Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Nahita antony tokony hahavelomana izy ireo
EO amin’izao tontolo izao mikororosy ivadihan’ny zavatra rehetra, dia olona be dia be no mitady izay hanomezana heviny sy zava-kendrena ho an’ny fiainany. ‘Nahoana isika no eto? hoy izy mifanontany. Avy aiza isika ary ho aiza isika?’ Be dia be no mitodika any amin’Andriamanitra mba hahitana valin’ireo fanontaniana ireo, ary omeny azy ireo izany (Matio 7:7, 8). Nahatsapa izany tokoa ny vehivavy grika iray. Aoka izy havelantsika hitantara hoe tamin’ny fomba ahoana:
◻ “Teo amin’ny faha-14 taonako, dia nanomboka nanontany tena aho ny amin’ny anton’ny fiainana sy ny zava-kendrena aminy. Rehefa avy nianatra momba ny tantaran’ny toetra na fandrosoan’ny olombelona (anthropologie) aho, dia niteny anakampo fa tsy isalasalana fa afaka namaly ireo fanontaniako ny fianarana momba ny fitsaboana, kanefa niova hevitra aho rehefa nahatsikaritra fa tsy afaka nanazava ny niandohan’ny olombelona izany. Tamin’izay dia nitodika tany amin’ny fanandroana aho, ary nianatra momba ireo fivavahana tatsinanana, toy ny silamo sy ny fivavahana tibetana. Nanomboka nanaraka ireo fotopoto-pitsipika lamaista aho, avy eo dia nanao spiritisma. Rehefa nifandray tamin’ireo fanahy aho, dia nihevitra fa nahita ny fahamarinana. Marina fa ireo fivavahana tandrefana dia milaza ho manorina ny zavatra inoany amin’ny Baiboly, kanefa noho ny mpampianatra fivavahana ahy tsy afaka namaly ireo fanontaniako tamin’ny fampiasana an’io boky io, dia nanohy nanao spiritisma, nampiasa zavatra mahadomelina sy nanaraka hypnotisma aho.”
Tamin’ny 1982, io vehivavy io dia tafahaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah: kanefa, “ny filazan’izy ireo ny hevitry ny Baiboly, hoy izy, dia hitako ho tsotra loatra toy ny hevi-jaza raha oharina amin’ireo zavatra sarotra nianarako. Na dia izany aza, noho izaho nahatsiaro ho voatosika foana handinika ny Baiboly, dia nanaiky hiara-mianatra izany niaraka tamin’izy ireny aho, nefa noho ny fizahozahoana fotsiny sy noho ny fikendrena ny hanaporofo tamin’izy ireny fa diso hevitra izy”.
Rehefa avy niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny herintaona teo ho eo izy, dia izao no nambarany: “Misaotra an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho izao, satria nanampy ahy hahita ny tena fahamarinana izy. Afaka amin’ny fampianarana lainga rehetra sy ny finoanoampoana aho rehefa ela ny ela. Tsapako fa azo atao mora foana ny mahafantatra ny fahamarinana amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Hitako tamin’ny farany ny valin’ireo fanontaniako; fantatro ankehitriny ny hoe avy aiza isika ary inona no zava-kendrena eo amin’ny fiainana.”
◻ Tany Gresy ihany koa, ny olona hafa iray dia nahita antony tokony hahavelomana. Izany dia lehilahy iray 27 taona izay nametraka ny fanantenany tamin’ny kaominisma. Rehefa avy nianatra ho injeniera tany Alemaina izy, dia niverina tany Gresy izay nilatsahany tao amin’ny tafika. Izay rehetra hitany nanodidina azy tamin’ny farany dia nampiaiky azy fa tsy afaka mandamina ireo zava-manahirana azy sy manao izay hahatonga ny fiainany ho sambatra kokoa ny olombelona. Tsaroany tamin’izay ny resaka nifanaovany, talohan’ny hankanesana ho any Alemaina, tamin’ny anankiray tamin’ireo mpiara-monina taminy izay Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany antony izany, volana vitsivitsy monja talohan’ny hialana tamin’ny tafika, dia izao no nambarany tamin’ny manamboninahitra lehibeny: “Tsy mihevitra ny tenako ho miaramila intsony aho.” Noho ny fiheverana fa voan’ny fikorontanan-tsaina izy, ny fianakaviany dia nanery azy hanatona mpitsabo aretin-tsaina. Nomen’ireo fanafody nampaosa azy teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina fotsiny izy; tsy nampiasa izany intsony àry izy.
Tamin’izay ny Vavolombelona roa no nitsidika azy tao anatin’ny faritry ny fanompoany isam-baravarana. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo izy, ary rehefa avy nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fepetra takin’i Jehovah izy dia nanomboka nitory tamim-paharisihana ny vaovao tsara. Tamin’ny 1984 izy dia nanatrika ny Fahatsiarovana niaraka tamin’ny folo tamin’ny mpianakaviny nasainy.
Tsy azo lavina fa nahita antony tokony hahavelomana io lehilahy io. Iriny izao ny hanompo an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitra manokana ary manantena izy ny hahazo ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra. — Isaia 65:17, 18.