FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/8 p. 32
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Iza no Tokony Hanapa-kevitra ny Amin’ny Isan-jaza?
    Mifohaza!—1996
  • Ho An’ny Mpivady Vao: Ampiasao ho An’i Jehovah ny Fiainanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/8 p. 32

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Rehefa heverina amin’ny fitantarana ilazana fa ho hain’ny mpitsabo ny mamerina ny fahafahana hanana anaka amin’ny olona iray nodidiana mba tsy hiteraka, moa ve ny kristiana manana zo hifidy an’io karazana fanaovana izay tsy hiterahana io?

Aharihan’ny Baiboly fa heverin’Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa ny fahafahana hiteraka. Raha vao tamin’ny voalohany, dia tafiditra tao amin’ny fikasany ny hoe hamenoan’ny olona ny tany amin’ny fitomboana araka ny karazany avy (Genesisy 1:28; 9:6, 7). Taty aoriana, ny Isiraelita dia nihevitra fa soa avy amin’i Jehovah ny fahamaroana anaka ary nitarika tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny fanesorana ny faritra fiterahana (Salamo 127:3-5; Deoteronomia 1:11; 23:2; 25:11, 12). Izany fampianarana notsoahina avy amin’ny Soratra hebreo izany dia nisy heriny teo amin’ny fiheveran’ny mpanompon’Andriamanitra ny amin’ny finiavana hanao izay hahamombaa.

Fa inona no ampahafantarin’ny Soratra grika kristiana antsika ny amin’izany? Voalohany indrindra, dia vakintsika ao fa tsy eo ambanin’ny lalàn’i Mosesy ny kristiana (Galatiana 3:24, 25). Ankoatr’izany, ny fanitarana ny kristianisma nambaran’i Jesosy dia tsy tokony ho avy amin’ny fiterahana, fa avy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Koa satria io asa io hiteraka fijinjana kristiana lehibe, Jesosy dia nanoro hevitra an’ireo mpianany izay afaka manao izany mba ho tonga eonoka amin’ny heviny ara-panahy, izany hoe hijanona ho mpitovo amin’ny fanehoana fifehezan-tena. Mitovy hevitra amin’izany koa, ny apostoly Paoly dia namporisika ny kristiana mba tsy hanambady, mba hananana fahafahana bebe kokoa hitory sy hampianatra. Amin’ny fanaovana toy izany, dia mety hanana “zanaka” maro amin’ny heviny ara-panahy izy. Ireo mpivady koa dia asaina hahatsiaro fa “efa fohy ny andro”. Tokony hoferan’izy ireo ho zava-kendrena ny tsy hahita araka izay azo atao ny ‘fanahiana maro’ mampiavaka ny fiainam-pianakaviana. — I Korintiana 7:29-32, 35; Matio 9:37, 38; 19:12.

Fony isika niresaka farany ny amin’ny fanaovana izay tsy hiterahana tao amin’io fizarana io, ny ankamaroan’ireo mpitsabo dia nihevitra an’io fandidiana io ho tsy azo avadika sy raikitra. Kanefa ny fandrosoana vitan’ny fitsaboana tao anatin’izao folo taona farany izao dia nanova kely ny tarehin-javatra. Ohatra, tao amin’ny revio hoe Tatitra momba ny isam-bahoaka (anglisy, novambra desambra 1983, Johns Hopkins University) dia azo natao ny namaky izao manaraka izao momba ny “vasectomie”: “Araka ny fitantarana maromaro natao vao haingana, dia nisy fandidiana afaka namerina ny fahafahana hiteraka — raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe ny famoahana avy amin’ny tena dia nanome ‘sperme” indray — teo amin’ny 67 ka hatramin’ny 100 isan-jaton’ny lehilahy. Ny ara-kevin’ny asany nahomby — izany hoe ny ara-kevin’ny fananana anaka teo amin’ny vadin’ny lehilahy nanaovana izany fandidiana izany — dia niovaova teo anelanelan’ny 16 sy 85 isan-jato.” Ny fisehoan’ny fomba fandidiana vaovao sy ny fomba fanapahana vonjimaika dia nitarika ny sasany hino fa ireo fandidiana natao hamerenana ny fahafahana hiteraka dia hiafara amin’ny fahombiazana kokoa hatrany.

Koa satria ny Soratra grika kristiana tsy manome torohevitra mihitsy ny amin’izany, ny kristiana dia tokony hanao fanapahan-kevitra manokana raha ny amin’ny fomba famerana ny isan-janany. Raha ny amin’ny fanaovana izay tsy hiterahana, dia tokony hotadidian’izy ireo ao an-tsaina hatrany fa raha hevitra azo inoana kokoa ny famerenana ny fahafahana hiteraka tsy toy ny tamin’ny folo taona lasa, ireo mpitsabo dia tsy afaka miantoka fa ho tafaverina amin’ny olona iray ny fahafahany hiteraka.

Ambonin’ny zavatra rehetra, ny kristiana dia hiezaka hitana fieritreretana tsara eo anatrehan’i Jehovah sy ireo rahalahiny. Raha heveriny ho fomba tsy hiterahana ny fandidiana dia tokony hoheveriny foana ny mety ho vokatry ny safidiny eo amin’ny hafa. Na dia tsy miresaka loatra manodidina azy ny amin’ny fanapahan-keviny raha ny amin’ny fanaovana izay tsy hiterahana aza ny mpivady amin’ny ankapobeny, dia mety ihany ny hanontaniana tena hoe: Raha fantatry ny maro fa ninia nanao izay tsy hiterahana tamin’ny fandidiana ny lehilahy iray na ny vehivavy iray manambady, moa ve hanakorontan-tsaina mafy ny kongregasiona izany ary moa ve hitsahatra tsy hanaja azy izy (I Timoty 3:2, 12, 13)? Izany dia samy anton-javatra mety ny hieritreretana azy tsara, na dia amin’io lafin-javatra tena manokana io aza. Rehefa fakafakaina farany, dia tokony hiankina amin’ity fanambaran’i Paoly ity isika: “Amin’ny tompony [Jehovah] ihany no ijoroany na ahalavoany.” — Romana 14:4, 10-12.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo, ohatra, ny fizarana hoe “Fanontanian’ny mpamaky” ao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 15 jona 1975.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara