Ny fiadanana sy ny filaminana — noho ny Fanjakan’Andriamanitra
“NY zava-kendren’ny Firenena mikambana dia: 1. Fitandroana ny fiadanana sy ny filaminana iraisam-pirenena.” — Fitsipika itondrana ny Firenena mikambana.
Zavatra irina mendri-kaja izany fara faharatsiny. Kanefa, araka ny vao hitantsika teo, ireo fisehoan-javatra tao anatin’ny efapolo taona faramparany dia mampiseho miharihary fa tsy nahomby tamin’ny “fitandroana ny fiadanana sy ny filaminana iraisam-pirenena” ny Firenena mikambana. Ary tsy ny nanambarany ny 1986 ho taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena” akory no hanova zavatra amin’izanya.
Tsy mety ho tafaorina eto an-tany afa-tsy amin’ny fomba tokana ny fiadanana sy ny filaminana: amin’ny Fanjakan’Andriamanitra nankinina tamin’i Jesosy Kristy. Io Fanjakana io dia ilay Fitondram-panjakana any an-danitra tena misy namporisihan’i Jesosy ireo mpianany hangatahana amin’ny vavaka (Matio 6:9, 10). Fa nahoana no hahomby izy kanefa tsy nahomby ny Firenena mikambana? Aoka holazaintsika tsotra fa ny anton’ny fahombiazany dia ho ny an’ny tsy fahombiazan’ny Firenena mikambana indrindra.
Tsy ampy ny fahendren’olombelona
Tao amin’ny fanontana teo aloha an’ity gazety ity, dia notononinay ny anankiray amin’ireo antony nahavoatokana ny Firenena mikambana ho amin’ny tsy fahombiazana: Andriamanitra dia tsy nanome ho an’ny olombelona na ny zo hanapaka irery ny tenany na ny fahendrena ilaina mba hanaovana izany (Jeremia 10:23). Noho izany, dia tsy misy mihitsy fandaminan’olombelona, na manao ahoana na manao ahoana fikasana tsara ananany, afaka manorina ny fiadanana sy ny filaminana.
Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendry hitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, kosa anefa, dia naneho fahendrena ambony noho ny an’ny olombelona foana (Matio 13:54). Mba hiaikena ny amin’izany, dia ampy ny mandinika ny Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra (Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7), nanazavany ny fomba hahitana ny tena fahasambarana, handaminana ny tsy fifanarahana, hanalavirana ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena sy hananana ho avy azo antoka. Tsy fahendrena ve ny hieritreretana fa ny mpitondra iray manana fahendrena sy fahalalana lalina ny toe-tenan’olombelona dia azo antoka fa tokony hahafantatra ny fomba hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana?
Nisy fahagagana mihitsy aza tamin’ny fahaizan’i Jesosy manavaka: hainy ny namaky tao am-pon’ny olona sy ny nahafantatra ny tena antony nanosika azy ary ny fisainany lalina indrindra (Matio 9:4; Marka 2:8). Inona no azo tsoahina avy amin’izany? Amin’izao androntsika izao, dia vato misakana lehibe ho an’ny fiadanana sy ny filaminana ny fiahiahiana. Noho ny tsy fahalalany izay heverina sy kasain’ny hafa, dia matetika tokoa ny olona sy ireo firenena no mifampiahiahy, ka izany dia manimba ny fiadanana. Tsy miteraka zava-manahirana mihitsy anefa izany ho an’ilay Filoha izay mahay “mamaky ao am-pon’ny tsirairay”. — Jaona 2:25, Kuen.
Ny fanafoanana ireo fahavalontsika mahery noho ny olombelona
Ny antony lehibe hafa iray koa mahatonga ho very maina foana ny fiezahan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana hanorina fiadanana dia noho izy iharan’ny fitaoman’i Satana Devoly, “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31, MN.) Fantatry ny Devoly sy ireo demoniany fa “kely sisa ny androny” alohan’ny hanafoanana azy. Tapa-kevitra aoka izany ny hahatonga “loza ho an’ny tany” izy ka fefeny ny lalan’ny fiadanana amin’ny fampisaratsarahana ny olombelona eo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-pirazanana. — Apokalypsy 12:9-12.
