Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve ny “Fanambarana tsy fivadihana” soniavin’ny olon-droa miara-miaina misy vidiny maharitra toy ny fanambadiana ara-dalàna?
Io fanontaniana io dia mahakasika fandaharana manokana iray tsy azo atao afa-tsy any amin’ireo tany izay ny lalàny dia tsy manome lalana hisara-panambadiana. Tsara ny hiheveran’ny kristiana an’io raharaha io, satria asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa heverin’Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa ny fanambadiana. Izao tokoa no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Aoka àry hojerentsika hoe ao anatin’ny tarehin-javatra inona no mipetraka io fanontaniana io.
Misy olon-droa mianatra ny fahamarinana raha mbola miaina toy ny mpivady nefa tsy afaka manao izay haha-ara-dalàna ny toerany. Maniry hatao batisa anefa ilay lehilahy sy ilay vehivavy. Amin’ilay fanambarana resahina, ny olon-droa ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany dia manao fanekena ampahibemaso fa samy tsy hivadika amin’ny anankiray mandra-pahafahan’izy ireo manao izay haha-ara-dalàna ny fanambadiany araka ny lalàn’ilay tany. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1977, pejy faha-633, dia nanome fanipazan-kevitra raha ny amin’ny fomba azo andaharana an-tsoratra ny fanambarana toy izany, ary dia nanampy teny hoe: “Izay nanao sonia fanambarana toy izany dia voafatotra toy ny hoe nanao fanekena teo anatrehan’ny lehiben’ny fanaovana sora-piankohonana misolo tena an’i ‘Kaisara’, izany hoe fitondram-panjakana iray eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, izy.” — Jereo ny tenin’i Jesosy voalaza ao amin’ny Matio 22:21.
Fa ahoana raha toa “Kaisara” ka manova ny lalàna momba ny fisaraham-panambadiana, araka ny hita any Italia, ohatra? Koa satria hatramin’izao izy dia manana fahafahana hisaraka amin’ny vadiny taloha, ilay kristiana vita batisa izay miaina ara-panambadiana araka ny “Fanambarana tsy fivadihana” nosoniaviny dia tokony hanao avy hatrany ireo fikarakarana resahin’io fanambarana io, mba “hahazoana fanekena ara-dalàna izany fanambadiana izany”. Ny fikarakarana voalohany dia mba hahazoana fisaraham-panambadiana amin’ny vadiny taloha. Rehefa avy eo, dia tsy maintsy vadiny ara-dalàna ilay olona miara-miaina aminy. Na dia tsy mino aza izy io, dia tokony hanaiky ny hanaovana izay haha-ara-dalàna ny toeran’izy ireo izy. Raha mandà izao ilay tsy mpino, ilay lehilahy kristiana na ilay vehivavy kristiana dia tokony hisaraka amin’ilay miaraka aminy, mba hitanana ny fankasitrahan’ny kongregasiona. Tsy azo heverina ho manan-kery intsony tokoa ilay “Fanambarana tsy fivadihana” ao amin’ny kongregasiona, satria hatramin’izao ny lalàna dia mamela ireo olon-droa ireo hivady.
Rehefa atolotra azy ireo ny fahafahana ka tafaray ara-dalàna ny mpivady, ny fanambadian’izy ireo dia mamatotra azy amin’ny fomba maharitra, fa tsy toy izany ny “Fanambarana tsy fivadihana” izay fanekena ampahibemaso nefa vonjimaika, ifanaovana.