FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/3 p. 25-28
  • Ny Zavatra Tsara Indrindra Nanokanako ny Fiainako

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Zavatra Tsara Indrindra Nanokanako ny Fiainako
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fidirana tamin’ny asan’ny mpisava lalana!
  • Tany Irlande nandritra ireo taona nisian’ny ady
  • Tahirin-tsakafo ara-panahy
  • Fandresena ny fanoherana
  • Fiverenana teto Angletera
  • Tahin’i Jehovah Izay Manaiky ny Asa Ampanaoviny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Manohiza mamafy voa — I Jehovah hampitombo izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mpiara-miasa tamin’ny androm-piainana rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/3 p. 25-28

Ny Zavatra Tsara Indrindra Nanokanako ny Fiainako

NOTANTARAIN’I BOB ANDERSON

Folo taona lasa teo ho eo izay, dia nisy namana sasantsasany nanontany ahy hoe: “Inona no antony nahatonga anao haharitra ela toy izao amin’ny maha-mpisava lalana, ry Bob?” Nitsiky aho sady namaly hoe: “Azonao atao ve ny hieritreritra zavatra hafa tsara kokoa hatao noho ny asan’ny mpisava lalana?”

TELO amby roapolo taona aho fony niditra tamin’ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1931. Ankehitriny dia eo amin’ny faha-87 taonako aho ary mbola manao ny asan’ny mpisava lalana. Fantatro fa tsy afaka nanokana ny fiainako tamin’ny zavatra tsara kokoa noho izany aho. Mamelà ahy hilaza ny antony.

Tamin’ny 1914, dia nisy nametraka taratasy mivalona iray tao an-tranonay. Ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, anarana niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, no namoaka azy io. Rehefa niverina ilay Vavolombelona dia namotopototra azy momba ny afobe mirehitra ny reniko. Notezaina tamin’ny naha-metodista hirihiriny mpanara-dia an’i Wesley izy, nefa tsy afaka nampifanaraka velively io foto-pampianarana ny amin’ny fampijaliana mandrakizay io tamin’ny Andriamanitra iray be fitiavana. Raha vantany vao nianatra ny fahamarinana momba io raharaha io izy dia nilaza hoe: “Mbola tsy nahatsiaro sambatra toy izao aho teo amin’ny fiainako!”

Nijanona tsy nampianatra tsy nisy hataka andro tao amin’ny sekoly alahady metodista ny reniko, ary niaraka tamin’ilay antoko kelin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanomboka nitory tao amin’ny tanàna nahabe anay tao Birkenhead, izay nifanatrika tamin’ny seranan-tsambon’i Liverpool, teo ampitan’ny Onin’i Mersey, izy; ary tsy ela dia nandeha tsy tapaka am-bisikilety tany amin’ireo tanàna maro nanodidina. Nanao fanambarana tany amin’io faritany malalaka io izy nandritra ny andro sisa niainany ka nanjary tena fantatr’olona tsara ary nanome ohatra tsara dia tsara ho anay zanany. Tamin’ny 1971 izy dia nody mandry teo amin’ny faha-97 taonany, tratra antitra sady Vavolombelona narisika hatramin’ny farany.

Nalana tao amin’ny sekoly alahady metodista izahay sy i Kathleen zokiko vavy mba hiaraka tamin’i Neny tany amin’ireo fivoriany niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly. Rehefa nandroso koa ny raiko tatỳ aoriana, dia nanao fandaminana ny ray aman-dreniko mba hisian’ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka tao amin’ny faritry ny fianakaviana tamin’ny alalan’ilay boky hoe La Harpe de Dieu. Zava-baovao ny fianarana toy izany tamin’izany andro izany, nefa nitondra valisoa tondraka io fampianarana aloha be ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly io, satria samy niditra tamin’ny asan’ny mpisava lalana izaho sy ny anabaviko rehefa nandeha ny fotoana.

Nanantitrantitra i Neny fa ny fahitana ny “Photo-Drame de la création” tany Liverpool tamin’ny 1920 dia fiovana ara-panahy lehibe ho anay ankizy, ary marina ny azy. Na dia tanora aza aho, dia namela soritra naharitra tao an-tsaiko izany fampisehoana izany. Niavaka tao amin’ny fitadidiako ilay fizarana mampiseho ny fiainan’i Jesosy, indrindra indrindra rehefa nampiseho azy mandeha mankany amin’ny fahafatesana ilay izy. Ilay fanandraman-javatra manontolo dia nanampy ahy hifantoka tamin’ny asa lehibe indrindra teo amin’ny fiainana, dia ny fitoriana!

