Moa ve Ianao Manana Toe-tsaina Tia Manome?
NOMARIHINAO ve fa mihoatra ny iray ny toe-tsaina entin’ny olona manome? Mety ho fanehoana fitiavana, fahalalahan-tanana, fankasitrahana, ny fanomezana iray. Kanefa, tsy nomarihinao ve fa mety ho avy amin’ny fanirian’ny olona iray mba hoheverina amim-pankasitrahana koa ny fanomezana iray? Na mety homena izy io noho ny fahatsapana adidy fotsiny na noho ilay mpanome maniry zavatra ho takalony.
Mety ho ao anaty fonosana iray nofatorana tamin’ny ribà tsara tarehy ilay fanomezana. Tsy marina anefa ve fa mety ho fehezam-boninkazo iray, sakafo iray lovia, na zavatra iray atao amin-katsaram-panahy koa ny fanomezana tsara dia tsara iray? Raha ny marina, ireo fanomezana izay ankasitrahana lalina indrindra dia matetika no mahafaoka fanomezana avy amin’ny tena.
Misy olona itadiavanao sitraka ve?
Tsy hoe maningana ny fanaovan’ny olona iray fanomezana ho an’ny olona itadiavany sitraka. Any amin’ny tany sasany, ny tovolahy iray izay mitady ny hambabo ny fon’ny vehivavy iray mety ho lasa vadiny dia mety hitondra voninkazo ho azy. Mijery ny ao ambadik’ilay fanomezana anefa ilay vehivavy hendry. Mihevitra izy raha mampiseho fitiavana na tsia ilay toe-tsaina ao ambadik’ilay fanomezan’ilay tovolahy ka hahatonga azy koa ho vady tsara. Ny fanomezana toy izany, raha mampiseho taratry ny toe-tsaina araka an’Andriamanitra, dia afaka mitarika ho amin’ny fahasambarana be ho an’ilay mpanome sy ilay mpandray.
Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fotoana iray nanomanan’i Abigaila, vadin’i Nabala, haingana fanomezana nampiseho fahalalahan-tanana ho an’i Davida, izay nekeny fa ilay nofidin’Andriamanitra ho mpanjakan’ny Isiraely amin’ny hoavy. Nitady sitraka koa izy. Nanao tsinontsinona an’i Davida ny vadiny ary nisafoaka tamin’ny olon’i Davida. Nitarika andian-dehilahy nitam-piadiana 400 teo ho eo i Davida, ka nanainga mba handripaka an’i Nabala sy ny ankohonany. Nisalovana i Abigaila, ka nandefa haingana ho an’i Davida fanomezana nampiseho fahalalahan-tanana, dia vatsin-tsakafo ho an’ny olony. Ny tenany mihitsy no tonga nanaraka ilay fanomezany, ary taorian’ny nialany tsiny tamim-panetren-tena noho izay nataon’ny vadiny, dia nanome porofon’ny fahaiza-manavaka lehibe izy rehefa nanjohy hevitra niaraka tamin’i Davida.
Tsara dia tsara ny zava-nokendreny, ary tsara ilay fiafaran-javatra. Nanaiky ilay fanomezany i Davida ka nanao taminy hoe: “Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao hianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako hianao.” Tatỳ aoriana, taorian’ny nahafatesan’i Nabala, dia nangataka an’i Abigaila ho vadiny mihitsy aza i Davida, ary nanaiky tamim-pifaliana izy. — 1 Samoela 25:13-42.
Amin’ny toe-javatra sasany anefa, dia mety hahafaoka fampisehoana fiangarana, famadihana ny rariny mihitsy aza, ny tombontsoa manokana tadiavin’ny olona iray. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia kolikoly ilay fanomezana. Mihevitra ilay mpanome fa handray soa izy, kanefa manesotra amin’ny tenany ny fiadanan-tsaina izy. Eo foana ilay loza hoe hahafantatra izay tena marina ny hafa, ka hanaovana ampamoaka izy. Na dia azo aza ilay tombontsoa manokana nirina, dia mety ho hitan’ilay olona nitady azy io fa izao izy dia manana laza hoe olona manana antony manosika mampisalasala. Mampiseho taratry ny fahendrena araka an’Andriamanitra ny Baiboly ka mampitandrina ny amin’ny fanomezana toy izany. — Deoteronomia 16:19; Mpitoriteny 7:7.
Avy amin’ny fo tsy noterena ve ilay fanomezana?
Tsy misy fisalasalana ny amin’izany — ny fanaovana fanomezana ho an’ny olona iray tianao satria ta hanao izany ianao dia mitondra fifaliana be lavitra noho ny fanaovana fanomezana satria hoe ataon’ny hafa izay hahatsapanao fa tokony hanao izany ianao.
Mikasika ny fanangonana vatsy fanampiana ho an’ireo Kristiana tahaka azy izay sahirana teo amin’ny lafiny ara-nofo, ny apostoly Paoly dia nilaza fotopoto-pitsipika faran’izay tsara sasany momba ny fanomezana araka an’Andriamanitra. “Raha misy ny fahazotoana”, hoy ny nosoratany, “dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” Izao no teny nanampiny: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra’.” (2 Korintiana 8:12; 9:7). Araka izany, dia zavatra be dia be no miankina aminao. Toy izay hidi-trosa noho ny fanaranam-po tsy voafehy amin’ny fanaovana fanomezana, moa ve ianao mandany vola araka izay teti-bolanao? Toy izay hahatsiaro tena ho voatery hanome, indrindra fa noho ny fanerena ara-tsosialy na ara-barotra, moa ve ianao manao izay inian’ny fonao? Ny amin’ireo Kristiana tany am-boalohany izay nampihatra fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra toy izany, dia hoy ny nosoratan’i Paoly: “Niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.” — 2 Korintiana 8:4, Kat.
Mifanohitra amin’izany, dia hoy ny nolazain’ny Royal Bank Letter tamin’ny Novambra/Desambra 1994 mikasika ireo herinandro ankatoky ny Krismasy: “Mety ho hita ho toy ny fahatsapana fahataitairana amboamboarina izay apoitran’ny tombontsoa ara-barotra ilay fe-potoana, mba handrisihana an’ireo mpanjifa hividy zavatra izay tsy ho novidiny raha tsy izany.” Raha atao trosa ilay fividianan-javatra, dia mety hanjavona haingana izay mety ho fahafaham-po avy amin’ny fanaovana fanomezana rehefa tsy maintsy aloa ireo faktiora.
Ny zavatra ahinao voalohany indrindra — Ilay fotoana ve? Sa fanehoam-pitiavana?
Moa ve ianao mahita fa atao indrindra amin’ireo fotoana toa hitakiana izany ny fanaovanao fanomezana? Raha izany no izy, dia mety tsy hahatsapa ny fifaliana be dia be entin’ny fanomezana mandeha ho azy vokatry ny fo ianao.
Misy olona maro tsy faly noho ireo vokatry ny fanaovana fanomezana amin’ny andro voafaritra tsara. Niaiky ny reny iray, izay mpanoratra koa, fa nipoitra teo amin’ny zanany ny fierenana, arakaraka ny nanatonan’ilay andro nanampoizana fanomezana. Niaiky izy fa simba ny fifaliana tsapan’ny tenany tamin’ny fanomezana nahafinaritra iray noho izy nanantena zavatra hafa. Tatitra maro be no milaza fa ireo fety izay manasongadina firavoravoana sy fifanakalozana fanomezana dia fotoana izay isian’ny fahaketrahana ara-pihetseham-po be dia be sy fidorohana zava-pisotro misy alkaola be dia be, koa.
Noho izy nahamarika fa indraindray dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny ankizy ny fanantitranterana ny amin’ny fanaovana fanomezana amin’ny fotoan’ny fety, dia manoro hevitra toy izao ny profesora iray momba ny psikolojia izay naverina tao amin’ny The New York Times ny teniny: “Hevero ho fomba fampihenana ny fihenjanana ny fanaovana fanomezana sasany amin’ny andro hafa.” Heverinao ve fa hisy vokany tsara izany?
Nanoratra toy izao i Tammy, 12 taona, mipetraka ao amin’ny ankohonana iray izay tsy mankalaza ny Krismasy sy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana: “Mahafinaritra kokoa ny mahazo fanomezana amin’ny fotoana tsy anampoizanao azy indrindra iny.” Nilaza izy fa tsy manao fanomezana indray mandeha na indroa isan-taona monja ny ray aman-dreniny, fa manome izany azy sy ny anadahiny kosa, mandritra ny taona. Misy zavatra anefa izay zava-dehibe kokoa ho azy noho ireo fanomezana ireo. Araka ny filazany azy dia hoe: “Manana fiainam-pianakaviana tena sambatra aho.”
Milaza amin’ny fomba tsy miolakolaka toy izao ilay boky hoe Secrets of Strong Families (Tsiambaratelon’ny Fianakaviana Matanjaka): “Mandany fotoana sy vola ny ankamaroantsika matetika isan-taona, hifidianana fanomezana faran’izay tsara ho an’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, fitsingerenan’ny daty iray, na fety ho an’ny olona tiantsika. Ny fanomezana faran’izay tsara indrindra amin’izy rehetra dia tsy hanombina ny kaonty any amin’ny banky. Ary tsy ho voatery hanisy fonony azy io ianao. Raha mino ianao, tahaka ny ankamaroan’ny olona, fa ny fiainanao no fananana sarobidy indrindra anananao, amin’izay dia ny sombiny amin’ny fiainanao no fanomezana sarobidy indrindra anananao mba hatolotra. Manao io fanomezana sarobidy io isika amin’ny habetsahan’ny fotoantsika omentsika an’ireo olon-tiantsika.”
Afaka mamela an’io fanaovana fanomezana io hahatratra ny any ivelan’ny fianakavianao ihany ianao. Afaka mitondra fahafaham-po manokana ny fanomezana mandeha ho azy vokatry ny fo mba hanomezana fahafaham-po zavatra miharihary fa ilain’ny hafa. Nampirisika mafy antsika hampiseho fiahiana amim-pitiavana toy izany ny mahantra sy ny mandringa ary ny jamba i Jesosy Kristy, ka nanampy teny hoe: “Ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo”. — Lioka 14:12-14.
Nanao tatitra ny amin’ny ohatra iray amin’io karazana fanomezana io ny Rockland Journal-News (Etazonia) vao haingana. Rehefa nirodana ny tranon’ny vehivavy zokiolona jamba iray, dia nanorina trano vaovao ho azy ireo namana. Nanao fanomezana ireo orinasa maromaro teo an-toerana, ary nanao fanomezana ara-bola ny masoivohom-panjakana iray teo an-toerana. “Ny zava-dehibe indrindra anefa”, hoy ilay gazety, “dia nanao fanomezana fotoana mba hanorenana ilay trano ireo olona 150 teo ho eo, izay anisan’ny kongregasionan’i Haverstraw an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroany.”
Nanohy ny teniny toy izao ilay lahatsoratra: “Teo amin’ilay toeram-panorenana dia nisy antontam-pitaovana teo akaikin’ny latabatra feno sakafo. Tao anatin’ny roa andro ireo mpiasa dia nanangana trano omby fianakaviana roa, nisy rihana roa. (...) Fantatra amin’ny fahaizany manorina trano haingana ireo Vavolombelon’i Jehovah. (...) Ny fanaovany zavatra haingana toy izany anefa, dia mifanohitra amin’ny faharetan’ny asa anirahana azy: mampaharitra asa iray mampiseho fitiavana. Mety tsy ho afaka hahita ny tranony vaovao Rtoa Blakely, kanefa afaka mitsapa azy io ny tanany, ary fantatry ny fony ny halalin’ny fihetseham-pony voatohin’io fanaovan-javatra tsy misy fitiavan-tena io.”
Toe-tsaina maneho fahalalahan-tanana mandavantaona
Ireo izay malala-tanana marina tokoa eo amin’ny toe-tsainy dia tsy miandry andro manokana. Tsy miorina manodidina ny tombontsoan’ny tenany fotsiny ny fiainany. Rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia mankamamy ny fizarana izany amin’ny hafa. Tsy midika akory izany fa mpanao fanomezana voatery anaty izy ireo. Tsy midika akory izany fa manome hatramin’ny fetra mahatonga ny fianakaviany tsy hanana izy ireo. Tsy midika akory izany fa manome tsy misy fieritreretana ny amin’ny ho vokany eo amin’ilay mpandray izy ireo. Kanefa, olona izay “zatra manome” izy ireo, araka ny nampianaran’i Jesosy ny mpianany mba hatao. — Lioka 6:38, NW.
Fantatr’izy ireo tsara ny toe-javatra misy ireo namana sy mpiara-belona izay zokiolona, marary, na hafa noho izany ka mila fampaherezana. Ny ‘fanomezan’izy ireo’ dia mety ho fiantsenana na fanampiana amin’ny asa ao an-trano. Mety ho fikapana kitay izany na fanesorana orampanala amin’ny lapely. Mety ho sakafo nomanina eran’ny lovia tsatokaty izany na adiny iray itsidihana sy iarahana mamaky teny. Ny fiainany mihitsy dia mety ho feno zavatra atao kanefa tsy feno loatra ka hoe tsy ho afaka hanampy izy ireo. Nianaran’izy ireo avy tamin’ny zavatra niainany fa “mahasambatra [marina tokoa] ny manome noho ny mandray”. — Asan’ny Apostoly 20:35.
Mazava ho azy fa i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, no ilay Mpanome lehibe indrindra amin’ny rehetra. Izy “no manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra”. (Asan’ny Apostoly 17:25). Ao amin’ny Baiboly, dia manome antsika fahatakarana hevi-dalina koa izy raha ny amin’ny fikasany hamarana ny faharatsiana sy ny aretina ary ny fahafatesana, sy ny hanao itỳ tany itỳ ho paradisa. (Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:4, 5). Rehefa mianatra izany ireo izay malala-tanana eo amin’ny toe-tsainy, dia tsy mihazona izany vaovao tsara izany ho an’ny tenany. Iray amin’ireo fahafinaretany lehibe indrindra ny mizara izany amin’ny hafa. Ny azy ireo marina tokoa no toe-tsaina tia manome araka an’Andriamanitra. Izany ve no toe-tsaina ambolenao?
[Sary, pejy 7]
Tsy andoavam-bola ny sasany amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra