FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/8 p. 21
  • ‘Izay mahita fahendrena dia mahita fiainana’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Izay mahita fahendrena dia mahita fiainana’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Tapa-kevitra ny hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Avy eo amin’ny fahaketrahana mankeo amin’ny fahasambarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/8 p. 21

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

‘Izay mahita fahendrena dia mahita fiainana’

“NY FAHAMARINANA dia manintona ‘ny karazan’olona rehetra’ avy amin’ny fitambaran’olona samy hafa mahaforona ny fanjakan’Isiraely ankehitriny”, hoy ny nosoratan’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao amin’io tany io. Manana izao toky izao ireny olona tso-po ireny izay mitady ny fahamarinana: “Izay mahita ahy [ny fahendrena] dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah.” (I Timoty 2:4, MN; Ohabolana 8:35). Izay nitranga tamin’ny vehivavy iray tany Isiraely dia manazava tsara ireo teny ireo.

◻ Ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia nitsidika olona iray nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ary nanao fandaharana mba hiara-mianatra ny Baiboly aminy. Tia mianatra aoka izany io vehivavy io. Nandre firesahana ny amin’io fianarana io ny anankiray tamin’ny mpiara-monina taminy ka nanaraka izany koa. “Nahita tamin’izany avy hatrany izay notadiaviny hatramin’ny taona maromaro” ilay mpifanila trano, hoy ny filazan’ilay fitantarana. Toy inona moa tamin’izay ny fiovana nataony tao anatin’ny fotoana fohy teo amin’ny fiainany! Andro vitsivitsy sisa dia saika hisaraka izy mivady, kanefa nasainy nofoanana ny fitsarana ary nihavana izy ireo. Tia fanandroana fatratra io vehivavy io ary anisan’ny antoko iray, kanefa dia nofoanany ny boky sarobidy mbamin’ny zavatra hafa rehetra nifamatotra tamin’ny fanompoana demonia nananany. Nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy niresaka ny finoany tena vaovao tamin’ireo havana aman-tsakaizany izy. Ny amin’ireo namana nafoiny noho izany antony izany, dia hoy izy: “Hita ho tsy tena sakaiza izy ireo.”

Ankehitriny io vehivavy io dia manao fanambarana amin-kafanam-po amin’ireo mpividy ao amin’ny trano fivarotan’ny fianakaviany, ary mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano. Faly aoka izany izy nahita fahendrena sy nahalala ireo fandaharana mahatalanjona nataon’i Jehovah mba hanomezana ho an’ny olombelona fahafahana hiaina mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javany vaovao! Fa raha ny amin’ilay mpifanila trano aminy izay nanoratra mba hangataka famandrihana, dia mianatra Baiboly foana izy ary mandroso.

◻ Monina any Guyana i Lloyd. Nandalo tamin’ny dingana maro izy io talohan’ny hahatongavana tamin’ny fahafahana ara-pivavahana. Ny voalohany dia ny Fiangonana presbyteriana. Nanambady vehivavy hindoa izy, ary niova nanaraka ny fivavahany io. “Vaka aho noho ny fihatsarambelatsihy nanjaka” tao amin’io Fiangonana io, hoy ny fiaikeny taty aoriana. Dia nitodika tany amin’ny Silamo izy, kanefa tsy nahazo fahafahampo ny hetahetam-pahafahana nananany. Nanaraka izany, dia nanandrana ny hindoisma izy. Rehefa avy nandalina ny amin’ny fidiran’ny fanahin’ny maty ao amin’ny nofo hafa sy ireo lalàn’ny karma izy, dia nanomboka nisalasala ny amin’ireo fampianarana ireo. Nofidiny àry ny asan’ny maizina, nanorina alitara izy ary nampianatra an’io zavatra inoana io ny fianakaviany. “Kanefa, hoy ny fitantarany, ireo fanandraman-javatra naharaiki-tahotra niainako sy ny fianakaviako dia nahatonga anay hiala tamin’io fivavahana io.” Nanaraka fomba fiaina feno fitiavana ny zavatra ara-nofo izy, kanefa niharatsy ny fiainam-pianakaviany. “Tamin’izay, hoy izy, dia nivavaka tamin’Andriamanitra Ray, Allah sy Rama, aho, tamin’ny filazana taminy fa niteny tamin’ilay Mpamorona ny zavatra rehetra aho. Nampahafantariko azy fa izy no nitadiavako sitraka fa tsy ny olona.”

Tamin’izay fotoana izay, ny Vavolombelon’i Jehovah iray, “tsara fitafy, nanana feo sy fomba nalefaka”, dia nandondòna tao am-baravaran’i Lloyd ary namaly ireo fanontaniany tamin’ny fomba nahafapo. Nametraka taminy ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay sy Baiboly iray ilay Vavolombelona. Tsy ela ny fampianarana Baiboly iray dia natomboka niaraka tamin’i Lloyd sy ny vadiny. Nandroso tamin’ny fahalalana izy ireo ary nandao an’i Babylona Lehibe, fandaharana maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo ary natao batisa. Hoy ny nambaran’i Lloyd: “Ny fitiavana, fitiavana marina, dia nisolo toerana ny fankahalana sy ny fahatezerana; kanefa, nampisy heviny sy zava-kendrena ho an’ny fiainanay indrindra izahay.”

Sambatra izy ireo izao noho ‘ny fahamarinana izay nanafaka azy’. — Jaona 8:32.

◻ Nianatra nahafantatra an’i Jehovah koa ny vehivavy tanora iray monina any Seychelles ary nandray soa tamin’izany. Nanao tokantranomaso niaraka tamin’ny lehilahy iray niterahany maromaro izy io. Noheverin’io vehivavy io ho sarobidy ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly, kanefa hitany ho sarotra ny handray toerana mba hamenoana ireo fepetra takina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nonina tao amin’ny trano tsara tarehy ary fomba vitsy mpanana izy. Rehefa avy nivavaka sy nandray fampaherezana avy amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izy dia nampisafidy ilay lehilahy niarahany niaina toy izao: na hivady ara-dalàna izy ireo na hisaraka. Koa satria tsy nanapa-kevitra mihitsy ilay lehilahy, dia nandao azy ilay vehivavy. Faly aoka izany izy tamin’izay nahafeno ireo fepetra takina mba hitoriana ny vaovao tsara, hanolorany ny fiainany ho an’i Jehovah sy hatao batisa! Izany àry no nataony. Ary nanaitra ny sain’ilay lehilahy niara-niaina taminy aoka izany ny toerana noraisiny tamim-pahasahiana ho fanohanana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, hany ka nanomboka nikarakara ny fampiraisana ny fianakaviany izy tamin’ny fanaovana fanambadiana ara-dalàna.

Nanambara toy izao ny mpanao salamo: “Fa ao aminao [Jehovah] no misy loharanon’aina.” Nanaiky izany toe-javatra izany koa ireo olona ireo ary nitady fahendrena mba hahalalana an’i Jehovah sy izay tadiaviny amin’ireo izay maniry ny fiainana. Velom-pankasitrahana aoka izany izy ireo mahafantatra fa “izay mahita [ny fahendrena] dia mahita [hahita, MN] fiainana”!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara