Sarobidy ny fisakaizanao, Andriamanitra ô!
Nataon’i Daniel Sydlik
TAO amin’ny toeram-piompiana iray any akaikin’i Belleville, Michigan (Etazonia) no nanomboka ny fiainako, tamin’ny febroary 1919. Vehivavy mpampivelona ihany no nanatrika ny nahaterahako, satria, tamin’ny naha-tena Polonezy azy, dia noheverin-dreniko fa tsy nilaina ny haha-teo ny mpitsabo iray. “Nahoana no ho any amin’ny hopitaly? Izaho tsy marary!”, hoy ny navaliny tamin’ny teny anglisy tsy hay tsara an’ireo izay nanontany azy hoe aiza izy no hiteraka.
Tsy mora akory ny fiainana tao amin’ny toeram-piompiana. Noho ny fanantenana ny hahita toe-piainana tsaratsara kokoa, dia nifindra nankany Detroit ny fianakaviako. Fotoana fohy taorian’izany, dia narary i Dada. Telo taona teo ho eo aho fony maty izy. Hatreo izy dia nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly fantatra amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.
Nanjary irery niaraka tamin’ny ankizy enina sy trosa be dia be i Neny tamin’izay. Nanohitra mafy foana ny fivavahana narahin’i Dada izy, nefa taorian’ny nahafatesany dia nitodika tany amin’ny Baiboly izy mba hahafantarana izay dia nahavariana azy ery tao. Rehefa afaka taona maro taty aoriana, dia mba tonga Vavolombelon’i Jehovah koa izy.
Taorian’ny nahafatesan’i Dada, dia nanomboka niasa tamin’ny naha-mpampandroso sakafo i Neny tamin’ny takariva; nandritra ny andro dia nikarakara tokantrano izy. Mandra-panambadiny fanindroany, taona vitsivitsy taty aoriana, no naharetan’izany. Tetsy andaniny koa, ny raikeliko dia afaka nampiaiky azy fa tsaratsara kokoa ny hitaizana ny ankizy any ambanivohitra toy izay any amin’ny kirihitra “béton” feno mponina mihoapampana.
Nividy toeram-piompiana iray 22 hektara àry izahay tany akaikin’i Caro (Michigan). Tamin’ny fahatongavanay, tamin’ny lohataonan’ny 1927, ny tanimboankazo sy ny tanimboly dia rakotry ny voninkazo izay nameno ny rivotra ny hanitra avy aminy. Tany dia nisy rano ho azonay ilomanosana, hazo ho azonay ianihana sy biby ho azonay ilalaovana. Fiainana mahafinaritra re izany, tsy azo ampitahaina mihitsy amin’ny tanàn-dehibe! Tsy ho mora toy izany anefa ny zavatra ho an’i Neny, satria tsy nanana rano fampiasa na herimbaratra izahay.
Lava sy mafy ny ririnina. Tany amin’ny efitrano manolotra ny tafontrano no natory izahay ankizy. Matetika ny orampanala no nitsofoka teny anelanelan’ireo kapila hazo tamin’ny tafo ka nandrakotra tanteraka ny farafaranay. Tamin’ny maraina dia tena fijaliana ny nampiditra ny patalohanay namanala ary indraindray aza nihenjana ara-bakiteny noho ny fanala. Tsy maintsy nanao ny raharaha tany an-tranon’omby izahay talohan’ny hisakafoana maraina. Rehefa avy eo, dia nandeha an-tongotra izahay, namakivaky ala, mba ho any an-tsekoly izay nikarakaran’ilay mpampianatra irery kilasy valo tao amin’ny efitrano iray ihany.