Iza no afaka manafoana ireny manana aina mahery noho ny olombelona ireny izay manosika ny olona hiady? Araka ny filazan’ny Baiboly, dia Jesosy Kristy, na Mikaela izay, niaraka tamin’ireo anjeliny, dia nandroaka an’i Satana sy ireo demoniany avy tany an-danitra. Etsy andaniny koa, dia izao no vakintsika: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely [Jesosy] nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka (...) nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany.” (Apokalypsy 20:1-3). Araka izany, dia tsy ho afaka hanimba antsika intsony Satana. Amin’izany ihany vao ho azo atao ny hahita tena fiadanana sy filaminana.
‘Zanak’Andriamanitra’
Ny nomerao teo aloha amin’ity gazety ity dia nanondro antony fahatelo tsy hahombiazan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana mihitsy amin’ny fanorenana ny fiadanana sy ny filaminana: zanak’izao tontolo izao izy io ka noho izany dia mandova ny fahalemena sy ny faharatsiana ary ny fanimbana mampiavaka ny tsirairay avy amin’ireo firenena mpikambana.
Nefa kosa, ary mampahery izany, ilay Fanjakana izay hanorina ny fiadanana sy ny filaminana dia aseho ao amin’ny Apokalypsy 12:5 ho toy ny ‘zanak’Andriamanitra’. Manome taratr’ireo toetran’Andriamanitra ny filohany. Hevero ny sasany amin’ireo toetra manintona ananan’ilay Filoha ao amin’io Fanjakana io, dia Jesosy Kristy: fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tenany (Jaona 15:12, 13); ny hafanana sy ny fiantrana (Matio 9:10-13; Lioka 7:36-48); ny fanetren-tena (Jaona 13:3-5, 12-17); ny fangoraham-po (Marka 6:30-34); ny famindrampo (Hebreo 2:17, 18; 4:15); ny fifikirana amin’izay marina (Isaia 11:4, 5). Iza no tsy ho tia ny hanaiky an-tsitrapo Filoha toy izany?
Ny fiandrasana “tany vaovao”
Nefa ny antony ambony indrindra tsy hahombiazan’ny Firenena mikambana mihitsy amin’ny fanorenana fiadanana dia miharihary amin’ny fanambarana iray tamin’ny 1953 nataon’i Dag Hammarskjöld, izay mpitantsoratra lehibe indrindra tao amin’io fandaminana io tamin’izany. Izao izany: “Ny fanantenana mamintsika indrindra dia ny hamelana antsika hamonjy ity tany tranainy ity.” Raha nieritreritra ny hiarovana ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny izy, dia voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana ireo fiezahana nokendrena hamonjena ity “tany tranainy” ity. Nahoana?
Voalohany indrindra, ity “tany tranainy” ity dia voaforon’ny fitondram-panjakan’olombelona. Ny tsirairay avy aminy dia manohana ny fanindrahindram-pirenena izay mampisaratsaraka ny olombelona sy mamporisika ny hisian’ny tombontsoa ho an’ny firenena iray monja fa tsy manohana ny fitadiavana izay hahasambatra ny vahoaka rehetra. Izany tsy fiheverana afa-tsy ny tena izany dia manimba ireo fiezahana ataon’ny Firenena mikambana mba hanorenana ny fiadanana. Izany rahateo no nasain’ny lahatsoratry ny tonian’ny gazety britanika iray [The Guardian] nomarihina tamin’izao teny izao: “Koa satria tsy misy na dia iray monja aza amin’ireo firenena mpikambana vonona ny hahafoy ny tombontsoany manokana mba hahasoa ny rehetra, dia kely aoka izany ny fanampoizana hahita fiovana. Raha ny marina, ny Fivoriambe [lehibe nataon’ny Firenena mikambana] dia fandrefitsindry (baromètre) fotsiny fitsapana hevitra maneran-tany. Ireo zavatra natao hodinihiny dia safononoky ny fanontaniana iadian-kevitra hatramin’ny taona maro kanefa tsy misy dingana lehibe mihitsy ho amin’ny fahitana valiny.”
Very maina foana anefa ny fiezahan’ny Firenena mikambana hamonjy ity “tany tranainy” ity noho ny antony iray mbola ratsy kokoa ihany: Manakantsakana ny fikasan’Andriamanitra izany. Ahoana izany? Amin’Andriamanitra, dia tsy azo ahitsy ny “tany tranainy”. Tsy ho ela àry izy dia hanatanteraka ny fikasana nolazainy mazava, dia fikasana nasian’ny apostoly Jaona fitenenana ara-paminaniana tamin’ny filazana hoe: “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany.” (Apokalypsy 21:1). Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanafoana ny antony miteraka fisaratsarahana, dia ny fanindrahindram-pirenena amin’ny fandravana ireo fitondram-panjakan’olombelona. Ireo dia hanome toerana ho an’ny “tany vaovao”, fitambaran’olona ho vonona ny hampihatra ny rariny ka hahita fahasambarana eo ambanin’ny fitondram-panjakana tokana any an-danitra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izay, ary amin’izay ihany ny olombelona no ho afaka higoka tena fiadanana sy filaminana amin’ny tany manontolo.
‘Hotefena ho fangady ny sabatra’
Ny amin’ny hoe maha-fanantenana tena izy an’izany, dia asehon’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly voasoratra eo amin’ny rindrina iray manoloana ny foiben’ny Firenena mikambana. Izao no ambarany: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Nalaina avy ao amin’ny Isaia 2:4.
Tsia, tsy nahasakana ireo firenena tsy “hanainga sabatra” hifamelezana ny O.N.U. Misy anefa vahoaka voaforon’ny olona izay tsy azo lavina fa ‘nanefy ny sabany ho fangady’. Mandresy ny fefy ara-pirenena sy ara-pirazanana ny firaisan-tsain’izy ireo. Tsy misy na inona na inona afaka manery ireny kristiana tsy momba ny atsy na ny aroa ireny “hanainga sabatra” hanoherana ny mpiara-belona aminy. Iza moa izany? Ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny fanaon’izy ireo rehefa misy fanerena azy mba handray anjara amin’ireo adin’ny firenena dia voazava tsara tokoa amin’izay nitranga tamin’ny anankiray amin’izy ireny tao amin’ny tany iray any Afrika anjakan’ny fampihorohoroana.
Mba hampitomboana ny isan’ny mpiady anaty akata tao amin’io tany io, ny antokon’olona mpampihorohoro iray dia nangalatra olona ka nametraka azy ireny teo anoloan’izao fisafidianana izao: hanompo eo anilany na hovonoina. Indray andro izy ireo dia naka an-keriny ity Vavolombelona ka nitondra azy io teo amin’ireo filohany izay teo am-pisotroana. Napetrak’ireo teo anoloany ny famarana labiera roa, avy eo dia nohazavainy taminy fa ny voalohany dia nampiseho ny fitondram-panjakana, ary ny faharoa, ny antokony mpampihorohoro. ‘Momba an’iza ianao?’ hoy ny fanontanian’izy ireo azy. Rehefa avy nieritreritra kely ilay Vavolombelona izay nahamarika famarana labiera hafa teo amin’ny latabatra, dia naka anankiray tamin’izany, nametraka azy teo anelanelan’ireo roa voalohany ary nilaza hoe: ‘Eo no misy ahy. Tsy momba ny atsy na ny aroa aho satria momba ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Nokapohin’ny mpampihorohoro imbetsaka izy tamin’izay, avy eo dia notereny hiasa tao amin’ny tobiny. Nitambesatra foana teo aminy ny fandrahonana ho faty. Farany, rehefa afaka valo volana, dia afa-nandositra izy rehefa namely ny toby ny miaramilan’ny fitondram-panjakana.
Naleon’ny Vavolombelon’i Jehovah nisetra tranomaizina na fahafatesana mihitsy aza toy izay handray anjara amin’ny adin’ireo firenena. Araka izany, tany Alemaina nazia dia an’arivony maro hafa tamin’izy ireny no nalefa tany amin’ny toby fitanana satria tsy nety nanohana ny fitondran’ny fampihorohoroana. Vavolombelona an-jatony maro no novonoina na maty tany amin’ireo toby. Nanjavona hatramin’ny ela anefa izao ny fitondrana tsy refesi-mandidy nazia, fa maro kosa ny Vavolombelon’i Jehovah na any Alemaina na maneran-tany.
Fa inona no mahatonga azy ireo ho afaka ‘hanefy ny sabany ho fangady’? Manoro antsika ny valiny amin’izao teny izao ny filazana mialoha amin’ny fitsipika itondrana ny U.N.E.S.C.O.: “Koa satria teraka ao an-tsain’ny olona ny ady, dia ao an-tsain’ny olona no tokony haorina ny fiarovana ny fiadanana.”
Mifanitsy amin’io hevitra io, ny faminanian’Isaia dia milaza fa ireo izay ‘manefy ny sabany ho fangady’ dia ‘tsy hianatra ady intsony’. Mifanohitra amin’izany, noho ny fianarana sy ny fampiharana ny Soratra masina, dia ‘mianatra ny lalan’Andriamanitra izy ireny ary mandeha amin’ny atorony’. (Isaia 2:3, 4.) Noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia ‘manavao ny sainy’ izy ireny ary manjary tsy tia ady. — Romana 12:2, 18.
Tsy azo lavina fa ‘nanefy ny sabany ho fangady’ ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izany dia manaporofo fa azo atao ny miaina amim-piadanana sy filaminana. Ny fomba fiainany ankehitriny dia manazava amin’ny ambaratonga kely izay hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela manerana ny tany manontolo.
Ho tianao ve ny hiaina eo ambanin’io Fanjakana io? Horaisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fifaliana ny hampahafantatra anao ireo porofo manamarina fa madiva hanorina fiadanana sy filaminana maharitra io fitondram-panjakana io. Nahoana ianao no tsy hifandray amin’ireo Vavolombelona eo amin’ny toerana misy anao na amin’ireo mpampanonta an’ity gazety ity? Fantaro ny fomba azonao dieny izao ‘anefena ny sabatra ho fangady’ sy itanana fanantenana ny hifaly tsy ho ela amin’ny fiainana ao amin’ny izao tontolo izao iray ho efa nanjavonan’ny ady tanteraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hahita fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ny antony tsy nahombiazan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ianao ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 janoary 1986.
[Efajoro, pejy 5]
Anton’ny tsy fahombiazan’ny Firenena mikambana:
◻ Voafetra loatra ny fahendren’olombelona (Jeremia 10:23).
◻ Manimba ny asany ny fitaoman’i Satana (Apokalypsy 12:12).
◻ Zanak’izao tontolo izao izy io ka mandova ny fahalemeny (I Jaona 5:19).
◻ Manakantsakana ny fikasan’Andriamanitra ny fiezahany nokendrena hamonjena ny “tany tranainy” (I Jaona 2:17).
Anton’ny hahombiazan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela:
◻ Manana fahendrena ambony noho ny an’ny olombelona ilay Filohany; afaka mamaky ao am-pon’ny olona izy io (Jaona 2:25).
◻ Io Fanjakana io dia hanafoana an’i Satana sy ireo demoniany izay manosika ny olona hiady (Apokalypsy 20:1-3).
◻ ‘Zanak’Andriamanitra’ izy io, ary manome taratry ny toetr’Andriamanitra ilay Filohany (Apokalypsy 12:5).
◻ Hanorina “tany vaovao” sy marina izay hotarihin’io Fitondram-panjakana tokana any an-danitra io izy (Apokalypsy 21:1).
[Sary, pejy 7]
Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanorina “tany vaovao”, dia fitambaran’olona marina izay hahita fahasambarana eo ambanin’io Fitondram-panjakana tokana any an-danitra io.