Teo am-piandohan’ireo taona 1920, dia nanomboka niara-nizara ireo taratasy mivalona tamin’ny reniko aho ny alahady tolakandro. Tamin’ny voalohany izahay dia nahazo toromarika mba hametraka azy ireny any amin’ireo tokantrano; tatỳ aoriana, dia nilazana izahay mba hanolotra an-tanana azy ireny tamin’ny tompon-trano, ary taorian’izany, dia hiverina hitsidika ireo izay liana. Noheveriko foana fa izany no fototra tany am-boalohany ho an’ny fiverenana mitsidika sy ny asa fampianarana Baiboly, izay ahazoam-bokatra aoka izany ankehitriny.

Fidirana tamin’ny asan’ny mpisava lalana!

Tamin’ny 1927, dia natao batisa izahay sy i Kathleen. Niasa tamin’ny naha-mpanao tsikera simika tany Liverpool aho, tamin’ny 1931, fony nandre ilay fanapahan-kevitra handraisana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nahita matetika ireo colporteurs-n’ny Fikambanana (antsoina hoe mpisava lalana ankehitriny) niasa ny faritany fanaovana raharaham-barotra tany Liverpool aho, ary nanosika ahy hanana fanajana lalina ny ohatr’izy ireo. Toy inona moa ny faniriako ny hafahana amin’ny fifaneraserana amin’izao tontolo izao mba handaniana ny fiainako amin’ny fanompoana an’i Jehovah!

Nandritra ny fahavaratra tamin’io taona io ihany, dia nilaza tamiko i Gerry Garrard namako, fa nanaiky ny fanendrena azony avy tamin’ny prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower, i Joseph F. Rutherford, hitory any India izy. Talohan’ny niondranany an-tsambo, dia tonga nitsidika ahy izy ary niresaka momba ny tombontsoan’ny fanompoana manontolo andro. Teo am-panaovam-beloma, dia mbola nampirisika ahy toy izao izy: “Mino aho fa ho tonga mpisava lalana tsy ho ela ianao, ry Bob!” Ary izany no nitranga. Nirotsaka ho mpisava lalana aho tamin’io Oktobra 1931 io. Fifaliana sy fahafahana toy inona moa ny nandeha am-bisikilety, namakivaky ireo sakeli-dalana tany ambanivohitra, nitory tamin’ireo olona nonina tany amin’ny faritra nitokana! Fantatro tamin’izay fa niditra tamin’ny asa lehibe indrindra azoko natao hatramin’izay aho.

Ny fanendrena voalohany azoko tamin’ny naha-mpisava lalana dia tany Pays de Galles Atsimo, izay toerana niarahako tamin’i Cyril Stentiford. Nanambady an’i Kathleen i Cyril tatỳ aoriana, ary niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny taona maromaro izy ireo. I Ruth zanany vavy koa tatỳ aoriana dia niditra tamin’ny asan’ny mpisava lalana. Tamin’ny 1937, dia tany Fleetwood, tany Lancashire, no niara-niasa izaho sy i Eric Cooke. Hatramin’io fotoana io, ireo mpisava lalana dia tsy niasa afa-tsy tany amin’ireo faritra ambanivohitr’i Grande-Bretagne, tany ivelan’ny faritanin’ny kongregasiona. Nanapa-kevitra ny hamindra anay tany amin’ny tanànan’i Bradford, tany Yorkshire, anefa i Albert D. Schroeder, izay tompon’andraikitra tamin’ny asan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tao Londres tamin’izany. Voalohany tamin’izay no nanendrena ireo mpisava lalana hanampy kongregasiona iray voafaritra tsara.

Tamin’ny 1946, dia nandeha tany amin’ny Sekoly Ara-Baibolin’i Gileada An’ny Watchtower i Eric, ary voatendry ho any Rhodésie Atsimo, Zimbabwe ankehitriny, izy, ary mbola manompo amim-pahatokiana amin’ny maha-misionera any Durban, any Afrika Atsimo, izy sy ny vadiny.

