Ny fahasambarana: raharaha mahakasika ny fifandraisana
“FA NY amboa velona no tsara noho ny liona maty.” (Mpitoriteny 9:4). Nanonona fahamarinana tena lehibe i Solomona mpanjaka tamin’io fomba fitenenana fohy io: Sarobidy noho ny fananana rehetra eto an-tany sy ny fanirian-dazan’ny olombelona rehetra ny aina. Raha tsy misy azy io, dia tsy afaka mandray soa na amin’inona na amin’inona isika. Fepetra tena ilaina amin’ny fikatsahana fahasambarana àry izany.
Zavatra “tsara noho ny aina”
Misy zavatra tsara noho ny aina anefa na dia sarobidy tokoa aza izy io. ‘Mety hisy ve izany, hoy angamba ianao manontany tena. Inona no mety hisy vidiny kokoa noho ny fahavelomana mihitsy?’
Davida, mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahizay no hanome antsika ny valiny. Niteny tamin’i Jehovah nankasitrahany aoka izany izy ka nanambara hoe: “Fa tsara noho ny aina ny famindramponao [hatsaram-ponao, MN ]; ny molotro hidera Anao.” (Salamo 63:3). Araka izany, araka ny filazan’i Davida, dia tsaratsara kokoa ny handraisan-tsoa amin’ny hatsaram-pon’ny Mpamorona, ka izany dia milaza fifandraisana akaiky aminy, toy izay manana ny aina fotsiny. Nahoana?
Miankina amin’inona ny fiainanao?
Aoka hatao hoe notolorana fanomezana tianao aoka izany ianao. Mazava ho azy fa hahafaly anao tokoa izany. Kanefa, ianao no tsy hahay hankasitraka indrindra raha toa ivelan’io fanomezana io ka tsy mieritreritra na dia kely monja aza an’ilay nanome izany anao ianao. Rehefa dinihina tokoa, moa ve tsy ny fifandraisana nisy teo aminao sy izy no nahatonga anao ho afaka hahazo izany fanomezana izany? Raha tsy nisy izany fifandraisana izany, dia tsy ho nisy fanomezana mihitsy ka tsy ho afaka nandray soa tamin’izany ianao.
Toy izany ny aintsika, na toy inona na toy inona vidiny mihitsy. Tsy tokony hohadinointsika ny fiaviany sy ny fomba itanana azy. Tsy azo lavina fa tsy ny tenantsika no namorona azy, ary tsy ho haintsika ny hanalava azy na dia kely monja aza raha tsy misy ny zavatra mahagaga rehetra nomen’i Jehovah hampiasaintsika eto an-tany (Salamo 100:3; Asan’ny apostoly 14:17). Ny maha-velona antsika fotsiny sy ny fandraisantsika fahafinaretana sasany avy amin’izany dia fisehoan’ny hatsaram-pon’i Jehovah, Mpamorona antsika. Manomboka mahatakatra ve ianao hoe nahoana i Davida mpanjaka no nihevitra ny ‘hatsaram-pon’Andriamanitra’ ho “tsara noho ny aina”?
Misy antony hafa iray koa mahatonga ny fifandraisantsika amin’ilay Fisiana tampony ho zava-dehibe kokoa noho ny fahavelomana mihitsy: satria miankina amin’izany ny ho avintsika. Ahoana izany?
Tsy hitanao ho fohy sy mivadibadika aoka izany ve ny fiainana. Hiasa mafy mandritra ny taona maro ny olona iray mba hahatrarana zava-kendrena ara-nofo heveriny fa tsara. Tsy ela anefa ny fahafatesana dia hanaisotra aminy izay rehetra azony. Ny amin’izany, dia nanao izao fanamarihana izao i Solomona mpanjaka hendry: “Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro? Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.” — Mpitoriteny 2:22, 23; jereo 2:3-11.
Soa ihany fa tafiditra ao anatin’ny fikasan’ny Mpamorona feno fahamoram-panahy ny hoe izay rehetra tia azy sy mankatò azy dia hafahana amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny hatsinontsinona mihatra amintsika ankehitriny. Nanome izao fampanantenana mahatalanjona izao i Jehovah: “Tsy hanao trano hitoeran’olona-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” — Isaia 65:22.
Moa ve izany fisehoan’ny hatsaram-pon’Andriamanitra izany tsy tsara kokoa noho ny fiainana ankehitriny fohy aoka izany sy tsy azo antoka aoka izany? Hiditra ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao iray mba hifaly amin’ny farany amin’ny fiainana misy heviny, noho izany hatsaram-po izany, izany ka zava-kendrena mendrika ny hotratrarina. Ary anefa izay rehetra maniry hahita fahatanterahan’izany fanantenana mahasambatra izany dia tokony hahazo dieny izao ny fankasitrahan’i Jehovah, avy eo dia hitana fifandraisana akaiky aminy sy amin’ny olony.
Ny hahasoa anao... vetivety sa haharitra?
Rehefa heverina amin’izany voalaza eo aloha izany, dia tena ho tsy fahatsinjovan-davitra sy tsy fahaiza-mitsara zavatra ny tsy hanokanan-tena afa-tsy ho amin’ny fanomezana fahafahampo ny faniriantsika laza, na voninahitra izany, na harena, na fahombiazana amin’ny asa, ny fianarana, ny fivelaran’ny tena manokana na zava-kendrena hafa heverin’ny fandehan-javatra ankehitriny fa mendrika ny hotratrarina. Na dia tsy hoe tsy maintsy ho ratsy ao aminy fotsiny aza ny zava-kendrena toy izany, raha izany no imasoantsika voalohany indrindra, dia tena mety hitarika antsika hanao tsirambina ireo adidintsika eo anatrehan’ny Mpamorona antsika izany, ka amin’ny farany izany dia mety hamoizantsika ny fankasitrahany sy “ny tena fiainana”. — I Timoty 6:19; Lioka 9:24.
Ny fihetsika toy izany dia ho sahala amin’ny an’ny zatovo iray miala tsy mianatra ka miditra hiasa amin’ny maha-tambato hahazoana vola am-paosy. Angamba izy hidera tena aloha satria amin’ny farany dia afaka amin’ny faneren’ny sekoly rehefa ela ny ela mba ‘hanararaotra ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana. Nefa moa ve izy tsy manao sorona ny tombontsoany maharitra noho ny tombontsoa vetivety tsy azo antoka? Mifanitsy amin’izany, moa ve tsy tena fananana maso fohy ny fanaovana tsirambina ny fifandraisan’ny tena amin’ny Mpamorona noho ny tena sahirana loatra manatratra zava-kendrena manokana toy izao na izao?
Na manao ahoana na manao ahoana fandaharantsika, mandrakariva isika dia mahita fotoana sy hery hanaovana izay hitantsika fa tena zava-dehibe. Jesosy, izay nahafantatra tanteraka ny toe-tenan’olombelona, dia namintina izany fanamarihana izany tamin’izao teny izao: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” — Matio 6:21.
Karazana ‘harena’ inona àry no ao am-ponao? Marina fa mety ho toa manintona ny rendrarendran’izao tontolo izao, nefa manontania tena hoe: Haharitra toy inona ny tombony antenainao avy amin’izany? Moa ve ny fandehan-javatra ankehitriny hitondra ho anao ny tena fahasambarana sa fahafinaretana mihelina izay, sahala amin’ny zavatra mahadomelina, dia hamela anao hianjadian’ny fifohazana mahasosotra, na mampanaintaina mihitsy aza?
Ny lalam-pahendrena
Afaka manatsoaka fianarana sarobidy avy amin’ny fiainan’ny niara-belona tamin’i Lota isika: “Nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy”, hoy Jesosy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanokan-tena ho amin’ny fikatsahana izay noheveriny ho zava-dehibe izy ireo, tsy nisy fiheverana ny sitrapon’Andriamanitra. Inona no naterak’izany? “Tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.” Rehefa avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy ho antsika: “Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” — Lioka 17:28-30.
Ny zavatra rehetra dia mampiseho fa antomotra ny “andro” resahina. Jehovah, izay miahy ny amin’ny ho avintsika mandrakizay, dia nampiomana ny firenena rehetra imbetsaka ny amin’izany tamin’ny alalan’ny teniny sy ireo mpanompony voalamina. Manasa ny olona izy mba hiala amin’ny fitiavan-tenan’izy ireo sy hihavana aminy. Ho hadalana ny hamelana ny raharahantsika manokana hitana antsika aoka izany, ka tsy hanam-potoana sy hery ampy intsony isika mba hamaliana izany antso mampiseho fahamoram-panahy izany! Azo antoka fa tsara lavitra ny hiaikena fa mandodona aoka izany ny tarehin-javatra, araka ny amporisihan’ny apostoly Paoly antsika amin’ny fanambarana hoe: “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena.” — II Korintiana 5:20; 6:2.
Ho anisan’ireo ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny ve ianao mba hahita fahasambarana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra? Izany dia hiankina amin’izay zava-dehibe indrindra eo imasonao amin’izao fotoana izao sy izay ataonao mba hamatorana fifandraisana amin’ny Mpamorona, hahazoana ny fankasitrahany. Anjaranao ny misafidy!
[Sary, pejy 5]
Raha mankasitraka an’izay manolotra fanomezana anao ianao...
... manao ahoana ny fihetseham-ponao amin’i Jehovah izay nanome anao ny zavatra rehetra?