, dia efa nahitana porofon’ny fahombiazany io karazam-panabeazana io. Dieny izao tokoa Jehovah dia manana amin’ny tany manontolo, fandaminana iray izay mampianatra olona an-tapitrisany maro ny amin’ny Fanjakany sy ny fepetra takiny. Ny mahatonga izany, dia satria ilay Fanjakana nanomboka nampihatra ny fahefany tamin’ny 1914, rehefa nanomboka ny “andro farany”.
12 Hatramin’izay, dia hitantsika tanteraka ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-25. Nahariharin’io fa amin’ny fotoana hanomezana an’i Jesosy ny fahefana hanjaka, dia mbola ho eto an-tany ireo fahavalon’Andriamanitra. Izao no vakina ao amin’ny andininy Mt 25 faha-32 amin’io toko io: “Ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. Ny “ondry” dia mampiseho ny olona izay mandray ankehitriny ny fampianaran’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso mitatra aoka izany. Amin’ny fanarahana izany fampiofanana izany amim-pankasitrahana, dia mifikitra amin’ny famolavolana ny toetrany ho araka ny endrik’Andriamanitra izy ireo. Ny ananan’izany fanabeazana izany heriny tsara amin’izao fotoana izao eo amin’ny olona an-tapitrisany maro dia porofo tsy azo lavina fa ho afaka hanome vokany toy izany amin’ny ambaratonga lehibe lavitra izy ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra.
Ny fanamboarana ny Paradisa
13. Asa fanorenana lehibe inona no hotontosaina eo ambanin’ilay Fanjakana?
13 Ny asa hafa iray hatao eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana dia ny hanovana ny tany ho paradisa. Miharihary anefa fa tsy manana toerana ao amin’ny paradisa iray ny trano bongo maloto sy ny fahantrana. Iza no tsy haniry hiaina ao amin’ny fonenana mendrika iray, miaraka amin’ny sombin-tany sy ny hazo ary ny voninkazo? Izany indrindra no miandry an’ireo izay vonona ny hanaiky hampianarin’Andriamanitra. Porofon’izany ity faminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 65:21, 22 ity: “[azo antoka fa, MN] hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary [azo antoka fa, MN] hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa (...), ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.”
14, 15. Nahoana moa isika no mahazo matoky fa ireo mpanompon’i Jehovah dia ho afaka hanova ny tany ho paradisa?
14 Aza misalasala ny amin’izay mety hotanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ireo mpanompony, izay hanolotra avy hatrany ny fony sy ny sandriny ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao. Dieny ankehitriny sahady, dia talanjona ny fiasana fanaovan-trano mahita fa ankoatra ny zavatra hafa, dia vitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manorina Efitrano Fanjakana ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy. Taorian’ny fanorenana ny anankiray tamin’ireny “efitrano mitombo haingana” ireny, dia izao no azo novakina tao amin’ny sasintenin’ny gazety amerikana iray: ‘Nanangana zavatra sarobidy kokoa noho ny trano fotsiny ireo mpiasa an-tsitrapo 2 000 ireo. Tokony hodinihin’ny mpikarakara ny tanàna akaiky kokoa izay nitranga tamin’ny faran’ny herinandro lasa. Ny hafanam-po, ny fandavan-tena sy ny finiavan’ny tsirairay avy dia notarihina tamin’ny vokany nahatalanjona. Raha mba hain’ny fokonolona eo an-toerana ny mampiasa fananana toy izany, dia ho tratrany izay rehetra mety ho zava-kendrena, na fampiofanana izany, na fisakanana ny heloka bevava na fampandrosoana ny faribohitra. Noporofoin’ireo mpiasa maro be ireo fa rehefa miray saina ny fitambaran’olona iray, dia manana hery be dia be. Antenaintsika fa ho loharanom-pampaherezana ho an’ny Vavolombelona ny Efitrano Fanjakana. Efa toy izany sahady ny fisiany ho antsika rehetra.’
15 Hisy vokany mbola hahagaga kokoa ihany ny finiavana sy ny fahaizan’ireo mpanompon’i Jehovah mitombo hatrany ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Ho toy inona moa ny fahasambarana hanolo izay rehetra manaratsy endrika ny tany amin’ny trano tsara tarehy aorina ao anatin’ny faritra mahafinaritra! Toy inona moa ny fifaliana mahafantatra fa ny andro hiasana tsirairay avy dia hanatsara endrika ny planetantsika ka hahatonga azy hitovy kokoa ihany amin’ny paradisa iray!
Fianakaviana iray miray saina
16. Nahoana moa ireo mponina ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenaina no tsy hatahotra ny herisetra intsony?
16 Tsy hahatsiaro horahonan’ny heloka bevava, ny fikorontanana ara-tsosialy na ny ady intsony ny mponina ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao. Izao no ambaran’ny Soratra masina: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy [Andriamanitra].” (Salamo 46:9). Jesosy Kristy, “Andrian’ny fiadanana”, dia hiandraikitra ny fampanajana ny fandriampahalemana maneran-tany, hany ka “ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. (Isaia 9:5, 6.) Noho ny tena fandriampahalemana sy ny fanabeazana izay ho nampianatra ny olona rehetra fotopoto-pitsipika ambony mitovy, ny fianakavian’olombelona dia ho tafaray amin’ny alalan’ny fatoram-pitiavana tsy azo ravana. Tsy hisy sisin-tany hampisaraka azy ireny intsony mihitsy àry.
17. Manao ahoana ny fanjakan’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina sahady eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra?