Tamin’ny taona 1938, dia nahazo fanendrena hafa aho, tamin’itỳ indray mitoraka itỳ tamin’ny naha-mpikarakara ny zone (antsoina ankehitriny hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany) ho an’ny faritra andrefan’i Lancashire sy ny Lake District kanto. Tany no nifankahitako tamin’i Olive Duckett, ary taorian’ny nivadianay, dia niaraka tamiko tsy nisy hataka andro tamin’ny asan’ny fizaran-tany izy.

Tany Irlande nandritra ireo taona nisian’ny ady

Tsy ela taorian’ny nanapoahan’i Grande-Bretagne ady tamin’i Alemaina tamin’ny Septambra 1939, dia novana ho Irlande ny toerana nanendrena ahy. Nanomboka ny fiantsoana ho miaramila tany Grande-Bretagne, fa tsy mba toy izany kosa tany amin’ny Repoblikan’i Irlande Atsimo, izay nitoetra ho tany tsy momba ny atsy na ny aroa nandritra ny faharetan’ny ady. Tokony ho tonga fizaran-tany iray ihany ny Repoblikan’i Irlande sy i Irlande Avaratra. Nihatra anefa ireo fameperana, ary dia tena nilaina ny fahazoan-dalana nivezivezy niala an’i Grande-Bretagne ho any amin’izay nety ho faritra rehetra tany Irlande. Nilaza tamiko ireo manam-pahefana fa afaka nandeha aho, nefa tsy maintsy nanaiky ny hiverina tsy nisy hataka andro tany Angletera rehefa hantsoina ho miaramila ny antokon’olona ao amin’ny sokajin-taona nisy ahy. Nanaiky am-bava aho, nefa gaga rehefa nivoaka ilay fahazoan-dalana, fa tsy nisy fepetra momba izany mihitsy nampiarahina tamin’izy io!

Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona mahery kelin’ny 100 nanerana an’i Irlande. Rehefa tonga tao Dublin izahay tamin’ny Novambra 1939, dia tonga nitsena anay i Jack Corr, mpisava lalana efa ela. Nilaza taminay izy fa nisy mpisava lalana roa hafa tao amin’ny tanàna iray teo amin’ny manodidina, ary olona liana vitsivitsy sahabo ho 20 tamin’ny fitambarany tao Dublin. Nanofa efitrano iray tao Dublin i Jack mba hanaovana fivoriana iray, ka neken’ny rehetra ny hivory tsy tapaka tao isaky ny alahady. Nitohy hatramin’ny niorenan’ny kongregasiona tamin’ny 1940, izany fandaharana izany.

I Irlande Avaratra, tamin’ny naha-tapany amin’ny Royaume-Uni azy, dia niady tamin’i Alemaina, koa rehefa nifindra nianavaratra nankany Belfast izahay, dia nahazo karatra fahazoana sakafo ary nisetra ny fotoana nisy fahamaizinana nampiharina ho fiarovana tamin’ny fanafihana avy teny amin’ny habakabaka. Na dia tsy maintsy nanaraka halaviran-dalana maherin’ny 1 600 kilaometatra aza ny fiaramanidina nazia mba handehanana nandroso nankany Belfast sy niverina tany amin’ny fitodiany tany Eoropa, dia vitany ny nandaroka baomba ilay tanàna tamin’ny fomba nandaitra. Nandritra ny fanafihana voalohany, dia simba ny Efitrano Fanjakananay ary potika ny tranonay raha teo am-pitsidihana rahalahy tany amin’ny faritra hafa tamin’ilay tanàna izahay; koa afa-nandositra tamin’ny fomba niavaka izahay. Io alina io ihany dia nisy fianakaviana Vavolombelona iray nihazakazaka nankany amin’ny fialofana tamin’ny baomba. Rehefa tonga tao izy ireo dia nahita azy io feno olona ka tsy maintsy niverina nody tany an-tranony. Nianjeran’ny baomba nivantana ilay fialofana, ka maty avokoa izay rehetra tao anatiny. Ireo rahalahintsika kosa anefa dia mbola velona, naratra sy mangana kelikely fotsiny. Nandritra ireny taona sarotra nisian’ny ady ireny, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo rahalahintsika naratra mafy, koa nisaoranay an’i Jehovah izany.

Tahirin-tsakafo ara-panahy

Rehefa nandroso ny ady, dia nihahenjana kokoa ireo fameperana, ary tamin’ny farany dia nampiharina ny fanasivanana ny taratasy rehetra tonga tamin’ny paositra. Nidika izany fa voasakana Ny Tilikambo Fiambenana, ka tsy nahazo lalana hiditra tao amin’ilay tany. Na dia nanontany tena aza izahay hoe inona no azonay natao, dia tsy fohy ny tanan’i Jehovah. Indray maraina aho, dia naharay taratasy avy tamin’ny “zanak’olo-mpiray tam-po” iray tamiko avy tany Kanada, izay nanoratra tamiko momba ny raharaham-pianakaviana. Tsy azoko an’eritreritra mihitsy hoe iza izy io, nefa teo amin’ny fanampin-teniny dia nilaza izy fa nampiarahiny tamin’ny taratasiny mba hovakiko ny “lahatsoratra mahaliana iray momba ny Baiboly”. Gazety iray Ny Tilikambo Fiambenana izy io, kanefa satria tsy nisy ny fonony nahazatra, dia tsy nesorin’ilay mpanao sivana.

Nanomboka nanao kopia ireo lahatsoratra tsy nisy hataka andro izahay mivady, nampian’ny Vavolombelona teo an-toerana toa an’i Maggie Cooper, izay niasa tamin’ny “Photo-drame”. Tsy ela dia nifandamina izahay mba handefa haingana ireo kopia 120 nanerana ilay tany, arakaraka ny nahatongavan’ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana tsy tapaka, tsy nisy ilay fonony nahazatra, avy tany amin’ireo namana hafa tany Kanada sy Aostralia ary Etazonia. Noho ny fahazotoan’izy ireo sy ny hatsaram-panahiny dia tsy diso nomerao iray mihitsy izahay nandritra ny fe-potoan’ny ady manontolo.

Afaka nanao fivoriambe koa izahay. Niavaka ilay fivoriambe tamin’ny 1941, fony nivoaka ilay boky vaovao hoe Ankizy (anglisy). Toa tsy nanohitra ny boky iray izay noeritreretiny ho momba ny ankizy ny mpanao sivana, koa vitanay ny nampiditra boky ampy tao amin’ilay tany, tsy nisy fahasahiranana! Tamin’ny fotoana hafa izahay dia nahazo ilay bokikely hoe Fiadanana — Haharitra ve Izany? (anglisy) natao pirinty teo an-toerana, satria tsy azo natao ny nampiditra azy io avy tany Londres. Na dia teo aza ireo fameperana rehetra nampiharina taminay, dia voakarakara tsara ara-panahy izahay.

Fandresena ny fanoherana

Nandefa ilay boky hoe Harena (anglisy) ho an’ny vadiny tany Angletera ny mpitandrina iray nipetraka tao amin’ny trano ho an’ny marary nila fikarakarana manokana, notantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, tao Belfast. Nanohitra ny fahamarinana ilay ramatoa ary tao amin’ny valin-taratasiny dia nataony nazava tsara izany. Nohamafisiny koa fa “fikambanana tsy tia tanindrazana” izahay. Nomarihin’ilay mpanao sivana izany ary nanao tatitra momba ilay raharaha tany amin’ny Sampan-draharaha Mpanadihady Heloka izy. Vokatr’izany, dia nampiantsoina tany amin’ireo trano nisy ny polisy aho mba hanome fanazavana ary nangatahina mba hitondra boky Harena anankiray. Nahaliana ny nahita fa rehefa naverina ilay boky tamin’ny farany, dia voamariko fa momba ny Eglizy Katolika romana avokoa ireo tapany voatsipika rehetra. Tsapako fa nisy heviny izany satria fantatro fa nanara-maso ny asa nataon’ny IRA (Tafika Repoblikana Irlandey), ny polisy.

Nofotopotorana momba ny fialanalanana nohazoninay tamin’ny fotoan’ny ady aho, satria hitan’ny polisy fa sarotra ny nahatakatra ny toerana noraisinay. Tsy nanao zavatra hanoherana anay velively anefa ireo manam-pahefana. Tatỳ aoriana, rehefa nangataka fahazoan-dalana hanao fivoriambe aho dia nanantitrantitra ny polisy fa handefa polisy roa haka fanamarihana an-tsoratra. Hoy aho hoe: “Horaisinay tsara izy ireo!” Koa tonga nanatrika ny fivoriana tolakandro izy ireo, sady naka fanamarihana an-tsoratra. Tamin’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana, dia nanontany izy ireo hoe: “Nahoana izahay no nalefa tatỳ? Nahafinaritra anay avokoa ny zavatra rehetra teto!” Ny ampitson’iny dia tonga indray izy ireo ary nandray tamim-pifaliana ny bokikely Fiadanana — Haharitra ve Izany? nomena azy maimaim-poana. Nizotra tsara tsy nisy sampona ny tapany sisa tamin’ny fivoriambe.

Raha vantany vao nifarana ny ady, ka nohamoraina ny fameperana momba ny fivezivezena, dia tonga tao Belfast i Pryce Hughes avy tany amin’ny Betelan’i Londres. Niaraka taminy i Harold King, izay voatendry tamin’ny naha-misionera ho any Sina tatỳ aoriana. Rehefa tafasaraka tamin’ny biraon’ny sampana tany Londres nandritra ny enin-taona izahay rehetra, dia samy nahazo fampaherezana be dia be tamin’ireo lahateny nataon’ireo rahalahy ireo. Tsy ela taorian’izay, dia nalefa mba hanatanjaka ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana tany Belfast i Harold Duerden, mpisava lalana nahatoky hafa avy tany Angletera.

Fiverenana teto Angletera

Nampitombo fitiavana lalina ho an’ireo rahalahy irlandey izahay, ary sarotra ny niverina teto Angletera. Notendrena hiverina tany Manchester anefa izahay mivady ary tatỳ aoriana dia nifindra tany Newton-le-Willows, tanàna hafa iray any Lancashire izay nila mpitory betsaka. Tamin’ny 1953, dia teraka i Lois zanakay vavy ary nahafaly ny nahita azy niditra tamin’ny asan’ny mpisava lalana fony izy 16 taona. Taorian’ny nanambadiany an’i David Parkinson izay mpisava lalana, dia nanohy ny fanompoana manontolo andro tany Irlande Avaratra izy mivady, dia tamin’ny fanarahana ny dianay sy i Olive tamin’ny fomba maro. Ankehitriny izy sy ireo zanany, dia tafaverina eto Angletera, ary manompo ao amin’ny kongregasiona iray ihany izahay rehetra.

Na dia teo aza ireo fiovana teo amin’ny toe-javatra nisy anay, dia tsy nitsahatra tamin’ny asan’ny mpisava lalana mihitsy aho — na i Olive na izaho dia samy tsy naniry izany. Tsapako foana fa ireo fitantarana nataoko momba ny maha-mpisava lalana dia nandraisan’ny vadiko anjara, satria raha tsy nisy ny fanohanany tamim-pitiavana sy tsy tapaka aho, dia tsy ho afaka nanohy velively tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Samy mora reraka izahay mivady ankehitriny, mazava ho azy, nefa mbola fifaliana ny fanaovana fanambarana, indrindra indrindra rehefa miara-mitarika fampianarana Baiboly amin’ny mpiara-belona aminay izahay roa. Tao anatin’ireo taona izahay dia nanana tombontsoa nanampy olona zato teo ho eo ho tonga mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. Fifaliana lehibe toy inona moa izany! Ary mino aho fa tsy maintsy ampitomboina imbetsaka io isa io ankehitriny, satria niitatra hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra koa ireo fianakaviana tonga Vavolombelona.

Miresaka matetika momba ireo tombontsoa sy fanandraman-javatra maro azonay tao anatin’ireo taona izahay sy i Olive. Taona nahafaly tokoa izany ary nandalo haingana erỳ! Fantatro fa tsy ho afaka nahita zavatra tsaratsara kokoa nanokanako ny fiainako aho mihoatra noho ny fanompoako an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny naha-mpisava lalana tao anatin’ireo taona rehetra ireo. Ankehitriny, na manao jery todika amim-pankasitrahana ny lasa aho, na miandrandra amim-panantenana ny hoavy, dia hitako fa misy heviny betsaka ny tenin’i Jeremia manao hoe: “Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany (...) ka dia hanantena Azy aho.” — Fitomaniana 3:22-24.

[Sary, pejy 26]

Bob sy Olive Anderson

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara