Ekeo ny fanampian’Andriamanitra mba handresena ireo kileman-toetranao miafina
“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.” — FILIPIANA 4:13.
1. Inona no hataka nataon’ny ray iray nivadi-po tamin’i Jesosy?
NIJALY noho ny androbe ilay zazalahya. Nandoa vory izy, nifanintontsintona ary indraindray nianjera tany anaty rano na tany anaty afo. Ny rainy, nivadi-po noho ny toe-pahasalamany, dia lasa nanatona lehilahy iray izay efa nanasitrana marary maro. Rehefa tsapany fa nampisalasala ny fitokisany ny fahaizan’ilay mpanasitrana, dia nihiaka toy izao izy: “Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.”
2. Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa maniry hanampy antsika hanitsy ny kileman-toetrantsika Andriamanitra?
2 Isika rehetra dia tokony hanatsoaka fianarana avy amin’ny tantaran’io ray io izay nitady ny fanampian’i Jesosy. Nanaiky io lehilahy io fa nety ho tsy ampy finoana izy, nefa nino mafy izy fa naniry hanampy azy i Jesosy. Raha ny amin’izay mahakasika antsika, dia anjarantsika ihany ny mampiseho fihetsika toy izany amin’ny fiaikena ny amin’ny kileman-toetrantsika, na dia ny miafina indrindra aza, sy amin’ny fiezahana hanasitran-tena amin’izany. Rariny dia rariny ny hinoantsika fa maniry hanampy antsika Jehovah araka ny nataony taloha ho an’ny hafa (jereo Marka 1:40-42). Araka izany, dia nanohana ny apostoly Paoly izy tamin’ny ady nataony ho fanoherana ireo fironan-dratsy mety hateraky ny fananana be na ny fahantrana. Ny mahantra tokoa dia mety hamorona faniriana harena tsy tsara, fa ny mpanan-karena kosa indraindray dia manjary manaraka fihetsika mizahozaho, matoky ny fahombiazany sy manamavo an’ireo tsy manana kokoa (Joba 31:24, 25, 28). Ahoana no nahafahan’i Paoly niala tamin’ireny fahazaran-dratsy ireny na nandresy azy? Ny tenany ihany no mamaly an’io fanontaniana io amin’ny fanambarana hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:11-13.
3. Nahoana no fahendrena ny hanaovana izay rehetra azo atao mba handresena ny fahalemen’ny tena?
3 Noho ny fanampian’ny hery avy amin’Andriamanitra, dia fahendrena ny hanitsian-tena amin’ny kileman-toetran’ny tena, fa tsy hanamaivana izany satria hoe mbola tsy hita ilay izy. Ny amin’i Jehovah, dia nanoratra toy izao ny mpanao salamo iray: “Izy mahalala ny miafina ao am-po.” (Salamo 44:21). Raha tsy miala amin’ny fironan-dratsintsika isika, izany dia mety hiseho eo imason’ny rehetra, ka izany dia hitondra fahavoazana lehibe ho antsika. Amin’izany toe-javatra izany no hihatra izao fotopoto-pitsipika manaraka izao: “Ny fahotan’ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa manaraka ato aoriana.” (I Timoty 5:24). Aoka àry isika handinika kileman-toetra roa miely aoka izany tokony hitandreman’ny kristiana miahy ny amin’ny hahazoana sitraka amin’i Jehovah tena.
Kileman-toetra miafina mahakasika ny amin’ny lahy sy ny vavy
4, 5. a) Inona no fiheverana voalanjalanja atolotry ny Baiboly ny amin’ny filana momba ny lahy sy ny vavy? b) Inona no fampitandremana omen’ny Soratra Masina ny amin’izany?
4 Ny fanambadiana, miaraka amin’ny fahafahana hiteraka sy ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy miaraka amin’izany, dia anisan’ireo fanomezana mahatalanjona indrindra nomen’Andriamanitra antsika (Genesisy 1:28). Rehefa miseho ao anatin’ny faritry ny fanambadiana ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia araka ny natiora tanteraka sy madio. Resahin’ny Baiboly ho tsara ny fahafinaretana avy amin’ny firaisan’ny mpivady (Ohabolana 5:15-19). Tsy tokony havela tsy ho voafehy anefa ny fahalianantsika eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ho fampitahana dia aoka horesahintsika ny amin’ny fahazotoan-komana ara-bakiteny. Ny “fahazotoan-komana” akory tsy manome lalana antsika hihevitra be loatra ny sakafo. Ilaintsika foana ny mifehy tena raha ny amin’ny fotoana sy ny toerana ihinanantsika ary ny fomba fisakafoantsika. — Ohabolana 25:16, 27.
5 Angamba efa nanambady i Paoly. Na ahoana na ahoana, dia fantany fa tsy nisy naha-ratsy mihitsy ny firaisan’ny mpivady (I Korintiana 7:1-5). Amin’izany, dia tsy maintsy ho nieritreritra zavatra hafa izy rehefa nilaza hoe: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po [filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy, MN] fanirian-dratsy ary fieremana [fitsiriritana, MN].” (Kolosiana 3:5). Marina tokoa fa eo izy dia nanondro karazana fanao momba ny lahy sy ny vavy tafavoaka ny faritry ny fanambadiana. Tetsy andaniny koa, dia izao no nambaran’ilay apostoly: “Mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny filana momba ny lahy sy ny vavy voamariky ny fitsiriritana, MN].” (I Tesaloniana 4:4, 5). Io torohevitra mivantana sy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io dia mahasoa ny kristiana rehetra, na mpitovo na manambady.
6. Nahoana ny kristiana no manary ny “masturbation”?
6 Ny “fitsiriritana manaitaitra ny filan’ny nofo” (I Tesaloniana 4:5, Parole vivante) toy izany dia matetika no mitarika an’izay manaram-po aminy hanaitaitra ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahitana fahafinaretana. Atao hoe “masturbation” ny fanaovan-javatra toy izany. Fahita dia fahita izany eo amin’ny mpitovo, lehilahy na vehivavy, nefa mihoatra ny iray ny olona manambady manao izany koa. Ny ampiasain’ny olona maro be azy aza dia nitarika mpitsabo maro hilaza fa izany dia fanao ara-dalàna na mahasoa mihitsy aza. Io fanao io anefa dia mifanohitra amin’ny fampitandreman’Andriamanitra izay manameloka “ny filana momba ny lahy sy ny vavy voamariky ny fitsiriritana”. Ho takatsika tsara kokoa ny hoe nahoana ny kristiana no tokony hanafa-tena amin’io kileman-toetra io amin’ny fieritreretana ny fanamarihana iray nataon’i Jesosy.
7. Inona no antony amboniny tokony hanariana ny “masturbation” hitantsika ao amin’ny Matio 5:28?
7 Izao no vakintsika: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28). Fantatr’i Kristy fa matetika ny fahamaimaizana hijangajanga no mialoha fotsiny ny fanaovan-javatra maloto ara-bakiteny. Kanefa, na dia ireo manala tsiny ny “masturbation” aza dia miaiky fa mandrakariva izany dia mifamatotra amin’ny fahitan’ny eritreritra fotsiny momba ny lahy sy ny vavy. Rehefa avy nampahatsiahy “ny fahatsapana fahafinaretana mety hateraky ny ‘masturbation’ eo amin’ny tanora ilay boky hoe Ny fomba firesahana amin’ireo zanakareo zatovo (anglisy) dia nanampy teny toy izao: “Indraindray izy ireo dia mahita ny tenany ao anatin’ny fisehoan-javatra momba ny lahy sy ny vavy toy ny mahazo ny very saina, miaraka amin’ny lahy toa azy na vavy toa azy na amin’olona be taona kokoa tahaka ny mpampianatra azy, ny mpianakaviny, na [ny rainy na ny reniny] koa aza. Mety hamorona fahitan’ny eritreritra fotsiny herisetra momba ny lahy sy ny vavy izy. Ara-dalàna tanteraka izany rehetra izany.” Tena izany tokoa ve no izy? Ahoana no ho azon’ny kristiana iheverana ny ‘masturbation’ sy ny fahitan’ny eritreritra fotsiny miaraka aminy ho “ara-dalàna”, rehefa heverina amin’ny fampitandreman’i Jesosy mba tsy ‘hijangajanga ao am-po’, na koa ny torohevitr’i Paoly ny amin’ny “filana momba ny lahy sy ny vavy voamariky ny fitsiriritana”? Marina tokoa àry fa na tanora izy na olon-dehibe, na mpitovo na manambady, ny kristiana dia tokony hanafa-tena amin’ny fanao toy izany.
Ny fomba hanitsian-tena amin’io kileman-toetra miafina io
8, 9. Inona koa no mety hanampy olona hiala amin’ny “masturbation”?
8 Raha nanana izany kileman-toetra niafina izany ny kristiana iray, inona no ho azony natao mba hanitsian-tena amin’izany ka ‘hahazoan’ny fanaky ny tena fahamasinana sy voninahitra’? (II Tesaloniana 4:4.) Amin’ny alalan’ny Teniny, Andriamanitra dia hanome azy fanampiana sarobidy.
9 Voalohany indrindra, dia zava-dehibe ny hahafantarana fa manana fotopoto-pitsipika voafaritra tsara Jehovah. Tsy mamela antsika ho ao anatin’ny fisalasalana izy raha ny amin’ny faharatsian’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana, na fijangajangana ataon’ny tsy manambady izany na fanitsakitsaham-bady (Hebreo 13:4). Noho izany, raha inoantsika tokoa fa ny lalany no tsara indrindra, dia tsy ho tiantsika ny hanandrana ireo fifaliana avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy afa-tsy ao anatin’ny faritry ny fanambadiana (Salamo 25:4, 5). Tao amin’ny bokiny hoe Fotoana maha-zatovo (anglisy), dia nasain’i E. Atwater nomarihina fa ny tanora dia mandrakariva mahatsiaro ‘fanafenan-kevitra, fahasanganehana sy tahotra’ eo anoloan’ny “masturbation”. Raha izany no izy, ankoatra ny zavatra hafa, dia satria “ny fifankazarana sy ny fitiavana miaraka amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy dia tsy hita ao amin’ny ‘masturbation’ ”. Noho izany, dia tsara ny hifehezana ny filan’ny tena eo amin’ny lahy sy ny vavy mandra-pahatongan’ny fotoana hahafahana haneho izany amin’ny firaisana mampiseho firaiketam-po ao anatin’ny fanambadiana.
10. Inona avy no fandaharana azo atao mba hanafahan-tena amin’io fanao io?
10 Manome antsika fanampiana amboniny koa ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanomezana antsika izao torohevitra izao: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio (...), na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy (...), (...) dia hevero izany.” (Filipiana 4:8). Tsy misy isalasalana mihitsy fa ny sary momba ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny tantara foronina maloto dia tsy ‘madio, tsara laza na misy hatsaram-panahy’ velively. Ary anefa ireo izay manaraka “masturbation” dia matetika no zatra amin’izany. Noho izany, izay rehetra tapa-kevitra ny hanitsy tena amin’io kileman-toetra io dia tokony hanafoana izany karazan-tsakafon-tsaina izany. Araka ny noporofoin’ny fanandramana, rehefa mitodika indray ho any amin’ny eritreritra momba ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy nitarika azy hanao “masturbation” taloha ny olona iray, dia afaka mampitony izany izy amin’ny fanaovana fiezahana mba hifantoka amin’ny foto-kevitra iray marina sy madio. Zava-dehibe indrindra izany rehefa irery na ao amin’ny maizina ilay olona, satria ao anatin’ireo toe-javatra ireo matetika indrindra no mahalatsaka amin’io kileman-toetra miafina iob. — Romana 13:12-14.
11. Manonòna fanipazan-kevitra hafa niharihary fa nahasoa an’ireo izay naniry hiala tamin’io kileman-toetra io.
11 Ilaina koa ny hananana faharisihana hatrany araka izao fananarana izao: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” (Efesiana 5:15, 16). Mamboraha ny ao am-ponao amin’ny kristiana matotra iray ka mangataha fanipazan-kevitra azo hampiharina aminy (Isaia 32:2). Araka ny efa tsapan’ny maro amin’ireo izay afaka tamin’io kileman-toetra io, ny fahafantarana fa mihevitra amim-pitiavana izay handrosoanao ny kristiana hafa iray, dia hanampy anao hamboly fifehezan-tena. Mazava ho azy fa Jehovah no tokony hamborahantsika ny tsiambaratelontsika voalohany indrindra. Tena ilaina àry ny hangatahantsika ny fanampiany amin’ny alalan’ny vavaka (Filipiana 4:6, 7). Raha toa ny olona iray izay miady amin’io kileman-toetra io tsy ela izay ka “solafaka”, dia ho azony atao ny hiangavy ny herin’Andriamanitra, avy eo dia hampitombo fiezahana, ka aorian’izany dia tsy isalasalana fa hahomby izy ao anatin’ny vanim-potoana lava kokoa ihany. — Hebreo 12:12, 13; Salamo 103:13, 14.
Fampiasana ny alikaola amin’ny fomba ratsy
12. Manao ahoana ny toeran’ny kristiana eo anoloan’ny fisotro misy alikaola?
12 “Mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona” ny divay, hoy ny filazan’ny andininy iray ao amin’ny Baiboly (Mpitsara 9:13). Tsy hisy na inona na inona hahagaga mihitsy raha miray hevitra amin’izany ianao, satria ny fisotro misy alikaola manampy olona maro hiala voly sy mitondra fahafinaretana ho azy (Salamo 104:15). Vitsy anefa no ho sahy handa fa mitondra loza ara-batana sy ara-tsaina koa ny alikaola. Ny anankiray amin’ny zava-manahirana aterany dia ny fahamamoana ara-bakiteny. Lehibe aoka izany io fahadisoana io, hany ka araka ny voalazan’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, ny mpimamo dia mety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona sy tsy hahazo ny Fanjakan’Andriamanitra (I Korintiana 5:11-13; Galatiana 5:19-21). Mahatsapa izany ny kristiana; fantany fa tsy tokony himamo izy. Nefa afa-tsy ny fimamoana, ahoana no mety hahatonga ny fampiasana ny alikaola ho kileman-toetra miafina ao amintsika?
13. Asehoy ny fomba mety hahatonga hitady alikaola foana.
13 Tena mety hisotro amim-pahalalana onony ny kristiana iray, kanefa hanana kileman-toetra lehibe. Tsarao amin’izay nitranga tamin’ny rahalahy iray hantsointsika hoe Heinz izany.
Nanaraka ny kristianisma io lehilahy io sy ny vady aman-janany, ary nanomboka nandray anjara tamin-jotom-po lehibe tamin’ireo asan’ny kongregasionany izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voatendry ho loholona i Heinz. Nihevitra azy ho ‘andry’ ny kongregasiona rehetra tao amin’ilay tanàna. (Galatiana 2:9.) Tonga nanampy ny fihenjanana tao amin’ny fiainam-pianakaviany àry ny fanahiana sasany ny amin’ny andian’ondry nokarakarainy (II Korintiana 11:28). Afa-tsy izany, Heinz dia niharan’ny fanerena mafy tao anatin’ny faritry ny asany, satria nihalehibe ilay fikambanana nampiasa azy ka nantenain’ny lehibeny ny hikarakarany raharaha maro sy hanaovany ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra.
Tamin’ny takariva maro izy dia nody tany an-tranony nihenjana aoka izany, ary tsapany fa nanampy azy hampilefaka ny ozany ny fisotro iray na roa vera. Mazava ho azy fa noho izy kristiana matotra, dia nohalaviriny tamim-pitandremana ny fahamamoana, ny fisotroana tafahoatra ara-bakiteny. Na dia nandray fisotro vera vitsivitsy aza izy mba hialana voly tamin’ny takariva, dia tsy nahatsapa filana hisotro izy nandritra ny andro, ary tamin’ny ankapobeny izy dia tsy nisotro akory aza rehefa nisakafo. Tsy fantatra ho lehilahy “tia divay be” izy. — I Timoty 3:8.
Indray andro, dia tsy maintsy nampidirina hopitaly i Heinz noho ny fandidiana kely. Tamin’izay anefa dia nanomboka nampiseho famantarana aretina hafahafa izy. Inona no nahatonga izany? Tsy ela ireo mpitsabo dia nahatsapa fa vokatry ny filan’ny tenany hisotro izany. Nitaky alikaola ny vatany. Nahagaga aoka izany ny mpianakaviny izany, nefa nitandrina azy tsara ireo mba hanohanana azy tamin’ny fahatapahan-keviny hifady alikaola tanteraka.
14. Amin’ny heviny ahoana moa ny alikaola no mety ho mpaniratsira?
14 Ny sasany mahatsapa fa manomboka mandray anjara tsy ara-dalàna eo amin’ny fiainany ny alikaola. Koa matetika izy no misotro amim-piafenana, noho ny fanantenana fa tsy hahatsikaritra ny habetsahan’ny alikaola sotroiny ny fianakaviany sy ny namany. Ny hafa tsy mihevitra ny tenany ho miankina amin’ny alikaola, kanefa ny fotoana isotroany no anankiray amin’ny lehibe indrindra ho azy ao anatin’ny andro. Ireo izay mitovy amin’ny anankiray amin’ireo filazalazana ireo dia tena mety tsy hahalala onony na hanjary ho mpitia alikaola miafina. Tadidio ity ohabolana ity: “Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.” (Ohabolana 20:1). Ny hevitra azo tsoahina avy amin’io andininy io dia izao manaraka izao: Ny tsy fahalalana onony amin’ny fisotro dia mety hitarika olona hanaraka fihetsika mitabataba sy hitolo-batana ho amin’ny fanesoesoana. Mety hahatonga ny olona iray hahatsikaiky amin’ny heviny hafa iray koa anefa ny divay. Mendrika ny fanesoana tokoa ny olona iray raha mieritreritra fa tsy hitan’ny mason’Andriamanitra ny fanaranany fo amin’ny fisotro.
15. Inona no fifandraisan’ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny I Korintiana 9:24-27 sy ny fihetsiky ny kristiana eo anoloan’ny alikaola?
15 Anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fifehezan-tena. Amin’izany, dia mila an’io toetra io isika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika (Galatiana 5:22, 23). Nampitaha ny kristiana tamin’ny mpihazakazaka i Paoly. Ary anefa ny mpandray anjara rehetra amin’ny fihazakazahana iray, amin’ny hevitry ny teny ara-bakiteny, dia “mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”, ary izany dia mba hahazoana “satroboninahitra mety ho lo ihany”. Ny kristiana kosa dia tokony ‘hahonon-tena amin’ny zavatra rehetra’ koa, nefa manao izany izy mba hahazoana loka sarobidy lavitra, dia: NY FIAINANA. Araka ny nosoritan’i Paoly, dia tokony hasiantsika mafy ny tenantsika ho mangana ka handevozintsika, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza isika, dia holavina kosa ny tenantsika’, noho ny kileman-toetra miafina mifamatotra amin’ny fisotro, ohatra. — I Korintiana 9:24-27.
16. Ahoana no mety hahafantarana raha manana fironana ho tia fisotroana ny tena?
16 Inona no mety hanampy ny kristiana ho afaka amin’ny fahalemena toy izany? Tokony ho takany voalohany indrindra aloha fa raha afaka manafina ny fahazaran-dratsiny amin’ny olombelona ny mpisotro iray, dia tsy afaka mahasakana an’Andriamanitra tsy hahita azy izy (I Korintiana 4:5). Noho izany, dia tsara ny mandinika ny fahazaran’ny tena misotro amim-pahamarinana, toy ny hoe eo anatrehan’ny Mpamorona mihitsy ny tena (ny tianay holazaina amin’ny hoe ‘fahazarana misotro’ dia izay fanao amin’ny fisotroana noho ny zavatra tsapa avy amin’izany, noho ny fahafinaretana, fa tsy ny fisotroana kely fotsiny eo am-pisakafoana toy ny fanao mahazatra any amin’ny toerana sasany). Ny sasany angamba hanohitra hoe: ‘Tsy misy na inona na inona manery ahy hisotro. Mahafinaritra izany ary mampiala voly ahy, nefa mety ho afaka aho raha tiako izany.’ Rehefa heverina amin’ny mety ho tsy fahalalana onony amin’ny fisotroana sy ny fitiavana zavatra misy alikaola, nahoana no tsy manandrana izany mandritra ny iray volana na roa? Ireo izay mirona handa amin’ny fomba hentitra fa manan-java-manahirana izy dia ho afaka hanapa-kevitra fara faharatsiny, mandritra ny iray volana, fa tsy hisotro intsony mihitsy amin’ireo fotoana mahazatra azy ny manao izany. Ohatra, izay zatra ny misotro aorian’ny asa, alohan’ny hatoriana na amin’ny fivoriana iray ataon’ny mpisakaiza dia afaka mifady amin’ireny toe-javatra miseho hentitra ireny. Ho hainy amin’izany ny hamakafaka izay tsapany. Raha sarotra aminy ny mitana ny teny nataony, na raha tsy afaka ‘miala voly’ izy, dia satria efa manana kileman-toetra lehibe iray izy.
17. Nahoana moa ny kristiana izay manana fahalemena miafina ny amin’ny alikaola no tokony hiezaka hanitsy tena amin’izany?
17 Rehefa niaiky teo anatrehan’Andriamanitra ny kristiana tso-po iray fa manana fironana hisotro izy, dia mora aminy kokoa ny manitsy tena. Tsy isalasalana fa efa fantany sahady fa lazain’ny Baiboly ho ‘adala’ izay mihevitra fa “mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina [na ny alikaola sotroina] amin’ny fiafenana”. Raha inoana ny bokin’ny ohabolana, ireo izay mihevitra toy izany dia miafara amin’ny tsy fananan-kery ao amin’ny fahafatesana. Ny hendry kosa dia tia fananarana, ary ‘mandao ny kely saina mba ho velona amin’ny fizorana amin’ny lalan’ny fahalalana’. (Ohabolana 9:1, 6, 8, 13-18). Amin’ny fampiharihariana amintsika ireo vokatry ny kileman-toetrantsika miafina, dia omen’Andriamanitra antsika ny fanampiana amboniny mba handresena izany.
Heverin’i Jehovah izay ataontsika ao amin’ny mangingina
18. Amin’ny ady ataontsika ho fanoherana ny kileman-toetrantsika miafina, afaka matoky ny amin’inona isika (Ohabolana 24:12; II Samoela 22:25-27)?
18 Misy olona miaina foana ao anatin’ny tahotra ny hahita ny asa ratsiny ho fantatry ny olona na Andriamanitra. Aoka isika hitandrina mba tsy hitovy amin’izy ireny mihitsy. Aoka ho fantatsika kosa fa tsy afaka manafina na inona na inona amin’ny Mpamorona isika, satria “ny olona rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy”. (Mpitoriteny 12:14.) Aoka àry isika hanararaotra ny fanampiana atolotr’i Jehovah antsika mba hialana amin’ny kileman-toetrantsika, na dia miafina tokoa aza izany. Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho azontsika atao ny hiandry amim-pitokisana ny ora hampiharihariana “ny zavatra takona ao amin’ny maizina” sy “ny fikasan’ny fo”. “Dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra.” — I Korintiana 4:5; Romana 2:6, 7, 16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny famakiana ny Matio 17:14-18, ny Marka 9:17-24 sy ny Lioka 9:38-43, dia hita fa ny nahazo an’io zazalahy io dia nifandray tamin’ny naha-azon’ny demonia azy. Porofoin’ny Baiboly anefa ny fiavahana misy amin’io karazana androbe io sy ilay avy amin’ny antony araka ny natiora. — Matio 4:24.
b Indraindray, ao anatin’ny torimaso ny tena dia tafiditra ao anatin’ny fihetsehana momba ny lahy sy ny vavy tsy nahy. Izany fisehoan-javatra araka ny natiora izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny “masturbation” atao fanahy iniana.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ireo kileman-toetra miafina iezahantsika hanitsian-tena?
◻ Inona avy moa ireo torohevitra ao amin’ny Soratra masina izay mamporisika antsika mba hanary ny “masturbation”?
◻ Ahoana no azon’ny kristiana iray anafahan-tena amin’ny “masturbation”?
◻ Na dia tsy manameloka ny fampiasana alikaola aza ny Baiboly, kileman-toetra miafina inona no mety hananantsika amin’io lafiny io?
◻ Inona no fandaharana izay fahendrena ny hanaovana azy mba handresena fironana miafina hisotro?
[Efajoro, pejy 13]
Nanafa-tena tamin’ny ‘masturbation’ izy ireo
NANDRITRA ny fotoana naha-zatovo azy, C——— dia nahatsapa filana eo amin’ny lahy sy ny vavy ara-dalàna tanteraka. Nanan-java-nanahirana anefa izy. Raha vao teo amin’ny faha-13 taonany, dia nandray fahazarana hanao ‘masturbation’ tao amin’ny efitrano fatoriany izy. Nahamenatra azy kely izany, nefa niteny anakampo izy fa tsy nanimba na iza na iza izany.
Rehefa feno 19 taona izy, dia latsa-paka lalina tao aminy io fahazaran-dratsy io. Niaiky ny amin’izany tamin’ny pretrany izy indraindray, nefa araka ny filazan’io, na dia ratsy aza ny ‘masturbation’ dia tsy fahotana lehibe loatra. Rehefa nanao raharaha miaramila i C———–, dia tsy afaka nitokana loatra intsony. Koa mahalana kokoa izy no nanao ‘masturbation’, ka izany dia nampiseho tsara fa raha ny aminy, io fahalemena io dia tsy avy amin’ny fahamaimaizana tsy azo nofolahina.
