Ilay “firenena” mamahana olona noana an-tapitrisany maro
1, 2. a) Tokony hahatsiaro fa hila inona moa ny mponina amin’ny tany? b) Any amin’ny vahoaka iza no tokony hitodihana mba hahazoana fahafahampo amin’izany?
NY MPONINA an-davitrisany maro eto amin’ny planetantsika dia tokony ho noana te-hihinana “sakafo” tena ilaina mba hahavelomana mandrakizay eto an-tany rehefa ho voaova ho paradisa hatraiza hatraiza io. Aiza ary any amin’iza anefa no tokony hitodihan’izy ireo amin’izany? Ny repoblikan’i Isiraely dia tsy mitady hanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ao amin’ny Isaia 27:6 iresahana ny amin’ny famenoana ny tany amin’ny ‘vokatra’ hitondra fahasambarana mandrakizay ho an’ny olombelona.
2 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ny firenen’Isiraely dia nahita ny fanatsoahana taminy ny asa nanirahana azy mba hahasoa ny olona rehetra. Ho an’ny sisa vitsy dia vitsy tamin’ny Jiosy araka ny nofo ihany àry no nanaovan’ny Mesia izao teny izao: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (...); ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [ny fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ].” (Matio 28:18-20). Fa ahoana rehefa afaka taonjato sivy ambin’ny folo atỳ aoriana? Iza amin’izao andro izao no mihevitra ny fahatanterahan’ny Isaia 27:6? Ary amin’ny ahoana izany no mahakasika anareo, dia ianao sy ireo tianao?
3. Tamin’izao androntsika izao, iza no niharan’ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’ resahina ao amin’ny Isaia 27:4?
3 Ho tsara ny handinihantsika fohy ny fisehoan-javatra sasany nitranga tao anatin’ny Ady Lehibe Voalohany, na dia am-polony taona maro aza no lasa hatramin’izay. Tamin’izany fotoana izany Jehovah Andriamanitra dia nanana antony tsara nampisehoana “fahatezerana” tamin’ireo firenena ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, satria izy ireo niditra tao amin’io ady nandatsahan-dra io (jereo Isaia 27:4). Nanao toy izany izy ireo fa tsy namoy ny fiandrianam-pireneny na nanaiky an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra fony izy nanorina ny Fanjakany tany an-danitra tamin’ny 1914, ka nanankina izany tamin’i Jesosy Kristy Zanany nomem-boninahitra. Nampirehitra ny fahatezerany ireo tamin’ny fanenjehana ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, ka ninia nisakana ny Mpianatra ny Baiboly tsy hanambara ampahibemaso ny Fanjakan’i Kristy efa tafaorina. Isiraelita ara-panahy maro be no resin’ny faneren’izao tontolo izao ka tsy nanatontosa ny andraikiny tamin’ny naha-vahoaka voafidy, nalaina avy amin’ny fandehan-javatra maneran-tany. Tsy hain’izy ireo ny nanavaka ny raharaha nipoitra: ny fialanalanana eo anoloan’ireo adin’izao tontolo izao. Koa somary nivesatra trosan-dra izy ireny, hany ka tamin’ny fotoana sasany, izy ireny koa dia mendrika ny hiharan’ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’ tamin’ny fetra sasany.
4. Ahoana no nahakasihan’ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’ ireo mpanompony kristiana, ary fianarana inona no azo tsoahina avy amin’izany?
4 Raha velona tamin’izany fotoana izany ianao, ahoana, araka ny hevitrao, no ho nataonao teo ambany fanerena vokatry ny ady? Tokony hieritreritra izany ianao, satria angamba izany hamela anao hanamafy ny fahavononanao raha ny amin’ny fihetsika harahinao raha misy fahasahiranana mitranga amin’ny ho avy. Izany dia toa fotoana namelana ny fitoriana ilay Fanjakana, niandrasana tsy nanao na inona na inona tao amin’ny maizimaizina. Be dia be no nirona hanao toy izany, noho ny fieritreretana fa tokony hiandry fotsiny ny fanomezam-boninahitra azy ireo efa antomotra izy mba hanarahana an’i Jesosy Kristy nandray fiandrianana (Lioka 22:28-30). Kanefa, ho an’ny kristiana marina tamin’izany fotoana izany, ny ‘fahatezeran’i’ Jehovah somary nihatra taminy dia karazam-pifehezana nisy vokany. Izany dia nanatanjaka azy ireo ho amin’ny asa tsy maintsy hotontosainy fotoana fohy atỳ aoriana, dia asa fanambarana ny andro famalian’Andriamanitsika an’ilay antsoin’Isaia mpaminany hoe “leviatana” ao amin’ny Isaia 27:1. Vakina toy izao io andininy io:
5. Tamin’izao androntsika izao, ahoana no nampitodihan’i Jehovah ny sainy ho amin’ny “Leviatana”, araka ny Isaia 27:1?
5 “Amin’izany andro izany ny sabatr’i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.”
Fahizay Jehovah dia nampitodika ny sainy ho amin’ireo izay nitana ny olony ho babo. Araka ny efa nohazavainay, izany dia ny Empira babyloniana sy Egypta ary Asyria (Isaia 27:12, 13). Hitanao ve ny fomba azo ampiharana amin’izao androntsika izao ireo teny ara-panoharana voasoratra ao amin’ny Isaia 27:1 ireo? Tamin’ny andron’ny Ady Lehibe Voalohany, dia tsy nogadrain’ny firenena na empira manokana mihitsy ny olon’Andriamanitra. Jehovah kosa anefa dia nampitodika ny sainy ho amin’ny Leviatana ara-panoharana iray, dia Satana Devoly. Misosa mangina ao amin’ny ranomasin’ny olombelona io ka mampiasa ny fomba azo ampiasaina rehetra eto an-tany mba hanoherana ireo mpanompon’Andriamanitra sy hitondrana loza ho azy ireo. — Jereo Apokalypsy 17:15.
6, 7. a) Iza moa amin’izao andro izao no tonga toy ny “hery sy tsilo”? b) Inona no hiafaran’ireo zavatra ireo?
6 Tamin’ny 1919, rehefa nanomboka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin-kafanam-po indray ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-panahy, dia tonga ny fotoana hilazan’i Jehovah hoe:
“Tsy misy fahatezerana ato amiko; enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako [hohitsahiko, MN ] ireo ka hodorako avokoa.” — Isaia 27:4.
7 Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany ny olona dia nanorina ny Fikambanam-pirenena, ka izany dia toy ny fandavana ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy. Azontsika atao ny mampitaha izany amin’ny “hery sy tsilo” ho natao teo amin’ny lalan’i Jehovah, toy ny mba hisakanana azy tsy handalo. Amin’izao andro izao dia nisolo toerana ny Fikambanam-pirenena ny Fandaminan’ny Firenena mikambana. Amin’ny alalan’io fandaminana io, ireo firenena mpikambana ao aminy dia mampiseho ny fahatapahan-keviny hanohitra ny fanambarana ny Fanjakan’i Kristy sy ny finiavany hiaro ny fiandrianam-pireneny eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” amin’ny Hara-magedona, dia hohitsahin’i Jehovah ara-panoharana ny “hery sy tsilo” rehetra. Hotorotoroiny izany ary hodorany amin’ny farany, ka azo lazaina hoe hataony tonga lavenona. Hasehony amin’izany fomba izany hoe iza no tena Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Takatrao àry fa na dia tsy anisan’ireo kristiana voahosotra velona tamin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany aza ianao, dia tena mety ho voakasika — ho tsara na ho ratsy — amin’ireo vokatra faran’ny fisehoan-javatra mifanitsy amin’ny Isaia 27:1. — Apokalypsy 16:14-16; 17:1 ka hatramin’ny 18:4.
‘Aoka isika hifikitra amin’ny herin’i Jehovah’
8. Miantehitra amin’inona moa ny firenena maro amin’izao andro izao?
8 Ireo anisan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana dia miantehitra amin’ny herin’ny tenany, amin’ny manda fiarovany atsangan’ny tanan’olombelona. Tsy ampy fahamafisana anefa ny fitokisany an’io mba hisakana azy tsy hamorona fiadiana mahafaty mahatsiravina, ary na dia ny fiadiana farany aza, ny baomba ataomika. Tsy ny O.N.U., fa azo inoana kokoa ho ny tahotra ny valifaty amin’ny fampiasana fiadiana noklehera, no mitana azy ireo.
9, 10. Nahoana no fahendrena ny hianteherana amin’ny “hery” hafa iray?
9 Kanefa, araka ny efa nolazainay, dia “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” no mahaforona ny tena fandrahonana ho an’ny ho avin’ireo firenena. Inona no azon’izy ireo antenaina eo anoloan’ilay Andriamanitra Tsitoha, Ilay nandrakitra hery mahatahotra ao anatin’ny tsirairay avy amin’ny ataoma amin’ny tenan-javatra? Tsy isalasalana fa hekenao ny hoe ilay Mpamorona dia mahery kokoa tsy azo ampitahaina amin’ireo firenena sy ny fiadiany rehetra. Ny olona mahay manavaka izany — ary toy izany no hita amin’ny Vavolombelon’i Jehovah — dia tsy manam-piarovana afa-tsy tokana ihany. Manazava izany izao tenin’i Jehovah manaraka izao:
“Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy.” (Isaia 27:5).
Tsy misy mihitsy fandaminan’olombelona mahaforona fiarovana mety hahitantsika tsy fananana ahiahy ka hiaro antsika amin’ny ady na tokony hialofan’ny fianakaviana amin’ny tany mba hahazoana famonjena.
10 Tsy isalasalana fa tsy miafina aminao ny hoe olona be dia be amin’izao fotoana izao no mandray anjara amin’ny fihetsiketsehana sy ny fiadian-kevitra amim-pirehetana momba ny fiadiana noklehera sy ny fampihenana ny fitaovam-piadiana. Mampalahelo anefa fa izany dia tsy ahitany ny zavatra tena misy, dia ny hoe ny tena fandrahonana fandringanana ho an’ny firenena rehetra dia ny adin’Andriamanitra Tsitoha, amin’ny Hara-Magedona, izay tena tsy azo sakanana. Raha hekenao izany zavatra tena misy izany, ny lalam-pahendrena ho anao dia ny fitodihana any amin’i Jehovah. Ny fiarovany mafy, izany hoe ny ‘heriny’ tsy mety ritra, no tokony hifikiran’izay rehetra mitady ny famonjena. Ny fandaminan’i Satana Devoly manontolo dia tsy haharesy ny kristiana rehetra izay ho nifikitra tamin’io ‘hery’ io.
11. Ahoana no azontsika ampiharana ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Lioka 14:31-33 raha ny amin’ny fifikirana amin’ny ‘herin’Andriamanitra’?
11 Azo lazaina hoe mandroso Jehovah sy ireo tafiny tarihin’i Jesosy Kristy, Mpitarika azy ireo. Raha mbola lavidavitra izy ireo, ary eo anoloan’ny fahamboniany lehibe, ny lalan’ny fahaiza-mitsara zavatra, ny tena fahendrena, ho an’ny olona rehetra, dia ny fanirahana an’ohatra, iraka mba hangata-pihavanana. Nanoro hevitra ny hanarahana fihetsika toy izany rahateo ilay Mpitari-tafika tsy azo resena ao amin’ny tafik’i Jehovah, fony izy teto an-tany (Lioka 14:31-33). Raha dinihina amim-pitandremana ny tenin’i Jesosy, dia hita fa ampiarahiny amin’ny fihetsitsika ‘izay ananantsika’, ny fananantsika. Na miaina any amin’ny tany mandroso isika na any amin’ny tany tsy mandroso izay tsy maintsy tena iadiana mba hahitana tsy fananana ahiahy ara-bola, dia ilaina ny handinihana ny fiheverantsika. Aoka isika hanontany tena toy izao: Moa ve aho tena miantehitra tokoa amin’ny herin’i Jehovah ka manao izany ho manda fiarovana ahy, sa manome toerana tena lehibe ho an’ny fananana aho? Ny amin’izany, dia mba vakio ny Lioka 12:15-21.
12. Inona no mampiseho fa be dia be amin’izao andro izao no mifikitra amin’ny herin’i Jehovah?
12 Maneran-tany, dia Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no efa nitodika tsy misy fepetra any amin’ny Mpamorona azy ireo ka nitady fihavanana taminy. Maro be amin’izy ireny no mandamina ny fiainany mba hanokanana isam-bolana, ora maro amin’ny asa fanaovana mpianatra. Izay rehetra manao fiezahana mafy mba hanompoana an’i Jehovah dia afaka manandrana ny “fiadanan’Andriamanitra” nampanantenaina izay mihoatra noho ny hevitra sy fahalalan’olombelona rehetra (Filipiana 4:7). Dieny mbola misy fotoana, ireny Vavolombelona ireny dia manohy manampy ny mpiara-belona aminy hampifamatotra fifandraisam-pihavanana amin’i Jehovah, Tompon’ny maro. Inona no toerana tanan’io asa iankinan’ny aina io eo amin’ny fiainanao?
Ny fomba hamenoana “vokatra” ny “tany mahavokatra”
13. Araka ny Isaia 27:6, inona no azo ampoizina amin’izao andro izao?
13 Inona no anjara horaisin’ny Isiraely ara-panahy eo amin’izao tontolo izao rehefa ho tafaverina ao amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra izy aorian’ny Ady Lehibe Voalohany? Manome ny valiny antsika ireto teny mampahery voasoratra ao amin’ny Isaia 27:6 ireto:
“Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno [vokatra, MN ] izao tontolo izao [ny vohon’ny tany mahavokatra, MN ] amin’ny fahavokarany.”
Jereo ny fomba nahatanterahan’ireo teny ireo amin’izao andro izao. Amin’izany dia vao mainka ianao hanana antony tokony hiarahana amin’ny olon’Andriamanitra na, raha efa anisany ianao, dia mbola ho tapa-kevitra kokoa ihany ny hitoetra eo amin’ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah, na inona na inona fitsapana na fahasahiranana mety ho hitanao.
14. Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 27:6 amin’ny olon’Andriamanitra?
14 Nanomboka tamin’ny 1919, taona nandaminan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah tany Cedar Point (any Etazonia) ny fivoriambe voalohany nataony, dia mihahita kokoa eo aminy ireo toe-piainana voalazalaza ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 27:6. Ohatra, fotoana fohy taorian’izay, ny Fikambanana Watch Tower dia nanomboka nanonta gazety vaovao iray, L’Age d’Or, Réveillez-vous! amin’izao andro izao. Toy ny hoe namaka ilay Joda ara-panahy.
15. Inona no fahatsinjovan-javatra nampahafana ny fo naseho tamin’ireo mpivavaka marina nanomboka tamin’ny 1918?
15 Araka izany, tao anatin’ireo taona vitsivitsy nanaraka ny nanafahana azy ireo sy ny niverenany tao amin’ny fankasitrahan’i Jehovah, ny kristiana marina dia nanomboka namony tamin’ny naha-hazo “nambolen’i Jehovah”. (Isaia 61:3.) Tamin’ny 1918, taona farany tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, Joseph Rutherford dia nanao lahateny ampahibemaso nahagaga izay ny lohateniny dia hoe “Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”. Koa satria tamin’izay teto an-tany tsy nisy afa-tsy sisa vitsy tamin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy voahosotra, ilay Mpanjaka niasa, mba hanomboka ny asa nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo, moa ve tafahoatra izany fanombanana izany?
16. a) Ahoana no nandraisan’ny sisa izany? b) “Vokatra” inona no nampifaly ireo anisany, ary inona no naterak’izany?
16 Ahoana no hampiasan’i Jehovah ireny kristiana ireny mba hamenoana “vokatra ny tany mahavokatra”? Nanomboka ny asa ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy, fa inona no holazaina ny amin’ny “vokatra” tokony hameno ny vohon’ny tany mahavokatra? Hitan’ny sisa fa fy sy mahavelona ireo “vokatra”, anisan’izany ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’i Jehovah efa miorina sy entin’i Jesosy Kristy, hany ka tiany hanandrana izany ireo namany. Nambaran’i Jehovah fa ho tonga arivo ny kely ary ho firenena mahery ny vitsy dia vitsy. Haseho àry fa tsy diso hevitra izy (Isaia 60:22). Tsy ela tokoa ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy dia narahin’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry tsara, dia Jesosy Kristy. — Apokalypsy 7:9-17; Jaona 10:16.
17, 18. Raha ny amin’ny ‘famenoana vokatra ny vohon’ny tany mahavokatra”, afaka manaporofo inona isika?
17 Fantatrao tsara angamba ny toeran’ny tena kristianisma amin’izao andro izao. Manana sampana 94 ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany. Misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 48 000 any amin’ny tany 203. An’i Jehovah ny voninahitra noho izany zava-nitranga mahagaga izany izay manamarina ny Teniny tsy mety diso amin’izany, raha mbola tsy tonga ny “farany” ambara ao amin’ny Matio 24:14.
18 Maneran-tany dia misy kristiana efa ho 3 tapitrisa miara-miasa amin’ny Fikambanana Watch Tower. Izany dia “ondry hafa” an’i Kristy indrindra, izay efa hatramin’ny ela be no manao ny ankabetsahan’ny asa fanambarana maneran-tany ka amin’izy ireny dia “ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy”. (Nehemia 8:10.) Ny tsirairay avy amintsika àry amin’izao andro izao dia manana fahafahana ny ho voky ara-panahy sy hanampy amin’ny ‘famenoana vokatra ny vohon’ny tany mahavokatra’.
19. Mifandray amin’ny “tany mahavokatra”, inona no fifaliana mety handramantsika, ary manao ahoana ny fihetseham-ponao?
19 Afaka matoky isika fa tsy havelan’i Jehovah ho rava mihitsy ny “vokatra” ankehitriny avy amin’ny “tany mahavokatra”, dia ny sahan’asan’ireo Vavolombelony. Tsy ho very maina na oviana na oviana ny asan’ireo vavolombelony sady mpitory. Ny “vokatra” na voa ara-panahy ambolen’ny kristiana marina dia ampiasaina ho sakafon’izay rehetra maniry handray soa avy amin’izany. Anisan’ireny olona ireny dia hisaina, rehefa tonga ny fotoana, ny maty an-davitrisany maro izay ho natsangana ao amin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy arivo taona. Alao sary an-tsaina izay mety ho dikan’izany ho anao! Isiraelita araka ny nofo maro be no hatsangana koa. Ny sasany amin’izy ireny angamba dia ho niaina ny fahatanterahana voalohan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-27. Tsy hahavariana ve ny hiaina amin’izany fotoana izany ka ho afaka hanazava ny fomba nandraisanao anjara tamin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana lehibe kokoa tamin’ny ‘famenoana vokatra ny vohon’ny tany mahavokatra’? — Jereo Apokalypsy 22:2, 3.
Hifarana ny fihazakazahan’ilay “leviatana”
20. Hanao ahoana ny hiafaran’ny “leviatana”, ary inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fiandrianan’Andriamanitra?
20 Tsy hisy intsony Egypta ara-panoharana, izany hoe ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny manana an’i Satana Devoly ho andriamanitra. Jehovah koa dia ho nampitodika ny sainy ho amin’ilay Leviatana ara-panoharana, dia ilay menarana misosa sy miolakolaka eo afovoan’ny ranomasina, dia ny olombelona. Ny tenany koa mbamin’ireo firenena sy ireo antokom-pirenena, dia ho nanjavona. Tsy hiasa amim-pahalalahana tanteraka intsony izy io, dia ilay mpanimba ny olombelona nahatonga an’i Jesosy Kristy ho faty (Isaia 27:1). Satana Devoly tokoa dia ho natsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa izay hijanonany mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy, zanak’i Davida sady mpandova ara-dalàna ilay Fanjakana. Ireo Isiraelita ara-panahy 144 000 dia hiara-hanjaka amin’izy io, dia amin’ilay Liona ara-panoharana avy amin’ny fokon’i Joda (Romana 8:16, 17; Apokalypsy 5:5, 9, 10; 7:1-4). Amin’izany Jehovah Andriamanitra Avo Indrindra dia ho nohamarinina mandrakizay amin’ny maha-Mpanjaka Tompo eo amin’izao rehetra izao. Ny fandaminany eo amin’izao rehetra izao. Ny fandaminany eo amin’izao rehetra izao, any an-danitra sy eto an-tany, amin’izay dia higoka ao anatin’ny fifaliana, fiadanana sy fifandrindrana mandrakizay. Hatramin’ny fotoana tsy voafetra sy ho mandrakizay mihitsy aza, dia hahita fifaliana amin’ny fandaminany tafaray eo amin’izao rehetra izao Jehovah.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa ireo kristiana marina no nahatsapa ny ‘fahatezeran’i Jehovah’ teo am-piandohan’ny taonjato?
◻ Mifanohitra amin’ireo firenena, ahoana no azontsika ‘ifikirana amin’i Jehovah ho fiarovana antsika’? (Isaia 27:5.)
◻ Ahoana, tamin’ny androntsika, no namenoana “vokatra” ny “tany mahavokatra”? (Isaia 27:6, MN.)
◻ Fahatanterahan’ny Isaia 27:1 inona no azontsika antenaina amim-pitokisana tanteraka?
[Sary, pejy 17]
Ny sasany manantena fa hanafoana ny fandrahonana noklehera ny olona, fa ireo hendry avy amin’ny firenena rehetra kosa dia ‘mifikitra amin’ny herin’i Jehovah’.
[Sary, pejy 18]
Ny fitomboan’ny fahasalamana ara-panahin’ireo kristiana voafahana tsara dia hita taratra amin’ny fitaran’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower.
Espaina
Brésil
Kanada