Ny antony tsy mbola nampiharan’Andriamanitra ny fitsarany
EO AMIN’NY roapolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ny kristiana sasany dia nanantena sahady ny hahita ny ‘fahatongavan’ny’ fitsaran’i Jehovah. Izany no nitarika ny apostoly Paoly hanoratra ho azy ireo hoe: “Tsy ho avy izany (ny andron’i Jehovah), raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana.” Araka ny neken’i Paoly, dia efa ‘niasa sahady’ “ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna” tamin’ny androny, nefa miharihary tokoa fa tsy ampy mba hahantomotra ny fitsaran’Andriamanitra. — II Tesaloniana 2:2, 3, 7, 8.
Fanangonana roa sosona
Ny fihemorana tsy maintsy hiseho dia tsy hahasakana velively an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany amin’ny fifidianana kristiana mahatoky 144 000 mba hanjaka any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Zanany (jereo Apokalypsy 14:1-5). Rehefa ho feno ny isa ka ho vita ny fanasian’Andriamanitra tombo-kase azy ireo, dia hampiharina ny fitsarany. Izao no vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 7:2, 3: “Ny anjely efatra [dia nilazana] hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.” Araka ny fantatsika ankehitriny, dia tsy mbola vita tamin’ny 1914 io asa io, fony naorina ilay Fanjakana.
Noho izany, na dia nanantena ny mifanohitra amin’izany aza ny sasany, dia tsy nety ho nitranga tamin’izany fotoana izany ny fampiharana ny fitsaran’Andriamanitra. Nijery sahady izany fanombantombanana izany Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tao amin’ny fanontàny amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 janoary 1914. Izao tokoa no novakina tao: “Ny taona 1914 no farany amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe ‘andron’ny Jentilisa’ (...). Tsy miaiky tanteraka anefa isika fa io taona io dia hahita ny fiovana tanteraka sy tampoka antenaintsika.” Velom-pankasitrahana anefa ny kristiana satria ny fandaharan-taonan’ny Baiboly nahatonga azy ireo hahatsapa ny fahantomoran’ny fitsaran’Andriamanitra. Nanambara toy izao ny lahatsoratra voalaza eo aloha, ery aoriana kokoa: “Inoantsika fa fanomezan’Andriamanitra ny fandaharan-taona. Raha namoha antsika minitra vitsivitsy na ora vitsivitsy mialoha izany, dia vao mainka tsara! Ireo mifoha no mandray ny fitahiana.”
Anisan’ireo izay tokony hotahina ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Tamin’ny 1935 vao fantatra tanteraka fa izany “olona betsaka” izany dia ho voaforon’ny lehilahy sy vehivavy izay hivoaka avy amin’ny “fahoriana lehibe”, izay ho niala tamin’ny fandaminan’i Satana ka ho nilahatra tao amin’ny tobin’Andriamanitra mba ho tafita velona amin’ny fampiharana ny fanamelohany. Hatramin’ny antsasa-taonjato eo ho eo izao, ny fanangonana ny “olona betsaka” resahina dia atao mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah. Rariny tokoa raha hifaly isika satria tsy ho tonga alohan’ny hahatontosana izany asa famonjena izany ny fitsaran’Andriamanitra. — Apokalypsy 7:9, 14.
Fisehoan-javatra ara-politika
Araka ny Soratra masina, ny fisehoan-javatra ara-politika sasany dia tokony hitranga koa alohan’ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra. Miharihary fa manatona ny fiafarany ny faminanian’i Daniela (Da toko faha-11) momba ny “mpanjaka roa”a. Hampiharina anefa ny fitsaran’Andriamanitra rehefa hahatratra ny fara heriny ny fahatanterahan’io faminaniana io. — Jereo Daniela 2:44.
Na dia mpifahavalo aza ireo fanjakana mahery dia mahery sy ny antokony avy — “ny mpanjakan’ny atsimo” sy “ny mpanjakan’ny avaratra” — dia manana solontena koa ao amin’ilay fandaminana ara-politika iraisam-pirenena ‘derain’izao’ tontolo izao. Soritan’ny Baiboly amintsika amin’izany ny filazalazana miavaka ny Fikambanam-pirenena niseho teo am-pahavitan’ny Ady Lehibe Voalohany, sy ny Fandaminan’ny Firenena mikambana izay nandimby azy rehefa nifarana ny Ady Lehibe Faharoa. — Daniela 11:40; Apokalypsy 17:8.
Misaraka raha ny amin’ny drafitra ara-poto-kevitra sy ara-politika, kanefa ‘tafaray’, ireo “mpanjaka roa” ireo dia manan-javatra be dia be holazaina raha ny amin’ny fitandroana ny “fandriampahalemana” sy ny “filaminana” maneran-tany. Misy heviny koa izany, satria nanambara toy izao ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tokony ho tonga eo amin’izy ireo avy hatrany ny fandringanana tampoka.” Tsy mbola fantatsika ny hoe ho tonga hatraiza ireny “mpanjaka” ireny amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana ara-politika sy ara-toe-karena, araka ny toerana manodidina sy ara-tsosialy eo amin’izao tontolo izao, mitokana sy ao anatin’ny faritry ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, mba hahatsiarovan-tena ho manana zo hanao izany antsoantso izany. — I Tesaloniana 5:2, 3, MN.
