Aza mandray anjara amin’ny fahotan’ny hafa
“Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.” — SALAMO 26:4.
1. Nahoana moa i Joda no nanapa-kevitra ny hanova ny foto-dresaka tao amin’ny taratasy nokasainy hosoratana ho an’ireo rahalahiny kristiana?
TAONJATO sivy ambin’ny folo lasa izay, Joda mpianatra dia nikasa ny hanoratra ho an’ireo rahalahiny kristiana ny amin’ny ‘famonjena niombonan’izy ireo’. Noheveriny anefa fa nilaina ny hananarana azy ireo ‘mba hiezaka mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina’. Nahoana? Satria nisy “olona ratsy fanahy” nitsofoka tao anatin’ny kongregasiona, ‘namadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana’. — Joda 3, 4.
2. Na dia mampahery tokoa aza ny miresaka ny amin’ny famonjena, inona indraindray no tokony hoheverina ao amin’ny vavaka?
2 Mampahery tokoa ny miresaka ny amin’ny famonjena iombonantsika. Mitondra fahafahampo lalina ny fisaintsainana hafatra toy izany, ary mifaly mialoha isika noho ny fitahiana rehetra hoentin’ny famonjena ho antsika. Misy anefa fotoana ilàna ny hijery zava-manahirana lehibe hafa fa tsy hiresaka ny amin’ny famonjena. Raha tsy alamina tokoa izany, dia mety hanimba ny finoantsika sy hampiala antsika amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana. Nampitandrina ny kristiana tamin’ny fitondrantena ratsy tamin’ny teny mafy dia mafy i Joda. Toy izany koa, dia ilaina indraindray ny hiheverantsika ao amin’ny vavaka ny torohevitra mivantana sy hentitra sasany omen’ny Soratra masina.
Ny fahotantsika
3. Nahoana isika no mila famaizana, ary ahoana no tokony handraisana izany?
3 Izao no nolazain’i Davida mpanao salamo: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5). Teraka mpanota daholo isika rehetra (Romana 5:12). Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” (I Jaona 1:8). Noho isika mpanota, indraindray isika dia mila ny hifehezana antsika mba hanitsiantsika fitondrantena sasany narahintsika. Izany fifehezana izany dia azontsika avy amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, sy ny fandaminany. Manitsy antsika izany ary manampy antsika handeha amin’ny fahitsiana eo anatrehany. Nanome izao fanazavana izao ny apostoly Paoly: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” (Hebreo 12:11). Rehefa heverina amin’ny vokatra mitondra fiadanana aterak’izany famaizana izany, dia azo antoka fa tokony hanaiky azy amim-pankasitrahana isika.
4. Amin’ny fotoana toy inona no azo omena ny famaizana, ary inona no mety ho vokany?
4 Mety hofehezin’i Jehovah isika raha mbola vao manomboka fotsiny manaraka lalana iray mety hitarika antsika hanao fahotana lehibe kokoa (Galatiana 6:1). Amin’ny toe-javatra hafa, dia mety homena antsika ny famaizana aorian’ny nidirantsika lalina kokoa ao amin’ny lalan-dratsy. Angamba izany ho mafy kokoa, toy ny fony ny apostoly Paoly nananatra mafy ny Korintiana hamely mafy ny mpijangajanga iray teo anivon’ny kongregasiona mihitsy (I Korintiana 5:1-5). Amin’ny toe-javatra iray toy ny amin’ny hafa, dia ampiharina ny famaizana mba hibebahan’ilay nanota, hiverenany sy hanarahany lala-mahitsy iray, lavitra ny filan’ny nofo izay mahatonga hanao fahadisoana lehibe (jereo Asan’ny apostoly 3:19). Faly ireo mpanompon’i Jehovah mahazo izany fifehezana izany, tsy misy hafa amin’ilay mpanota tany Korinto fahiny izay notenenina mafy, nandray soa tamin’izany satria toa tafarina izy ka nahita indray ny fiarahana voamariky ny fitiavana tamin’ny kongregasiona. — II Korintiana 2:5-8.
5. Inona mandrakariva no ataon’ireo kristiana manjary manao fahotana lehibe?
5 Ny ankamaroan’ny kristiana nanolo-tena ho an’i Jehovah dia mahatsapa tanteraka ny ilàna handeha amin’ny fahitsiana eo anatrehany. Raha sanatria ka manao fahadisoana lehibe izy ireny, dia miala avy hatrany amin’ny ratsy, manatona ireo loholona ary manome porofon’ny fibebahany amim-pahatsorana (Jakoba 5:13-16). Ny fahitana fa azo lazaina hoe vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah voaroaka isan-taona dia manaporofo fa mankahala izay ratsy izy ireny ary maniry hanao izay tsara. — Salamo 34:14; 45:7.
Ny fahotan’ny hafa
6, 7. Ahoana no anandraman’ny mpandika lalàna sasany mitaona ny hafa?
6 Ny rahalahy sasany toa tia izay mahitsy anefa dia toa nanaiky ho voafitaky ny fony, satria tsy mampiseho fankahalana izay ratsy (Salamo 97:10; Amosa 5:15). Nanota àry izy ireny ary tsy nanohy niady mba hanao izay mahitsy. Indraindray dia lasa lavitra kokoa aza izy ireny amin’ny fitadiavana hitarika kristiana hafa ao amin’ny lalan-dratsiny. Zava-dehibe tokoa àry ny handavana fanasana toy izany. — Jereo Ohabolana 1:10-15.
7 Ireny olona ireny izay hita tanteraka ho tsy mankahala ny ratsy intsony, indraindray dia miteny amin’ny fomba mody malefaka aoka izany, hany ka ireo izay mihaino azy dia mety hanaiky hampitombo ao am-pony ny faniriana hanao izay ratsy. Angamba izy ireny hanosika azy hanao zavatra maloto na asa sasany manakaiky ny fitondrantena tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Na, ny kristiana iray koa dia mety hanaiky ho voatarika ao anatin’ny tarehin-javatra iray mety hampidi-doza eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ny olona miezaka hitaona olon-kafa hanao toy izany dia hanizingizina angamba fa Jehovah dia Andriamanitra fitiavana izay mamindra fo amintsika rehefa manota isika. Ny vokatra manimban’ny famitahan’ny fo toy izany dia mety ho tsapa ela be tokoa (Jeremia 17:9; Joda 4). Tsy isalasalana mihitsy fa tokony ‘hiaro ny tongotsika tsy hankamin’ny alehan’ny’ olona toy izany isika. — Ohabolana 1:15.
Aza mandray anjara amin’ny fahotan’ny hafa
8. Fanontaniana inona avy no tokony hoeritreretina?
8 Ary raha hitantsika fa ratsy ny lalana anasana antsika mba harahina? Moa ve ny fandavana fotsiny ny fanoloran-kevitra toy izany manafaka antsika amin’ny andraikitra hafa rehetra mifamatotra amin’io raharaha io? Inona no hataontsika raha fantatsika fa ireo izay manasa antsika hanao ratsy dia manao izany koa?
9. Nahoana moa ny sasany no tsy mampiharihary ny fahadisoana ataon’ny hafa, ary nahoana no ratsy izany?
9 Ny olona sasany izay mahalala ny fitondrantena ratsin’ny kristiana hafa indraindray dia mirona tsy hilaza na inona na inona amin’ireo izay manana andraikitra lehibe indrindra hiaro ny fahadiovan’ny kongregasiona. Nahoana? Angamba tsy irin’izy ireny ny hoheverina ho mpiampanga misokosoko. Na mety ho diso fihevitra ny amin’ny hitsim-po koa izy ka hangina na tsy hiresaka ny amin’izany afa-tsy amin’olona izay hampanantena azy fa hitana ny tsiambaratelo. Ratsy dia ratsy izany. Ny fihetsika toy izany, raha ny marina, dia mety hitarika azy handray anjara amin’ny fahotan’ny hafa.
10, 11. a) Inona moa no nolazain’ny apostoly Jaona raha ny amin’ny fandraisana anjara amin’ny fahotan’ny hafa? b) Inona no fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika raha rentsika fa nanao zavatra ratsy ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona?
10 Nasehon’ny apostoly Jaona fa mety hitranga ny fandraisana anjara amin’ny fahotan’olona. Izao no nosoratany: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. (...) Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona [mandray anjara, MN ] amin’ny ratsy ataony.” (II Jaona 9-11). Tsy mety ny hifaneraserana amin’izay rehetra mandà “ny fampianaran’i Kristy”. Amin’ny tsy fiarahabana azy akory aza, ny kristiana mahatoky dia hanalavitra ny fiombonana amin’ny asany ratsy.
11 Koa satria izany no hita ny amin’ny mpivadi-pinoana iray, dia azo antoka fa tsy ho tiantsika koa ny handray anjara amin’ireo asa ratsin’ny olon-kafa izay fantatsika ny fitondrantenany maloto. Inona àry no hataontsika raha fantatsika fa ny mpikambana toy izao ao amin’ny kongregasiona dia tonga mpangalatra na mpimamo? Raha tsy mamporisika azy hitady ny famelan’i Jehovah sy hiaiky ny fahadisoany amin’ireo loholona isika, moa ve isika tsy azo omen-tsiny? Tsia, manana andraikitra lehibe tokoa isika.
Iankinan’ny aina ny fahadiovana sy ny fiarovana
12. Nahoana moa isika no tokony hiahy ny amin’ny fahadiovana ara-panahin’ny kongregasiona?
12 Ny tsirairay avy isam-batan’olona dia tokony hiahy ny amin’ny fahadiovana ara-panahin’ny kongregasiona. Nosoritana indrindra izany tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana rehefa nadiva handao an’i Babylona ireo Jiosy babo tany amin’io tanàna io. Nomen’Andriamanitra izao baiko izao izy ireo: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy [avy eo amin’i Babylona]; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.” — Isaia 52:11.
13. Ahoana no nampisehoan’i Joda fa tokony hitandrina isika mba hiaro ireo mpanompon’i Jehovah amin’izay manao ratsy?
13 Isika koa dia tokony hiahy ny amin’ny hiarovana ireo mpanompon’i Jehovah amin’ireo izay hiezaka hitarika azy hanao ratsy. Ireo “olona ratsy fanahy” tamin’ny andron’i Joda dia nitady ‘hamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana’; nisalovana anefa io mpianatra nahatoky io mba hampitandrina an’ireo rahalahiny kristiana ka tamin’izany dia hiaro azy ireny. Tamin’izany, dia nampahatsiahiviny azy ireo ny ohatra maromaro, anisan’izany ny amin’ireo Isiraelita nahatoky sy ireo anjely tsy nankatò. Vakio ny taratasiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia ho tsapanao fa ireo kristiana mahatoky dia tsy afaka mangina fotsiny amin’izao rehefa tandindomin-doza ny fahadiovan’ny kongregasiona na mila ny harovana amin’ireo olona maloto fitondrantena manana antony maloto manosika ireo mpanompon’Andriamanitra.
14. Raha toa ny kristiana iray izay nanota ka tsy miaiky ny fahadisoany amin’ireo loholona, amin’ny ahoana moa ny Salamo 26:4 no mety hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra?
14 Kanefa aoka hatao hoe namporisika kristiana iray izay nanota hitady ny famelan’Andriamanitra sy hiaiky ny fahadisoany amin’ireo loholona isika, kanefa miandry ela izy vao manao izany na tsy mahita ny ilàna hanaovana toy izany. Afaka mijanona eo fotsiny ve isika? Hilaza anakampo angamba ny sasany fa tsy tiany ny ho tafiditra amin’izany karazan-draharaha izany na tsy iriny ny hamoy ny fisakaizana amin’ilay nanota. Tsy ho tiany ny hitantara ireo zava-nitranga amin’ireo loholona noho ny fahatahorana sao heverina ho mamadika ny fitokisana azy. Fiheverana ratsy anefa izany. Izao no nolazain’i Davida mpanao salamo: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.” (Salamo 26:4). Azo antoka fa tsy tiantsika ny ho mpiray tetika amin’ny “olom-petsy”.
15. Ahoana no ampisehoan’ny Levitikosy 5:1 amintsika ny andraikitsika rehefa avy nanome fotoana antonony ho an’ny mpanota iray isika mba hanatonany ireo loholona hiresahana amin’izy ireo ny amin’ny fahadisoany?
15 Noho izany, rehefa avy nanome ho an’ilay mpandika lalàna fotoana antonony isika mba handehanany hanatona ireo loholona sy hiresaka amin’izy ireo ny amin’ilay fahadisoany, dia manana andraikitra eo anatrehan’i Jehovah isika tsy handray anjara amin’ny fahotany. Ilaina àry ny hampahafantarana an’ireo mpiandraikitra manana adidy fa ny fitondrantenan’io olona io dia mahatonga hihevitra fa nanao fahadisoana lehibe izy, ka mitaky famotopotorana avy amin’izy ireo izany. Izany dia mifanaraka amin’izay vakintsika ao amin’ny Levitikosy 5:1, manao hoe: “Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany.” Mazava ho azy fa hofadintsika ny fanaovan-javatra maimaika loatra noho ny fanombantombanana fotsiny.
16. Inona moa no zava-dehibe kokoa noho ny hitsim-po amin’ny sakaiza iray izay tsy mety manambara amin’ny loholona ny fahadisoana lehibe nataony?
16 Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mahazatra ny manafina zava-dratsy ataon’ny hafa. Be dia be no moana toy ny fasana rehefa hoe hampiharihary fitondrantena ratsin’olona amin’ireo izay tokony hampahafantarina izany. Ilaina ny hananana toetra kristiana matanjaka tokoa mba hampahafantarana an’ireo loholona fa nanao fahadisoana lehibe ny anankiray amin’ireo rahalahintsika. Kanefa, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah, dia tsy tokony hanaiky hohajambain’ny fisakaizana isika ka hanakimpy ny masontsika eo anoloan’ny ratsy ataon’olon-kafa. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny hitsim-pontsika eo anoloan’ny sakaiza iray nanjary meloka ho nanao zava-dratsy ka tsy mety manambara izany amin’ireo loholona.
Tokony hieritreritra an’io raharaha io ny rehetra.
17. Inona no mampiseho fa ny sasany amin’ireo tanorantsika dia tokony hitandrina mba tsy handray anjara amin’ny fahotan’ny hafa?
17 Hita eo amin’ireo tanorantsika indraindray io zava-manahirana io, dia ny fandraisana anjara amin’ny fahotan’ny hafa. Mangina izy ireny ary tsy mety mampahafantatra an’ireo loholona rehefa manao zavatra mety hanimba ny kongregasiona ny sasany amin’izy ireny ka mendrika ny tsy fankasitrahan’i Jehovah. Any amin’ireo sekolin’izao tontolo izao ankehitriny, dia mahazatra tanteraka ny manafina ny fahadisoan’ny hafa. Rehefa hita koa ao amin’ny kongregasiona anefa ny fihetsika toy izany, dia mety hiteraka zava-manahirana maro. Misy fitantarana mampiseho fa nisy tanora maromaro niara-nanao zavatra ratsy; nifampianiana izy ireo fa tsy hilazalaza izany mba tsy hahalalan’ireo loholona sy ny ray aman-drenin’izy ireo ny amin’ny fitondrantenany. Noho izy resin’ny fitaoman’ny tanora hafa sy ny faniriana ny horaisin’ny antokon’olona, ireny tanora ireny dia nahatonga fahoriana maro ho an’ny tenany sy ny ray aman-dreniny ary ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona rehefa hita ny fahadisoany. Aoka tsy hohadinointsika fa tsy misy na inona na inona takona ka tsy hanjary hiharihary; noho izany antony izany, ny anankiray amin’ireo andraikitsika lehibe indrindra eo anatrehan’i Jehovah dia ny fiarovana ny fahadiovan’ny fandaminany. — Lioka 8:17.
18. Inona no hataon’ny ray aman-dreny kristiana manana zanaka nanao fahadisoana lehibe?
18 Ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia tokony hitandrina tsara mba tsy handray anjara amin’ny fahotan’ny hafa. Ny ray aman-dreny sasany dia manandrana manamarina ny fitondrantena ratsin’ireo zanany ka miezaka amin’izany manafina azy. Tsy tokony hieritreritra anefa ireo ray aman-dreny kristiana fa manohitra an’ireo zanany ny olona rehetra rehefa manao ratsy ireo. Mifanohitra lavitra amin’izany, ny ray aman-dreny tia fivavahana dia tokony hanampy ireo zanany nanao fahadisoana, handray sy hanaiky ny famaizana ilaina ka voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, sy hankamamy ny soa entin’izany.
19. a) Raha ny amin’ny fahotana lehibe, tokony hiahy ny amin’inona moa ny mpivady kristiana? b) Inona no tokony hataon’ny loholona raha manao fahotana lehibe ny anankiray amin’izy ireo na ny mpikarakara momba ny asa iray?
19 Ny mpivady kristiana koa dia tokony hiahy ny amin’ny tsy handikana ireo lalàn’Andriamanitra amin’ny fanafenana ny fahotana lehibe ataon’ny iray. Hotadidian’izy ireo izay hita tamin’i Ananiasy sy Safira izay nanandrana nanafina ny fahotany lehibe, nefa tsy nahavita izany (Asan’ny 5:1-11). Hitandrina koa ireo loholona mba tsy hiaro ny anankiray amin’izy ireo na ny mpikarakara momba ny asa iray raha toa io ka nanao fahadisoana lehibe mety hitarika ny fandroahana azy. Harahiny ny fotopoto-pitsipika nambaran’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Aza malaky mametra-tànana amin’olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.” — I Timoty 5:22.
Hendre: ataovy hatrany izay tsy hananan-tsiny
20. Tsy tokony hanafina ny fahotana lehibe ataon’ny hafa na handray anjara amin’ny fahotany fa inona kosa no tokony hatao?
20 Ireo mpanompon’i Jehovah dia tsy tokony handray anjara amin’ny asa ratsin’izao tontolo izao ankehitriny na hanahaka izany. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona ho an’i Gaio: “Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’Andriamanitra.” (III Jaona 11). Endrey ny hatsaran’ny famelana hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra azo antoka sy ny fanaovana ny tsara amin’izany! Tsy tokony handray anjara amin’ny fahotana lehibe ataon’ny hafa isika na hanafina izany, fa tokony ho tapa-kevitra kosa ny hamirapiratra toy ny loharanom-pahazavana amin’ny tsy fananana antony tokony hiampangana antsika sy amin’ny tsy fananan-tsiny (Filipiana 2:14, 15). Ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay avy dia manana andraikitra hiaro ny fahadiovan’ny kongregasiona sady tsy hanan-tsiny hatrany koa ny tenany (II Petera 3:14). Fa inona no tokony hatao raha mikorontan-tsaina ianao ka manontany tena raha mety ny fitondrantenan’ny olona toy izao na izao? Tokony hahatsiaro hanana fahalalahana hiresaka amin’ireo loholona ianao mba handraisana torohevitra momba ny fomba tsara tokony harahina.
21. a) Amin’ny ahoana moa ny fitiavan’i Kristy ny kongregasionany no ohatra ho antsika? b) Inona no andraikitra tokony hiantsorohantsika raha misy mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona manao ratsy?
21 Ny fitiavantsika ny fandaminan’i Jehovah dia tokony ho sahala amin’ny nasehon’i Jesosy Kristy ny vadiny ara-panahy, dia ny kongregasiona. Izy dia ‘tia ny fiangonana [kongregasiona, MN ] ka nanolotra ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny; mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy”. (Efesiana 5:25-27.) Toy izany koa, ny fitiavantsika ny fandaminan’i Jehovah dia hanosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao mba hiarovana ny fahadiovany. Aoka isika tsy hanao na inona na inona mihitsy izay mety hanala baraka an’Andriamanitra na ny fandaminany ary aoka isika tsy hanakimpy ny masontsika amin’ny ratsy ataon’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona. Aoka kosa isika hamporisika ireo mpanota hanarina ny lalany sy hitady ny fanampian’ireo loholona. Raha tsy manao izany izy ireny rehefa avy nomena fotoana antonony, dia aoka isika hiantsoroka ny andraikitsika amin’ny fampandrenesana ireo mpiandraikitra voatendry. Amin’izany, dia tsy handray anjara amin’ny fahotan’ny hafa isika ary tsy hanana andraikitra mihitsy amin’ny fitondrantena ratsiny.
22. a) Inona no tokony hatao mba hahazoana ny famonjena? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hodinihina?
22 Harena tsy manam-paharoa ny famonjena iombonantsika. Mba hahazoana izany dia tokony hanohy handeha amim-pahitsiana eo anatrehan’i Jehovah isika. Aoka àry isika hifanampy amin’ny fanaovana toy izany ka tsy iombona mihitsy amin’ny fahotan’ny hafa. Noho ny fitiavany, Jehovah dia nanomana fandaminana iray izay manampy antsika amin’io lafiny io, ary amin’izany lafiny izany dia mandray anjara lehibe ireo loholona. Fa ahoana no anahafany an’i Jehovah sy ny Zanany, ilay Mpiandry tsara? Inona no fanampiana azon’izy ireo entina ho antsika raha mbola mandeha eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana isika? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no tokony hiheverana ny famaizana?
◻ Raha milaza aminao ny kristiana iray fa nanao fahadisoana lehibe izy, hamporisika azy hanao inona ianao?
◻ Inona no tokony hatao raha fantatrao fa ny kristiana iray izay nanao fahadisoana lehibe dia tsy niaiky izany tamin’ireo loholona?
◻ Na loholona isika, na lehilahy, na vehivavy na zanaka, ahoana no azontsika itandreman-tena mba tsy handray anjara amin’ny fahotan’ny hafa?
[Sary, pejy 20]
Ny apostoly Jaona dia mampitandrina antsika amin’izay rehetra mety ho fandraisana anjara amin’ny fahotan’ny hafa.