‘Mikatsaka ny fanjakana aloha’: ny zava-kendren’ny fianakavianay
Nataon’i Stan sy Jim Woodburn
“NAKA fianakaviana iray manontolo tamiko izany hafatra izany!” Rehefa mijery ny lalana nodiavinay efa ho hatramin’ny dimampolo taona izao aho, dia tsy sarotra amiko ny mahatakatra ny fahasosoran’ilay pastoranay taloha. Tao anatin’ny fotoana fohy, ny mpianakavinay fito, zazavavy sy zazalahy, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah nifanesy. Tany Whitehaven, any Angletera, no nitrangan’izany.
Nanomboka ny zavatra rehetra rehefa nividy boky roa (La Harpe de Dieu ny anankiray) tamin’i Ida Eccles, minisitra manontolo andro (mpitory maharitra) mbola mpitory mahatoky foana any Blackpool, ny zokiko lahy. Avy hatrany i John dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelona. Tamin’ny 1936, dia telo taminay, John, Tom sy izaho (Stanley), no nankany Glasgow, any Ecosse. Tianay ny hihaino tany ny lahateny araka ny foto-kevitra hoe Hara-Magedona, hataon’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, J. Rutherford tamin’izany fotoana izany. Io no fivoriambe nalehanay voalohany; niaraka tamin’ireo fitopolo nilatsaka an-tsitrapo rehefa nangatahina hiasa amin’ny sampan-draharaha momba ny filaminana nandritra ny lahateny ampahibemaso nataon’ny rahalahy Rutherford.
Ny asa manontolo andro, avy eo dia ny ady!
Tamin’ny 1937, ny rahalahy be zotom-po tokoa iray, enina amby roapolo taona, dia tonga avy any amin’ny foibe tany Brooklyn mba handray an-tanana ny raharahan’ny sampana tany Londres. Tsy iza izany fa ny rahalahy A. Schroeder izay anisan’ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Endrey ny fampaherezana nentiny ho anay mbola tanora kokoa! Naniry ny ho tonga mpitory manontolo andro tokoa izahay. Teo am-piandohan’ny 1939, ny anankiroa tamin’ireo rahalahiko sy ny tenako izay nalalaka sy tsy nanana andraikitra ara-pianakaviana, dia namaly ny antso ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra.
Niova haingana ny sehatra teo amin’izao tontolo izao. Ny 3 septambra 1939, dia nanambara fa hiady amin’i Alemaina i Grande-Bretagne. Tsapa ny fanerena nokendrena hanakantsakanana ny asa fitoriana, ary taoriana kelin’izany, dia tonga teo anoloan’ny raharaha ny amin’ny fialanalanana kristiana izahay.
Nampangaina ho tsy mety manao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana aho. Rehefa niseho teo anatrehan’ny fitsarana aho, dia nanohana ny toerako ireo fito anisan’ny mpanampy tamin’ny fitsarana, ka nomen-dalana aho hanohy ny fanompoako. Tsy nanafina ny fahadisoam-panantenany ny mpitsara lehibe indrindra noho izany fanapahan-kevitra izany. Afaka tamin’ny raharaha miaramila koa i Tom. Tsy mba toy izany kosa anefa i John sy Jim ary Martin, anankiray hafa tamin’ireo rahalahiko. Nampiharana sazy an-tranomaizina daholo izy ireo.
Nandritra ny ady izahay rehetra dia nandia fotoam-panahiana daholo, kanefa nisy zavatra nahatsikaiky ihany. Indray andro, dia nandray ny familiana fiarakodia nisy fanamafisam-peo aho raha nitsidika teo amin’ny varavarana ny polisy iray. Araka ny nohazavainy tamiko, dia notantarain’ireo tantsaha fa nandefa sy nandray hafatra avy amin’ny fahavalo nazia aho! Tsy ela anefa dia tsapany fa tsy nisy afa-tsy fonografy sy fitaovana fanamafisam-peo tao amin’ny fiarako, ary tsy nanana fandraisana radiao akory aza aho!
Nandritra izany fotoana izany i Jim dia lasa nankany Birmingham, any atsimo kokoa, any amin’ny faritra fanaovan-tao zavatra ao afovoan’i Angletera. Tao no nahazoany fiofanana tsara dia tsara tamin’ny asan’ny mpitory maharitra. Notsidihiny tokoa ireo faritany be mpivarotra, niaraka tamin’i Albert Lloyd, mpitory za-draharaha iray. Simban’ny zera baomba matetika ny tanàna, ary rava ny Efitrano Fanjakananay tsara tarehy tao afovoan’ny tanàna. Na dia tao aza izany, dia nitatra ny fitoriana, ary kongregasiona maromaro no noforonina tao amin’ireo faritra antsisiny.
Imbetsaka dia imbetsaka ireo rahalahy no nanana antony tokony hisaorana an’Andriamanitra noho ny niarovany azy ireo rehefa nitety ny faritany izy ireo mba hitondra fampaherezana ara-panahy ho an’ny olona nila dia nila izany. Tadidiko tsara tokoa ny indray maraina nanambara ny ady. Tamin’io andro io aho dia tao amin’ny vohitra kely iray any amin’ny tanin’ny Galles ary nalefako ampahibemaso tamin’ny fonografiko ny disika hoe “Ny faran’izao tontolo izao”. Tsy ela, dia nisy olona nanodidina ahy sy nangataka boky tamiko. Vetivety monja dia nahazara boky 38 aho! Tsy mahagaga àry raha toa teo anelanelan’ny 1939 sy 1945 ka nila ho avo roa heny ny isan’ny Vavolombelona tao amin’ireo nosy britanika, ary nahatratra ny tampon’isan’ny mpitory 13 150 tamin’ny faran’ny ady.
Tafasara-dalana izahay
Fotoana fohy taorian’ny fahavitan’ny ady, dia nandao an’i Angletera aho mba handeha hanohy ny fianarana tamin’ny kilasy fahavalo amin’ny Sekoly fianarana ny Baiboly any Galaad, any New York, Etazonia. Jim sy Martin, izay voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia niantsoroka ny andraikitr’izy ireo tany amin’ny faritany britanika. Tamin’ny fizarana diplaoma tamin’ny 1947, dia voatendry ho mpiandraikitra ny distrika tany amin’ireo nosy britanika aho. Nitety an’ilay tany àry aho nandritra ny dimy taona, nandamina fivoriamben’ny fizaran-tany saika isan-kerinandro. Tao anatin’ireo taona vitsivitsy ireo dia namakivaky ny tany manontolo izahay telo mirahalahy, dia Jim sy Martin ary ny tenako.
Tafasara-dalana anefa izahay rehefa voantso mba hanatrika ny kilasy fahadimy ambin’ny folon’i Galaad i Jim. Nahazo ny diplaomany izy tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ny fitomboan’ny Teokrasia, dia fivoriambe niraisam-pirenena natao ny 30 jolay 1950. Voatery ho any Equateur, any Amerika Atsimo, i Jim. Izy rahateo no hanohy ny fitantarana.
Ny asa misionera tany Equateur
Tena tsy mora akory ny fiainana misionera tany Equateur. Na dia tao aza ny fahasahiranana vokatry ny toetr’andro sy ny tsy fitovian’ny fanao, dia tamim-pifaliana no nahitanay rahalahy sy anabavy vaovao maro be nanatevina ny laharanay. Tsy mora velively anefa izany. Ohatra, rehefa naniry handamina ny fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany tany Guayaquil izahay dia tsy nanam-bola mihitsy. Koa lasa ny misionera rehetra nitory, avy eo dia natambatray ny vola azo rehetra ho takalon’ireo boky voapetrakay. Tamin’izany fomba izany, dia afaka nanangona vola ampy hoenti-misahana ny fandaniana tamin’io fivoriambe io izahay.
Tamin’ny 1959, dia faly aoka izany aho niova faritany: notendrena ho any La Libertad efa nisy anabavy misionera hafa, dia Frances Kerr, aho. Nandova ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra avy amin-dreniny izay nanao ny asa hatramin’ny 1919 izy. Efa nifankahalala hatramin’ny ela be izahay sy Frances, ka tamin’ny 1959 dia nivady izahay.
Fony vao tonga tao La Libertad ireo misionera voalohany, dia tsy nisy Vavolombelona na dia iray monja aza, nefa ankehitriny, dia kongregasiona mandroso telo no hita ao. Niova haingana ny zavatra, ka nahazo fanendrena maromaro izahay, toa an’i Quito, Ambato sy Manta. Nandritra izany vanim-potoana izany izahay dia nanana tombontsoa nanampy olona 147 hanompo an’i Jehovah, ary nandray anjara tamin’ny fanatanjahana maromaro kokoa ihany tamin’izy ireny izahay.
Ny aretina sy ny fiverenana teto Angletera
Rehefa roapolo taona no niasanay tany Equateur, dia tena tao aminay izahay tao amin’io tany io. Tamin’ny 1971 anefa, dia nody tamin’alahelo teto Angletera izahay, satria nila fikarakarana ara-pitsaboana manokana i Frances. Na dia izany aza, dia tapa-kevitra aho ny haharitra tamin’ny asa manontolo andro ka tsy handray asa tsy ara-pivavahana indray. Soa ihany fa nisy mponina be dia be niteny espaniola tao amin’ny faritanin’i Paddington any Londres. Taty aoriana izahay dia afaka namorona ny kongregasiona espaniola voalohany tety Angletera.
Nitaky fiezahana foana i Londres tamin’ireo Vavolombelona naniry hanao fanambarana tany amin’ireo magazay, birao sy hotely, toerana ihaonana amin’olona samy hafa firenena. Io no faritaninay nandritra ny enin-taona. Nahafaoka tapany nidadasika tamin’i Londres izany, tao anatiny koa Camden, Chelsea, Kensington, Mill Hill, Paddington sy Stepney. Tao anatin’ireo enin-taona ireo izahay dia nahazara Baiboly sy boky fianarana Baiboly maherin’ny fito arivo. Indray mandeha, tao amin’ny hotely iray, ilay lehiben’ny mpahandro dia namory ny mpiasa tao aminy rehetra tao amin’ny efitrano fisakafoana lehibe indrindra, ary nanana fahafahana izahay namelabelatra tamin’izy ireo ny hafatra nandritra ny fahefatr’adiny. Espaniola, Italiana sy Portiogay ireo olona ireo, ary maro be aminy no mbola tsy nahita Baiboly mihitsy. Niseho ho nandray tokoa izy ireo.
Indray andro, raha nitsidika birao aho tao amin’ny foibe fanaovan-draharaham-barotra ao Londres, dia nanatona trano fametraham-bola nalaza iray ka rehefa nijery tao anatiny, dia nahatsikaritra lehilahy ranjanana iray, tsara fitafy sy maha-te-hanaja ny fisehoany ivelany. Feno fandavana aho ka niteny anakampo fa handa ny hafatra izy io; nanao vavaka fohy anefa aho ary nanatona azy. Tsy niteny na inona na inona izy fa nankany amin’ny biraony, namoaka avy ao, Baiboly maitso sy gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray ary nilaza tamiko hoe: “Vavolombelon’i Jehovah koa aho.” Fianarana tsy tokony hohadinoiko izany: tsy tokony hotsaraina araka ny fisehoany ivelany ny olona.
Ny fanaovana fanambarana tany amin’ireo sekoly
Nanana faniriana ny hiverina tany Equateur foana izahay; koa rehefa sitrana tanteraka i Frances dia niainga ho any indray izahay tamin’ny 1977. Toy inona moa ny fifalianay! Nahazo ny faritanin’i Santo Domingo tany Los Colorados izahay. Tany izahay dia nanomboka sahan’asa iray. Indray maraina, raha nandeha isan-trano izahay, dia nahatsapa fa tsy tao an-tranony ny ankamaroan’olona. Tao amin’ny faritaninay kosa anefa dia nisy sekoly telo hisy zavatra betsaka ho azonay atao. Nahoana no tsy hitsidika azy ireo? Rehefa avy nivavaka ny amin’izany izahay dia lasa nanatona an’ireo mpampianatra tamin’ny fitondrana ny boky roa hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti sy L’homme est-il le produit de l’évolution ou de la création?. Nahagaga ny vokany.
Tsapanay fa na ny mpampianatra na ny mpianatra dia samy naniry mafy ny handinika ireo boky roa ireo. Ny mpampianatra iray, pretra katolika, dia nanafatra zato avy tamin’ireo ho an’ny mpianatra rehetra tao amin’ireo kilasiny telo. Tao amin’ny “lycée” hafa iray, dia nianatra ireo boky roa ireo ny tale ary naniry mafy ny hamakian’ny mpianany izany koa. Koa satria telo arivo mahery izy ireo, dia tsy maintsy niverina imbetsaka izahay mba ho tafahaona tamin’izy rehetra tao amin’ny kilasin’izy ireo. Boky arivo mahery no napetrakay tao amin’io fianarana io!
Tao amin’ny sekoly katolika hafa iray, ny tale, pretra avy tany Espagne, dia namaky tamim-pahafinaretana lehibe ny boky Evolution, koa nomeny anay ny fahazoan-dalana hitsidika ny kilasy tsirairay avy sy hanao lahateny fohy. Noraisin’ny mpianatra ny boky rehetra nanananay ary voatery niverina izahay. Taty aoriana, dia renay fa nasaina nanao fikarohana tao amin’ny boky Votre jeunesse aza izy ireo tao amin’ny toko mivaofy ny amin’ny zavatra mahadomelina. Toa zava-nanahirana lehibe tao amin’io sekoly io ny zavatra mahadomelina. Boky maherin’ny efajato no voapetrakay tamin’izay fotoana izay.
Tany amin’ny tanànan’Ambato no nanendrena anay manaraka, tao anatin’ny tendrombohitra rakotry ny orampanala. Tao koa izahay dia afaka nitsidika foibe katolika fampiofanana hampianatra ka nahazo vokatra tsara izahay tao, toy ny tany amin’ny sekoly maromaro hafa tao amin’ilay faritra. Tao amin’ny anankiray tamin’ireo fianarana ireo izahay dia nitsidika ny kilasy tsirairay avy ary nahazara boky Votre jeunesse 438 tamin’ny fitambarany. Nafana fo aoka izany ny mpampianatra sasany ka izy ireo no nanao ny ankamaroan’ny fampisehoana teo amin’ny toeranay ary namaky mafy tamin’ny mpianatra ny lohatenin’ny toko rehetra. Nanome toky an’ireo tanora izy ireo fa ho tsara tokoa ny hananany iray amin’izany toy izay hividy boky tsy mahasoa hafa.
Rehefa mitodika ny lasa izahay, dia mahatsapa fa nanana fifaliana niresaka tamin’ny mpianatra an’arivony maro sy tamin’ny mpampianatra an-jatony maro, ary tamin’ny fitambarany dia nahazara boky fanampiana hianatra ny Baiboly 11 000 mahery izahay. Tamin’izy ireny, ny sasany dia nonina tany amin’ny fara atin’ny kirihitrala tsy azo idirana tsy tongan’ny fiarakodia. Tsy azo lavina fa mbola misy asa lehibe tokony hatao any Equateur.
Nandeha haingana toy ny tselatra ny fotoana, ary amin’izao fotoana izao, rehefa avy nahita zava-manahirana ara-pahasalamana izahay dia eto Londres indray. Nandritra ny efapolo taona mahery dia nanohana anay tamin’ny fanahiny marina Jehovah. Raha afaka nanolotra ny fiainanay ho amin’ny asany hatramin’ny fahatanoranay izahay, dia tena noho ny fankasitrahany an’izay tsy mendrika akory (Mpitoriteny 12:1). Anjaran’i Stanley izao ny manohy ny fitantarana.
