Aoka isika hiara-hiasa amin’ilay Mpandamina lehibe an’izao rehetra izao
“Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.” — I KORINTIANA 3:9.
1. Inona no fitenenana nampahafana ny fon’ireo izay nandre azy, 60 taona mahery izao? Inona no vokany tamin’izany fotoana izany teo amin’ireo Mpianatra ny Baiboly?
“NY FANDAMINAN’ANDRIAMANITRA.” 60 taona mahery lasa izay, io fitenenana io dia nampiasain’ny anankiray anisan’ny antokon’ny mpanoratra ao amin’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny anankiray tamin’ireo fiaraha-midinika araka ny Baiboly atao isan’andro ao amin’ny efitrano fisakafoan’ny mpianakavin’ny Betela. Nampahafana ny fon’ireo izay niasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn ilay teny. Raha ny marina, izany dia tokony hitari-dalana ny Mpianatra ny Baiboly amin’ny heviny, ny teniny sy ny zavatra hosoratany ao anatin’ireo taona ho avy. Izany dia hanitatra ny fahitany ara-panahy ny zavatra noforonina rehetra ary hisy heriny lalina eo amin’ny fihetsiny eo anoloan’ilay Mpandamina lehibe an’izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra.
2. Rehefa heverina amin’ny fiavian’ny teny grika nakana azy, ahoana no azo ilazana ny hevitry ny teny hoe “organisation” (fandaminana)?
2 Amin’izao andro izao, izany rehetra izany dia mety ho toa tena hafahafa, satria ny teny hoe “fandaminana” dia miverimberina tsy tapaka ao amin’ny resaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mamin’ireo tokoa ny andraikitra omena azy hiara-miasa amin’ilay Mpandamina an’izao rehetra izao (I Korintiana 3:5-9). Ny teny frantsay hoe “organisation” (fandaminana) dia avy amin’ny teny grika hoe organon. Ankoatra ny zavatra hafa, io teny io dia manondro fitaovana fiasana. Hita vitsivitsy ao amin’ny Septante izany ka mifandray amin’ny zavamaneno, ny lokangan’i Davida, ohatra. Ny fototeniny koa aza dia ny teny hoe ergon izay ny dikany dia hoe “asa”, “zavatra atao”. Koa azo atao ny milazalaza ny fandaminana iray ho toy ny fandaharana naorina mba hanatanterahana asa iray amin’ny fomba tsara indrindra azo atao ka ho faran’izay kely ny fotoana sy hery lany.
Fahafantarana voalohany ny atao hoe fandaminana
3. Inona no nolazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny martsa 1883 ny amin’ny “fandaminantsika”?
3 Sarotra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly taloha ny nampiasa tamin’ny fomba tsara ny teny hoe “fandaminana”. Araka izany, tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny martsa 1883 (anglisy) dia azo natao ny namaky izao manaraka izao:
“Na dia tsy mety ho hitan’ny olona tsotra izao aza ny fandaminantsika, ary izany dia satria tsy afaka mahatakatra ny zavatra momba ny Fanahin’Andriamanitra izy, dia ho tsapanao, mino mafy ny amin’izany izahay, fa ny tena Fiangonana dia voalamina amin’ny fomba mandaitra tokoa ary miasa amin’ny fomba tsara indrindra azo atao (...). Manana finoana tsy misy fetra an’ilay Filohantsika isika; ary io fandaminana tonga lafatra, tsy hitan’ny mason’izao tontolo izao io, dia mandroso ho amin’ny fandresena azo antoka sy malaza.”
4. Inona no fiheverana naseho momba ny fandaminana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 desambra 1894?
4 Tao amin’ny fanontany amin’ny teny anglisy tamin’ny 1894 anefa Ny Tilikambo Fiambenana dia nanambara toy izao:
“Tsy misy hafa amin’ny fandaminan’ny Fiangonana teo ambanin’ny lalàna vaovaon’ny Filazantsara tsy anisan’ny fijinjana natao teo ambanin’ny lalàna jiosy taloha, dia toy izany koa fa ny fijinjana atao ankehitriny eo ambanin’ny lalàn’ny Filazantsara, dia miavaka amin’ny asa hatao tsy ho ela eo ambanin’ny lalàn’ny Fanjakana arivo taona. (...) Miharihary fa ny famoronana fandaminana hita maso iray ho an’ny kristiana tafangona dia hifanohitra amin’ny hevitry ny planin’Andriamanitra. Raha manao fandaminana toy izany ny Fiangonana, dia hampahafantatra fa maniry hanaraka ny hevitra ny amin’ny fandaminana na fiaraha-mioko fahita amin’izao androntsika izao izy (jereo Isaia 8:12 [Bible du Rabbinat français]). Ny asa ankehitriny dia tsy natao handaminana fa hampisarahana, toy ny tamin’ny andro fijinjana jiosy (Matio 10:34-36). (...)
“Noho izany, dia tsy mihevitra izahay fa tafiditra ao anatin’ny planin’ny Tompo ny hanao an’ireo izay tafangona amin’ny fijinjana ho fandaminana hita maso iray, satria tsy antenainay hijanona eto amin’ny ho avy ny fandaminana toy izany. Irin’ny Tompo anefa, mino izany izahay, ny hifampiresahan’ireo izay tia azy ny amin’ny fanantenan’izy ireo sy ny fifaliany, ny fisedrana sy ny fivadibadihana iombonan’izy ireo, sy ny hiarahany midinika ny amin’ny haren’ny Teniny.”
5. Momba ny fandaminana, ahoana no azo novakina tao amin’ilay boky hoe La nouvelle création?
5 Araka izany àry, tamin’izay fotoana izay ny eklezia na kongregasiona kristiana dia tsy noheverina ho toy ny fandaminana. Noheverina fa tsara anefa ny hitanana filaminana sasany ao. Ohatra, ny toko faha-5 amin’ilay boky hoe La nouvelle création (1904) nitondra ny lohateny hoe “Fandaminana ny olom-baovao” dia nanomboka tamin’izao teny izao: “Koa satria ny olom-baovao tsy hahatratra ny fahatanterahany raha tsy amin’ny fitsanganana voalohany, dia tsy ho feno ny fandaminany raha tsy amin’izay. Manazava izany ny ohatra ny amin’ny tempoly; amin’ny maha-“vato velona” antsika, dia antsoina sy asaina handray toerana ao amin’io tempoly malaza io isika.”
6. Notondroin’ilay boky hoe Que ton règne vienne ho inona moa ny ‘renin’ireo’ anisan’ny “olom-baovao”?
6 Tsara ny manamarika fa ilay boky hoe Que ton règne vienne, izay navoaka tamin’ny 1891, dia nilaza izao manaraka izao ny amin’ireo kristiana voahosotra nahaforona ny “olom-baovao”: “Raha ny amin’ny Isaia 54:1-8, dia nanazava tamim-pahefana izany soratra izany i Paoly tamin’ny alalan’ny fahendren’Andriamanitra ka izany andinin-teny izany dia nampihariny tamin’ilay Ziona ara-panahy renintsika na fanekena nasehon’i Saraha. Nolavina ny taranaka ara-nofon’i Abrahama ka tsy mpandova ny fampanantenana intsony; nefa kosa, ny tena taranaka, Kristy (nasehon’Isaka sy Rebeka) dia nekena ho ny hany taranaka araka ny fampanantenana. — Galatiana 4:22, 24, 26-31.”
7, 8. Iza moa no vadin’ny ‘renin’ny’ kongregasiona kristiana? Inona no voalaza ny aminy ao amin’ny Isaia 54:1-8?
7 Io fanambarana io dia tsy nisy fifandraisana mihitsy tamin’ny Fandaminana sionista maneran-tany haorin’i Theodor Herzl tamin’ny 1897. Io fandaminana io tokoa dia nihevitra an’ilay Jerosalema tetỳ, ilay niorina teto an-tany, fa tsy ilay “Jerosalema any ambony”, ‘renin’ny’ kongregasiona kristiana (Galatiana 4:26). Ny tsy nohazavain’ilay boky hoe Que ton règne vienne anefa, dia hoe ny vadin’ny ‘renin’ny’ kongregasiona kristiana dia tsy iza fa Andriamanitra, nanana an’i Abrahama ho tandindona. Jehovah anefa tsy ‘nanambady’ na ny fanekena natao tamin’i Abrahama na ny fanekena vaovao, fa “Jerosalema any ambony” izay Saraha, renin’Isaka, no tandindony. Sahala amin’izy io, ilay “Jerosalema any ambony”, izay mandray anjaran’ny “reny” koa, dia tokony ho fototra velona sy manana ny maha-izy azy.
8 Iza àry io “Jerosalema any ambony” io? Mba hahafantarana izany, dia aoka hodinihintsika ny Isaia 54:1-8. Izao no vakintsika ao, ankoatra ny zavatra hafa:
“Mihobia, ry momba, hianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, hianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady [manana tompo sady vady, MN ], hoy Jehovah. (...). Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah Tompon’ny maro, no anarany; ary ny Iray Masin’ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany. Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indra-fo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.”
9. a) Iza no ampaherezin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 54:1-8? b) Araka ny Galatiana 4:25, 26, mampiseho inona moa io “vehivavy” io?
9 Tamin’ny fotoana nanoratana ireo andinin-teny ireo, dia tsy niteny tamin’ny fanekena iray akory Jehovah. Niteny tamin’ny firenena iray kosa izy, tamin’ny vahoaka voafidy nanaovany ny faneken’ny lalàn’i Mosesy. Raha lazaina ara-panoharana, io firenena io dia “vady”, ho azy, ampakarina. Araka ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatiana anefa, io “vehivavy” io dia ohatra ara-paminaniana. Tsy milaza anefa ilay apostoly hoe fanekena na fifanarahana izy io. Ny fanekena tokoa dia tsy ho azo ampaherezina na ampiononina. Asehon’i Paoly kosa fa ilay “vehivavy nasehon’ny tandindona dia velona toy ny “reny”, tahaka an’i Jehovah ‘tompony sady vadiny’, Fisiana velona sy manan-tsaina afaka mampahery. Ny amin’ireo vehivavy roa fahizay, dia izao no nosoratan’ilay apostoly: “Ary ny hoe Hagara [ilay mpanompovavy nisolo toerana an’i Sara, tompovaviny, mba hanome an’i Isimaela ho an’i Abrahama] dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’i Jerosalema ankehitriny [tamin’ny andro nanoratan’i Paoly an’ireo andalan-tsoratra ireo]; fa andevo izy [andevon’ny faneken’ny lalàn’i Mosesy] mbamin’ny zanany. Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.” — Galatiana 4:25, 26.
Ilay Jerosalema andevo
10, 11. a) Fisehoan-javatra niavaka inona moa no niainan’ny Isiraelita teo an-tendrombohitra Sinay? b) Inona no nitranga tamin’ny faneken’ny Lalàna tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana?
10 Tsy nampiseho ny faneken’ny lalàn’i Mosesy Hagara. Io fanekena io, izay nirakitra ny Didy Folo ho anisan’ny teny tao anatiny dia tsy nasehon’ny tendrombohitr’i Sinay nifanitsy tamin’i Hagara koa. Miharihary fa tsy nanao fanekena mihitsy tamin’ny tendrombohitra Sinay Andriamanitra. Tany anefa no nitarihany ny Isiraelita taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozana tany Egypta, ka nampifamatorany fifandraisam-panekena tamin’izy ireo, tamin’ny fitondrana azy ho toy ny firenena afaka. Nitranga izany, taonjato maro taorian’ny nanaovan’Andriamanitra fanekena nataon’ny andaniny iray ihany tamin’i Abrahama tamin’ny fampanantenana fa hanome azy zanakalahy.
