Ela loatra ve ny fitsaran’Andriamanitra?
AOKA hatao hoe niandry mpitsidika avy lavitra ianao. Nolazainy taminao tokoa ny andro hahatongavany, fa tsy ny ora. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia manomboka manontany tena ianao raha tsy tratra aoriana izy. Tena androany tokoa ve no tokony hahatongavany? Moa ve tsy nisy tsy fahazoan-dresaka? Manome toerana tsikelikely ho an’ny fihetseham-po mahasanganehana kokoa ny tsy faharetana: ny fisalasalana.
Io tarehin-javatra io dia manazava tsara ireo fanontaniana apetraky ny olona maromaro ny amin’ny ora tokony hampiharan’Andriamanitra ny fanamelohany ny faharatsiana. Efa ela be tokoa izay no niandrasan’ireo mpivavaka aminy! Davida mpanjaka nahatoky, ohatra. 3 000 taona mahery lasa izay, dia efa nanoratra toy izao izy: “Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo ankavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andro fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy. Moa ve tsy ara-dalàna, amin’izao andro izao koa, ny hanontaniantsika tena hoe: “Rahoviana?” — Salamo 110:5, 6.
Amin’ny fampitahana ny toe-piainana maneran-tany amin’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra masina sy amin’ny fianarana ny fandaharan-taona araka ny Baiboly, ny kristiana marina dia nahazo finoana mafy fa akaiky ny andro fitsaran’Andriamanitra rehefa ela ny ela. Kanefa olona firifiry akory moa no efa nieritreritra fa izany no izy, nefa nahatsapa taty aoriana fa diso hevitra izy ireo? Moa ve misy fomba azo antoka hahafantarana hoe rahoviana no hampiharina ny fitsaran’Andriamanitra?
‘Fotoana voafetran’Andriamanitra’
Nahariharin’i Jesosy fa hampiharina amin’ny fotoana hentitra tsara izany fitsarana izany. Nandefa izao fampitandremana izao tamin’ireo mpianany anefa izy: “Miambena, fa tsy fantatrareo ny hoe rahoviana ny fotoana voafetra.” — Marka 13:33, MN.
Tokony ho taonjato enina talohan’izay dia nanendry an’i Habakoka koa Andriamanitra mba hanambara ny fitsarany ho amin’ny “fotoana voafetra”. Mba hampitandremana antsika amin’ny tsy faharetana na amin’ny fisalasalana mihitsy aza, dia izao no nampanantenainy ny amin’ny fahitany ara-paminaniana “Tsy ho diso (izy); eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona [tsy ho diso aoriana loatra, MN ].” — Habakoka 2:2, 3.
Nefa raha toa ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ka “ho amin’ny fotoana voafetra” ary tsy tokony “ho diso aoriana loatra”, nahoana i Habakoka no milaza hoe: “Na dia mitaredretra aza izy”? Azo inoana fa mba hampisehoana fa ny mpanompon’Andriamanitra sasany dia hanantena ny hahita azy tonga aloha loatra. Tsy hisy hahagaga mihitsy amin’izany, satria tsy ho fantatr’izy ireo ny datin’io fisehoan-javatra io.
Fony izy teto an-tany, ny tenan’i Jesosy koa aza dia tsy nahafantatra ny fotoana hentitra handraisan’Andriamanitra anjara. Niaiky ny amin’izany tamin’izao teny izao izy: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32). Fantany anefa ny hoe amin’ny fotoana toy inona no tokony hampiharina ny fitsarana. Noho izany antony izany, rehefa nangatahin’ny mpianany izy, dia nanome famantarana izay hahatonga ho afaka hahafantatra izany fotoana izany rehefa ho nanomboka izy. Ireo famantarana voalohany, hoy izy, dia ho “sahala amin’ny fanaintainana voalohany raha hiteraka”. Mazava ho azy fa ny vehivavy bevohoka iray izay mahatsapa fahatongavan’ny fivonkinana voalohany dia tsy mahalala marina hoe amin’ny firy ora no ho teraka ny zanany. Tsy misalasala na dia kely akory aza anefa izy fa antomotra ny fahaterahana. — Matio 24:3-8; Bible en français courant.
“Tsy mba ho lany izao taranaka izao”
Jesosy kosa dia nahalala koa ny fetran’ny faharetan’ny vanim-potoana voamarika. Naka ohatra ny amin’ny aviavy izy ka nanambara hoe “Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: “tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Matio 24:32-34.
Araka izany àry, ny fandraisan’Andriamanitra anjara dia hitranga amin’ny andro hahaveloman’ny olona ho nahita ireo famantarana voalohany nambaran’i Jesosy. Ny fanombohan’ny fotoana hanokatra fiovam-piainana dia hilaza fahafatesana ho an’izao tontolo izaon’i Satana hampiharan’ilay Fanjakana vao naorina tsy ho ela ny fanamelohan’Andriamanitra. Ny fandaharan-taonan’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra masina anefa dia manaporofo fa izany fotoana izany dia nanomboka tamin’ny 1914a.
Noho izany, ny fitsaran’Andriamanitra dia tokony hampiharina alohan’ny hahataperan’ny taranaka tamin’ny 1914. Tena mbola misy solontenany anefa io taranaka io. Tamin’ny 1980, tany Alemaina federaly, dia nanisana olona 1 597 700 teraka tamin’ny 1900 na talohan’izay. Mbola ho lehibe kokoa io tarehi-marika io raha tsy nisy Alemaina an-tapitrisany maro nahita fahafatesana aloha loatra tao anatin’ireo ady lehibe roa.
Amin’ny fitantarana ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao”, ireo Filazantsara dia mampiasa teny grika fandavana roa hoe ou sy mê. Manazava ny antony toy izao ny famoaboasan-kevitra araka ny Baiboly iray (The Companion Bible): “Rehefa ampiarahina ny fandavana roa, dia veriny ny heviny mampiavaka mba hahaforona fanekena faran’izay mahery sy hentitra.” Amin’izao andro izao anefa, amin’ny ora toa mety hahalanian’ny taranaka alohan’ny hahatanterahan’ny zavatra rehetra, no manomboka mandray ny heviny rehetra ny tenin’i Jesosy.
Fitsapana ho an’ny finoantsika
Ny fampitandreman’i Habakoka dia nampiseho fa toa ho tratra aoriana ny fitsaran’i Jehovah, ka izany dia ho fisedrana ny finoan’ireo mpanompony. Araka ny fandrindran-kevitra, ny fitsapana toy izany dia tsy nety hitranga raha tsy amin’ny faramparan’ny taranaka notondroin’i Jesosy. Aoka isika hiverina any amin’ny ohatra noraisintsika teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Amin’ny fotoana toy inona ianao no hanomboka hisalasala mafy ny amin’ny hahatongavan’ilay namanao? Azo inoana fa tsy amin’ny 9 ora maraina, na amin’ny roa ambin’ny folo ora antoandro; angamba aza tsy amin’ny faran’ny tolakandro. Amin’ny takariva kosa dia azo inoana fa hanomboka ho voasedra ny finoanao. Tadidio anefa fa na dia amin’ny 11 ora sy sasany alina aza dia mbola manam-potoana hitanana ny teny nataony ilay andrasanao!
Tsy misy antony tokony hanahiana mihitsy ny amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Tanteraka foana izany. Mbola manan-kery foana amin’izao andro izao ny fanamarihana nataon’i Josoa tamin’ny Isiraelita 3 000 taona mahery izay: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy misy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” — Josoa 23:14.
“Raha ny amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana, dia mirona avy hatrany isika, sahala amin’ny olombelona rehetra, ho somary haneho tsy faharetana sy haniry ny hahafainganan’ny zavatra kokoa.” Izany no nolazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny fanontany amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 may 1910. Izao koa no novakina tao: “Fahatratrarana aoriana izany raha oharina amin’ny fiandrasantsika, nefa mahazo matoky isika fa tsy hisy fahatratrarana aoriana loatra araka ny fikasan’Andriamanitra (...). Tsy misalasala isika fa ho tanteraka amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”
Raha mitodika ny lasa kosa ireo kristiana mahatoky amin’izao androntsika izao dia mahatakatra fa manana antony tsara dia tsara tsy nampiharany ny fitsarany taloha kokoa Andriamanitra. Ny tsaratsara kokoa aza, dia faly izy ireo noho izany. Ho fantatrao ny antony rehefa ho avy namaky ny lahatsoratra manaraka ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hahita fanazavana amin’ny antsipiriany ny amin’izany ianao ao amin’ny toko faha-16 sy 18 amin’ilay boky hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis, Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc tamin’ny 1982.
[Sary, pejy 4]
Solontena maro amin’ny taranaka tamin’ny 1914 no tena manantena hahita “izany rehetra izany” ho tonga.