Ny niandohan’ny fiainako ara-panahy
Ny fitiavana amim-pahatsorana tsapan’i Neny ho an’Andriamanitra dia nanamarika be dia be anay. Matetika izy no nihiaka tamin’ny teny polone hoe: “Mbola nanome antsika andro mahafinaritra aoka izany indray Andriamanitra.” Rehefa nandre izany teny izany izahay, dia nandeha haingana nankany ivelany mba hijery izay nolazainy... ary tsy nahita afa-tsy ranonorana izahay. Tamin’i Neny, izay rehetra nety ho nitranga dia avy tamin’Andriamanitra tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa. Rehefa nisy ombilahikely iray teraka, rehefa nanatody ireo akoho na rehefa nilatsaka ny orampanala, dia noheveriny fa nandray anjara tamin’izany Andriamanitra. Raha ny marina, rehefa fakafakaina farany, dia noho izy tokoa no nahazoanay izany soa rehetra izany.
Noheverin’i Neny ho zava-dehibe tokoa ny vavaka; tsy maintsy natao izany rehefa hisakafo. “Mipelipeli-drambo ny alika rehefa omena sakafo, hoy izy taminay. Ho latsa-danja noho ny azy ireny ve ny fankasitrahantsika?” Tiany koa ny hanaovanay ny vavakay alohan’ny hatoriana. Koa satria tsy nisy taminay nahay ny Rainay Izay any an-danitra tamin’ny teny anglisy, dia nasainy nandohalika izahay ary namerina nanaraka azy ny tonon’io vavaka io tamin’ny teny polone. — Matio 6:9-13.
Izany rehetra izany dia nitranga taloha elan’ny nahatongavan’ny televiziona. Rehefa nifarana ny andro, dia tsy nisy nataonay intsony afa-tsy ny nandeha natory. Namporisika anay hamaky teny i Neny. Ny tenany koa aza mba namaky ny Baiboliny nananosarotra tamin’ny fahazavan’ny jiro solitany. Fa raha ny aminay, dia namaky boky azonay tamin’ireo minisitra mpitety faritany tao amin’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly, toy ny La Harpe de Dieu, Création sy Réconciliation izahay. Tamin’izany no nanombohanay namatotra fatoram-pisakaizana tamin’ny Mpamorona.
Teo am-piandohan’ireo taona telopolo, dia nisy Mpianatra ny Baiboly avy tany Saginaw, any Michigan, nitsidika anay mba hamporisika anay hitory. Nefa satria teo amin’ny manodidina tsy nisy antokom-pianarana ny Baiboly voalamina na kongregasiona, ny fiezahana nataonay tamin’io lafiny io dia tsy nitondra vokatra firy. Mbola niafina ny fandrosoanay ara-panahy tamin’ny ankapobeny.
Noho ny fahasahiranana tao anatin’ireo taona telopolo, dia voatery niala tao an-trano aho mba handeha hitady asa tany Detroit. Natao antoka be loatra ny toeram-piompiana ka naniry ny hanafaka ny fianakaviako tamin’izany andraikitra izany aho. Tamin’izany fotoana izany anefa dia nilahatra nankany Detroit ny olona rehetra. Olona an’arivony maro no nilahatra niandry tsy nisy farany. Ny sasany nijanona tany ivelany nandritra ny alina, nitakoko nanodidina afo kitay na arina mba hanandramana manafana tena kely mandra-pivohan’ny fanaovan-draharaha momba ny asa. Ny tenako dia mba sendra tafiditra tao amin’ny orinasa momba ny fiarakodia.
Fandrosoana amin’ny lafiny ara-panahy
Tamin’ny faran’ireo taona telopolo, raha mbola tany Long Beach, any Californie, aho, no ampy fahamafisana ny fahalianako tamin’ny zavatra ara-panahy mba hamokatra. Nisy nanome ahy fanasana ho amin’ny lahateny ampahibemaso. Tamin’io alahady io aho no nanatrika voalohany fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tany aho no nifankahalala tamin’i Olive sy William (Bill) Perkins, mpivady nafana fo izay nihevitra ho sarobidy tokoa ny fifandraisany tamin’i Jehovah.
Nampianatra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka ny anabavy Perkins. Tamim-pahakingana toy ny mpandidy manao ny asany no nampiasany ny Soratra masina. Apetrany eo amin’ny sandriny havia ny Baiboliny makadiry tamin’ny 1611, nolemany ny ankihiben-tanany havanana, ary dia nanidina isan’andininy ireo pejy. Samy nahagaga ny olona na ny fahakingany na izay nampianariny azy ireo ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanampy olona maro hahatakatra ny fikasan’i Jehovah io vehivavy kristiana io. Nisy vokany nampahery foana ny fiaraha-nitory taminy. Izany rahateo no nanosika ahy ho tonga mpitory maharitra (mpitory manontolo andro) tamin’ny septambra 1941.
Namporisika ahy be dia be koa ny anabavy Wilcox. Izy io dia vehivavy teo amin’ny 70 taona, lava sy mendrika amin’ny famindra, izay ny volo fotsiny dia natao bontana an-katoka tamim-pitandremana. Novitainy foana tamin’ny fanaovana satroka be sisina mahafinaritra ny fiakanjoany. Ny akanjony tsara didy hatreny an-kitrokely dia tena nampiavaka azy. Toy ny hoe nivoaka nivantana avy tamin’ireo taona 1880 izy. Niara-nitory tany amin’ireo faritany be mpivarotra tany Long Beach izahay.
Raha vantany vao nahita ny anabavy Wilcox ireo mpanao raharaham-barotra lehibe dia voasintona ny sainy. Tamin-kafanam-po niharo ahiahy no nanasan’izy ireo azy hiditra tao amin’ny biraony ary nanaraka azy aho. “Inona no ilainareo?” hoy ireo nanontany azy tamim-panajana tokoa. “Inona no azoko atao ho anareo?”
Tsy nisalasala na dia kely akory aza ny anabavy Wilcox tamin’ny fiteny anglisy fanaon’ny profesora: “Tonga eto aho mba hiresaka aminareo ny amin’ilay vehivavy janga tranainy voalaza ao amin’ny Apokalypsy, ilay mitaingina bibidia.” (Apokalypsy 17:1-5). Rehefa nandre izany ilay niresahana dia somary nitsamboatra sy nanetsiketsika ny sezany, niandry ny tohiny tamim-panahiana kely. Dia nanao filazalazana tsara ny fahataperan’izao fandehan-javatra izao izy. Saika nitovy foana ny vokany: nanaiky izay rehetra natolony azy ireo mpihaino azy. Isan’andro dia baoritra maromaro tamin’ny zavatra voasoratra no voazaranay. Fa raha ny amiko, ny anjara asako dia ny nandefa ny fonografy isaky ny nasainy nanao izany aho sy ny hiseho hatoky sy be herim-po araka izay azo atao rehefa niteny izy.
Fanendrena vaovao
Mahatsiaro ho mihetsi-po mafy foana aho rehefa mamoha valopy avy amin’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny 1942, dia voaraiko tamin’izany ny taratasy iray nampahafantatra ahy ny amin’ny fanendrena ahy ho mpitory maharitra manokana tany San Pedro, any Californie. Tany i Bill sy Mildred Taylor dia nandray ahy tao an-tranon’izy ireo. Nila fifehezan-tena mafy aho mba hitoriana irery tao amin’io tanàna io isan’andro. Nampifanatona ahy tamin’i Jehovah anefa izany, hany ka tena tsapako ny vokatry ny fisakaizana taminy. Taty aoriana dia nirahin’ny Fikambanana i Georgia sy Archie Boyd, niaraka tamin’ny zanany Donald sy Susan, mba hanampy ahy hanambara ny vaovao tsara tao amin’io faritany io. Nonina niaraka tamin’ny fananany rehetra tao amin’ny “caravane” iray tokony ho 5,50 metatra ny halavany, izy ireo.
Indro anefa fa tonga ny valopy hafa iray avy amin’ny Fikambanana! Narikoditra izahay rehefa namaky ny toerana vaovao nanendrena anay: Richmond, tany Californie, tany avaratr’i San Francisco indrindra. Tsy dia azo ninoana loatra fa hoe mety hahazaka ny dia ny fiarakodianay tonta sy ny “caravane” efa tranainy koa! Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nofehezinay ny entanay ka lasa izahay. Tahaka ny mpirenireny mandeha lavitra izahay. Matetika no voatery mijanona eny an-dalana izahay mba manamboatra, indraindray ny maotera, indraindray ny kodiarana vaky. Rehefa tonga tany Richmond izahay tamin’ny farany, dia avy be ny orana.
Tamin’izay fotoana izay, dia nirehitra ny Ady Lehibe Faharoa. Teo amin’ny toeram-panorenan-tsambon’ny orinasa Kaiser, dia nisy fanamboarana maromaro nitovy tamin’ny “Liberty Ships” (“sambon’ny fahafahana”). Ny asa nanirahana anay dia ny fitoriana tamin’ireo mpiasa izay nirohotra nankao amin’ilay faritra mba hiasa tao amin’ireny toeram-panorenana ireny. Nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny hariva be, dia niresaka ny amin’ny Fanjakana izahay, hany ka matetika no farim-peo tanteraka rehefa nody. Nanampy olona be dia be hianatra ny Baiboly izahay. Ireo olona niresahanay dia nalala-tanana sy tia nampiantrano vahiny ka nanome izay rehetra nilainay. Lehibe aoka izany ny fahalalahan-tanan’izy ireny, hany ka tsy voatery nitady asa tapak’andro tsy ara-pivavahana izahay.
Tany an-tranomaizina
Tamin’izany fotoana izany, dia nantsoina hanao raharaha miaramila daholo ny zazalahy rehetra. Ireo rahalahiko izay tsy Vavolombelona dia nilatsaka ka niasa tao amin’ny antokon’ny mpilatsaka amin’ny elobe sy ny miaramila mpanao manda. Fa raha ny amiko, dia nanao fangatahana ny hafahana aho tamin’ny fanazavana fa minisitra kristiana aho ary ny fieritreretako dia tsy nanome lalana ahy hanao ady. Na dia izany aza, dia tsy nety nanaiky ny naha-minisitra ahy ny Filan-kevitra mpandinika indray. Nosamborina aho, notsaraina, ary ny 17 jolay 1944 dia nomelohina hanao asa an-terivozona telo taona tao amin’ny tranomaizina federalin’i McNeil Island, any amin’ny Fanjakan’i Whashington. Tany dia takatro tokoa fa maharitra mandrakizay ny fisakaizana amin’i Jehovah. — Salamo 138:8, The Bible in Living English.
Nohidiana nandritra ny iray volana tao amin’ny tranomaizina tany Los Angeles aho, teo am-piandrasana ny fifindrako tany McNeil Island. Mbola tsaroako ihany ny fandraisako voalohany ny fiainana “carcérale”: mpigadra nikiakiaka niteny ratsy anay sy ireo mpiambina ny tranomaizina nampiditra anay; ireo mpiambina ny tranomaizina niantsoantso hoe “Tandremo ny varavarana!”; ny fidoboky ny varavarana mikatona amin’ny herimbaratra nisesy nihidy toy ny kotrokorana, lavidavitra aloha, avy eo dia nihananakaiky mandra-pihozongozon’ny fonja nisy ahy koa ka nikaratohany mafy. Tamin’izay fotoana izay dia nahazo ahy ny tahotra sy ny fahatsiarovana ho irery nampangovitra. Avy hatrany aho dia nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy ahy, ary saika niaraka tamin’izay dia nameno ahy ny fiadanana lalina sy mamy. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana io fotoana io.
Ny 16 aogositra, dia nasiana gadra ny tanako ary nogadraina niaraka tamin’ny mpigadra hafa aho. Antokom-polisy mitam-piadiana iray no niaraka taminay hatreny amin’ny fiarabe, namakivaky vahoaka maro be tany Los Angeles. Taorian’izany, dia nafindra nankany McNeil Island, niray dia ho any am-ponja izahay. Nameno fifaliana ahy izany fifatorana izany. Nampitovy ahy tamin’ireo apostolin’i Kristy izay nenjehina noho ny tsy fivadihany tokoa izany. — Asan’ny apostoly 12:6, 7; 21:33; Efesiana 6:20.
Rehefa niditra tao amin’ny tranomaizina tany McNeil Island aho, dia nanontany ahy toy izao ny mpiasa iray: “V. J. ve ianao?” Avy hatrany dia nanaitra ahy ny fanontaniany, satria vao voalohany aho no nandre ny fitenenana hoe V. J.”. Takatro avy hatrany anefa ny tiany holazaina, ka namaly hoe eny azy aho.
“Mankanesa eto” hoy izy tamiko. Akory ny hagagako rehefa nanontany koa an’ilay nanaraka ahy indrindra izy hoe: “Ary ianao, V. J. ve ianao?” Nanaiky avy hatrany ilay lehilahy.
“Mpandainga ratsy! hoy ilay mpanao raharaham-panjakana nikakakaka. Tsy fantatrao akory izay atao hoe V. J.! Fantatro taty aoriana fa mpanao heloka bevava mafy hatoka ratsy laza aoka izany io lehilahy io. Araka ny azonao novinanina, ny dikan’ny fanafohezan-teny hoe “V. J.” dia “Vavolombelon’i Jehovah”. Mazava ho azy fa tsy toy izany ilay lehilahy resahina.
Efa alina be tamin’izay ka nitari-dalana ahy tao anatin’ny haizina hatreo amin’ny fandriako ny mpiambina iray. Sarotra tamiko ny nieritreritra fa hoe tao anatin’ny tranomaizina federaly iray aho, tany amin’ny an-jato kilaometatra maromaro lavitra ny fianakaviako sy ny olom-pantatro rehetra. Mbola teo am-pieritreretana izany rehetra izany aho raha nahita aloka nisisika nitsapatsapa nanatona ahy. “Aza miteniteny!” hoy ilay lehilahy sady nipetraka teo anilako teo am-pandriana izy. “Rahalahy aho. Azoko an-tsaina fa tsy maintsy ho tonga tsy ho ela ny Vavolombelona iray.” Nampahafantatra ny tenany izy, ary nampahery ahy tamin’ny filazana tamiko fa nahazoan-dalana ny hanaovana fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tao an-tranomaizina ny alahady tolakandro. Koa satria ny fitsipika nandrara ny fandaozana ny fandrian’ny tena taorian’ny famonoana jiro, dia tsy nijanona ela izy. Nandritra ny fitsidihana fohy nataony anefa, dia tsapako fa naneho ny fisakaizany sarobidy tamiko tamin’ny alalan’ny mpanompony be fandavan-tena Jehovah.
Ny fotoana tsara indrindra tamin’ny fivahiniako tao an-tranomaizina dia nifanindry tamin’ireo fitsidihan’ny rahalahy A. Macmillan, izay tonga tsy tapaka avy any amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn. Tena “Barnabasy” izy io, lehilahy nahay namporisika tsy fahitako firy. Tamin’ny fandalovany, dia afaka nivory tao amin’ny efitrano fisakafoana izahay. Tao, dia nivory daholo ny Vavolombelona rehetra, ary mpigadra maro hafa koa no niaraka tamin’izy ireo mba hihaino. Mpandahateny tsy nanam-paharoa ny rahalahy Macmillan, ary faly nandre azy koa aza ireo mpiasa tao amin’ny tranomaizina.
Nozarainay ho faritany fitoriana ireo antokom-ponja sy ireo trano fandriana. Nambaranay tamim-pilaminana ny hafatra momba ilay Fanjakana, sahala amin’ny fomba nitorianay tany amin’ireo trano avo be talohan’ny nampidirana anay am-ponja. Niovaova sy sarotra novinanina ny fomba fandraisana anay. Nahita sofina nihaino ihany anefa izahay. Nisy mpanao “hold-up” sy mpigadra hafa nitodika tany amin’i Jehovah ka natao batisa. Nanao fanapahan-kevitra sahala amin’izany koa ny mpiambina maromaro. Samy antom-pifaliana ho ahy foana izany fahatsiarovana izany.
Fiolahana eo amin’ny fiainako
Tamin’ny fiandohan’ny taona 1946, rehefa nitsahatra ny ady, dia nafahana aho. Alao sary an-tsaina izay niandry ahy: valopy vaovao iray avy amin’ny Fandaminana! Voatendry ho mpitory maharitra manokana tany Hollywood, any Californie, any amin’ny fanjakan’ny nofinofy, aho. Tena zava-tsarotra tsy maintsy noresena izany. Ho moramora kokoa taminay angamba ny nivarotra vata fampangatsiahana tamin’ny “Esquimaux” toy izay hitarika ny olona hianatra ny Baiboly tao amin’io tanàna io. Kanefa, niadana nefa azo antoka, dia nisy ‘ondrin’ny Tompo’ niseho.
Tamin’ny “Fivoriambe niraisam-pirenen’ireo firenena falifaly”, izay natao tany Cleveland (Ohio) tamin’ny aogositra 1946, dia tafahaona izahay sy Milton Henschel, izay mpitantsoratr’i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watchtower, tamin’izany. Nampijanona ahy izy mba hanontany ahy hoe: “Ahoana ry Dan a, rahoviana ianao no ho any amin’ny Betela?” Nohazavaiko taminy fa nahafinaritra ahy aoka izany ny asan’ny mpitory maharitra. “Kanefa ilaina ianao ao amin’ny Betela”, hoy ny navaliny. Rehefa avy nifanakalo hevitra kelikely izahay dia tsy nahita fanaporofoan-kevitra intsony aho. Marina fa tiako Californie ary tsy naniry na dia kely akory aza ny handeha honina any New York aho. Nilaza anakampo toy izao anefa aho: ‘Raha tian’i Jehovah ho any Brooklyn ianao, ry Dan, dia ho any Brooklyn.’ Ary ny 20 aogositra 1946, dia nanomboka ny asako tao amin’ny Betela, tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah... eto Brooklyn, aho.
Nandritra ny taona maro, dia niasa tao amin’ny sampan-draharaha momba ny famonosam-boky aho, ka tao dia nanao asa isan-karazany nisedra ara-batana. Taty aoriana aho, dia voatendry ho any amin’ny sampan-draharaha momba ny fanaovana famandrihana, ka izany dia fiovana tanteraka. Taty aoriana aho dia nahita zava-tsarotra tamin’ny lafiny ara-tsaina tsy maintsy noresena koa: nanoratra fampisehoana an-tsehatra sy nandefa izany tao amin’ny onjam-peon’ny WBBR, dia ny foibe fandefasana radiaon’ny Fikambanana. Nandritra ny 20 taona aho, dia niasa tamin’ny fanoratana ary nanandrana nanatratra ny marika ambony nampiavaka an’io asa io. Tao anatin’izany fotoana izany aho dia voatendry ho anisan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York sy ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania; nandray anjara tamin’ny fandraisana ny feo tamin’ireo fampisehoana tantara ara-baiboly aho, nanao lahateny tamin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena sy ireo fivoriamben’ny distrika aho, ary nahazo tombontsoa maro hafa izay ho lava loatra raha hotanisaina eto.
Avy eo, tamin’ny novambra 1974, dia tonga ny valopy vaovao iray. Nirakitra fanendrena tsy hay nosaintsainina izy io, tsy nampoizina tanteraka. Nasaina ho tonga anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nihevitra aho fa tsy hahavita velively an’io adidy io, ary feno fankasitrahana tamim-panetren-tena. Eo amin’ny folo taona no lasa hatramin’izay, nefa tsy miova foana ny fihetseham-poko.
Araka ny fandehan’ireo taona, dia nianatra zavatra be dia be aho noho ny fifaneraserana tamin’olona be fandavan-tena sy tia fivavahana izay tia an’i Jehovah mihoatra noho ny ain’ny tenany. Ohatra, Rutherford mpitsara, izay tafahaona tamiko tao an-tranony tany San Diego, tany Californie. Nanana fifaliana koa aho niara-niasa tamin’ny goavana ara-panahy maro be hafa, dia “Hazon’ny fahamarinana” tahaka an’i Hugo Riemer, Nathan Knorr, Klaus Jensen, John Perry sy Bert Cumming. — Isaia 61:3.
Voninahitra lehibe koa ny nahitana ny fandaminan’i Jehovah nisy mpitory 50 000 tafakatra ho 3 tapitrisa eo ho eo maneran-tany. Faly indrindra aho nahita maso ireo fandrosoana vita tamin’ny lafin’ny fanontana sy nahatsapa fa amin’izao fotoana izao dia fanontam-pirinty am-polony maro tohanan’ny sampana 95 no mampiely ny vaovao tsara any amin’ny tany 203. Mendrika homarihina koa ireo fanamboarana sy fanovana notontosaina tamin’ny lafin’ny teknolojia sy ny “informatisation”. Rehefa heverina amin’izany rehetra izany, dia tsy afaka afa-tsy ny hiray feo amin’izao tenin’ny Filazantsara izao isika: “Avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika.” — Matio 21:42.
Feno heviny sy ampoky ny soa aoka izany ny fiainako, izany no kely indrindra azoko lazaina. Nisy aza fotoana nahitako fahafahana hanambady vehivavy kristiana nahafatifaty iray avy any Hebburn, any Angletera. Nino mafy aho fa i Marina vadiko dia mpanampy nirahin’Andriamanitra ho ahy. Marina tokoa ny teny ao amin’ny Ohabolana 19:14 izay amakiantsika toy izao: “Trano sy harena no lova avy amin’ny ray; fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah.”
Nandritra ny androm-piainako rehetra, dia tsapako foana fa nanohana sy niaro ahy ny hery tsy mety diso avy amin’ny fisakaizan’i Jehovah. Tamin’ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra, tamin’ny fieritreretana ny heviny sy tamin’ny fikatsahana fahalalana sy fahazavan-tsaina no namenoako ny fiainako tamin’ny harena sy fahafahampo ara-panahy. Afa-tsy izany koa, amin’izao fotoana izao aza dia safononoky ny fifaliana tsy hita lany aho rehefa mamaky ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny vahoaka nataony fananany. Manantena an’i Jehovah Ny fanahintsika; izy no famonjena antsika sy ampingantsika. Entanin-kafaliana ao aminy ny fontsika satria matoky ny anarany masina isika. Enga anie ho aminay ny fisakaizanao, Jehovah ô, fa ao aminao ny fanantenanay.” — Salamo 33:12, 20-22, The Bible in Living English.
[Sary, pejy 22]
Nanan-kery tsara dia tsara teo amiko i Olive Perkins.
[Sary, pejy 23]
Niaraka tamiko ny fianakaviana Boyd mba hitory tany San Pedro, any Californie.
[Sary, pejy 24]
Sasantsasany tamin’ireo voatana taloha tany amin’ny tranomaizin’i McNeil Island, tafavory tamin’ny 1946 tany Cleveland tamin’ny “Fivoriamben’ireo firenena falifaly”.
[Sary, pejy 25]
Indray alahady maraina, tao amin’ny toerana fakana feo an’ny WBBR.