11 Rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna, dia namirapiratra aoka izany ny tarehiny, hany ka voatery nanarona azy izy mba hahafahan’ny Isiraelita mijery azy (II Korintiana 3:12-16). Fony teo an-tendrombohitra Sinay anefa i Mosesy dia tsy nifampikasoka nivantana tamin’i Jehovah, satria tamin’ny alalan’ny anjely iray no nanaovan’i Jehovah ny fanekeny tamin’ny Isiraelita (Asan’ny apostoly 7:37, 38; Hebreo 2:2). Tamin’izany ny firenen’Isiraely no teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Taonjato maro taty aoriana, tamin’ny taona 33, dia nesorina ihany io fanekena io, nohomboana tamin’ny hazo fijalian’i Jesosy. — Kolosiana 2:13, 14.
12. a) ‘Renin’iza’ moa ilay Jerosalema teto an-tany? b) Andevon’ny inona izy, taonjato 19 lasa izay? Nahoana izy io no tsy nafahana mihitsy?
12 Araka ny filazan’i Paoly, ny tendrombohitra Sinay dia nifanitsy tamin’i Jerosalema teto an-tany tamin’ny androny. Miharihary anefa fa tsy fanekena ilay Jerosalema resahina. Io reny fanjakana fantatra aoka izany io tokoa dia renivohitry ny firenena jiosy. Tamin’ny naha-izany azy, dia nampiseho an’ilay firenena izy io ka, raha lazaina ara-panoharana, dia ‘renin’ny’ “zanaka” maro, dia izay rehetra anisan’io firenena io (Matio 23:37). Tany Jerosalema no nitsangana ny tempolin’i Jehovah, dia ilay Andriamanitra nanana fifandraisam-panekena tamin’ny Isiraelita. Tsy nahaforona fanjakana nahaleotena notapahin’ny taranak’i Davida mpanjaka intsony anefa ireo. Noho izany, dia tsy afaka izy ireo fa nampanompoin’ny fahefana ara-politika tsy jiosy. Afa-tsy izany koa, izy ireo dia andevo tamin’ny heviny ara-pivavahana. Ny Mesia nampanantenaina, Jesosy Kristy, ihany, no afaka nanala azy ireny tamin’izany gadra izany sy tamin’ny fanandevozan’ny ota. Mampalahelo anefa fa ilay Jerosalema teto an-tany dia tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesiany sy Mpanjakany, hany ka tsy nafahana mihitsy izy. Tsy izany no hita fa noravan’ny Romana izy io tamin’ny 70. Loza lehibe ho an’ireo ‘zanany’ izany.
Ilay Jerosalema afaka
13. Inona no nolazain’i Paoly ny amin’ilay Jerosalema izay afaka? Tokony ho afaka amin’inona foana ny ‘zanak’io’ “Jerosalema” io?
13 Paoly dia nampifanohitra an’ilay Jerosalema teto an-tany izay andevo, tamin’ilay “Jerosalema any ambony” izay “afaka” kosa. Raha nanonona ny Isaia 54:1-8 izy dia nanambara toy izao:
“Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. Fa voasoratra hoe: ‘Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; miantsoa sy minanananà, hianao izay tsy mbola nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ny manam-bady’. Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’Isaka. Kanefa tahaka ny tamin’izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina? ‘Roahy io andevovavy io sy ny zanani-lahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ny zanaky ny tsy andevo’. Ary amin’izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — Galatiana 4:26 ka hatramin’ny 5:1.