Ny fitoriana any Irlande
Tamin’ny 1949, dia tojo fanoherana mafy ny asan’ny Vavolombelona tany Irlande. Tamin’izany fotoana izany, dia ny sampan’ny Fikambanana teto Londres no nikarakara an’io tany io. Taorian’ireo lahateny araka ny Baiboly nataonay ankalamanjana, ny pastora nitarika ny Fiangonana batista tany Irlande Avaratra dia nanipy hevitra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao fampifanatrehana amin’ny foto-kevitra hoe “Ny nananganana an’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny maty”. Noho izaho mpiandraikitra ny distrika, dia nankinin’ny Fikambanana tamiko ny famaliana an’io fanasana io. Tokony hatao tany Portadown ny fifanakalozan-kevitra. Nisy kongregasiona kely rahateo tao amin’io tanàna io.
Ny takariva hanaovana ny fiadian-kevitra, dia feno hika ilay efitrano fanaovana fety. Nanofa azy io ny batista, ora vitsivitsy talohan’izay mba hivoriana ho amin’ny vavaka. Raha oharina amin’ny olona an’arivony tonga avy amin’io faritra manontolo io sy amin’ireo mpitondra fivavahana eo amin’ny fitopolo, dia vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nampiasa afa-tsy ny fihetseham-po ara-pivavahana ilay pastora batista mba hanandramana miteraka fanoherana avy amin’ny vahoaka. Rehefa ora roa no nifanakalozana hevitra, dia nolaviny ny hanazava ny andinin-teny ao amin’ny I Petera 3:18 sy ny andinin-teny hafa manaporofo fa natsangana tamin’ny fanahy (esprit) Jesosy.
Tamin’ny farany, dia nampahatsiahiviko azy ireo ny torohevitr’i Gamaliela hita ao amin’ny Asan’ny apostoly 5:34-39, milaza fa mety ho hita eo am-piadiana amin’Andriamanitra izy ireo. Tsy nahafehy tena intsony ilay pastora ka nitrerontrerona hoe: “Aza voham-baravarana ireo! Tsy misy maha-ratsy mihitsy ny fanidiam-baravarana ho an’ny Devoly!” Na dia tao aza izany, dia olona maromaro nanatrika no nahay namantatra hoe iza no nitana ny fahamarinana. Niala ny sasany tamin’ny ondrin’io pastora io ary tamin’ny faran’io herinandro io ihany, ireo mpitory tao amin’ny kongregasiona kelin’i Portadown dia namela ho an’ny olona, boky betsaka kokoa noho ny nataony tao anatin’ireo enim-bolana teo aloha. Misy kongregasiona lehibe izao ao Portadown, manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy, ary kongregasiona maromaro miparitaka any amin’ireo tanàna eny amin’ny manodidina.
Mitana ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra izahay
Tamin’ny 1952 dia nampakatra an’i Joyce Cattell izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela teto Londres aho. Tamin’ny 1957 dia nanana fahasambarana izahay nahita ny nahaterahan’ny zanakay vavy, Jane. Nampitsimbadika ny fiainanay io fisehoan-javatra io. Nitady asa tsy ara-pivavahana tsy fidiny aho. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia nitana foana ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainanay izahay ary nahatsapa ny fahamarinan’ny tenin’i Davida voarakitra ao amin’ny anankiray amin’ireo salamo izay tiako indrindra: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.” — Salamo 16:8.
Nandritra ireo taona nanaraka, dia nifindra trano imbetsaka izahay ho any amin’ny toerana isan-karazany, niasa tany amin’izay nilana izany indrindra ary nandray anjara indraindray tamin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Nisy rahalahy namalifaly nanolotra asa ho ahy, kanefa notoheriko ny fakam-panahy hanao ny fikatsahana harena ara-nofo ho zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainako. Isaky ny nitady trano izahay, dia nahita ny asa nilaiko mba handoavana ny hofany aho. Faly aho nitana izany fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra izany!
Afrika Atsimo, Irlande, avy eo dia Angletera indray
Noho izahay niasa tany amin’ny toerana samihafa any amin’ireo nosy Britanika, anisan’izany Outer Hebrides lavitra, tamin’ny faran’ireo taona 1960 izahay dia lasa nankany Afrika Atsimo. Tany izahay dia nanao ny asanay teo anivon’ny mponina mainty hoditra ary nanana fifaliana nandray anjara tamin’ny fitomboan’ny Vavolombelona dimy votoatiny, dia votoatiny tonga antokon’olona 61 ankehitriny (I Korintiana 3:6-9). Noho ny antony ara-pahasalamana dia niverina tany Irlande Avaratra izahay tamin’ny 1974, izay niasanay nanaraka ny sisin-tany, nirehetan’ny fampihorohoroana.
Indray andro, tamin’ny 1975, dia namakivaky ny sisin-tany aho mba hanatitra entana, satria izany no asako tapa-potoana. Tsitapitapitr’izay, dia nisambotra ahy ny mpampihorohoro telo nanao saron-tava. Nanontany ahy izy ireo hoe iza aho ary inona no ataoko, ka novaliako avy hatrany izany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho.” Rehefa azony antoka fa tsy mpitsikilo voakaraman’ny Anglisy aho, dia navelany handeha aho ary nanohy ny lalako, nisaotra an’i Jehovah noho ny niarovany ahy. — Ohabolana 18:10.
Niverina teto Angletera izahay tamin’ny 1977. Avy eo dia nandray tombontsoa lehibe izahay. Teo amin’ny faha-62 taonako dia nasaina indray aho hikarakara fizaran-tany iray! Tamin’izay fotoana izay, i Jane zanakay vavy izay roapolo taona, dia mpitory maharitra sy afaka namelon-tena. Koa namidinay ny fanananay sasany, ary rehefa roa taona tao amin’ny fizaran-tany aho, dia nankinina tamiko indray ny andraikitra tao amin’ny distrika iray. Notendrena aho handamina ireo fivoriambe natao tao amin’ny Efitrano fanaovana izany tany Manchester, any avaratr’i Angletera. Marina tokoa fa niainako indray izay voalaza tsara tokoa ao amin’ny Salamo 16, indrindra fa eo amin’ny Sa 16 andininy faha-6, manao hoe: “Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.”
Amin’izao fotoana izao izahay dia manana fifaliana mitsidika fizaran-tany iray, mitety faritra nokarakaraiko taona maro lasa izay. Toy inona anefa ny fahasamihafana! Marina fa mbola ao ihany ireo rahalahy nahatoky voalohany fantatray, kanefa ny fitomboan’ilay Fanjakana dia mbola nitondra olona an-jatony maro sy niteraka kongregasiona maro hafa.
Na dia telo aza izao no maty amin’ny mpianakavy Woodburn fito, ireo hafa, izany hoe Beth, izay 80 taona izao, Tom, izay 78 taona ary Jim sy ny tenako, dia manohy manompo an’i Jehovah. Martin rahalahiko dia nahavita ny fihazakazahany tamim-pahatokiana tamin’ny 1973, rehefa 34 taona no nitoriany manontolo andro. Mbola marisika foana i Marie vadiny ao Glasgow (Ecosse).
Tena nanana tombontsoa tokoa ny fianakaviako. Raha isaina ny zanaka sy ny zafikely rehetra, dia 35 aminay no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Ny fitiavana sy ny hatsaram-pon’ny maro amin’ireo rahalahinay ary ny fiarovan’i Jehovah tamim-pahamoram-panahy sy ny fitahiany dia nanaporofo taminay fa, amin’izao androntsika izao, ny ‘fikatsahana ny fanjakana aloha’ dia tsy azo lavina fa ny fitsipi-pitondrantena mampiseho fahendrena sy mety indrindra. — Matio 6:33.
[Sary, pejy 27]
Stan, Jim sy Martin Woodburn, samy tao amin’ny asa manontolo andro tamin’ny 1950.
[Sary, pejy 28]
Misionera tany Equateur i Jim sy Frances Woodburn.
[Sary, pejy 29]
Stan Woodburn dia niasa tao amin’ny fizaran-tany iray tany Angletera, niaraka tamin’i Joyce vadiny.