Fanontanian’ny mpamaky
◼ Araka ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatiana 4:25, tamin’ny heviny ahoana moa Jerosalema no ‘andevo mbamin’ny zanany’?
Tamin’ny andron’i Paoly, Jerosalema sy ireo mponina tao aminy dia andevon’ny lalàn’i Mosesy, alohan’ny zavatra rehetra.
Ao amin’ny Galatiana toko faha-4, ilay apostoly dia mampiseho fa ireo kristiana voaray ao anatin’ny fanekena vaovao dia novidina sy nafahan’i Kristy. Ny toeran’izy ireny dia nifanohitra tamin’ny Jiosy izay teo ambanin’ny Lalàna. Nanazava izany i Paoly tamin’ny fakana ny ohatra ny amin’ny vadin’i Abrahama (Saraha) sy ny vaditsindranony (Hagara). Izao no nosoratany: “Izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ny fahandevozana, dia Hagara izany. Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia [nanomezan’i Jehovah ny Lalàna ho an’ny Isiraely, tamin’ny alalan’i Mosesy] ka mifamaly amin’i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ny zanany. Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.” — Galatiana 4:24-26.
Rehefa nilaza i Paoly fa ireo vehivavy roa dia nampiseho “fanekena roa”, dia nampiasa fomba fanoratra misy fanesoran-teny fotsiny izy. Tsy hoe manambady ara-panoharana fanekena iray tsy olona akory Jehovah, fa ny vahoaka voalamina voaray tao anatin’io fanekena io. Taloha ela, dia nihevitra ny firenen’Isiraely, tao anatin’ny faneken’ny Lalàna tamin’izay, ho vadiny izy (jereo Isaia 54:1, 6). Kanefa, ilay vehivavy afaka (Saraha) dia mampiseho an’i Jerosalema any ambony, izany hoe ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, izay toy ny vady ho azy.
Fa ahoana no azo nilazana ny Jiosy ho andevon’ny Lalàna kanefa izany tanteraka sy avy amin’Andriamanitra?
Marina fa ny Lalàna mihitsy dia ‘masina, ary masina ny didy sady marina no tsara’. (Romana 7:12.) Kanefa na dia tao aza ny fiezahany rehetra, ireo Isiraelita tsy tanteraka izay teo ambanin’io lalàna io dia tsy afaka nitandrina azy tanteraka (Romana 7:14-16). Izany no nasian’ny apostoly Petera fitenenana rehefa nametraka izao fanontaniana izao teo anoloan’ny kolejy foiben’ny kristiana izy: “Koa nahoana hianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, izay tsy zakan’ny razantsika na isika entina?” (Asan’ny apostoly 15:10). Toy izany koa, ao amin’ny Galatiana 4:4, 5, dia nanoratra i Paoly fa tonga Kristy ‘hanavotra izay ambanin’ny lalàna”. Izay rehetra ho nanohana fa ny kristiana dia tokony ‘hitandrina andro sy volana sy fotoana ary taona’ araka ny notakin’ny Lalàna, dia ho nanandevo azy ireny indray. — Galatiana 4:9, 10.
Mazava ho azy fa, araka ny aseho ao amin’ny pejy faha-13 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jona 1985, ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia andevo tamin’ny lafiny maro. Ara-politika, izy ireo dia teo ambany fahefan’ny Romana. Andevon’ny ota izy ireny (Jaona 8:34). Nifikitra tamin’ny fahadisoan-kevitra ara-pivavahana koa izy ireny. Ao amin’ny Galatiana 4:25 anefa i Paoly dia miresaka indrindra ny amin’ny fanandevozan’ny lalàn’i Mosesy ny Jiosy, dia lalàna nomena tao Sinay ary nasehon’i Agara, vaditsindrano sy andevovavin’i Abrahama.