Ny fantatsika kosa dia hoe ao anatin’ny andro hanjakany ny Fandaminan’ny Firenena mikambana dia hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ka ‘ho lasa amin’ny fandringanana’ miaraka amin’ireo fanjakana mpikambana ao aminy rehetra (indrindra fa ireo “mpanjaka roa” vao avy noresahintsika) Tsapantsika koa fa ny taranaka tamin’ny 1914 dia lasa lavitra tokoa ao anatin’ny fararanom-piainany, ka takatsika amin’izany fa kely sisa ny fotoana hahatanterahan’io faminaniana io. Kanefa noho ny fampanantenan’i Jesosy, dia mino mafy koa isika fa “tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany”. — Apokalypsy 17:11; Marka 13:30.
Tsy ho diso aoriana loatra Jehovah — ary ianao?
Raha eo am-pianarana ny Baiboly ianao izao ka mifankazatra amin’ny fikasan’i Jehovah, dia aza mangataka andro mandositra ho amin’ny fialofana ara-panoharana voatendrin’Andriamanitra ho anao. “Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana” mba ‘ho voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah’. — Zefania 2:1-3.
Aza hadinoina fa ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nandao an’i Jerosalema tamin’ny 66 raha vantany vao fantany ny famantarana nomen’i Jesosy azy ireo mba hampitandremana azy ny amin’ny fanamelohana hihatra amin’ilay tanàna. Mety ho nampihemotra ny fandosirany ny sasany noho ny antony iray na ny antony hafa. Tamin’izany dia azo inoana fa nanaiky ho voafitaky ny filaminana nahafinaritra sandoka izy ireo rehefa nahita fa taorian’ny nanaovany fahirano ny tanàna sy nialany tsy nampoizina mihitsy, dia tsy niverina ny tafika romana. Lasa ny herinandro maromaro. Avy eo dia volana maromaro. Manaraka izany dia taona maromaro. Ny sasany angamba nieritreritra fa nampihemotra ny fampiharana ny fanamelohany Jehovah. Tamin’izay no nipoitra indray ny Romana. Tamin’ny 70. Ary tamin’io indray mandeha io, ho an’ireo izay mbola tao an-tanàna dia tsy nisy firesahana intsony ny amin’ny hoe handositra. — Lioka 21:20-22.
Raha efa nanolotra ny fiainanao ho an’Andriamanitra ianao izao mba hanao ny sitrapony ka ao amin’ny toerana azo antoka eo ambany fiarovany, dia zava-dehibe ny tsy hangatahanao andro amin’ny fanatontosana ireo adidinao kristiana. Aza manandrana mandositra ny andraikitrao, dia ny fitoriana ny hafatra fanamelohan’i Jehovah, araka ny nandraman’i Jona natao fony Andriamanitra nandidy azy mba hampiomana ny Ninivita. Aza sosotra ary aza manjary tsy miasa sahala aminy satria hoe tsy mitranga araka ny fomba niheveranao azy na haingana araka ny ho nanirianao azy ny zavatra. — Jona 1:1, 2; 4:2, 5, 11; II Petera 3:15.
Rariny ny nanambaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 jona 1906 (anglisy) izao manaraka izao ny amin’ny fanamelohan’Andriamanitra: “Ny fotoana no hanamarina amin’ny fomba feno ny fahendren’Andriamanitra amin’izay heverin’ny olona fohy fijery ho fahatratrarana aoriana loatra amin-kalozana (...). Nanana hatsaram-po Andriamanitra nampiseho antsika ny heviny sy nampijery antsika ho avy mamirapiratra (...), ary arakaraka ny fahatongavantsika amin’ny fahatakarana izay aharihariny amintsika ka hinoantsika izany, dia afaka matoky izany zavatra izany isika ka mifaly amin’izany. Kanefa, mandritra izany fotoana izany, rehefa ampaherezina toy izany noho ny hasoan’izany fahatsinjovan-javatra mahafaly izany isika, dia tsy maintsy miandry amim-paharetana ny farany, na manao ahoana na manao ahoana fanaintainana hiaraka amin’ny fiandrasana.”
Eny, isika koa dia hiandry, miaiky tanteraka fa “ho tanteraka tsy hisy diso” ny faminaniana ka “tsy ho diso aoriana loatra”. — Habakoka 2:3, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io faminaniana io dia voazava amin’ny antsipiriany ao amin’ilay boky hoe “Que ta volonté soit faite sur la terre”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc tamin’ny 1958.
[Efajoro, pejy 6]
IZAY TSY MAINTSY HITRANGA ALOHAN’NY HAMPIHARANA NY FITSARAN’ANDRIAMANITRA
Ny fihemorana — II TESALONIANA 2:2, 3
Ny fanasiana “tombo-kase” an’ireo 144 000 — APOKALYPSY 7:2, 3
Ny fanangonana ny “olona betsaka” ho amin’ny fahatafitana velona — APOKALYPSY 7:14
Ny fisehoan’ny Fikambanam-pirenena, avy eo dia ny Firenena mikambana — APOKALYPSY 17:9
Fifandonana farany eo amin’ireo antokony roa — DANIELA 11:40, 44, 45
Antsoantso haneran-tany: “Fiadanana sy filaminana!” — I TESALONIANA 5:2, 3
[Sary, pejy 7]
Noheverin’i Petera ho famonjena ny faharetan’Andriamanitra, fa nitaraina ny amin’izany kosa i Jona. Iza amin’ireo lehilahy roa ireo no hotahafinao?