FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 13-18
  • Nahalala ny “Famantarana” izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahalala ny “Famantarana” izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Voangona ho amin’ny famonjena
  • Ny asa malaza manaraka ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Famantarana ny andro farany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Mpitaingin-tsoavaly Efatra Mirifatra!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Nohazavaina ny zava-miafin’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 13-18

Nahalala ny “Famantarana” izy ireo

“Raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva izy, dia nanatona azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: ‘Lazao aminay: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?’ ” — MATIO 24:3, MN.

1. Nahoana moa ireo zava-niseho nanakorontana an’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914 no tsy avy amin’ny kisendrasendra? Inona moa no nanontanian’ny mpianatra an’i Jesosy?

TSY avy amin’ny kisendrasendra akory ireo fisehoan-javatra nanakorontana izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914. Nambaran’i Jesosy Kristy taonjato 19 nialoha izany. Noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany ny amin’ny toe-javatra mampalahelo isan-karazany hitranga, ka izany dia nitarika azy ireo hametraka aminy izao fanontaniana izao: “Lazao aminay: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, MN.

2. Ahoana moa no ahafantarantsika fa ireo mpianatra dia tsy naniry fotsiny ny hampiomanina ny amin’ny fisehoan-javatra hitranga alohan’ny fandravana an’i Jerosalema?

2 Tsy izay hitranga alohan’ny handravana an’i Jerosalema ihany no tian’ireo mpianatra ho fantatra. Tsy tamin’io loza aman’antambo io tokoa Jesosy no tafaverina hita maso na tsy hita maso. Afa-tsy izany koa, ny fandehan-javatra nisy hatramin’ny safodrano dia tsy nifarana niaraka tamin’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Raha ny marina, ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ tsy hita maso sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tsy tokony hiseho raha tsy ela be aorian’ny hahafatesan’ireo apostoly.

3. a) Inona no mampiseho fa ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy nitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” tao anatin’ireo taonjato nisian’ny fialana tamin’ny fivavahana marina nanaraka ny tsy naha-teo intsony ny apostoly? b) Moa ve ny Firenena mikambana hitarika ny Fanjakan’Andriamanitra ho amin’ny tsy fahombiazany?

3 Tamin’ny alalan’ny fanoharana ara-paminaniana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nampiomana an’ireo apostoliny i Jesosy ny amin’ny fikomiana ara-pivavahana hiseho aorian’ny hiverenany ho any an-danitra sy ny hahafatesany. Mandritra ny fotoana rehetra haharetan’izany fivadiham-pinoana izany, moa ve hotorina maneran-tany ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” (Matio 24:14, MN )? Azo antoka fa tsy ireo finoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no hiandraikitra izany asa nanirahana izany. Ny porofo dia hoe tamin’ny desambra 1918 ny Filan-kevitra federalin’ny Fiangonan’i Kristy any Amerika dia mbola nitsaoka ihany ny Fikambanam-pirenena nokasaina haorina tamin’izay, ho “ny endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”. Io fanohanana ara-pivavahana io anefa dia tsy nahasakana an’ilay Fikambanana resahina tsy hahita tsy fahombiazana nampahonena tamin’ny 1939, tamin’ny fipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa. Moa ve ny tsy fahombiazany toy izany ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra koa? Tsy izany velively. Tsy hahatsapa fahavoazana mihitsy tokoa io Fanjakana io rehefa hianjera ny Fandaminan’ny Firenena mikambana izay nandimby ny Fikambanam-pirenena, ka tsy ho ela dia hitranga izany. Izy tokoa no hanafoana ny Firenena mikambana, na firy na firy isan’ny anjely tsy maintsy hangoniny mba hahavitana izany.

4. Nahoana moa ny fitoriana ilay Fanjakana no tokony tsy hisaraka amin’ny “famantarana”?

4 Izany voalaza eo aloha izany dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra tsara kokoa, hevitra lehibe iray. Noho ireo mpianatra nangataka “famantarana” taminy no nahatonga an’i Jesosy hilaza tamin’izy ireo hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN ). Miharihary amin’izany fa ny fitoriana maneran-tany ilay Fanjakana dia ho anisan’ny “famantarana” misy zavatra maro loha, tsy hisaraka aminy izay hanamarika “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Noho izany, izy io koa dia ho porofo hita mason’ny ‘fanatrehan’i Jesosy Kristy’ tsy hita maso. Mahaliana ny manamarika izay nambaran’i Jesosy talohan’ny nampahatsiahivana ny fitoriana ilay Fanjakana. Ireto ny sasantsasany amin’ireo faminaniany:

5. Tonòny ny sasantsasany amin’ireo zavatra mahaforona ny “famantarana” nampahatsiahivin’i Jesosy talohan’ny hanambarana ny fitoriana maneran-tany ilay Fanjakana?

5 “Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. (...) Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:6-13.

6. Nahoana moa ireo lafiny isan-karazany amin’ny “famantarana” no tsy voazava amin’ny fivoaran’ny tarehin-javatra nisy teo aloha fotsiny?

6 Marina fa nisy ady, mosary, horohorontany sy areti-mandringana teo anelanelan’ny fanombohan’ny fanisan-taona iraisana sy ny 1914 (Lioka 21:11). Ireny fisehoan-javatra ireny anefa dia tsy ho azo ampitahaina amin’ireo izay nisesy nanomboka tamin’io taona manan-tantara io izay nahataperan’ny andron’ny Jentilisa. Araka izany, ny ady niraisam-pirenena izay nipoaka tamin’ny fomba tsy nampoizina tanteraka tao anatin’ny lohataonan’ny 1914 dia niova ho ady ara-tafika lehibe nitatra tany amin’ny tany 28 tamin’ny farany. Ambonin’izany, io loza aman’antambo nataon’olombelona io dia narahin’ny horohorontany araka ny natiora. Voamarika koa ny tsy fahampian-kanina (na mosary), ary tamin’ny taona farany nisian’ny ady dia nitranga tampoka ny “areti-mandringana” natao hoe “gripa espaniola” izay nahafaty olona maherin’ny 20 tapitrisa. Izany loza rehetra izany dia tsy ho hay hazavaina amin’ny alalan’ny fivoaran’ny tarehin-javatra nisy teo aloha fotsiny. Izany kosa aza dia fiandohan’ny fisehoan-javatra mifampitohitohy izay, amin’ny fitambarany, dia hahaforona “famantarana” mampiseho fa tonga tamin’ny “andro farany” noresahin’ireo faminaniana ny fandehan-javatra ankehitriny (Daniela 12:4). Afa-tsy izany koa, ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny Apokalypsy (na Fanambarana), dia manome antoka antsika ny amin’izany.

7. Nahoana moa no nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy? Inona no tokony ho dikan’ny maro amin’ny “famantarany”?

7 Ny apostoly Jaona, izay nanaovana an’io Fanambarana io, dia nahazo baiko hitahiry azy an-tsoratra noho ny antony hentitra tsara. Inona izany? “Mba hasehony amin’ny mpanompony [ny an’Andriamanitra] izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.” Afa-tsy izany koa, eo amin’ny faran’ny Apokalypsy Jesosy Kristy Tompo dia manambara hoe: “Eny, avy faingana Aho.” Dia mamaly toy izao i Jaona: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” Rehefa hitranga tokoa ny fisehoan-javatra maro ‘aseho ho famantarana’ ao amin’ny Apokalypsy dia hanjary ho porofo daholo fa tonga ny “andro farany” ho an’izao fandehan-javatra izao (Apokalypsy 1:1; 22:20). Noho izany, dia hanampy antsika izy ireny hahafantatra ny “famantarana” rehefa hiseho izany.

8. Iza moa ilay mitaingina ny “soavaly fotsy”? Oviana Andriamanitra no nanome azy fahefana ‘hivoaka’ hanohitra ireo fahavalony?

8 Araka izany, ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6 dia misy firesahana ny amin’ny “mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy efatra”. Ny voalohany tamin’ireo olona ireo, izay nitaingina “soavaly fotsy”, dia nampiseho an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra rehefa handeha hiady amin’ireo fahavalony izy io. Nanome azy fahefana hanomboka an’io asa io Andriamanitra tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny fotoana tokony ho naneken’ireo fahavalony any an-danitra sy eto an-tany ny fanapahany. — Salamo 2:1-12.

9. Mampiseho inona ireo mitaingina a) ny “soavaly mena”? b) ny “soavaly mainty”? d) ny “soavaly hatsatra”?

9 Ny mpitaingin-tsoavaly faharoa, izay “mena” ny soavaliny, dia nampiseho ny ady, satria nomena fiadiana mahafaty izy io (“sabatra lehibe”). Ilay nitaingina ny soavaly fahatelo, “soavaly mainty”, dia nampiseho ny tsy fahampian-kanina. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria teny an-tanany izy dia nitana mizana natao handanjana zava-pihinana tena ilaina, izay tsy ho azo raha tsy vidina lafo. Farany, ny mpitaingin-tsoavaly fahefatra izay nitaingina soavaly “hatsatra”, manana endrika mararirary, dia nampiseho ny areti-mandringana, satria mitohy toy izao ny fitantarana: “Izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita [ny fasana] nanaraka azy.” Marina fa io mpitaingin-tsoavaly fahefatra io dia nahazo fahefana “hamono amin’ny sabatra [ny ady] sy ny mosary (...) sy ny bibi-dia etỳ an-tany.” Mety indrindra anefa ny hanamarihana fa nomen-dalana koa izy handefa izay voany ho any am-pasana (ny Hadesy) amin’ny alalan’ny “loza mahafaty” (“ny areti-mandringana”, Osty). — Apokalypsy 6:1-8.

10. Inona no tokony hitranga aorian’ny fanokafana ny tombo-kase fahadimy sy fahenina? Ho voatery hanaiky inona amin’izay ireo mponina amin’ny tany?

10 Rehefa avy nandinika ireo toetra mampiavaka “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” ireo ny apostoly Jaona, dia hitany novahana ny tombo-kase fahadimy sy fahenina tamin’ny horonamboky ara-paminaniana. Tamin’izay no nitranga teo anoloan’ny masony ny loza aman’antambo araka ny natiora nahatahotra izay nanomboka tamin’ny “horohorontany mafy”. Farany, ny mponina amin’ny tany dia voatery niaiky toy izao: “Tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo [ny an’i Jehovah sy Jesosy Kristy].” Io andro fahatezerana ara-panoharana io dia tokony hifarana amin’ny fandringanana ny mpanohana an’izao tontolo izao ankehitriny rehetra. — Apokalypsy 6:9-17.

Voangona ho amin’ny famonjena

11. Fanazavana inona no nampiasain’i Jesosy mba hanasoritana fa izay nambarany ny amin’ny ‘fanatrehany’ sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tsy maintsy ho tanteraka?

11 Tao amin’ny filazalazany ny amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’ sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” — Matio 24:32-35.

12, 13. a) Inona no tsy nitranga tamin’ilay loza namely ny firenena jiosy tamin’ny 70? b) Nampiseho inona io loza aman’antambo io? d) Ahoana no teny nanampin’i Jesosy ny amin’ny fahatongavany?

12 Tamin’ny 70, ny Romana dia nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ka nahatonga tamin’izany, araka ny faminanian’i Jesosy, fahoriana lehibe ho an’ny Jiosy. Tsy nilaza anefa izany fa hoe tafaverina Kristy ary nanomboka ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso (Matio 24:15-21). Koa satria ny Baiboly manao an’i Jerosalema fahizay ho tandindona, ny loza tamin’ny 70 dia tokony hahaforona ohatra ara-paminaniana koa. Izy io tokoa dia tandindon’izay hitranga amin’ny ambaratonga maneran-tany aorian’ny 1914, izany hoe aorian’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa sy ny fanombohan’ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso. Noho izany antony izany no nanambaran’i Jesosy toy izao koa:

13 “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.” — Matio 24:29-31.

14. Ny amin’ny fanekena sy sorona inona moa no resahina ao amin’ny Salamo 50:5?

14 Ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ny fanangonana ny “olom-boafidy” dia fahatanterahan’ity baiko avy amin’Andriamanitra ity: “Angony etỳ amiko ny oloko masina [mahatoky, MN ] izay manao fanekena amiko [ny fanekeko, MN ] amin’ny fanatitra.” (Salamo 50:5). Koa satria Jehovah milaza hoe “ny fanekeko”, izany dia tsy ny fanekena hataon’ny olombelona aminy amin’ny fahatongavana ho kristiana ary rehefa avy eo dia ho azony hamarinina amin’ny fanaovana sorona ny tenany. Io fanekena ifanaovan’i Jehovah amin’ny ‘olona mahatoky’ io kosa dia ny “fanekena vaovao” nampanantenaina, ilay nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny ‘taranak’Isiraely’ ara-panahy. Ny sorona iankinan’io fanekena vaovao io dia tsy inona fa ny sorom-panavotan’ny “Zanak’olona”, Jesosy Kristy. — Jeremia 31:31-34; Matio 24:30.

15. Iza moa ireo “mahatoky”? Inona ankehitriny no anjara raisiny eo anilan’izao tontolo izao?

15 Ireo ‘olo-mahatoky’ izay ampidirina ao anatin’ny fanekena vaovao dia tonga Isiraelita ara-panahy avy hatrany (Lioka 22:19, 20). Raha tian’Andriamanitra ny hisian’ny fanangonana, dia mba handinihana tsara kokoa ireo izay angoniny, mba hanehoana ny fankasitrahany an’ireo mahatoky sy handavana an’ireo izay tsy miseho ho manaja ny fanekena vaovao, dia ny fifanekena tamin’Andriamanitra lazain’izy ireo fa nidirany (Salamo 50:16). Hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia miharihary fa nolavin’i Jehovah ny fivavahana lazaina fa kristiana, na dia mirehareha ho voaray ao anatin’ny fanekena vaovao aza izy. Mifanohitra amin’izany, dia misy sisa vitsy amin’ny kristiana izay tena nanolo-tena ho an’Andriamanitra tokoa ary natao batisa mba ho tonga tena mpianatr’i Jesosy Kristy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. Ireo dia tena fantatra tokoa ho Isiraelita ara-panahy. Mifikitra amim-pahatokiana hatrany amin’ny fanekena vaovao izy ireo. Ireo no “olom-boafidy angonin’ny Zanak’olona eo anilany amin’ny alalan’ireo anjeliny. Iantsorohan’izy ireo ny andraikitra omen’ny fanekena vaovao azy ireo, dia ilay antsoin’Andriamanitra hoe “fanekeko”. Amin’ny asa tontosainy ho an’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra, dia manjary ‘famantarana’ ho an’izao tontolo izao manontolo izy ireny. — Isaia 8:18; Hebreo 2:13, 14.

16. a) Oviana moa ny sisa amin’ireo “mahatoky” no nahita fifohazana ara-panahy? b) Tao amin’ny fanoharana ny amin’ny virijina folo, iza moa no mpampakatra? Iza no mahaforona ny ampakariny ara-panoharana?

16 Teo am-piandohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia nisy fifohazana ara-panahy tsy maintsy natao teo anivon’izany sisa ‘nahatoky’ izany. Izany dia hahaforona tapany lehibe amin’ny “famantarana” mahagaga nolazalazain’i Jesosy mialoha. Niharihary fa faran’izay nahafaly izany vanim-potoana izany ho an’ny sisa amin’ireo kristiana voahosotra. Ny firavoravoany dia sahala amin’ny nameno ireo virijina dimy hendry fony ireo notairin’ny antsoantso toy izao tamin’ny misasakalina: “Indrỳ ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.” (Matio 25:1-6). Io fifohazana mahatalanjona io dia nitranga tamin’ny lohataonan’ny 1919, rehefa nanomboka ho tafarina avy amin’ny vokatry ny fanenjehana sy ny fankahalana nihatra taminy naneran-tany tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra. Miharihary fa ny “mpampakatra” ao amin’ny fanoharana ny amin’ny virijina folo dia tsy iza fa Jesosy Kristy, ary ny ‘ampakariny’ dia mampiseho ny kongregasionany mahatoky, voaforon’ny kristiana 144 000 voantso hiara-manjaka aminy any an-danitra (Apokalypsy 14:1-4). Ny fampifandraisana ny fandaharan-taona ao amin’ny Baiboly sy ny tantara ankehitriny dia mampiseho fa ny Mpampakatra manana fiandrianana dia tonga tao amin’ny tempoly ara-panahy tamin’ny lohataonan’ny 1918. Tamin’izay izy no nanomboka nanangana tamin’ny maty ireo anisan’ny ampakarina ara-panahy izay maty nahatoky ka nampiaraka azy ireo tao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Tamin’izany ny sisa amin’ny “ampakarina” nasehon’ireo virijina hendry dia afaka nandray ho azy ireo ireto teny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 19:7 ireto: “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ka efa niomana ny vadiny.”

17. a) Inona avy no antony tokony hahafaly ny kilasin’ny ‘virijina hendry’? b) Nanana inona ireo virijina hendry? Nahatonga azy ireo ho afaka hanao inona izany?

17 Araka izany, ny kilasin’ny ‘virijina hendry’ dia nifaly aoka izany satria azo lazaina hoe nifoha ara-panahy mba hahatakatra ny hevitry ny “famantarana” izay niseho tamin’ny 1914. Azo natao hatramin’izao ny nampihatra taminy izao fanambarana izao: “Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 19:9). Tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, ireo virijina dimy hendry dia nitondra tahirin-tsolika fanazavana, mba hahafahana mandrehitra indray ny fanilony hiarahana amin’ny mpilahatra mitondra fanazavana. Koa rehefa tonga ny mpampakatra, “izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana”. — Matio 25:1-10.

18. a) Teo am-pivoahana avy amin’ny Ady Lehibe Voalohany, afaka nanao inona koa ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra noho ny Teny sy ny fanahin’Andriamanitra? b) Inona no nambara tamin’ny fivoriambe voalohany nataon’io sisa io taorian’ny ady?

18 Mifanaraka amin’io fanazavana io, ny sisa amin’ny kristiana voahosotra dia nandeha hihaona tamin’ny Mpampakatra any an-danitra mba handraisana azy tao anatin’ny fahazavana sy ny fifaliana rehefa naneno ny ora hampakarany ny vadiny, dia ny kongregasiona. Na dia tao aza ny fitsapana nahavery hevitra nodiavin’izy ireo tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany, ireo anisan’io sisa io dia nahay nitana ny Teny mazavan’Andriamanitra sy ny fanahiny masina tao amin’ny “vilany tany”, dia ny tenan’izy ireo. Nanao tsara izany tokoa izy ireo, hany ka afaka namelona ny asan’izy ireo natao hanazavana ny olombelona ny amin’ny Fanjakana nankinin’Andriamanitra tamin’ny Mpampakatra azy ireo manana fiandrianana (II Korintiana 4:7). Tamin’izany, nanomboka tamin’ny 1 ka hatramin’ny 8 septambra 1919, no nanaovan’ny kilasin’ny ‘virijina hendry ny fivoriambeny niraisam-pirenena voalohany tany Cedar Point, any Etazonia. Tamin’io fivoriana io no nambara ny hivoahan’ny gazety vaovao iray izay hanampy Ny Tilikambo Fiambenana. Ny anarany, L’Age d’or (Ny taona volamena), dia nahatonga hieritreritra ny amin’ny fiainana ho hitan’ny taranak’olombelona tafarina ao anatin’ny arivo taona haharetan’ny Fanjakan’ilay Mpampakatra Mpanjaka, dia Jesosy Kristy. Mbola avoaka foana amin’ny anarana hoe Réveillez-vous! io gazety io amin’izao andro izao.

19. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ny kilasin’ny ‘virijina hendry’ no tonga tapany tena lehibe amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Kristy? b) Iza no azo ambara fa sambatra?

19 Taoriana kelin’io fivoriambe io, dia nivoaka ny nomerao voalohany tamin’ny L’Age d’or (ny tamin’ny 1 oktobra 1919). Noho ny fanampian’io revio io mbamin’ny zavatra voasoratra hafa nataon’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanao tamim-pahatokiana ny asa nanirahana azy izay hitarika azy hampiely ny fahazavana maneran-tany ny kilasin’ny ‘virijina hendry’. Tamin’io vanim-potoana nanaraka ny ady io, dia nampiasa ny heriny rehetra izy ho amin’ny asa natao ‘hitoriana ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’ alohan’ny hahataperan’izao fandehan-javatra izao (Matio 24:14). Tamin’izany ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, ny kilasin’ny ‘virijina hendry’ no nanjary nahaforona tapany tena lehibe amin’ny “famantarana” misy zavatra maro loha tokony hanamarika ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ amin’ny maha-mpanjaka tsy hita maso sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Io asa manazava io dia mahaforona porofo amboniny manamarina, raha ilaina izany, fa ny “andro farany” dia nanomboka tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa. Sambatra ireo izay manaiky ny tena maha-zava-dehibe an’io tapany amin’ny “famantarana” io!

Ho hainao ve ny hamaly?

◻ Tsy misaraka amin’ny inona moa ny fitoriana ilay Fanjakana?

◻ Ao amin’ny Apokalypsy, mampiseho inona moa ireo mpitaingin-tsoavaly fotsy, mena, mainty sy hatsatra?

◻ Nampiseho inona ny loza namely ny firenena jiosy tamin’ny 70?

◻ Iza amin’izao andro izao no mahaforona ny kilasin’ny ‘virijina hendry’? Inona avy no antony tokony hahafaly an’io kilasy io?

[Sary, pejy 14]

‘Lazao aminay: Inona no ho famantarana ny fanatrehanao?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara