FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/5 p. 22-26
  • Nomba anay foana ny tanan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nomba anay foana ny tanan’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisafidy aho
  • Ireo fisehoan-javatra teokratika lehibe
  • Nosedraina ny finoako
  • Ny fiainana tany an-tranomaizina
  • Ny asa tao amin’ny Betela
  • Porofo fa miasa ny fanahin’Andriamanitra
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Sambatra sy Miadana Satria Natao Loha Laharana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Lova Kristiana Tsy Fahita Firy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nampianatra Anay ho Tia An’Andriamanitra ny Ray Aman-dreninay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/5 p. 22-26

Nomba anay foana ny tanan’i Jehovah

Nataon’i Simon Kraker

“DADA a, asa inona no tianao hataoko?

— Fantatrao, ry Simon, fa anjaranao ny mieritreritra tsara izany, satria tsy afaka manao fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranao aho.

— Marina izany, ry Dada, kanefa efa nahita fanandraman-javatra be lavitra noho izaho ianao!

— Mety ho marina izany, ry Simon. Jereo fa raharaha maro no mivelatra eo anoloanao, ary samy mety ho toa manintona anao izany rehetra izany. Manandrama anefa mifidy izay hahasambatra anao indrindra.

— Eny àry, ry Dada. Misalasala aho ny hifidy amin’ny raharahan’ny mpitendry zava-maneno, mpandihy, mpampiseho hakingana, mpitsabo sy pretra. Amin’izany rehetra izany, dia misy zavatra mahafinaritra ahy.”

Fisafidiana inona no ho nataonao teo amin’ny toerako? Tao amin’ny lalana inona no ho nidiranao. Teo am-piandohan’ireo taona roapolo, ny fiovana nitranga teo anivon’ny fianakaviako dia nisy heriny be dia be teo amin’ny fifidianako ny ho asa hataoko. Avelao aho hitantara izay nitranga aminareo.

Ny ray aman-dreniko, Joseph sy Marie, dia samy teraka tany Autriche, kanefa tany Etazonia izy ireo no nihaona sy nivady. Talohan’ny hifindrana ho any Etazonia, dia nandeha lavitra nitety an’i Eoropa manontolo i Dada tamin’ny naha-mpitsoka trompetra nanao izany ho anton-draharaha. Koa nataony izay hahatonga ny tsirairay avy tamin’ireo zanany valo, tsy hoe hahay fianarana tany an-tsekoly fotsiny, fa hanana fahalalana ara-mozika sasany koa. Ny tenako manokana dia nitendry “violon” tamin’ny orikesitry ny fianakaviana.

Noho izy ireo katolika, dia tian’i Dada sy Neny ny hahazoan’ny tsirairay avy taminay fanabeazana ara-pivavahana tsara. Tsaroako ilay Baiboly katolika nanananay tao an-trano. Baiboly lehibe tamin’ny teny alemana tranainy izy io ka nisy vokovoko volamena teo amin’ny fonony matevina. Ampy fahalalana izany aho mba hiheverana azy ho zava-dehibe sy ho Tenin’Andriamanitra.

Teo am-piandohan’ireo taona roapolo, dia nisy mpikambana tao amin’ny fivavahana hafa iray nizara maimaimpoana taratasy mivalona momba ny Baiboly teo anoloan’ny eglizinay an’ny Trinite Masina tany Cleveland, any Ohio. Nitondra vitsivitsy tamin’izany ho any an-trano daholo izahay mba hampitahana azy tamin’ny Baibolinay. Ny namoaka izany dia ny Mpianatra ny Baiboly, anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Ny anankiray tamin’ireo taratasy mivalona dia niresaka ny amin’ny toetry ny maty ka tadidiko indrindra izany, satria nampahery tokoa an’i Neny. Namoy zanakalahy roa mbola kely dia kely tokoa izy. Ilay taratasy mivalona anefa dia nahatonga azy ho afaka hahatakatra fa tsy velona tany amin’ny limby izy ireo na nijaly tao amin’ny afo fandiovana na ny afobe. Raha ny marina, dia tsy nahatsiaro tena tao am-pasana izy ireo, eo am-piandrasana ny fananganana ny maty (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:24, 25). Endrey izany fahamaivamaivanana ho an’i Neny sy ny tsirairay avy taminay!

Nisafidy aho

Nisy Mpianatra ny Baiboly niteny alemana (Bibleforscher) nitsidika anay ary nanampy anay hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Arakaraka ny nandrosoanay tamin’ny fahalalana ny Soratra Masina, dia niendaka tamin’ny Eglizinay izahay. Nametraka zava-manahirana nahasakodiavatra ahy izany. Nomena fanampin’anarana hoe Simon tokoa aho tamin’ny nahaterahako, Pierre rehefa natao batemy ary Joseph tamin’ny konfirmasiona. Ambonin’izany, dia tonga ankizy mpihira aho; nahay nanao vavaka sy nandroso lamesa tamin’ny teny latina aho ary nanao raharaha samihafa teo anivon’ny Eglizy. Naneho faniriana ny hahatongavako ho pretra ireo ray aman-dreniko ary ny tenako manokana dia tapa-kevitra ny handray anjara lehibe kokoa amin’ny fiainana ara-pivavahana.

Niha-tsy nanintona ahy hatrany anefa ireo raharaha nonofinofisiko teo aloha. Tsy nisy firesahana intsony ho ahy ny amin’ny hahafantarana ny fomba hampialako voly ny olona, hahatongavana ho mpanao fanatanjahan-tena malaza na hanao asa fitsaboana; ny nahaliana ahy izao dia ny hahafantarana ny fomba mety hanampiako ara-panahy ny mpiara-belona amiko. Ary tsy nikasa intsony ny hanao izany tamin’ny naha-pretra katolika aho.

Tapa-kevitra ireo ray aman-dreniko fa hihevitra amim-paharisihana kokoa ny ‘vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra’ nambaran’ny Mpianatra ny Baiboly, ary nanao toy izany koa ny tenako (Matio 24:14, MN). Tamin’ny 1924, dia nanomboka nitory ny vaovao tsara isan-trano i Dada sy Neny, ka niaraka tamin’izy ireo aho. Roa taona taty aoriana, rehefa 12 taona aho, dia tsapan’i Dada fa afaka nitory irery aho. Nomeny ahy àry ny Baiboly fanao am-paosy iray izay hilaiko amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Talohan’ny nahavitako ny fianarako mihitsy aza, tamin’ny 1929, dia tapa-kevitra aho ny hanolotra ny fiainako ho an’Andriamanitra.

Ireo fisehoan-javatra teokratika lehibe

Rehefa eritreretiko ireo enimpolo taona mahery lasa hatramin’ny nanombohan’ny fianakaviako nandray anjara tamin’ny fitoriana, dia tsapako fa nandia fisehoan-javatra lehibe maro teo amin’ny fandrosoan’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra izahay. Ohatra, tamin’ny 1925, Ny Tilikambo Fiambenana dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Fahaterahan’ilay firenena”. Faly aho nahafantatra fa Jehovah dia teo am-panangonana avy amin’ny firenena rehetra, olona tso-po, mba hanaovana azy ho olony. Nanaitra ny saiko aoka izany io fanazavana araka ny Baiboly io. Nahoana? Satria ny olona tao amin’ny faritaniko dia nitompo teny fantatra aoka izany ny amin’ny Jiosy sy ny Mainty hoditra. Ny firenen’Andriamanitra kosa anefa dia tsy mba voataonan’ny anton-javatra mampisaratsaraka toy ny fanavakavaham-pirazanana, ny politika, ny varotra, ny fiankinana amin’ny tafika sy ny fitokotokoana (Asan’ny apostoly 10:34, 35). Nampientana ny foko aoka izany ny famakiana ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-66 sy ny fahitana ny fahatanterahan’izany amin’ny andro ahavelomako!

Tamin’ny 1928, ny fivoriambe tany Detroit, any Michigan, dia fisehoan-javatra teokratika lehibe iray teo amin’ny tantaran’ny fianakavianay, ary izany dia noho ny antony anankiroa. Tetsy andaniny, dia satria izany no fivoriambe voalohany natrehin’ireo ray aman-dreniko. Ary tetsy ankilany, dia satria izahay ankizy dia voamarika lalina tamin’ny hafanam-po safononoka sy ny faniriana hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa izay nanetsika azy ireo rehefa niverina tao an-trano izy. — Romana 12:11.

Avy eo, tamin’ny 1931, ny fandaminan’Andriamanitra dia nanambara vaovao nampihetsi-po anay: hanana anarana vaovao izahay hatramin’izao, dia ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Endrey izany tombontsoa tsy manam-paharoa mitondra ny anaran’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona sy eo anatrehan’ny anjely! — Isaia 43:10-12.

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny taona 1935, taona nampahafantarana mazava ny “ondry hafa” sy ny “olona betsaka”. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9.) Izany dia nanampy olona maro, ny tenako ankoatra ny hafa rehetra, hanao dingana lehibe iray tamin’ny filatsahana hatao batisa. Fony aho vao nahalala ny fahamarinana, dia tsy nosoritana firy ny amin’ny batisa. Kanefa noho izaho efa nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah, dia takatro fa tokony hatao batisa aho ho mariky ny fanolorana ny tenako ho an’Andriamanitra.

Ny taona 1938 dia taonan’ny fandaminana teokratika indray. Talohan’io daty io, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Cleveland dia nivory daholo tao amin’ny “Engineer’s Auditorium”. Ny nampiasa io efitrano io indrindra dia ireo Vavolombelona niteny alemana, polonezy sy anglisy. Taorian’ny 1938, ny fandaminan’Andriamanitra dia nanao fandaharana mba hanorenana kongregasiona tao amin’ny faritany maromaro tao an-tanàna. Notendrena ho mpikarakara tao amin’ny kongregasiona i Dada sy ny sasany tamin’ireo rahalahiko. Notendrena hikarakara ny gazety ny tenako.

Tamin’ny 1939, ny fisehoan-javatra ara-tantara hafa iray dia nanamafy ny fitokisako an’i Jehovah sy ny fandaminany hita maso. Raha mbola nanakaiky ny ady, Ny Tilikambo Fiambenana dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Fialanalanana”. Tamin’ny famakiana azy io, dia takatro fa ireo mpanompon’Andriamanitra dia tokony hihavana amin’ny rehetra, na dia nandrahona aza ny ady. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho izany, satria izany nanomana ahy ho amin’ireo fotoan-tsarotra ho hitako.

Tamin’io taona io ihany, dia nankany New York voalohany aho. Tany, dia reko ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, Joseph Rutherford, nanao lahateny tao amin’ny Madison Square Garden. Ireo fahavalonay ara-pivavahana, izay teo amin’ny 500, dia nanandrana nanapaka ny fivoriana tamin’ny siaka nandritra ny lahatenin’ny rahalahy Rutherford. Naharitra hatramin’ny farany io, ary nisaotra azy tamin’ny tehaka nirefodrefotra ny mpanatrika.

Raha nisy fivoriambe mamin’ny foko sy namela soritra ato an-tsaiko, dia tena ny fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1942, izay natao tao amin’ny tanàna nisy ahy, tao Cleveland. Ny lahateny ampahibemaso nanaovana fampahafantarana ny besinimaro aoka izany dia nitondra ny lohateny hoe: “Haharitra ve ny fiadanana ho avy?” Izany dia nampiseho tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa tsy ho afaka hanorina fiadanana maharitra mihitsy ny olombelona.

Nosedraina ny finoako

Tamin’izany fotoana izany no nisedrana ny finoako momba ny raharaha ny amin’ny fialanalanana. Niasa tao amin’ny fikambanana momba ny fiarakodia General Motors aho ary nitantana ny sampan-draharaha momba ny kanonkanona sy ny sila-javatra fanambatra. Nomen-dalana aho hiasa tapa-potoana, ka izany dia namela ahy hanome ny toerana voalohany ho an’ny raharahako ara-pivavahana. Nirehitra mafy anefa ny ady ary nandray anjara tamin’izany izao i Etazonia. Inona àry no hataoko: handray anjara amin’ny ady sa hanandrana hitady fanafahana amin’ny raharaha miaramila noho ny asako tsy ara-pivavahana? Raha ny marina, dia tsy nipetraka ny zava-nanahirana. Minisitra voatokana aho ary tamin’ny naha-izany ahy dia nanana zo aho ny hafahana tamin’ny raharaha miaramila. Tsy nety nanome fanafahana ahy anefa ny filan-kevi-pandinihana indray.

“Ho afaka hanao ny asan’ny minisitra ao amin’ny tafika ianao”, hoy ny fanipazan-kevitra natao tamiko. “Tsia, hoy ny navaliko, tsy mamela ahy hanao izany ny fieritreretako. Minisitry ny Filazantsara aho alohan’ny zavatra rehetra ary manokan-tena tanteraka amin’io asa nanirahana io.”

“Ho afaka hanao izany koa anefa ianao ao amin’ny tafika.

— Tsia, hoy aho namaly, tsy afaka manompo ny mpiara-belona amiko afa-tsy amin’ny fitondrana ho azy ireo ny “vaovao tsara” voarakitra ao amin’ny Baiboly aho.”

Nodinihina hatrany ambony ny amiko. Rehefa niseho teo anatrehan’ny fitsarana federaly aho, dia nanao fanamarihana fa nandositra avy tany Autriche mba ho atỳ Etazonia ny raiko satria indrindra ny finoany mafy tsy namela azy hitam-piadiana sy handray anjara amin’ny fiainan’ny tafika.

“Tsy hila ny hiady anefa ianao, ry tovolahy, hoy ny mpitsara tamiko. Noho ny fiainanao teo aloha sy ny fiofanana azonao, dia ho mpikarakara ara-pivavahana ao amin’ny tafika tsara dia tsara ianao.

— Tompokolahy Hajaina, ahoana no hahafahako hanaiky izany? Raha tsy mamela ahy hitam-piadiana ny fieritreretako, ahoana no hahafahako hamporisika ny hafa hanao izany?”

Ny fiainana tany an-tranomaizina

Na dia afaka nanaporofo tamin’ny fomba niharihary ny toerako amin’ny maha-minisitry ny Filazantsara aza aho, tamin’ny fararanon’ny 1943 aho dia nomelohina hanala sazy am-ponja dimy taona tao amin’ny tranomaizina federalin’i Lewisbourg (Pennsylvanie). Tsy izaho irery anefa no vavolombelona tany Lewisbourg, satria nisy rahalahy tokony ho dimampolo tany. Ary rehefa nafahana aho, dia teo amin’ny 200 izy ireo.

Nitatra teo amin’ny velarana 400 hektara ny tranomaizina. Izy io dia nahafaoka ireo trano nisy ny mpanao heloka bevava nampidi-doza indrindra, toeram-piompiana sy fambolena natokana ho an’ireo voatana nitokisana ary vohitra nonenan’ny tale, ireo mpiambina sy ny mpiasa hafa. Matetika ny Vavolombelona no nampiasaina tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena. Ny anjara asako dia ny nitondra sy namerina ireo mpigadra niasa tao.

Tamin’ny fahatongavako tao an-tranomaizina, dia tsy nahazoan-dalana ny fivorianay sy ny bokinay. Na dia izany aza, dia voarainay tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana. Ahoana no netezan’izany? Nisy mpitsidika namakivaky ny faritra be hazo tamin’ilay tany hatrany amin’ny vohitra sy ireo trano amin’ny tranomaizina, nanipy mangingina ireo gazety tao amin’ny kitapo taratasy iray nanaraka ny lalana. Ny rahalahy hafa iray na ny tenako dia lasa nitsimpona ny kitapo, avy eo dia nozarainay tamin’ireo namanay ny tao anatiny. Noho ny hatsaram-panahin’ny anankiray tamin’ireo mpiambina ny vohitra, dia afaka nahazo boky koa izahay. Zatra ny namela gazety tonta teo amin’ny paosin-trano fidirana ao am-baravarana izy. Rehefa tokony hanangona izany izahay, dia matetika no nahita sasany tamin’ireo gazetintsika tao amin’ny antontany. Taty aoriana dia navelan’ny tale hanao fivoriana tsy tapaka sy hahazo ireo bokinay momba ny Baiboly izahay.

Indray andro, rehefa avy nametraka tamin’ny kamiao ny antoko-mpiasa iray tao amin’ny zaridainan’ny tale aho, dia natahotra aoka izany. Nafeniko tao ambany akanjoko ny bokin’ny Fikambanana iray nitondra ny lohateny hoe “Hanafaka anareo ny fahamarinana”. Raha mbola variana nandrantsana ny hazokely sy nanapaka bozaka ireo mpigadra, dia nipetraka tao amin’ny kamiao aho ary tamim-pitandremana dia nandray ilay boky. Toy inona ny fahatairana mafy rehefa nitranga tampoka tao an-damosiko ny zanakavavikelin’ny tale tamin’ny fiantsoana hoe: “Oay! Inona io vakinao io?”

Koa satria tratrany nitana an’io boky tokony ho navelako tao am-ponjako io aho, dia naleoko niaiky taminy fa boky fianarana Baiboly io. Nanjary liana ta-hahafanta-javatra kokoa ihany izy rehefa nasehoko azy ny anankiray tamin’ireo sary tao amin’ilay boky. Hita tao ny lehilahy iray miondrika, misahirana manala ny fatorana tamin’ny tongony. “Olona be dia be no sahala amin’izany, hoy aho nanazava taminy. Gadrain’ny fampianaran-diso izy ireny ary tian’i Jesosy ny hanafaka azy satria izao no nambarany: ‘Hanafaka anareo ny fahamarinana.’” — Jaona 8:32, King James Version.

Ny ampitso, dia hoy ny renin’ilay ankizy tamiko: “Simon a, notantarain’ny zanako vavy tamiko ny resaka nifanaovanao taminy momba ny Baiboly sy ilay boky nasehonao azy. Nanaitra ny sainy tokoa izany ary izaho koa moa.” Sendra mba tsy nisy vokany nanahirana io fisehoan-javatra tsy nampoizina io.

Tsy vitako akory aza ny antsasaky ny saziko tany an-tranomaizina. Rehefa afaka aho tamin’ny 1946, avy hatrany dia nandray ny laharan’ny mpanompo manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra aho.

Ny asa tao amin’ny Betela

Ny “Fivoriambe teokratikan’ireo firenena falifaly” natao tamin’ny 1946 tany Cleveland dia nanamarika dingana lehibe hafa iray teo amin’ny fiainako. Tamin’io fivoriambe io aho no nameno fangatahana hiditra ao amin’ny Betela mba hiasa manontolo andro ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watchtower, any Brooklyn.

Ny solontenan’ny Fikambanana roa, ny rahalahy Milton Henschel sy ny rahalahy Robert Morgan, dia nanome fanazavana fohy vitsivitsy momba ny asan’ny Betela aloha, avy eo dia niresaka tamin’ireo izay tonga teo izy. Nanatona azy ireo tamim-pisalasalana aho. Kanefa rehefa natao ny resaka, dia hitako ho tsara fanahy sy tsotra tokoa izy ireo.

“Nahoana no maniry ho ao amin’ny Betela ianao?”, hoy ny fanontanian’ny anankiray taminy.

“Manao izay rehetra azoko atao aho mba hiasana ho an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitra, hoy ny navaliko, kanefa mino mafy aho fa hanao bebe kokoa raha ao amin’ny Betela.”

“Raha mankao amin’ny Betela ianao, dia azo antoka fa hanao bebe kokoa”, hoy ilay rahalahy hafa.

Marina ny teniny. Hatramin’ny andro nahatongavako tao amin’ny Betela, ny 18 febroary 1947, dia tsapako fa nahaliana sy nampitombo fahalalana indrindra io asa io. Misaotra mandrakariva an’i Jehovah aho noho ny nitarihany ahy ho amin’io tombontsoam-panompoana mahasoa tokoa io. — II Tesaloniana 3:5.

Porofo fa miasa ny fanahin’Andriamanitra

Rehefa avy nijanona ho mpitovo hatreo amin’ny faha-45 taonako aho mba hiasa tsara kokoa ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana, dia nahita teto amin’ny Betelan’i Brooklyn, “vehivavy mahay”, dia ny tenan’i Grace Suiter (Ohabolana 31:10, MN). Nandao an’i Midwest izy tamin’ny 1939 mba ho tonga hiasa tao amin’ny Betela, na dia tany Californie aza izy sy ny fianakaviany no nahalala ny fahamarinanaa. Hatramin’ny fampakaram-badinay tamin’ny 1959, ny fiaikenay lalina dia hoe momba an’ireo izay tia azy sy manompo azy amim-pahatokiana ny tanan’i Jehovah.

Manan-javatra maro iombonana izaho sy ny vady malalako. Samy teraka tamin’ny 1914 izahay; ireo fianakavianay dia nitady ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ary samy nanomboka nandray anjara tamin’ny fitoriana isam-baravarana niaraka tamin’ireo ray aman-dreninay teo amin’ny faha-12 taonanay izahay. Afa-tsy izany koa, amin’ny maha-mpivady miasa ato amin’ny Betela anay, dia manana fifaliana izahay manaraka akaiky ny fanombohan-draharaha amim-pahasahiana nidiran’ny fandaminan’Andriamanitra mba hampandrosoana ny asa fanaovana fanambarana “hatramin’ny faran’ny tany”. — Asan’ny apostoly 1:8.

Nanenina ve izahay satria nipetraka teo ambany tanan’i Jehovah? Azo antoka fa tsy mihevitra toy izany i Grace! “Tsy nitondra harena ara-nofo ho anay ny asanay teto amin’ny Betela, hoy ny fanazavany, kanefa nanangona harena maharitra lavitra izahay. Na dia tsy niteraka aza izahay, dia tsy azo lavina fa manana zanakalahy sy zanakavavy ara-panahy maro be.”

Ny tenako koa dia tsy manenina. Nanao fisafidianana tsara izahay tamin’ny fanapahan-kevitra ny hidera an’i Jehovah manontolo andro. Nanana fiainana ampoky ny soa izahay, niaraka tamin’ny zava-kendrena mendri-kaja indrindra satria nipetraka ‘teo ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra’. — I Petera 5:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 septambra 1983 dia nirakitra fitantarana ny fiainan’ny anadahiny efa maty izao, dia Grant Suiter, sy ny fianakaviany.

[Sary, pejy 23]

Ireo ray aman-dreniko, Joseph sy Marie.

[Sary, pejy 25]

Simon sy Grace vadiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara