FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/3 p. 3-4
  • Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Velom-panahiana ny olona
  • Ireo Fiangonana sy ny fahotana
  • Konfesy
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fieken-keloka ny fomba ankasitrahan’ny olona sa ny an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fieken-keloka — Zavatra tsy mety ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ahoana no hahatongavana ho marina eo imason’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/3 p. 3-4

Mifanaraka tsara amin’Andriamanitra ve ianao?

BETSAKA angamba no tsy mahita mihitsy ny ilàna hametraka an’io fanontaniana io. Eo imason’izy ireny, ny zava-dehibe indrindra, dia ny hifanarahana amin’ny tenany ihany. ‘Ataovy izay tianao’, izany no baiko omena amin’izao andro izao. ‘Aza manamelo-tena’, hoy koa ny anankiray hafa.

Tsy tanora vitsivitsy vonton’ny filozofian’ny ‘izaho aloha’ ihany akory no manana izany fiheverana izany. Ohatra, any Frantsa, izay ny 82 isan-jato amin’ny mponina no katolika vita batisa, ny fitsapan-kevitra natao tamin’ny 1983 dia nampiharihary fa 4 isan-jato monja tamin’ny olona nadinina no nanaiky ny hevitra ny amin’ny fahotana. Tany Etazonia, taona vitsivitsy lasa izay, Karl Menninger, nantsoina hoe ny “rain’ny fitsaboana aretin-tsaina any Amerika”, dia nihevitra fa tsara ny nanoratra boky iray manontolo araka ny foto-kevitra hoe Inona no niafaran’ny fahotana? (anglisy). Izao no azo vakina ao ankoatra ny zavatra hafa: “Amin’ny maha-firenena, dia nitsahatra tsy ‘nanota’ tamin’ny fomba ofisialy isika, tokony ho roapolo taona izao.” Izao koa no azo novakina teo amin’ny fonon’ilay boky: “Tsy hita intsony tokoa ao amin’ny voambolantsika ny teny hoe ‘fahotana’.”

Araka izany, dia manjavozavo aoka izany ankehitriny ny hevitra ny amin’ny fahotana, hany ka olona be dia be, na dia amin’ireo izay milaza tena fa kristiana aza, no ho sahirana hanazava ny tena atao hoe fahotana.

Velom-panahiana ny olona

Kanefa, na dia mihamanjavona be na kely aza ny hevitra ny amin’ny fahotana, dia fisehoan-javatra maromaro vao haingana teo amin’izao tontolo izao no nampieritreritra ny olona. Aoka hotononintsika voalohany ny habetsahan’ny fanalana zaza any amin’ny tany mandroso maro. Any amin’ny sasany amin’ireny tany ireny, izay “kristiana” ny ankamaroan’ny mponina ao aminy, dia faran’izay mampiseho fileferana ny lalàna momba ny fanalana zaza. Ny fanafoanana zaza any am-bohoka maro be dia niteraka akony tokony ho sarotra hazavaina amin’ny olona mandà ny hevitra ny amin’ny fahotana.

Ahoana, ohatra, no mahatonga vehivavy manana filozofiam-piainana mamela azy hanala zaza, hahatsiaro ho meloka rehefa avy eo na ho voan’ny aretin-tsaina mihitsy aza? Nisy “fandinihana natao nampiharihary fa ny ankamaroan’ny vehivavy nalana zaza dia nampiseho fikorontanana ara-pihetseham-po”, na dia tany Yougoslavie kaominista aza (The New Encyclopœdia Britannica). Nohazavain’ny profesora Henri Baruk, any amin’ny akademiam-pirenena momba ny fitsaboana any Frantsa fa izany fisehoan-javatra izany dia vokatry ny fandikana “fotopoto-pitsipika tena lehibe voasoratra ao am-pon’ny olona rehetra”. Nosoratan’iza anefa?

Ny fitomboan’ny isan’ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy maneran-tany dia fisehoan-javatra hafa iray koa izay mampieritreritra olona maro be. Ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquis), miteraka fahafatesana be dia be, dia nanapoaka fisalasalana sy fitebitebena be teo amin’ny olona maro be izay nihevitra fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna dia nanafaka azy ireny tamin’ny fadifady efa lany andro rehetra. Ny vidiny lafo dia lafo aloan’ny maro noho ny fanarahany “fahalalahana” eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia manosika ny sasany hanontany tena raha toa, rehefa dinihina, ka tsy voasazy izy ireny. Voasazin’iza anefa?

Ireo zava-nitranga vao haingana ireo izay mampahatsiahy fa tsy afaka handika ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena sady tsy ho voasazy ny olona, dia mitarika olona mieritreritra maro hanitsy ny fiheverany ny amin’ny fahotana sy ny amin’ny andraikitr’izy ireny eo anatrehan’Andriamanitra.

Ireo Fiangonana sy ny fahotana

“Ny fahotan’ity taonjato ity dia ny tsy fahalalana intsony ny hevitry ny hoe fahotana.” Nilaza hevitra tamin’ny teny mahery toy izany ny papa Pie faha-12 raha vao tamin’ny 1946. Miharihary tokoa fa niharatsy ny tarehin-javatra hatramin’izay. Tao amin’ny tahirin-kevitra vao haingana momba ny fahotana sy ny fiaiken-keloka, mitondra ny lohateny hoe “Fampihavanana sy fivalozana”, ny papa Jean-Paul II dia nanonona ireo tenin’ny teo alohany ka nilaza ny alahelony noho izay nantsoiny hoe fahatakonan’ny hevitra ny amin’ny fahotana eo amin’ny fitambaran’olona tsy miankina amin’ny fivavahana ankehitriny.

Nampahatsiahivin’ny papa tamin’ireo pretra katolika sy tamin’ireo katolika amin’ny ankapobeny koa fa tsy ampy ny fiaiken-keloka sy ny famotsoran-keloka miaraka toy ny ataon’ny eglizy katolika maro amin’izao andro izao. Nanantitrantitra izy fa ny fiaiken-keloka isam-batan’olona no “hany fomba ara-dalàna” fankalazana ny fivalozana izay fankamasinana. Amin’ny fampianarana katolika, ny fivalozana sy ny asa soa dia ilaina koa mba hihavanan’ilay nanota amin’Andriamanitra.

Ho an’ny ankamaroan’ny Fiangonana protestanta, dia tsy ilaina ny miaiky heloka manokana amin’ny pretra iray. Amin’izy ireny, dia ampy ny miaiky heloka amin’Andriamanitra mba hahazoana famelana ny fahotany. Ny Fiangonana protestanta sasany anefa dia manohana ny fiaiken-keloka sy ny famotsoran-keloka mitambatra amin’ny “kaominio”. Protestanta maro no mino fa ny finoana ihany no ilaina mba hanambarana ny tena fa marina eo anatrehan’Andriamanitra.

Koa satria ireo Fiangonana lazaina fa kristiana manana fampianarana mifanipaka ny amin’ny fiaiken-keloka, ny fivalozana sy ny fanamarinana, na ny amin’izay tokony hatao mba hisehoana ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, dia olona maro be no very hevitra aoka izany. Tsapany amin’ny fomba manjavozavo fa ilaina ny hanaovan-javatra mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, nefa tsy fantany marina hoe inona izany.

Ny lahatsoratra manaraka dia hanazava hoe nahoana isika no mila ny hampihavanina amin’Andriamanitra. Hodinihiny koa ny hevitra katolika sy ny an’ny protestanta momba ny “fanamarinana”. Ny lahatsoratra roa hafa dia hampahafantatra antsika izay tokony hatao araka ny Baiboly mba hitanana toeran’ny marina eo anatrehan’Andriamanitra sy ny maha-zava-dehibe an’io raharaha io ho an’ny tsirairay avy amintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara