FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/6 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Antomotra ny loza aman’antambo haneran-tany iray — ‘Hevero Jesosy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Tombontsoa ny Manompo ao Amin’ilay Tempoly Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Fandrakofam-pahotana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Masina Indrindra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/6 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 9:27: “Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana”. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa voalahatra mialoha ho faty Adama sy Eva?

Tsia. Io andininy io tokoa dia tsy mihatra amin’i Adama sy Eva izay nanana fahafahana ny ho velona mandrakizay teto an-tany tamin’ny voalohany raha nankatò an’Andriamanitra. Tsy hoe tsy maintsy nitranga taminy velively ny fahafatesany fa avy amin’ny fanotany an-tsitrapo (Genesisy 2:15-17). Araka ny asehon’ny teny manodidina, ny teny voarakitra ao amin’ny Hebreo 9:27 dia mihatra voalohany indrindra amin’ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely fahizay izay, tamin’ny Andro Fanavotana, dia tandindon’i Jesosy Kristy. — Hebreo 4:14, 15.

Tamin’ny 1915, dia nisy nanontany an’i Charles Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, ny amin’ny Hebreo 9:27. Tao amin’ny valinteniny, ny rahalahy Russell dia nanaraka izay efa navoaka tao amin’ny Etudes des Ecritures sy Les Figures du Tabernacle (1899), ohatra. Ireo boky ireo dia nanazava ny Hebreo 9:27 tamin’ny alalan’ny teny manodidina azy.

Ao amin’ny toko faha-8 sy faha-9 amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia asehon’i Paoly fa zavatra maro nampiavaka ny Lalàna no “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra”. (Hebreo 8:5.) Izany indrindra no hita tamin’ny sorona naterina indray mandeha isan-taona tamin’ny Andro Fanavotana. Tamin’io andro io ihany ny mpisoronabe no niditra tao amin’ny tapany mitokana indrindra amin’ny tabernakely. Io efitrano io, ny Masina indrindra, dia nosarahina tamin’ny tapany sisa amin’ny trano lay tamin’ny alalan’ny efitra lamba, ka tokony hanomana ny fidirany tao ny mpisoronabe tamin’ny fandoroana ditin-kazo manitra manokana teo anoloany. Taorian’izany, dia afaka niditra tao ny tenany nitondra ny ran’ny ondrilahy sy ny osy naterina ho fanatitra. Nefa, na dia rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromarika amin’ny antsipiriany nahakasika an’io fombafomba io aza ny mpisoronabe, dia voafetra ihany no nanaronana ny fahotan’ny Isiraelita, satria isan-taona dia nilaina indray ny nanolotra fanatitra toy izany.

Nanohy ny fanazavany i Paoly tamin’ny filazana fa ‘tonga mpisoronabe Kristy” ka taorian’ny nahafatesany sy nananganana azy tamin’ny maty, dia tsy niditra “tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, (...) fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 9:11, 12, 24.) Hila ny hohavaozina ve ny sorony? Tsia, satria Kristy “naseho indray mandeha”. (Hebreo 9:25, 26; Romana 6:9.) Taorian’ny nanaovana izany fanamarihana izany i Paoly no nanambara hoe: “Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro.” — Hebreo 9:27, 28.

Io fandinihana fohy ny teny manodidina io dia hanampy antsika hahazo tsaratsara kokoa ireo fanazavana manaraka nomena momba ny Hebreo 9:27 tao amin’ny Les Figures du Tabernacle: “Isaky ny niditra tao amin’ny ‘Masina indrindra’ ny mpisorona iray tamin’ny andro fanavotana, dia nanao vy very ny ainy izy, satria raha tsy tanteraka ny fanatitra nateriny, dia ho faty izy rehefa mamaky ny ‘efitra lamba faharoa’. Tsy ho nekena ho ao amin’ny ‘Masina indrindra’ koa ny tenany, ary tsy ho azo nekena ny fanatitra tsy tanteraka nentiny ho fanavotana noho ny otan’ny vahoaka. Koa ny fahadisoana rehetra dia hilaza fahafatesana ho azy sy fanamelohana ho an’izay rehetra nandramany navotana tamin’ny fahotany. Izany no ‘fitsarana’ resahina ao amin’io teny io izay nandalovan’ilay mpisorona isan-taona.”

Mifanohitra amin’izany, ny Les Figures du Tabernacle dia nampahatsiahy nanaraka izany ny soron’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Raha toa tamin’ny fomba sasany ka tsy tanteraka ny sorony, dia tsy ho natsangana tamin’ny maty mihitsy izy — ho nanohitra azy ny ‘fitsarana’ araka ny rariny. Nefa ny fananganana azy tamin’ny andro fahatelo dia manaporofo fa nahavita tanteraka ny asany izy ary afaka nanohana ny fitsapana tamin’ny fitsaran’Andriamanitra.”

Raha fintinina, araka ny fanazavan’ny teny manodidina, dia hita fa ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Hebreo 9:27 dia natao hampiharihariana ny fahambonian’ny fisoronan’i Kristy.

Azo atao koa anefa ny mampihatra ny Hebreo 9:27 amin’ny toeran’ny olombelona amin’ny ankapobeny. Raha nisy fotoana nananan’i Adama sy Eva fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay, dia tsy ho azo atao ny hilaza toy izany ny amin’ny taranany. Tsy niteraka tokoa ny mpivady voalohany raha tsy taty aorian’ny fahotana. Noho izany, ny taranak’i Adama tsy tanteraka rehetra dia voaheloka ho faty raha vao teraka (Romana 5:12; 6:23). Tsy hamely azy ireo afa-tsy indray mandeha anefa izany fahafatesana nolovana izany. Mbola ho marina ihany izany na dia amin’ny ho avy aza, satria raha toa mandritra ny andro fitsarana (ny Arivo taona), rehefa ho nampiharina tamin’ny taranak’olombelona ny vidin’ny soron’i Kristy, ny tafatsangana amin’ny maty iray ka mampiseho fa mendrika ny haringana tanteraka izy, amin’izay ny fahafatesany dia ho avy amin’ny faharatsian’ny tenany fa tsy avy amin’ny fahotana nolovana tamin’i Adama. — Apokalypsy 20:13-15.

Nefa kosa, ireo izay maty noho ny fahotana nolovana nefa hiseho ho tsy hivadika aorian’ny fananganana azy amin’ny maty, dia hahazo ny fiainana mandrakizay eo am-pifaranan’ny fitsarana manamarina. — Apokalypsy 21:3-6.

Rehefa apetraka indray ao anatin’ny teny manodidina azy àry ny Hebreo 9:27 dia mampifanohitra ny fisoronan’i Jesosy amin’ny an’ireo mpisoronabe teo amin’ny Isiraely. Ho fanitarana, dia nampiasaina koa io andininy io mba hilazalazana izay mitranga amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny manomboka amin’ny fotoana nandovany ny fahafatesana avy amin’i Adama razambeny. Io andininy io anefa dia tsy manamafy velively ny zavatra inoana tsy araka ny Baiboly ilazana fa talohan’ny namoronana azy mihitsy dia hoe efa voalahatra ho faty Adama sy Eva.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara