Ny fivavahanao: Ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ve izy io?
“ANDRIAMANITRA tsy tompon’ny fikotranana [fikorontanana, MN ], fa tompon’ny fiadanana.” (I Korintiana 14:33). Azo antoka fa tsy mety hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra daholo akory ny fivavahana maro mampianatra fampianarana mifanipaka toy izany. Noho izany, dia anankiray monja aminy no tokony hahafeno ireo fepetra takina amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Fa ahoana no mety hahitana an’io fivavahana io izay hany ankasitrahan’Andriamanitra tokoa?
Be dia be no tsy isalasalana fa mieritreritra hoe ny fikarohana izany dia ho toy ny fitadiavana fanjaitra iray ao anaty antonta-mololo. Ho raharaha manorisory anefa ny fanasivanana antonta-mololo iray manontolo! Ho azo atao anefa ny hampiasa fomba tsotra kokoa: ampy ny mampiasa andriamby mahery iray mba hisintonana ilay fanjaitra vita amin’ny metaly ka hamoahana azy avy ao anaty mololo. Toy izany koa, azo atao ny mampiasa ny Baiboly ho toy ny andriamby mba hanavahana ny fahamarinana amin’ny fahadisoan-kevitra. Fa ahoana no fomba amelan’ny Baiboly hanao izany rehetra izany? Amin’ny filazalazana ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.
Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (II Timoty 3:16, 17). Tsy maintsy tokony hanana fahalalana marina ny Baiboly àry isika raha tiantsika ny hanalavitra ny fandriky ny fitarihana ny fanompoam-pivavahantsika ho amin’ny fanao tsy manahirana antsika ihany na azoazontsika.
Afa-tsy izany koa, dia nanambara toy izao Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra: “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24). Ahoana no azo ‘ivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? Amin’ny fanarahana ireo toromarika marina nampanoratin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly Masina.
Maneho fitiavana ny tena mpivavaka
Raha ny Tenin’Andriamanitra no ifikirana, inona no azo antenaina avy amin’ny fanompoam-pivavahana marina? Omena antsika amin’ny teny telo ny foto-javatra iray amin’ny valiny: “Andriamanitra dia fitiavana.” (I Jaona 4:16). Ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra àry dia tokony hiorina amin’ny tena fitiavana.
Inona no dikan’izany raha ny marina? Fa ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra dia tsy mety mampipoitra na miteraka fankahalana ao am-pon’ireo mpanaraka azy. Hita ao amin’ny Baiboly tokoa izao didy tsotra dia tsotra izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny mpivavaka marina dia tokony hihataka foana amin’ny fankahalana, ny fitompoan-teny fantatra sy ny adin’izao tontolo izao, tsy hianatra ady intsony ary hitady fihavanana. — Isaia 2:2-4.
Aoka hohazavaintsika amin’ny alalan’ny ohatra ny resatsika: Raha Frantsay ny apostoly Paoly ary Alemana ny apostoly Petera, ho hainao ve ny haka sary an-tsaina ny iray hitady hamono ny anankiray satria fotsiny niady ireo fireneny avy? Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa anefa, ny ankamaroan’ireo Fiangonana dia nanohana ny fiezahana hiady tao amin’ny taniny ka nanendry mihitsy mpikarakara ara-pivavahana ho any an-tafika! Tao amin’ny andaniny sy ny ankilany, ireo mpitondra fivavahana “kristiana” dia samy nivavaka tamin’ny Andriamanitra iray ihany mba hangataka aminy hanome fandresena ny fireneny. Nefa voazarazara ve Andriamanitra? Azo atao ve ny manery azy ho voan’ny “aretin-jaza”, ny “kitrotron’ny olombelona”, dia ny fanindrahindram-pirenena, raha raisina ny teny nampiasain’i Albert Einstein? Miharihary fa tsy izany! Noho izany antony izany, ireo izay manolotra ho azy ny fanompoam-pivavahana tena ankasitrahany tokoa dia tokony hialanalana hatrany sy haneho fitiavana marina (Jaona 13:34, 35; 17:16). ‘Tsy miady araka ny nofo’ izy ireny. — Jereo II Korintiana 10:3, 4.
Manandratra ny anaran’Andriamanitra ny fivavahana marina
Nanonona toetoetra iray hafa koa mampiavaka ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra ny apostoly Paoly rehefa nilaza fa na dia be dia be aza no antsoina hoe andriamanitra sy tompo, ny mpivavaka marina kosa dia tsy manaiky afa-tsy “Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray”. (I Korintiana 8:5, 6.) Tsy isalasalana fa ireo izay ankasitrahan’Andriamanitra àry dia tokony hahalala sy hampiasa ny anarany.
Ao amin’ny sorany tamin’ny voalohany dia tononin’ny Baiboly indrindra in-7 000 mahery ny anaran’Andriamanitra. Ohatra, izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 83:18: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Nahoana àry ireo mpiangona ao amin’ny fivavahana be dia be no mivavaka amin’ny Andriamanitra iray tsy manana anarana? Ary nahoana ny fandikan-tenin’ny Baibolin’izy ireo no manaisotra ny anaran’Andriamanitra? Azo antoka fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany, satria nivavaka taminy tamin’izao teny izao i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.
Ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra
Moa ve misy antoko ara-pivavahana iraisam-pirenena mahafeno ireo fepetra roa tena lehibe takina amin’ny fanompoam-pivavahana vao noresahintsika teo? Azo atao ve ny mahita fivavahana iray tena mampiseho ny fitiavana nampianarin’i Kristy? Ary raha izany no izy, moa ve ireo mpanaraka azy tena mankalaza tokoa an’Andriamanitra sy manome voninahitra ny anarany amin’izao taonjato faha-20 izao.
Hamarinin’ny zava-mitranga fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitana ny fialanalanany eo anoloan’ireo ady ifanaovan’ireo firenena. Niteraka fijaliana maro ho azy ireny tokoa izany tany amin’ireo toby fitanana sy tany amin’ireo tranomaizina. Naleon’izy ireny anefa nanaraka ny dian’ny kristiana voalohany tamin’ny fahatongavana ho maritiora fa tsy handika ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Nandray izany toerana izany izy ireo noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namany. Io fitiavana io anefa dia mahaforona anankiray amin’ireo marika mampiavaka ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.
Olona maro no nahamarika ny fihetsika tsara dia tsara narahin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io lafiny io. Ohatra, taona vitsivitsy lasa izay, ny mpampanonta ny gazety iray any Amerika atsimo dia nanoratra fa “mandà tsy hanompo ao amin’ny herin’ny tafika ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fieritreretana”. Nitohy toy izao ny lahatsoratra nataony: ‘Na dia ny Vavolombelona tanora aza dia mahafantatra fa rehefa ho feno valo ambin’ny folo taona izy dia tsy maintsy manala sazy maharitra any an-tranomaizina noho ny fialanalanany. Ekeny ho anisan’ny finoany izany. Malemy fanahy sy tia fihavanana izy ireny.’
Etsy andaniny koa, ahoana ny amin’ny fepetra hafa iray takina amin’ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra? Eny, iza no manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah? Miharihary fa ny Vavolombelon’i Jehovah no hany manao izany, na amin’ny fitondrantenany na amin’ny fitoriany, ary izany dia maneran-tany. — Romana 10:13-15.
Nahoana no tsy mangataka fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ao amin’ny tabilao miaraka amin’ity lahatsoratra ity, dia ho hitanao ny lisitry ny sasany amin’ireo zavatra inoany, mbamin’ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina manamarina izany. Tsarao amin’ny fahazavan’ireto fanontaniana tsotra dia tsotra ireto ny fomba fivavahany amin’Andriamanitra: Moa ve izany mifanitsy amin’ny fitsipi-pahamarinana hita ao amin’ny Baiboly? Moa ve izany mitarika azy ireny haneho fitiavana, dia io vokatra mampiseho fihavanana tokony hateraky ny fivavahana marina io indrindra? Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra ve izy io? Raha tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra ianao fa tena manao izany rehetra izany tokoa izy, dia ho nahita ny fivavahana tena ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ianao.
[Efajoro, pejy 6]
ZAVATRA INOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH
ZAVATRA INOANA POROFO ARAKA NY BAIBOLY
Jehovah no anaran’Andriamanitra Eksodosy 6:3; Salamo 83:18
Tenin’Andriamanitra ny Baiboly Jaona 17:17;
Zanak’Andriamanitra Kristy Matio 3:16, 17; Jaona 14:28
Tsy nivoatra miandalana Genesisy 1:27; 2:7
ny olombelona fa noforonina
Maty noho ny fahotan’i Adama Romana 5:12
ny olombelona
Tsy mbola velona ihany Mpitoriteny 9:5, 10;
ny fanahy aorian’ny fahafatesana Ezekiela 18:4
Ny fiainan-tsy hita na afobe Joba 14:13;
dia ny fasana iombonan’ny olona Apokalypsy 20:13, Glaire
Ny fananganana no fanantenan’ny Jaona 5:28, 29; 11:25;
Nanome ny ainy ho avotra ho Matio 20:28; I Petera 2:24;
an’ny olona mankatò Kristy I Jaona 2:1, 2
Rarana ny fampiasana sary Eksodosy 20:4-6;
amin’ny fanompoam-pivavahana I Korintiana 10:14
Ilaina ny hitandreman-tena Deoteronomia 18:10-12;
amin’ny fanaovana spiritisma Galatiana 5:19-21
Tsy azo atao ny mampiditra ra Genesisy 9:3, 4;
ao anatin’ny tena Asan’ny apostoly 15:28, 29
Tokony ho tafasaraka hatrany Jaona 15:19; 17:16;
amin’izao tontolo izao Jakoba 1:27; 4:4
ny kristiana iray
Tokony hanao fanambarana Isaia 43:10-12;
ny kristiana amin’ny fitoriana Matio 24:14; 28:19, 20
ny “vaovao tsara”
Ny batisa amin’ny fandrobohana Marka 1:9, 10;
tanteraka dia mariky Jaona 3:23;
ny fanoloran-tena Asa. 19:4, 5
ho an’Andriamanitra
Mifanohitra amin’ny Baiboly ny Joba 32:21, 22;
anaram-boninahitra ara-pivavahana Matio 23:8-12
Tsy hita maso Matio 24:3;
ny fanatrehan’i Kristy Jaona 14:19; I Petera 3:18
Satana no filoha tsy hita Jaona 12:31;
mason’izao tontolo izao I Jaona 5:19
Hofoanan’Andriamanitra Daniela 2:44;
ny fandehan-javatra ratsy Apokalypsy 16:14, 16;
ankehitriny Ap 18:1-8
Antsoina hiara-hanjaka Lioka 12:32;
amin’i Kristy ny “ondry vitsy” Apokalypsy 14:1-4; 20:4
Hiaina mandrakizay eo amin’ny Lioka 23:43, MN;
tany paradisa ny olon-kafa Jaona 3:16
ankasitrahan’Andriamanitra
[Sary, pejy 5]
Ahoana no hataonao mba hahitana fanjaitra iray ao anatin’ny antonta-mololo?
Ahoana no hataonao mba hahitana ny fivavahana marina?