17 Tsara loatra ve izany fampanantenana izany ka tsy ho tanteraka? Tsia, satria zavatra efa misy ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina eo amin’ireo izay manaiky amim-pahatokiana ilay Fanjakana. Aoka ny tenanao ihany no hitsara azy: Vavolombelon’i Jehovah roa tapitrisa sy sasany mahery no miely maneran-tany. Dieny izao anefa dia tanterahiny ny faminaniana ao amin’ny Isaia (2:4) izay nanambara toy izao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Na noho ny antony inona na noho ny antony inona dia tsy hinia hanaisotra ny ain’ny anankiray amin’ireo rahalahiny na olon-kafa na iza na iza izy, na avy aiza tany onenan’izy ireny na avy aiza. Nanao izao fanamarihana izao momba izany ny gazety italiana atao hoe Il Corriere di Trieste: “Vonona izy ireny ny hisetra fahafatesana toy izay handika ny fitsipika tena lehibe hoe (...): “AZA MAMONO OLONA!’ ” Noho izy ireo manaraka ny fitsipik’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana ny tena fiadanana sy firaisan-tsaina, dia zavatra tsy mety ho azon’izao tontolo izao ankehitriny. Ny hoe misy an-tapitrisany vitsivitsy izy ireo, manana izany toe-piainana izany eo anivon’izao tontolo izao misaratsaraka, dia porofon’izay mety ho vitan’ny Fanjakan’ Andriamanitra rehefa ho noraisiny an-tanana ny raharahan’ny tany rehetra. — Jaona 13:34, 35; I Jaona 3:10-12.
18, 19. Manana antoka fa hahazo soa hafa inona koa moa ireo izay mifikitra amin’ny fotopoto-pitsipika ambony omen’ny Mpamorona?
18 Ankoatra ny fandriampahalemana sy ny firaisan-tsaina maneran-tany, ny fifikirana amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ambony dia miteraka lehilahy sy vehivavy izay mikarakara ny mpiara-belona aminy ka manaja ny fananany, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia izay ‘mitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra’. (Hebreo 13:18.) Ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny mpanao gazety kanadiana iray tokoa dia nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny Le Journal de Montréal: “Raha tsy nisy afa-tsy izy ireo teto an-tany, rehefa tonga ny alina, dia tsy ho voatery hanidy mafy ny varavarantsika sy handefa ny fanairana isika.”
19 Marina tokoa fa ireo vahoaka mahatokin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia tsy mahita eo aminy, fanaovana heloka bevava, dia loza tsy sahin’ny fitambaran’olona ankehitriny antenaina fa ho voalamina intsony koa aza. Ambonin’izany, noho izy ireo mifikitra amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly, dia tsy voakasiky ny fielezan’aretina mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy ny fanalana zaza mamely any amin’ny firenena rehetra izy ireny. Afa-tsy izany koa, dia hajaina aoka izany ny fanambadiana, ka izany dia mifanohitra amin’ny fileferana loatra eo amin’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahany mitana fotopoto-pitsipika mendri-kaja toy izany? Satria mitari-dalana an’ireo mpivavaka mahatoky aminy Jehovah ary “hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra”. — Matio 19:26.
Miraisa saina mba hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina
20. Inona moa no fihetsiketsehana lehibe indrindra amin’izao androntsika izao?
20 Na mahatsapa izany ny mpiara-belona amintsika na tsia, ny fanangonana hatraiza hatraiza “ondry” ao amin’ny fandaminan’i Jehovah dia mahaforona ny fihetsiketsehana lehibe indrindra amin’izao androntsika izao. Tanteraka amin’izany tokoa izao faminanian’Isaia (2:2, 3) malaza izao: “Ary izao no ho tonga any am-parany: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana marina izay mitana toerana ambony amin’izao andro izao] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah (...), mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.’ ”
21. Inona no hamporisihantsika ny olona tso-po?
21 Amporisihinay mafy ny olona tso-po rehetra mba hiaraka amin’io fihetsiketsehana maneran-tany ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana marina io sy ny hany fitondram-panjakana araka ny rariny. Eny, anjaranao ny mahafantatra dieny izao ny soa avy amin’ny fifaneraserana amin’ny vahoaka ampianarin’Andriamanitra ny lalàny sy ny fotopoto-pitsipiny. Mba hanaovana izany, dia maneke amim-pahatokiana ho eo ambanin’ilay Fanjakana izay hanova ny tany ho paradisa. Apetraho amin’io fitondram-panjakana io ny fitokisanao fa tsy amin’ireo volavolan-kevitr’izao tontolo izao, amin’ny fitadidiana izao fampitandremana ao amin’ny Baiboly izao: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Valio ny fanasana alefa ho anao toy izao ao amin’ny Salamo 66:5: “Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.” Eny, manatòna an’ilay Andriamanitra izay niantoka ny fitondram-panjakana tsara indrindra, dia ny fitondram-panjakana izay hahomby ao amin’izay tsy nahombiazan’ny olombelona ka vetivety foana dia ho hany hanapaka ny tany.
Anjaranao ny mamaly
◻ Nahoana no afaka matoky isika fa hotanterahin’i Jehovah ireo fikasany?
◻ Ahoana no amelan’ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanavotana an’Andriamanitra hanafaka olombelona amin’ny fahotana?
◻ Hanao ahoana ny fandaharam-panabeazana sy fanorenana izay hatao ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao?
◻ Inona no porofo efa ananantsika fa hanjaka maneran-tany ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina ary ny fitiavana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra?
[Sary, pejy 15]
Eo ambanin’ny Fanjakana, ny lehilahy sy vehivavy tia ny fahamarinana dia ‘hampianarin’i Jehovah daholo’.
[Sary, pejy 17]
Efa manjaka sahady eo amin’ireo izay manohana ilay Fanjakana ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina.