“Ny andron’ny faniriana mihoa-pampana”
RAHA EFA sarotra amin’ny olombelona aza ny manafoana ny sery, hanao ahoana ny fahombiazany amin’ny fanesorana ny faniriana mihoa-pampana, izay aretina tsy tsotra lavitra?
Toa tsy ilaina ianarana akory ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitiavan-tena — toa hita eo amin’ny olona dieny eo amin’ny fahazazana izany. Afaka mandinika zaza vao mianatra mandeha milalao amin’ny kilalaony ianao dia hahita izany.
Ny faniriana mihoa-pampana asehon’ny olona iray dia efa fahita sy efa ratsy, fa raha ny amin’ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny firenena na iraisam-pirenena, dia olona an-tapitrisany maro no iharan’ny fahavoazana. Raiso, ohatra, ny varotra zavatra mahadomelina iraisam-pirenena. Nanambara ny gazety espaniola iray fa izy io no raharaha ara-barotra mahomby indrindra eran’izao tontolo izao — mahatratra 90 000 lavitrisa ariary isan-taona ny tombombarony. Fiainan’olona an-tapitrisany maro rava, ary fahafatesana aloha be tsy tambo isaina, izany no vokatry ny fampiasana zavatra mahadomelina. Inona no antony fototry ny fitomboana mampivadi-pon’ny varotra zavatra mahadomelina. Tsy misy isalasalana fa ny faniriana mihoa-pampana.
Ny revio atao hoe World Press Review dia mampisongadina ny faniriana mihoa-pampana ho ny antony manosika ny olona. Izy io dia manonona ny gazety mivoaka tsy tapaka any Madrid atao hoe Cambio 16, izay manambara fa “zara raha misy 10 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny tombombarotra rehetra azo avy amin’ny fivarotana zavatra mahadomelina no mankany amin’ireo tany mpamokatra azy. Ny folo isan-jato hafa dia miverina any amin’ny raharaham-barotr’ireo mpivarotra azy, izay mandrotsaka izany indray ao amin’ny trano fanovana azy, ny fiarakodia, ary ny fiadiana. (...) Ny ambiny dia miafara any amin’ireo tany mpividy izany ary any amin’ireo mpiaro azy amin’ny hetra atolotry ny fandehan-javatr’ireo banky eto amin’izao tontolo izao”.
Izany dia mandiso ilay finoana fa ny tsy fananana no miteraka ny faniriana mihoa-pampana, ary koa fa ny faniriana mihoa-pampana dia toetoetra hita eo amin’ny mahantra sy ny tsy nambinina ihany. Miharihary fa ny faniriana mihoa-pampana dia fahalemen’olombelona miely dia miely izay mahafaoka ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ireo izay tsy ao anatin’ny tsy fananana velively. Ny iray amin’ireo toetra mahagaga mampiavaka ny faniriana mihoa-pampana dia ny fiasany amin’ny fomba miafina — na dia ireo olona afa-po amin’ny anjarany eo amin’ny fiainana aza dia haneho faniriana mihoa-pampana rehefa omena fahafahana tampoka ho amin’izany.
Maneho ny alahelony toy izao ilay mpanoratra ao amin’ny gazety atao hoe Meg Greenfield: “Sokafy ny gazetinao na amin’ny andro inona na amin’ny andro inona, dia ho hitanao ao ny amin’ny mpitsara sy ny mpisolovava manokana izay nanao fitsarana mampisalasala, ny amin’ny fanaovana an-keriny, ny fanambakana, ary ny fitaka, ary dia tena mahakivy tokoa izany. Na dia ekena aza fa tsy marim-pototra ny sasany amin’ireo fiampangana ary nitarina loatra ny hafa, dia hitako mazava fa imbetsaka mihitsy ny olona no navela ho afa-maina tsotra izao nefa nanao zavatra tsy tokony ho navela hataony mihitsy. (...) Tonga hatramin’izao isika: na dia ny lazaina fa fiheverantsika ny hafa alohan’ny tenantsika aza dia avy amin’ny fitiavantsika ny tenantsika, eny avy amin’ny faniriantsika mihoa-pampana mihitsy aza.”
Tonga hatraiza ny fitarany?
Tsy zava-baovao eo amin’ny taranak’olombelona ny faniriana mihoa-pampana, nefa azo antoka fa nihanitombo be izy io noho ny faneren’ny fiainana amin’izao taonjato faharoapolo izao. Nihaniitatra aoka izany ny faniriana mihoa-pampana hany ka omen’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety Ny taonjato kristiana (anglisy) anarana izay heveriny fa mifanentana tsara aminy ireo taona 1980, toy ny nifanentanan’ny anarana hoe “Ny andron’ny fitebitebena” tamin’ireo taona 1950 na ny anarana hoe “Ny andron’ny izaho aloha” tamin’ireo taona 1970. Nomeny ny anarana hoe “Ny andron’ny faniriana mihoa-pampana” ireo taona 1980!
Ankehitriny dia hita ao amin’ny toerana rehetra misy olona tafavory ny faniriana mihoa-pampana — ny toeram-piasana, ny sekoly, ary ao amin’ny fitambaran’olona rehetra amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao amin’ny raharaham-barotra, ny raharaha ara-politika ary ao amin’ireo fivavahana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao mihitsy aza ny fitaomany manimba.
Matetika tokoa dia mampitombo ny fandraisana kolikoly na ny famitahana ny faniriana mihoa-pampana. Ny gazety The Canberra Times, ohatra, dia nanome an’i Aostralia ny laharam-boninahitra mampisalasala voalohany eo amin’ny fanambakana raha ny amin’ny fiantohana fiarakodia. Toa manohana izany ilay gazety aostraliana hoe Law Society Journal raha nilaza izy io hoe: “Ny filazana na fanambarana mamitaka ataon’ireo olona iantohan’ireo raharaham-piantohana dia andanian’izy ireo, ary avy eo ny olona iantohana, an-tapitrisany dôlara isan-taona.” Nanampy io gazety io fa “izany dia zava-manahirana miharatsy hatrany, indrindra fa eo amin’ny fandoroan-javatra iniana atao, ny fandrobana entambarotra, ny fiantohana ny fiarakodia sy ny entana ao an-trano.”
Mora àry ny mahatakatra ny antony ihomehezan’ny olona maro, rehefa resahina fa hofoanana tsy hisy mandrakizay ny faniriana mihoa-pampana. Eny, mihevitra izy ireo fa ho eto amintsika foana ny faniriana mihoa-pampana ary koa fa nofinofy tsy ho azo tanterahina tsotra izao ny izao tontolo izao iray tsy hisy faniriana mihoa-pampana.
Hofoanana ny faniriana mihoa-pampana
Mifototra amin’ny inona no ahafahana manao io fanambarana toa tsy ho azo tanterahina io? Amin’ny fisian’ny fomba fiaina tsy misy faniriana mihoa-pampana sahady. Na dia tsy tanteraka aza izany fomba fiaina izany, izy io kosa dia efa mampiseho izay azo atao noho ny fampianarana sy antony manosika mety. Ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho hoe ahoana no mety hisian’ny izao tontolo izao manontolo tsy hahitana faniriana mihoa-pampana.