14. Nahoana no azo atao ny milaza fa teraka “araka ny fanahy” Isaka?
14 Ireo kristiana tany Galatia nitenenan’i Paoly àry dia “zanaka nateraka araka ny fampanantenan’Andriamanitra”. (Galatiana 4:28, Bible en français courant.) Mifanitsy amin’izany, Isaka dia nateraky ny lehilahy efa zato taona sy Saraha vadiny izay efa sivifolo taona, araka ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’ilay patriarika nahatoky. Koa satria tsy “araka ny nofo” izany fahaterahana izany noho izy mahagaga, dia tsy maintsy ho “araka ny fanahy”. (Genesisy 18:11-15.) Tsy azo lavina fa nilaina ny fandraisana anjara avy amin’ny fanahin’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, mba hamelomana indray ny fahafahan’i Abrahama sy Saraha, vehivavy afaka, hiteraka (Romana 4:19). Tsara ny manamarika fa ilay “fampanantenana” dia azo lazaina hoe vao haingana fony teraka Isaka (tamin’ny 1918 alohan’ny fanisan-taona iraisana). Marina tokoa fa io fisehoan-javatra io dia tsy nitranga raha tsy afaka 25 taona taorian’ny fotoana nidiran’i Abrahama tao amin’ny tany Kanana, dia ny tany nampanantenaina, tamin’ny 1943 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’io daty io no nanomboka nanan-kery ilay fampanantenana.
15. Nandritra ny fotoana toy inona ilay “Jerosalema any ambony” no tsy nanana zanaka? Oviana ny taranany no nanomboka nitombo?
15 Ilay “Jerosalema any ambony” kosa dia “mpitondratena” ihany, tsy niteraka, naharitra lava noho Saraha. Raha ny marina, dia nijanona tao anatin’izany toe-piainana izany izy nanomboka tamin’ny 1943, rehefa nanjary nanan-kery ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama ka mandra-panao batisa an’i Jesosy tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’izay Jesosy no nateraky ny fanahin’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah, ka nohosoran’izany fanahy izany ihany mba ho tonga Kristy na Mesia, izany hoe Voahosotra. Tokony hanana zanaka ara-panahy mihoatra ny iray anefa ilay Jerosalema any ambony”. Tamin’izany, ny andro Pentekosta taona 33, taorian’ny nananganana an’i Jesosy sy niakarany ho any an-danitra, dia tokony ho 120 tamin’ireo mpianany nahatoky no naterak’io fanahy io mba ho tonga rahalahy ara-panahin’ilay Isaka Lehibe, dia Jesosy Kristy. Taty aoriana, tao anatin’io andro io ihany, dia Jiosy hafa teo amin’ny 3 000 no natao batisa ho mpianatr’i Jesosy sy voahosotry ny fanahy masina (Asan’ny apostoly 2:1-42). Amin’izany, tamin’io andro io, ilay “Jerosalema any ambony” dia tonga ‘renin’ny zanaka maro’.
16. Inona moa no atao hoe “Jerosalema any ambony”?
16 Nahariharin’ny apostoly Paoly fa ilay “vehivavy” nitenenan’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 54:1-8 dia “Jerosalema any ambony”. Jehovah Andriamanitra no ‘tompony sady vadiny’, sady “Mpanao” azy lehibe. Raha lazaina ara-panoharana, izy io dia ‘vadiny’, ‘ampakariny’, izany hoe fandaminana vadiny “any ambony”, any an-danitra. Tahaka ny vady iray, dia izy no Ilay mahatonga azy hiteraka mba hamoaka an’ilay tena “taranaka” nampanantenaina tamin’ny andron’i Abrahama. — Galatiana 3:16, 26-29.
17. Ahoana no nahatongavan’ilay “Jerosalema any ambony” ho ‘renin’ny’ lehibe indrindra tamin’ny taranak’ilay Abrahama Lehibe?
17 Mba hahatongavana ho ny lehibe indrindra amin’ny ‘taranak’ilay’ Abrahama Lehibe, ny Zanakalahy tokan’Andriamanitra dia nivoaka avy amin’ny ‘vadin’i Jehovah’, dia ny fandaminany any an-danitra. Tonga tahaka ny “reny” ho azy àry izy io. Jesosy Kristy dia tsy ‘zanakalahin’ilay’ Jerosalema teto an-tany izay nisy tamin’ny androny, satria andevo niaraka tamin’ireo ‘zanany’ io tanàna io, nefa ny tenany mbola tsy andevon-javatra na inona na inona mihitsy (Galatiana 4:25). Ilay Jerosalema teto an-tany dia ‘renin’ireo’ Jiosy araka ny nofo izay nanda an’i Jesosy, ka tsy nety nihevitra azy ho ny ‘taranak’i’ Abrahama patriarika nampanantenaina sy ny an’ilay Abrahama Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra. — Matio 23:37-39.
Aoka isika hiara-hiasa amin’ilay Mpandamina lehibe
18. Nahoana ilay Jerosalema teto an-tany no fototry ny fahalianana tamin’ny andron’i Solomona mpanjaka?
18 Noho izy manana ho reny ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, Jesosy Kristy dia sady lehibe kokoa no hendry kokoa noho Solomona, ilay zanakalahin’i Davida nalaza izay nanjaka fahiny tany Jerosalema teto an-tany. Tsy isalasalana fa nanintona ny sain’ireo firenena tsy isiraelita ny voninahitra sy fahendren’i Solomona, araka ny nasehon’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.” (Matio 12:42; Lioka 11:31). Nampiseho ny fahendreny niavaka indrindra i Solomona tamin’ny fomba fandaminany ny fitondrany. Tena niteraka fahagagana tokoa ny fahendrena niseho tamin’izany fandaminana izany.
19. Inona no nahagaga ny mpanjakavavin’i Sheba teo amin’i Solomona mpanjaka?
19 Izao rahateo no azontsika vakina ao amin’ny I Mpanjaka 10:4, 5: “Ary rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony sy ny fihinany teo amin’ny latabany sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.” (MN; Bible du Centenaire; jereo koa II Tantara 9:4). Marina tokoa fa ny filaminana nanjaka teo amin’ireo mpanompon’i Solomona dia nanaitra ny sain’ny mpanjakavavin’i Sheba. Rehefa nanorina izany filaminana izany anefa i Solomona, dia nanahaka fotsiny an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny filaminana. — I Korintiana 14:33.
20. a) Inona no nomen’i Jehovah an’i Solomona ho valin’ny vavaka nataony? b) Inona amin’izao andro izao no ataon’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe? Fihetsika manao ahoana no arahin’ireo mpianany?
20 Ho valin’ny vavaka tamim-panetren-tena nataon’i Solomona, dia nomen’i Jehovah “saina hendry sady mahiratra” izy. (I Mpanjaka 3:5-14.) Ilay Mpandamina lehibe an’izao rehetra izao àry no nanome ho an’i Solomona ny fahaiza-mametraka ny zavatra amim-pilaminana tsara, mandamina izany amin’ny fomba mandaitra. Tamin’izany, ilay mpanjakan’ny firenena nanaovan’i Jehovah fanekena dia nanana adidy hiara-miasa amin’ilay Mpandamina lehibe ny zavatra noforonina any an-danitra sy eto an-tany. Tetsy andaniny, Jesosy Kristy nomem-boninahitra, izay “lehibe noho Solomona”, dia nampiseho ny fahendreny tamin’ny fomba sahala amin’izany. Zava-dehibe àry ny hanahafan’ireo mpianany mahatoky azy amin’io lafiny io; izany no ataon’izy ireo.
Anjaranao ny mamaly
◻ Ahoana no hilazalazanao ny hevitry ny teny hoe “fandaminana”?
◻ ‘Renin’iza’ moa ilay Jerosalema teto an-tany? Fanandevozana inona no tsy nanafahana azy mihitsy?
◻ Inona moa “Jerosalema any ambony”? Iza no ‘zanany’?
◻ Ahoana no nampiasan’i Solomona ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy? Inona amin’izao andro izao no ataon’ilay Solomona Lehibe sy ireo mpianany?
[Sary, pejy 10]
Tamin’ny heviny ahoana moa ilay Jerosalema teto an-tany no andevo?
[Sary, pejy 12]
Talanjona ny mpanjakavavin’i Sheba tamin’ny fitsidihany an’i Solomona mpanjaka, satria izy io niara-niasa tamin’ilay Mpandamina lehibe an’izao rehetra izao. Ary ianao, miara-miasa amin’i Jehovah koa ve ianao?