Ahoana no hahatongavana ho marina eo imason’Andriamanitra?
“LAZAIN’ANDRIAMANITRA ho tsara io.” Toy izany no toa fomba nandikana ny teny hoe “fanamarinana” ao amin’ny fandikan-teny vao haingana iray amin’ny “Testamenta Vaovao” amin’ny teny “pidgin” melaneziana. Mety ho toa somary tsotra loatra io fandikan-teny io, nefa raha ny marina dia voalazany tsara ny hevitry ny teny nadika hoe “fanamarinana” na “fanambarana fa marina” ao amin’ny Romana 5:16 araka ireo fandikana ny Baiboly amin’ny teny malagasy sy frantsay.
Ny sasany kosa anefa dia milaza hoe: ‘Manana fiainana mahitsy aho. Manao soa manodidina ahy aho isaky ny afaka manao izany. Vonona ny hihaona amin’ny Mpamorona ahy aho.” Ny tiany holazaina amin’ny hoe fanamarinana dia toa hoe fanamarinan-tena. Araka ny Baiboly anefa, ny fampianarana ny amin’ny “fanamarinana” dia mifandray amin’ny fomba iheveran’Andriamanitra antsika sy ny karazam-pifandraisana tanan’ny tenany amintsika. Jehovah dia ‘Mpamorona’. (Isaia 40:28.) “Mpitsara ny tany rehetra” koa izy. (Genesisy 18:25.) Tsy misy na inona na inona lehibe kokoa noho ny fomba itsaran’ny tenany antsika àry.
Nahoana no tokony hihavana amin’Andriamanitra?
Izao no ambaran’ny Baiboly ny amin’i Jehovah: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy izy.” (Deoteronomia 32:4). Sary velona mampiseho ny fahamarinana izy. Noho izy Mpamorona, Ilay manome ny fiainana, dia zony ny hametra fitsipika na lalàna milazalaza izay tsara sy izay ratsy. Izay rehetra mifanaraka amin’ireo fitsipika noferan’Andriamanitra àry dia marina.
Araka izany, dia Andriamanitra no mametra ny zava-kendrena tokony hotratrarin’ireo zavaboariny manan-tsaina raha irin’izy ireo ny hiaina mifanaraka amin’ny Mpamorona azy. Ireo teny nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany dia miantso hoe fahotana ny tsy fahatratrarana io zava-kendrena io na ny tsy fanajana ireo fitsipika ireo. Araka izany, ny fahotana dia ny tsy fahamarinana. Manota izay rehetra tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra ho tsara na ratsy. Noho izany, ny fahotana dia karazam-pikorontanana, tsy firaharahan-dalàna, koa. — I Jaona 5:17; 3:4.
Jehovah dia “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. (I Korintiana 14:33.) Tamin’ny voalohany, ny zavaboariny rehetra tany an-danitra sy teto an-tany dia tanteraka. Nomena safidy izy ireny (II Korintiana 3:17). Nanana ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo. (Romana 8:21.) Raha mbola nohajaina koa ireo fitsipi-pahamarinana noferan’Andriamanitra, dia nanjaka teo amin’izao rehetra izao ny fiadanana sy ny filaminana. Niseho tao ny fikorontanana rehefa, tany an-danitra aloha, avy eo dia teto an-tany, nisy zavaboary nanomboka tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra, ka nanda tamin’izany ny zony hanapaka eo amin’izy ireo. Nihataka tamin’ny fitsipik’Andriamanitra nilazalaza ny amin’ny tsara sy ny ratsy ireny olona ireny. Tsy nahatratra ny zava-kendrena izy ireny ary nanao ny tenany ho mpanota.
Izany no hita tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany: Adama sy Eva (Genesisy 3:1-6). “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota (...) ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Nanomboka tamin’ny nikomian’izy ireo no “nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana”, satria ny taranak’i Adama rehetra dia “samy efa nanota” ka tsy mahatratra ny fitsipi-pahamarinana noferan’Andriamanitra (Romana 5:21; 3:23). Noho izany no ilàntsika ny hampihavanina amin’Andriamanitra.
Ny hevitra katolika ny amin’ny “fanamarinana”
Ny Fiangonana rehetra izay milaza ho manaraka ny kristianisma dia miaiky fa tokony hihavana amin’Andriamanitra ny olona. Fa raha ny amin’izay tokony hatao amin’izany sy ny amin’ny toeran’ny kristiana raha oharina amin’Andriamanitra, dia hafa noho ny an’ny protestanta ny hevitry ny Eglizy katolika.
Raha ny amin’ny fampianarana katolika, dia izao no lazain’ny Encyclopédie catholique (anglisy): “Ny fanamarinana dia manondro ny fiovana na ny fanovana ny fanahy ialan’ny olona iray avy amin’ny toeran’ny fahotana tamin’ny voalohany nahaterahany amin’ny maha-taranak’i Adama, ho amin’ny fahasoavana sy ny fandraisana ho zanaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Adama faharoa.” Manampy izao fanazavana izao ny diksionera katolika iray (anglisy): “Eto dia tananay ny fiovaovan-javatra mahatonga olon-dehibe harenina avy amin’ny toeran’ny maty sy ny fahotana ho amin’ny fankasitrahana sy ny fisakaizana amin’Andriamanitra; fa raha ny amin’ny ankizy, ny Eglizy dia mampianatra fa hamarinina amin’ny batemy izy ireny na dia tsy manao na inona na inona aza ny tenany.”
Raha fintinina, dia ampianarin’ny Eglizy katolika fa ny “fanamarinana” dia zavatra ataon’Andriamanitra, ka amin’izany izay rehetra atao batemy ao amin’ny finoana katolika dia tena hamarinina sy hamasinina tokoa amin’ny alalan’ny fanomezan’ny ‘fahasoavan’Andriamanitra’. Antitranteriny koa fa ny fanamarinana toy izany dia 1) azo ampitomboina amin’ny alalan’ny fahamendrehana manokana na ny asa; 2) mety ho very noho ny fahotana mahafaty sy ny tsy finoana; 3) mety ho hita indray amin’ny alalan’ny fankamasinana amin’ny fivalozana. Ao anatin’ny faritr’ireo fandaharana ireo, ny katolika hamarinina toy izany dia tsy maintsy miaiky ny fahotany amin’ny pretra iray mba hahazoana famotsoran-keloka. Ny “sazy amin’izao fiainana izao” mbola tokony hampiharina amin’ny kristiana iray aorian’ny famotsoran-keloka dia mety ho afaka amin’ny alalan’ny asa na havela amin’ny alalan’ny “famelan-kelokaa”.
Ny hevitra protestanta
Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16, ny fivarotana famelan-keloka be loatra dia nanapoaka ny Fanavaozana protestanta. Tamin’ny 1517, Martin Luther, moanina katolika tamin’izay, dia nanameloka an’io fanao io tao amin’ny hevitra 95 napetany teo amin’ny varavaran’ny eglizin’ny lapan’i Wittenberg, tany Alemaina. Lalina kokoa noho izany anefa ny tsy fifanarahan’i Luther sy ny fampianarana ofisialy katolika. Izany dia nahakasika ny fitambaran’ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fanamarinana. Manamarina izany amin’izao teny izao ny Diksionera katolika iray (anglisy): “Ny antony lehibe indrindra niteraka tsy fifanarahana teo amin’ny katolika sy ny protestanta tamin’ny andron’ny Fanavaozana dia ny tsy fitovian’ny zavatra ninoany momba ny fomba anamarinana ny mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. ‘Raha latsaka io fampianarana io (ny amin’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana ihany), hoy i Luther ao amin’ny Resaka an-databatra nosoratany, dia vita hatreo ny amintsika.’ ”
Fa inona marina no tian’i Luther holazaina amin’ny hoe ‘fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana ihany’? Tamin’ny naha-katolika azy, dia fantatr’i Luther fa ny fanamarinana ny olona dia mitaky batemy, fahamendrehana manokana sy asa soa, nefa koa fanamasinana amin’ny fivalozana ataon’ny pretra iray izay mandre ny fiaiken-keloka, manome famotsoran-keloka sy mandidy ny hanaovana fivalozana mety hahafaoka ampiharina amin’ny tena.
Noho ny fiezahany hitady fihavanana amin’Andriamanitra, dia novoasan’i Luther lalina daholo ny hevitra amin’ny fampianarana katolika momba ny fanamarinana, anisan’izany ny fifadian-kanina, ny vavaka sy ny fivalozana. Noho izy tsy nahita fihavanana tamin’Andriamanitra, dia novakiny sy naveriny novakina ny Salamo mbamin’ireo taratasin’i Paoly. Farany, dia nahita fiadanan-tsaina izy rehefa tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa manamarina ny olona Andriamanitra, tsy noho ny fahamendrehany na ny asa fivalozana ataony, fa noho ny finoany fotsiny. Nientana aoka izany izy tamin’io hevitra ny amin’ny “fanamarinana amin’ny finoana ihany” io, hany ka nampiany ny teny hoe “ihany” ny teny hoe “finoana” ao amin’ny fandikany amin’ny teny alemana ny Romana 3:28b.
Ny ankamaroan’ny Fiangonana protestanta dia nanaraka amin’ny fotony ny hevitr’i Luther momba ny “fanamarinana amin’ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny finoana”. Raha ny marina, io hevitra io dia efa nolazain’i Jacques Lefèvre tany Etaples, frantsay mpialoha ny mpanavao. Raha namintina ny tsy fitovian’ny hevitra katolika sy ny an’ny protestanta ny amin’ny fanamarinana ny Diksionera katolika iray (anglisy), dia izao no nolazainy: “Ho an’ny katolika, ny fanamarinana dia fanaovan-javatra mahatonga ny olona iray hanjary ho tena marina; amin’ny protestanta izany dia fanaovan-javatra anambarana azy fa marina fotsiny sy heverina ho toy izany, ka ny soa nataon’olon-kafa — izany hoe Kristy — dia raisina ho azy.”
Tsy ny hevitra katolika na ny an’ny protestanta
Amin’ny filazana fa ‘ny olona iray dia hanjary ho tena marina’ noho ny fanomezana ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny batemy, ny fampianarana katolika dia mihoatra izay ampianarin’ny Baiboly. Tsy ny batisa akory no mikosoka ny fahotana tamin’ny voalohany, fa ny ra nalatsak’i Kristy (Romana 5:8, 9). Misy tsy fitoviana lehibe amin’ny hoe tena ataon’Andriamanitra manjary marina sy ny hoe isaina na heverina ho marina (Romana 4:7, 8). Ny katolika tso-po rehetra, izay miady mafy amin’ny fahotana, dia mahafantatra tsara fa tsy tena nanjary marina izy (Romana 7:14-19). Raha tena marina izy, dia tsy hanam-pahotana hoaikena amin’ny pretra iray mihitsy.
Ambonin’izany, raha nanaraka ny Baiboly ny fampianarana katolika, amin’izany ny katolika mahatsapa ny fahotany dia hiaiky izany amin’Andriamanitra sy hangataka famelana aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (I Jaona 1:9 ka hatramin’ny 2:2). Ny fifonan’ny pretra olombelona iray eo amin’izay rehetra mety ho dingana amin’ny “fanamarinana” dia tsy misy fototra araka ny Baiboly mihitsy, toy izany koa ny hevitra ny amin’ny fanangonana fahamendrehana iorenan’ny fampianarana ny amin’ny famelan-keloka. — Hebreo 7:26-28.
Ny hevitry ny protestanta ny amin’ny fanamarinana, ilazana fa ny kristiana dia ambara fa marina noho ny vidin’ny soron’i Kristy dia tsy isalasalana mihitsy fa manakaiky kokoa ny fampianaran’ny Baiboly. Misy anefa Fiangonana protestanta mampianatra ny “fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana ihany”, dia fampianarana izay, araka ny ho hitantsika ery aoriana, tsy mihevitra ireo fanaporofoan-kevitra mazava aoka izany nomen’ny apostoly Paoly sy Jakoba. Izany fiheverana izany, izay mampiseho fizahozahoana sasany eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia voafintina amin’izao fehezanteny izao: “Voavonjy indray mandeha, dia voavonjy foana.” Ny protestanta sasany àry dia mihevitra fa ampy ny “mino an’i Jesosy mba hovonjena” ary noho izany, dia mialoha ny batisa ny fanamarinana.
Misy Fiangonana protestanta manaraka koa ny fanamarinana amin’ny finoana, manaiky ihany an’ilay mpanavao frantsay atao hoe Jean Calvin amin’ny fampianarana ny lahatra isam-batan’olona, ka mandà amin’izany ny fampianaran’ny Baiboly momba ny safidy (Deoteronomia 30:19, 20). Azo atao àry ny milaza fa raha ny amin’ny fanamarinana, na ny hevitra katolika na ny an’ireo Fiangonana protestanta dia tsy mifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly.
Inona no ampianarin’ny Baiboly?
Tena ampianarin’ny Baiboly tokoa anefa ny fampianarana ny amin’ny “fanamarinana”, izany hoe ny fomba mety hiheveran’Andriamanitra ny olona iray ho marina. Hitantsika teo aloha fa ilaintsika ny hihavana amin’Andriamanitra noho isika rehetra teraka, tsy ho zanak’Andriamanitra, fa ho “zanaky ny fahatezerana”. (Efesiana 2:1-3). Hitoetra amintsika ny fahatezeran’Andriamanitra raha lavintsika ny fandaharana feno famindrampo nataony mba hamelana antsika hihavana aminy ilay Andriamanitra masina sy marina (Jaona 3:36). Izany fandaharana feno fitiavana izany, dia “ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy”. — Romana 3:23, 24.
Nasehon’ny apostoly Paoly fa ny avotra, izany hoe ny soron’i Kristy, dia mahatonga hety hisy ny karazam-panantenana roa: ny anankiray ho “etỳ ambonin’ny tany”, ary ny anankiray ho “any an-danitra”. Izao no nosoratany: “Fa sitraky ny Ray ho ao aminy [Kristy] no hitoeran’ny fahafenoana rehetra, sady izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana — eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.” — Kolosiana 1:19, 20.
Mba handraisan-tsoa amin’ny anankiray amin’ireo fanantenana, dia ilaina ny hisehoana ho marina eo anatrehan’Andriamanitra, ka izany dia mahafaoka zavatra be lavitra noho ny ‘finoana an’i Jesosy’ fotsiny. Hodinihintsika ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka ny dikan’izany ho an’ny kristiana izay mamelona fanantenana ny ho any an-danitra sy ho an’ireo manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Vakio ireo lahatsoratra ireo ary aza misalasala mangataka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanome anao ity gazety ity mba hiara-midinika ny amin’izany aminao, amin’ny fampiasana Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny fampianarana katolika, ny fahotana dia milaza tsy mivantana fahamelohana sy karazan-tsazy roa: mandrakizay sy amin’izao fiainana izao. Ny fahamelohana sy ny sazy mandrakizay dia avela amin’ny alalan’ny fanamasinana fivalozana. Ny sazy amin’izao fiainana izao dia tokony halana ao anatin’ny fiainana ankehitriny amin’ny alalan’ny asa soa sy ny fivalozana, na amin’ny fiainana ho avy amin’ny alalan’ny afo fandiovana. Ny famelan-keloka dia famelana tapany na manontolo amin’ny sazy amin’izao fiainana izao amin’ny fampiharana ny soa vitan’i Kristy, Maria sy ireo “olo-masina”, dia soa natao tehirizina ao amin’ny “Tahirin’ny Eglizy”. Ny “asa soa” takina mba hahazoana famelan-keloka iray dia mety hahafaoka fivahiniana masina na fanomezana ara-bola noho ny antony “tsara”. Tamin’izany fomba izany taloha no nanangonam-bola ho an’ny kroazady sy mba hanorenana katedraly, eglizy sy hopitaly.
b Nolavin’i Luther koa ny maha-anisan’ny boky ao amin’ny Baiboly ny taratasin’i Jakoba. Noheveriny fa ny fanazavana nomen’i Jakoba ao amin’ny toko faha-2 amin’ny taratasiny, fanazavana hoe maty ny finoana tsy misy asa, dia nanohitra ny fanazavan’ny apostoly Paoly ny amin’ny fanamarinana “tsy amin’ny asa”. (Romana 4:6.) Tsy azony fa ny amin’ny asan’ny lalàna jiosy no noresahin’i Paoly. — Romana 3:19, 20, 28.
[Teny notsongaina, pejy 5]
NY EGLIZY KATOLIKA dia mampianatra fa mahatonga ny olona ho marina tokoa ny fanamarinana, kanefa mety ho very noho ny fahotana mahafaty izany fanamarinana izany na hihatsara noho ny fahamendrehana manokana.
[Teny notsongaina, pejy 6]
PROTESTANTA MARO no mino ny fanamarinana, na hoe ambara fa marina ny tena amin’ny alalan’ny finoana ihany ary miantoka ny famonjena ny finoana an’i Jesosy. Mifandray amin’ny fanamarinana, ny sasany dia mino ny lahatra.
[Teny notsongaina, pejy 7]
NY BAIBOLY dia mampianatra fa nomena safidy ny olombelona ary ny avotra natolotr’i Kristy dia mahatonga hamelona karazam-panantenana roa: ny anankiray ho any an-danitra, ny faharoa ho eto an-tany. Ny fahatanterahan’ireo roa ireo dia mitaky ny hiheverana ny tena ho marina eo anatrehan’Andriamanitra.