Rehefa tafaverina tany an-tranony i C———— dia nanomboka nividy boky maloto. Rehefa nifoha tamin’izany ny filany, dia nampilatsaka azy haingana indray tao anatin’ny fahazarany taloha. Avy eo dia nanomboka niaina irery izy. Hatramin’izao, dia tsy sarotra taminy intsony mihitsy ny nahazo fomba fanaitairana ny filany. Nanao ‘masturbation’ matetika imbetsaka tao anatin’ny andro iray izy.
Tamin’izay i C———— no nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa fantany ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny faharatsiam-pitondrantena, dia menatra i C———— nividy boky maloto. Tiany koa ny hiala tamin’ny ‘masturbation’. Nefa rehefa afaka herinandro iray na roa, ny fihenjanana momba ny lahy sy ny vavy dia mandrakariva nitarika azy ho variana teo anoloan’ny trano heva fivarotan-gazety sy hamela ny boky maloto hanaitaitra ny filany. Rehefa nody tany an-tranony izy, azon’ny fahatsiarovana ho tsy nahomby, dia niteny anakampo fa rehefa tonga eo amin’izao toerany izao dia sahala ihany raha lasa hatramin’ny farany izy. Taorian’izany, dia namely azy ny nenina. Tsy ho afa-miala amin’io fahazaran-dratsy io mihitsy ve izy?
Tamin’ny farany i C———— dia namboraka izany tamin’ny loholona iray tao amin’ny kongregasionany. Tamim-pahatakarana ny fiheviny, io minisitra kristiana io dia nitarika azy ho amin’ny zavatra voasoratra miorina amin’ny Baiboly izay nety hanampy azy hamboly fifehezan-tena. Ambonin’izany, dia nomeny azy izao fanazavana manaraka izao:
‘Ny filana dia toy ny gadra. Kely dia kely sy mbola marefo ny masony voalohany. Nefa kosa ny masomasony manaraka dia mihavaventy sy mafy. Izany koa no hita amin’ny filana mitarika ho amin’ny “masturbation”. Noho izany antony izany, dia ilaina ny mamono azy haingana araka izay azo atao. Arakaraka ny aharetan’ny filanao no itomboany. Farany, dia manjary mila tsy ho hay fehezina izany. Amin’izay, dia manandrana manapaka ny gadra raha vao eo amin’ny masony voalohany. Raha vantany vao tsapanao fa tonga ao aminao io faniriana io, dia MANAOVA ZAVATRA! Mitsangàna, miovà toerana, hosory fanadiovana azy ny kiraronao, ario ny fako, raha fintinina, tapaho avy hatrany ny masony voalohany. Azonao atao koa ny mandray Baiboly na boky kristiana hafa izay hampitodika ny sainao ho amin’ny hevitra madio, ka mamaky mafy izany.’
Taty aoriana, io minisitra kristiana io dia nihevitra tsy tapaka ny fandrosoan’i C———— rehefa nahita azy tao amin’ireo fivoriana. Nidera azy matetika izy ary nampahery azy tamin’ny fahatapahan-keviny. Nandritra ny fito herinandro dia nijoro tsara i C———–. Nefa kivy noho ny fahadisoam-panantenana manokana izy ka resy indray tamin’ny fividianana boky momba ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy izay nitarika azy ho voa indray. Tsy fahombiazana izany, nefa nananatra azy ilay minisitra kristiana mba tsy hamela ny ady. Nihanahalana tsikelikely ny tsy fahombiazana — 9 herinandro, avy eo dia 17, avy eo dia bebe kokoa ihany. Nahazo antoka tsikelikely i C———— fa amin’ny farany izy dia handresy ny kileman-toetrany miafina.
Farany, dia tsapan’i C———— tanteraka ny hoe nahita ny nataony rehetra Jehovah. Noho izany, raha tiany ny hanompo azy amin’ny fieritreretana tena madio, dia tokony hofoanany tanteraka tsy ho eo amin’ny fiainany ny “masturbation”. Vitany izany! Tsy tadidiny intsony aza ny hoe hatramin’ny oviana izy no afaka tamin’izany. C———— izay kristiana faka tahaka izao, dia miantsoroka andraikitra ao anatin’ny kongregasionany, ary miomana hanitatra ny asany ho fiderana an’Andriamanitra izy. Niova tanteraka izy.