Mampifaly An’Andriamanitra Avokoa ve ny Fivavahana Rehetra?
Heverinao ve fa mampifaly an’Andriamanitra avokoa ny fivavahana rehetra? Azo inoana fa izay mety ho endri-panompoam-pivavahana fantatrao dia mampirisika fitondran-tena tsara, fara faharatsiny amin’ny fetrany sasany. Kanefa ampy ve izany mba hampifaliana an’Andriamanitra?
METY hilaza ny sasany hoe: ‘Aoka fotsiny ianao ho tso-po eo amin’ny fanompoam-pivavahanao, ary dia ho faly Andriamanitra. Misy zavatra tsara amin’ny fivavahana rehetra.’ Nandray izany fiheverana izany, ohatra, ny Finoana Bahā’ie, ka tonga hatramin’ny fandraisana ao anatin’ireo zavatra inoany, ireo fivavahana lehibe indrindra sivy eo amin’izao tontolo izao. Mino io fivavahana io fa ireo rehetra ireo dia samy avy amin’Andriamanitra sy samy lafiny amin’ny fahamarinana iray ihany. Ahoana no hetezan’izany?
Ankoatra izany, dia rariny ny anao raha manontany tena ianao hoe: Ahoana no ahafahan’ny fivavahana iray mampifaly an’Andriamanitra kanefa izy io mandidy ireo mpikambana ao aminy mba hametraka gaza mahasempotra eny amin’ny toerana falehan’ny besinimaro, ka mety hahafaty olona maro? Natao tamin’ny fivavahana iray tany Japon io fiampangana io. Sa, faly ve Andriamanitra amin’ny fivavahana izay mahatonga ny mpikambana ao aminy hamono tena? Taona vitsivitsy lasa izay, dia izany no nitranga tamin’ireo mpanara-dia an’ilay mpitondra fivavahana atao hoe Jim Jones.
Raha mitodika ny lasa, tany aloha kokoa, isika, dia mety hanontany hoe: Afaka mampifaly an’Andriamanitra ve ny fivavahana rehefa manetsika ady izy ireo, toy ny tamin’ny Guerre de Trente Ans (Ady Telopolo Taona) izay natao nanomboka tamin’ny 1618 ka hatramin’ny 1648? Araka ny The Universal History of the World, io ady ara-pivavahana teo amin’ny Katolika sy ny Protestanta io dia “iray tamin’ireo ady nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara eoropeana”.
Niteraka fandatsahan-dra nahatsiravina koa ireo Kroazada ara-pivavahana nanomboka tamin’ny taonjato faha-11, hatramin’ny taonjato faha-13. Tamin’ilay Kroazada voalohany, ohatra, ireo nolazaina fa mpanao kroazada kristiana dia nandripaka tamin-kabibiana ireo mponina miozilimanina sy jiosy tao Jerosalema.
Hevero koa izay nitranga nandritra ny Inquisition, izay nanomboka tamin’ny taonjato faha-13 ary naharitra tokony ho 600 taona. An’arivony maro no nampijalijalina sy nodorana ho faty noho ny baikon’ireo mpitondra fivavahana. Tao amin’ilay bokiny hoe Vicars of Christ—The Dark Side of the Papacy, dia niteny toy izao i Peter De Rosa: “Tamin’ny anaran’ny papa, [ireo mpanao Inquisition] dia tompon’andraikitra tamin’ilay famelezana feno fahasiahana sy naharitra indrindra natao tamin’ny fitsipi-pitondran-tena nety ho nananan’ny olombelona teo amin’ny tantaran’ny taranak’[olombelona].” Hoy i De Rosa momba ilay mpanao Inquisition dominikana atao hoe Torquemada tany Espaina: “Voatendry tamin’ny 1483 izy ka nampihatra fampahoriana nandritra ny dimy ambin’ny folo taona. Niisa maherin’ny 114 000 ireo nataony nitondra faisana, ka nodorana ny 10 220 tamin’ireo.”
Mazava ho azy fa tsy ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana ihany no meloka ho nandatsa-dra. Ao amin’ny asa sorany hoe Pensées, dia nanao izao fanamarihana izao ilay filozofa frantsay atao hoe Blaise Pascal: “Na oviana na oviana ny olona dia tsy manao ratsy amin’ny fomba feno sy amin-kafaliana aoka izany toy ny ataony rehefa atosiky ny hevitra ara-pivavahana ekeny mafy.”
Fantatra amin’ny voany
Amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra, dia tsy miorina amin’ny anton-javatra iray monja ny maha-azo ekena ny fivavahana iray. Mba hahatonga ny fivavahana iray ho azo ekena eo imasony, ireo fampianarana sy asan’izy io dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny Tenim-pahamarinany voasoratra, dia ny Baiboly. (Salamo 119:160; Jaona 17:17). Tsy maintsy mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’i Jehovah Andriamanitra ny vokatry ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.
Tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, i Jesosy Kristy dia nilaza fa hisy mpaminany hisandoka ho solontenan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo? Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:15-20). Asehon’ireo teny ireo fa ilaintsika ny ho mailo eo amin’ny ara-panahy. Mety hieritreritra isika fa azon’Andriamanitra sy i Kristy ekena ny mpitondra fivavahana iray na ny fivavahana iray, kanefa dia mety ho diso hevitra isika.
Ny ilana hitandremana
Na dia milaza ho mahazo sitraka amin’Andriamanitra aza ny fivavahana iray ka mamaky andalan-teny ao amin’ny Baiboly ireo mpitondra fivavahana ao aminy, dia tsy midika akory izany fa endri-panompoam-pivavahana mampifaly an’Andriamanitra izy io. Ireo mpitarika ao aminy aza dia mety hanao zavatra mampitolagaga izay toa mahatonga hihevitra fa miasa amin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra. Na dia izany aza, dia mbola mety ho diso ihany ilay fivavahana, satria tsy mamoa vokatra azon’Andriamanitra ekena. Ireo ombiasy tamin’ny andron’i Mosesy dia afaka nanao zavatra nampitolagaga, kanefa dia azo antoka fa tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy ireo. — Eksodosy 7:8-22.
Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny lasa, dia fivavahana maro no mampandroso fiheverana sy filozofian’olombelona, fa tsy manaraka izay ambaran’Andriamanitra fa marina. Mifanentana indrindra àry ilay fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.” — Kolosiana 2:8.
Hoy i Jesosy, rehefa avy niresaka ny amin’ny vokatra tsara sy ratsy izy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatr[i]zay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.
Diniho ny vokatra
Mazava àry fa tena ilaina ny hijerena ny vokatry ny fivavahana iray, alohan’ny hanatsoahan-kevitra fa azon’Andriamanitra ekena ilay izy. Ohatra, voarohirohy amin’ny politika ve ilay fivavahana? Raha izany, dia mariho ireto teny voarakitra ao amin’ny Jakoba 4:4 ireto: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Ambonin’izany, dia hoy i Jesosy ny amin’ireo tena mpanara-dia azy: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Ny fivavahana izay tsara eo imason’Andriamanitra dia tsy voarohirohy amin’ny politikan’izao tontolo izao izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly, ilay zavaboary ara-panahy tsy hita maso. (1 Jaona 5:19). Ilay fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra kosa dia maneho tsy fivadihana amin’ny fanohanana ny Fanjakany tapahin’i Jesosy Kristy, sady manambara ny vaovao tsara momba io fitondram-panjakana any an-danitra io. — Marka 13:10.
Azon’Andriamanitra ekena ve ny fivavahana iray raha manohana ny fihetsiketseham-bahoaka izy io? Miharihary ny valiny raha heverintsika ilay torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra”. (Titosy 3:1). Mazava ho azy fa nasehon’i Jesosy hoe tokony ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ ireo mpanara-dia azy. — Marka 12:17.
Aoka hatao hoe mampirisika ny fandraisana anjara amin’ny adin’ireo firenena, ny fivavahana iray. Ny 1 Petera 3:11 dia mampirisika mafy antsika mba “hanao soa” sy mba “hitady fihavanana sy hanaraka azy”. Ahoana no ahafahan’ny fivavahana iray mampifaly an’Andriamanitra raha toa ireo mpikambana ao aminy ka vonona ny hamono ireo mpiara-mivavaka aminy any an-tany hafa ao anatin’ny ady? Ireo mpikambana ao amin’ny fivavahana izay mahazo sitraka amin’Andriamanitra dia mampiseho ilay toetrany lehibe indrindra — ny fitiavana. Ary hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Tsy misy iombonan’io fitiavana io amin’ilay fankahalana feno herisetra ampirisihina any amin’ny adin’ireo firenena.
Ny fivavahana marina dia manova olona tia ady ho olona tia fihavanana. Izany dia nambara mialoha tamin’izao teny izao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Tsy hivazavaza teny fankahalana ireo izay manaraka fanompoam-pivavahana marina, fa hanaraka kosa ilay didy hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” — Matio 22:39.
Ireo izay manaraka ny fivavahana marina dia miezaka mafy mba hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ambony izay an’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny tsy fanekena hanaraka fomba fiaina maloto ara-pitondran-tena. Milaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — 1 Korintiana 6:9-11.
Fotoana anaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra
Tena ilaina ny hanavahana ny tsy fitoviana eo amin’ny fanompoam-pivavahan-diso sy ny fivavahana marina. Ao amin’ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia ampahafantarina ho “Babylona Lehibe”, vehivavy janga ara-panoharana iray izay “nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany”. Meloka ho nandatsa-dra izy io, ary nitana kapoaka volamena “feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany”. (Apokalypsy 17:1-6). Tsy misy na inona na inona azon’Andriamanitra ekena ny momba azy.
Fotoana anaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra izao. Manao izao antso avo izao amin’ireo olona tso-po mbola ao amin’i Babylona Lehibe, ilay Mpamorona antsika be fitiavana: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” — Apokalypsy 18:4.
Raha maniry hanaraka ny fivavahana izay mampifaly an’Andriamanitra ianao, nahoana raha mifankahalala bebe kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ilay tabilao miaraka amin’itỳ dia manao lisitra ny sasany amin’ireo zavatra inoan’izy ireo, miaraka amin’ireo antony mahatonga izany, araka ny Soratra Masina. Hamarino ao amin’ny Baibolinao mba hahitana raha mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo zavatra inoan’ny Vavolombelona. Fotory mba hahitana raha toa ny fivavahan’izy ireo ka mamokatra ilay karazam-bokatra izay hantenainao avy amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Raha hitanao fa manao izany izy, dia ho nahita ilay fivavahana izay mampifaly an’Andriamanitra ianao.
[Efajoro, pejy 5]
IZAY INOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH
ZAVATRA INOANA FOTOTRA ARA-BAIBOLY
Jehovah no anaran’Andriamanitra Eksodosy 6:3; Salamo 83:18
Tenin’Andriamanitra ny Baiboly Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16, 17
Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy Matio 3:16, 17; Jaona 14:28
Tsy nivoatra miandalana ny olombelona, Genesisy 1:27; 2:7
fa noforonina
Vokatry ny otan’ilay lehilahy voalohany Romana 5:12
ny fahafatesan’ny olombelona
Mitsahatra tsy misy eo amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4
fahafatesana ny fanahy (âme)
Fasana iombonan’ny maty ny afobe Joba 14:13; Apokalypsy 20:13,
King James Version
Ny fananganana amin’ny maty no Jaona 5:28, 29; 11:25; Asan’ny Apostoly 24:15
fanantenan’ny maty
Nanome ny ainy teto an-tany Matio 20:28; 1 Petera 2:24;
ho avotra ho an’ny olombelona mankato, 1 Jaona 2:1, 2
i Kristy
Ny vavaka dia tokony hiantefa any amin’i Matio 6:9; Jaona 14:6, 13, 14
Jehovah irery ihany amin’ny alalan’i Kristy
Tsy maintsy ankatoavina ireo lalàn’ny 1 Korintiana 6:9, 10
Baiboly momba ny fitondran-tena
Tsy tokony hampiasaina ao amin’ny Eksodosy 20:4-6; 1 Korintiana 10:14
fanompoam-pivavahana ny sary
Tsy maintsy halavirina ny spiritisma Deoteronomia 18:10-12;
Tsy tokony horaisina ao anatin’ny Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 15:28, 29
vatan’ny tena ny ra
Mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo Jaona 15:19; 17:16; Jakoba 1:27; 4:4
izao ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy
Vavolombelona ny Kristiana, manambara ny Isaia 43:10-12; Matio 24:14, NW; 28:19, 20
vaovao tsara
Mampiseho fanoloran-tena ho Marka 1:9, 10; Jaona 3:22; Asan’ny Apostoly 19:4, 5
an’Andriamanitra ny batisa amin’ny
fandentehana tanteraka ao anaty rano
Tsy araka ny Soratra Masina ireo Joba 32:21, 22; Matio 23:8-12
anaram-boninahitra ara-pivavahana
Miaina amin’ny Daniela 12:4; Matio 24:3-14;
“andro farany” isika 2 Timoty 3:1-5, NW
Tsy hita maso ny fanatrehan’i Kristy Matio 24:3; Jaona 14:19;
I Satana no mpanapaka tsy hita mason’itỳ Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19
tontolo itỳ
Handringana izao fandehan-javatra ratsy Daniela 2:44;
izao Andriamanitra Apokalypsy 16:14, 16; 18:1-8
Hanapaka ny tany amim-pahamarinana ny Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14;
Fanjakan’ Andriamanitra Matio 6:10
tapahin’i Kristy
Hisy “ondry vitsy” hanapaka any an-danitra Lioka 12:32;
miaraka amin’i Kristy Apokalypsy 14:1-4; 20:4
Ny hafa izay ankasitrahan’Andriamanitra Lioka 23:43, NW; Jaona 3:16;
dia hahazo fiainana mandrakizay eo amin’ny Apokalypsy 21:1-4
tany zary paradisa
[Sary, pejy 4]
An’arivony maro no novonoina ho faty nandritra ny Inquisition
[Sary, pejy 6]
Niteraka fandatsahan-dra nahatsiravina ny Kroazada
[Sary, pejy 7]
Fantatra amin’ny vokany tsara ny fivavahana marina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: Garo Nalbandian