FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/4 p. 10-14
  • “Miadia mafy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Miadia mafy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilaina ny ‘miady’ ankehitriny
  • Nahoana no “varavarana èty”?
  • Inona no dikan’ireo tenin’i Jesosy ho antsika?
  • Afaka miady mafy ve ianao mba ho mpitory maharitra?
  • Manao izay rehetra azonao atao ve ianao?
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Afaka ny ho Mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/4 p. 10-14

“Miadia mafy”

“Miseseha [miadia mafy, MN ] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” — LIOKA 13:24.

1. Inona no irin’ny ankamaroan’olona?

REHEFA nanontaniana an’i Robbie kely, enin-taona, ny antony nitiavany nankany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia izao no navaliny: “Mianatra zavatra be dia be aho ny amin’i Jehovah sy ny amin’ny Paradisa hahafahako hiaina ela be mihitsy hiaraka amin’ny biby tsara fanahy.” Ampy fahalalana ireo fahazaran’ny ray aman-dreniny i Dustin, zanak’olo-mpiraitampo aminy, telo taona, mba hahalalana ho amin’ny fotoana toy inona izy no tokony hihiaka tampoka hoe: “Ho any amin’ny Efitrano Fanjakana aho!” Ny fihetseham-po nasehon’i Robbie ary ianaran’i Dustin aseho dia hahafinaritra ny ankamaroan’olona satria mahakasika ny fiainana, dia ny fiainana mandrakizay. Iza tokoa no tsy maniry “hovonjena”? Amin’ny fomba ahoana anefa? Ampy ve amin’izany ny manatrika fotoam-pivavahana?

2. a) Nahoana no tsy mety ho azo ny famonjena? b) Araka ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 13:24, inona no tena ilaina mba hahavonjy?

2 Tsy mety ho azo ny famonjena amin’ny fankanesana any amin’ireo fivoriana na amin’ny fomba hafa rehetra. Fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra izany. Takin’i Jehovah anefa ny hanaovantsika fiezahana mba handraisana io fanomezana io, dia ny fiainana mandrakizay (Romana 6:23). Karazam-piezahana manao ahoana anefa? Voalohany indrindra, dia ilaina ny miady mafy amin’ny fiasana ho azy. Tokony ho avy amin’ny fankasitrahana amim-pahatsorana anefa izany. Indray andro, dia nanontany an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, toy izao ny lehilahy iray: “Tompoko, moa vitsy va no hovonjena?” tamin’ny valiny, dia tsy ilay lehilahy nanontany azy ihany no nitenenan’i Jesosy, fa ny olona rehetra tia ny hovonjena, noho izany dia ny tenantsika koa. Izao no navaliny: “Miseseha [miadia mafy, MN ] hiditra amin’ny varavarana èty hianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.” — Lioka 13:23, 24.

3. a) Nahoana no tsy fandre ny fanontaniana napetrak’ilay niresaka tamin’i Jesosy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny valinteniny fa voakasika daholo isika rehetra?

3 Tsy fandre ny fanontanian’io lehilahy io. Tsy nanontany tokoa izy hoe: “Ho anisan’ireo sasantsasany hovonjena ve aho?” na hoe: “Ahoana no mety hahavonjy ahy, fa hoe: “Moa vitsy va no (ireo) hovonjena?” Ny fanontaniany noeritreretina foana fotsiny angamba dia avy amin’ny filozofia jiosy ilazana fa olona voafetra ihany ny isany no mendrika ny famonjenaa. Na inona anefa na inona anton’io fanontaniana io, dia nailik’i Jesosy avy hatrany tsy ho anisan’ny tsangan-kevitra voavaka an-tsaina izany mba handinihana azy eo amin’ny lafin’ny fampiharana sy manokana. Nataony izay hahavoatery an’ilay niresahany hieritreritra izay tokony hataony mba ho voavonjy. Afa-tsy izany koa, koa satria tao amin’ny tenin’i Jesosy hoe “miadia mafy”, dia milaza maro ny matoanteny, izany dia tokony hanosika ny tenantsika koa hieritreritra tsara ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra.

4. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

4 Ny fiainana mandrakizay àry dia tsy zava-kendrena tratra mora foana araka ny fiheveran’ny sasany azy. Nosoritan’i Jesosy fa nilaina ny hiasana mafy, ny hanaovana fiezahana mandrakariva, mba ‘hidirana amin’ny varavarana èty’. Izany ady tsy mety sasatra izany dia tohanan’ny finoana maharitra, miorina amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Kristy. Mba hahazoana famonjena àry dia tsy ny ‘mihaino ny tenin’i’ Jesosy fotsiny no ilaina, fa tokony ‘hampiharina’ hatrany koa izany. — Lioka 6:46-49; Jakoba 1:22-25.

Ilaina ny ‘miady’ ankehitriny

5. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “miadia mafy”? b) Amin’ny ahoana ireo teny ireo no misy heriny eo amin’ny fiheveranao momba ny asa masina?

5 Inona no dikan’ny hoe ‘miady mafy’? Ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, dia ahitana ny fitenenana hoe agônizesthé, avy amin’ny teny iray (agôn) milaza “toerana fiadiana”. Ny Fandikan-teny eny anelanelan’ny andalan-tsoratra dia mandika an’io fitenenana io amin’ny hoe “miadia”. Azo atao àry ny maka sary an-tsaina kianja filalaovana iray fahizay sy mpifaninana amin’ny fanatanjahan-tena iray eo am-piadiana na miady mafy sy amin’ny heriny rehetra, mba hahazoana ny lokan’ny fandresena. Na dia teny ara-teknika mifandray amin’ireo ady tamin’ny lalao grika aza ny matoanteny grika ampiasaina eo, dia mampahavesa-danja ny fananarana nataon’i Jesosy mba hanao zavatra amin’ny fanahin’ny tena rehetra. Tsy ampy ny fiezahana atao amin’ny fo voazarazara. — Lioka 10:27; Jereo I Korintiana 9:26, 27.

6. Nahoana isika no tokony hiady mafy dieny izao?

6 Rahoviana ary haharitra toy inona isika no tokony ‘hiady mba hidirana amin’ny varavarana ety’? (Lioka 13:24, The New English Bible.) Raha mamaky amim-pitandremana ny Lioka 13:24 ianao, dia hahamarika tsy fitoviana amin’ny hoe ‘miadia mafy’, milaza ny ankehitriny, sy ny hoe “hitady”, milaza ny ho avy. Dieny izao àry no tokony hiadiana. Ireo hailika dia toa hitady hiditra amin’ny fotoana hety aminy irery. Ho diso aoriana loatra anefa izany. Hikatona na hihidy amin’izay ny fahafahana hiditra. Araka ny Lioka 13:25, dia manampy teny i Jesosy fa rehefa ho nanakatona ny varavarana ny sasany, ny sasany dia hanomboka handondòna sy hitalaho toy izao: “Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo.” Fiafarana mampalahelo izany ho an’izay tsy manao dieny izao ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ho ny zavatra mitana ny sainy lehibe indrindra eo amin’ny fiainany! — Matio 6:33.

7. Ahoana no ampisehoan’ny Filipiana 3:12-14 fa ilaina ny manao fiezahana mandrakariva, ary nahoana no ilaina izany?

7 Tokony hitohy ny ady ataontsika. Tsy misy na dia iray aza amintsika tafiditra amin’ny fomba raikitra ao amin’ny “varavarana èty”. Nahatakatra tsara izany i Paoly. Nitaky fiezahana mafy isan’andro isan’andro ny fihazakazahany ho amin’ny fiainana. Izao no nosoratany: “Tsy mihambo ho efa nahatratra ny zava-kendrena aho na efa tonga tanteraka. Manohy mandroso kosa anefa aho mba hiezaka hihazona ny lokan’ny fihazakazahana, satria efa nihazona ahy Jesosy Kristy. Tsia, ry rahalahy, tsy mihevitra ho efa nahazo ny loka aho; zavatra iray anefa no ataoko: manadino izay any aoriako aho ary miezaka hanatratra izay eo alohako. Amin’izany dia mihazakazaka manatona ny zava-kendrena aho mba hahazoana ny loka iantsoan’Andriamanitra antsika horaisina any ambony, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Izahay no manipika.) — Filipiana 3:12-14, La Bible en français courant.

8. a) Inona no misakana ny “maro” tsy ho tonga amin’ny fiainana mandrakizay? b) Fampitandremana inona no azontsika avy amin’izany?

8 Iza moa ireo “maro”, ary nahoana izy ireo no tsy afaka miditra? Izany dia ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, indrindra fa ny klerjy. Mihambo ho mahafantatra amim-pifankazarana an’i Jesosy izy ireny, ho anisan’ny ankohonany, amin’ny fanantitranterana fa ‘niara-nihinana sy nisotro taminy’. Nefa noho izy ireo maniry hahazo ny famonjena araka ny fepetra omen’ny tenany ihany fa tsy araka ny an’Andriamanitra, dia handa tsotra izao ho tsy mahalala azy ireny i Jesosy ka hilaza azy ireny ho “mpanao meloka” (Lioka 13:26, 27.) Anisan’ireo izay hijanona ao ambadiky ny varavarana mihidy ka noho izany dia tsy hiditra mba hahazo ny fiainana mandrakizay, dia mety hisy aza olona ho nihaketraka tamin’ny fanompoany masina an’i Jehovah ka hanjary tsy hanasa-tena loatra raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio. Ho matimaty amin’izay ny zotom-pony ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana (Apokalypsy 3:15, 16). Angamba izany karazan’olona izany mbola manana “endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” — mandray anjara amin’ny fitoriana izy ireny ary mamonjy anarany fotsiny ireo fivoriana — kanefa tsy manome porofo mihitsy ny amin’ny karazam-pinoana izay mahaforona ny tena hery mampahatanjaka ao ambadiky ny fanarahana ny fanompoam-pivavahana madio (jereo II Timoty 3:5). Tsy tsapan’izy ireny fa tsy ampy ny ‘mitady’ hiditra amin’ny “varavarana èty”. Ilaina ny miady ho amin’izany.

Nahoana no “varavarana èty”?

9. Nahoana no ilaina ny miady mafy mba hidirana amin’ny varavarana ety?

9 Mivoha ho an’ny rehetra ny varavarana ety izay mitarika ho amin’ny famonjena. “Maro” anefa no tsy maniry hiady mba hidirana amin’izany. Inona àry no sasantsasany amin’ireo faritra tokony hiadiana mafy mba hidirana amin’io varavarana ety io? Voalohany indrindra, dia ilaina ny mahazo fahalalana marina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny mianatra hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy (Jaona 17:3). Izany dia milaza fanariana ny lovantsofina sy ny fanao mampiavaka ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, anisan’izany ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ilaina koa ny manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tsy misy hafa amin’ny nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany (I Petera 2:21). Ny kristiana natao batisa taorian’ny nanolorany tena ho an’Andriamanitra dia tokony hanary koa ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fahalotoana izay mampiavaka izao tontolo izao (I Jaona 2:15-17; Efesiana 5:3-5). Ilaina ny manary ireny zavatra ireny sy ny manolo azy amin’ireo toetra azo ampitahaina amin’ny an’i Kristy. — Kolosiana 3:9, 10, 12.

10. Inona no fifandraisana misy amin’ny fifehezan-tena sy ny valisoa, dia ny fiainana mandrakizay?

10 Ireo “vitsy” miditra amin’ny varavarana ety dia mahalala ny tena maha-zava-dehibe ny hazoto amin’ny fanompoana sy ny hamoazana ireo vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fahononam-po na fifehezan-tena (Galatiana 5:23). Noho ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah, dia miady izy ireny mba hifehezana ny tenany sy hitarihana izany ho amin’ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay. — I Korintiana 9:24-27.

Inona no dikan’ireo tenin’i Jesosy ho antsika?

11. a) Tamin’ny lafiny inona avy ny sasany no nila ny niady mafy, ary nahoana? b) Amin’ny asa inona isika rehetra no afaka miady mafy?

11 Na vao haingana isika no vita batisa na miara-miasa amin’ny fandaminany hatramin’ny am-polony taona maromaro, dia tsy afaka mampihena ny fiezahana ataontsika mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah isika. Araka ny asehon’ny tenin’i Jesosy mazava, dia amin’ny fanahintsika rehetra no tokony hifikirantsika amin’i Jehovah ary tokony ho vonona isika ny hiditra amin’ny varavarana ety na inona na inona mety ho vidin’izany ho antsika. Marina fa tsy niresaka fotsiny ny amin’ny fandrosoana na ny fitomboana eo amin’ny asa ataontsika ho an’Andriamanitra i Jesosy, fa ny sasany amintsika dia mila ny miady mafy mba hanatsarana ny fitondrantenany na mba hanariana ny fahazaran-dratsy mba ‘tsy hahatafintohina na iza na iza’. (II Korintiana 6:1-4.) Ny hafa tokony hiahy mandrakariva ny amin’ny hananana fandaharana tsara amin’ny fianarana manokana mba ‘hitomboan’ny fitiavany bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra’. (Filipiana 1:9-11.) Ny hafa koa mila ny manao fiezahana bebe kokoa ihany mba hanatrehana sy handraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, indrindra fa ny fianarana ny boky (Hebreo 10:23-25). Isika rehetra anefa dia afaka mandinika ny fanompoantsika manokana mba hahitana raha miady mafy marina tokoa isika amin’ny “asan’ny evanjelista”. — II Timoty 4:5.

12. Inona avy no fanontaniana azontsika apetraka mba hitsarana ny hatsaran’ny fiezahantsika eo amin’ny lafiny ara-panahy?

12 Noho ny fandrosoan’izy ireo amin’ny ady mafy ataony mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, dia mitombo ny isan’ny kristiana afaka ny ho tonga mpitory maharitra mpanampy na mpianakavin’ny Betela. Ary ianao? Raha mpitory ilay Fanjakana ianao, moa ve tsy ho azonao atao ny handray anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy imbetsaka ao anatin’ny taona na ho tonga mpitory maharitra mandavantaona mihitsy aza? Raha efa mpitory maharitra mpanampy ianao, moa ve ianao mametra ho zava-kendrena ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona? Raha tsy izany no izy, nahoana no tsy mieritreritra izany? Amin’izany ianao dia ho afaka hitana fifandraisana mbola akaiky kokoa ihany amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ka fitahiana izany. — Salamo 25:14.

Afaka miady mafy ve ianao mba ho mpitory maharitra?

13. a) Inona moa ireo zavatra roa tena ilaina mba hahatongavana ho mpitory maharitra? b) Mba hahatongavana ho mpitory maharitra, amin’ny lafiny inona avy moa no mety hilaina ny hanaovana fiovana?

13 Raha tsy mpitory maharitra mandavantaona ianao kanefa afaka ny ho toy izany, azonao atao ve ny ‘miady’ mba handaminana ny ho avinao mba hahatongavana ho toy izany? Zavatra roa no tena ilaina: Voalohany, ny fananana faniriana hanao izany; faharoa, ny fananana toe-javatra mety amin’izany. Raha tsy misy ny faniriana, dia mivavaha mba hambolena izany. Miresaha amin’ireo mpitory maharitra. Ampitomboy ny asanao amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana. Aoka ianao ho mpitory maharitra mpanampy isaky ny misy azo anaovana izany. Raha tsy mety ny toe-javatra, dia jereo ny hoe fiovana inona avy no azonao atao. Tsy mila ny miasa angamba ny vehivavy manambady iray. Tsy mila ny manohy miasa angamba ny lehilahy iray eo amin’ny taonan’ny fisotroan-dronono. Ny fari-piainana ambony, ny fotoam-pialan-tsasatra andaniam-bola be, ny fiarakodia araka ny marika farany mbamin’ny zavatra hafa sahala amin’izany dia tsy tena ilaina mba hahavelona. — Lioka 12:15; I Jaona 2:15-17.

14. a) Nahoana moa ny kristiana anankiray sy ny vadiny no tsy afapo tamin’ny asany tamin’ny naha-mpitory tao amin’ny kongregasiona? b) Inona avy no zava-kendrena noferany ho an’ireo zanany?

14 Enin-taona lasa izay, ny kristiana iray, niteraka telo izay mbola tsy zatovo ny roa, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra. Nahoana? “Tiako ny hanao bebe kokoa, hoy ny fanazavany. Raha afaka ny ho mpitory maharitra aho kanefa tsy toy izany, dia tsy niaina nifanaraka tamin’ny fanolorako ny tenako ho an’Andriamanitra aho.” Tonga mpitory maharitra mandavantaona koa ny vadiny. Nahoana? “Mpitory maharitra mpanampy isam-bolana isam-bolana aho hatramin’ny efa-taona, hoy izy, ary tsikaritro tamin’ny farany fa nanjary mora izany. Tiako ny handray anjara bebe kokoa ihany amin’io asa io izay tsy hatao indray intsony mihitsy, sy ny hanome ohatra tsara ho an’ireo zanakay lahy.” Samy nahalala ny fahamarinana taorian’ny nianarany tany amin’ny oniversite io lehilahy kristiana io sy ny vadiny. “Nitaky ny handehananay tany amin’ny oniversite nandritra ny efa-taona ireo ray aman-dreninay, hoy ilay ray. Inona àry no zava-kendren’izy ireo ho an’ireo zanany lahy? “Nampahafantariko an’ireo zanako lahy fa ho tianay ny haha-mpitory maharitra azy ireo sy ny handaniany efa-taona fara fahakeliny ao amin’ny Betela.”

15. a) Inona avy moa no antony niadian’ny sasany mafy mba hahatongavana ho mpitory maharitra? b) Noho ny antony inona no hanirianao ho ao amin’ny asa manontolo andro?

15 Ireto ny antony sasany nanapahan’ny kristiana hafa hevitra ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona:

“Tsy afaka nandroso ara-panahy aho ka nanorisory ahy izany.” (Robert H.)

“Tamin’ny naha-mpitory tsotra, dia tsy afapo mihitsy aho.” (Rhea H.)

“Nanome heviny sy zava-kendrena tao amin’ny fiainako ny asan’ny mpitory maharitra.” (Hans H.)

“Naniry hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba feno aho. Nahatonga ahy ho afaka hanao izany ny asan’ny mpitory maharitra.” (Charanjit K.)

“Ho nanenenako ny tsy nampiasana ny heriko, ny tanjako sy ny fahatanorako tamin’io asa mahatalanjona io.” (Gregory T.)

“Ny fiezahana ihany no tahin’i Jehovah. Tsy maintsy nomeko azy àry ny fahafahana hitahy ahy.” (Graceann T.)

“Mahatonga ahy ho afaka haneho izay rehetra tsapako ho an’i Jehovah ny asan’ny mpitory maharitra.” (Marco P.)

“Tsy nitondra ny fahasambarana hitako teo amin’ireo mpitory maharitra ny asa tsy ara-pivavahana manontolo andro.” (Nancy P.)

Inona avy no antony ho azonao anampy an’io lisitra io?

Manao izay rehetra azonao atao ve ianao?

16. Ireo mpitory maharitra ihany ve no tokony hiady mafy? Hazavao.

16 Vavolombelon’i Jehovah maro be no nandinika tamim-pahamarinana sy tao amin’ny vavaka ny toerany manokana ka nahatsapa fa nanao izay rehetra azony natao izy ireo tao anatin’ny toe-javatra tamin’izay fotoana izay. Angamba anisan’izy ireny ianao. Raha izany no izy, dia mahereza. Tia anao Jehovah sy ny Zanany ary mankamamy tokoa ny asa ataonao amin’ny fanahinao rehetra (jereo Lioka 21:1-4). Ohatra, noho ny toe-piainana ara-politika sy ara-toe-karena ratsy any amin’ny tany sasany, ireo rahalahintsika dia tsy maintsy miasa ora sivy isan’andro, ary izany dia andro dimy na enina isan-kerinandro, mba hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana fotsiny. Any amin’ny tany iray andraran’ny fitondram-panjakana tanteraka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo anisany — ary mitombo ny isany — dia mandrakariva olona efa misotro ronono, tanora miasa alina na vehivavy kristiana (miteraka) izay tsy ampanaovin’ny Fanjakana asa tsy ara-pivavahana.

17. Ahoana no ampisehoan’ny hita tamin’i Epafrodito fa tsy amin’ny habetsahan’ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana azy ihany akory no itsaran’i Jehovah ny halehiben’ny fiezahantsika?

17 Hilaza angamba anefa ianao hoe: “Raha mba natanjaka kokoa mantsy aho! Raha mba tanora kokoa mantsy aho!” Aza kivy. Tsy amin’ny fomba jadona akory no itsaran’Andriamanitra ny fiezahantsika arakaraka ny habetsahan’ny asa ataontsika eo amin’ny fanompoana masina. Tsarovy Epafrodito. Fony narary izy dia tsy afaka nanao zavatra mafy teo amin’ny “asan’ny Tompo toy ny fony izy salama. Nidera azy anefa i Paoly noho ny fiezahany. Araka ny nasehon’ilay apostoly tokoa, dia tokony ‘hotiavintsika hatrany ny lehilahy sy vehivavy tahaka azy’. — Filipiana 2:25-30, MN.

18. a) Ahoana no azon’ireo manana fahafahana voafetra amporisihana hanao ny asa manontolo andro ao anatin’ny kongregasiona? b) Inona no azon’ny tenanao atao mba hamporisihana ho tia ny asan’ny mpitory maharitra ao anatin’ny kongregasionanao?

18 Afaka manao zavatra sasany anefa ianao mba hamporisihana hanao ny asa manontolo andro ao anatin’ny kongregasiona. Inona àry? Miadia mafy mba hanehoana fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra. Ohatra, raha toa, noho ireo adidinao ara-pianakaviana ka tsy afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra ianao amin’izao fotoana izao, moa ve tsy azonao atao ny manao izay hahafahan’ny mpianakavinao hafa — ny vadinao, ireo zanakao, rahalahy iray na anabavy iray — mba ho tonga toy izany? Ireo kristiana tsy salama na manan-java-manahirana hafa dia afaka mihevitra amim-pahatsorana izay afaka manao ny asan’ny mpitory maharitra, ohatra, amin’ny fiarahana amin’izy ireny amin’ny fitoriana rehefa azo atao izany (jereo I Korintiana 12:19-26). Amin’izany, ao anatin’ny kongregasiona, ny rehetra dia hiady mafy mba hanohanana ny asa manontolo andro. Hampahery ny rehetra ny vokany.

19. Inona no tokony ho fahavononanao?

19 Milaza inona ho anao ny fiadiana mafy? Moa ve izany fandrosoana ho fikendrena ny batisa? Fandresena fahazaran-dratsy sasany? Fampiorenana mafy ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Milaza fahatongavana ho mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona ve izany? Fiasana ao amin’ny Betela ve? Na inona na inona tokony hataonao mba handrosoana eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mendrika ny hanaovanao fiezahana mafy dieny izao izany. Aoka àry isika rehetra hanohy hiditra amin’ny varavarana ety mivoha ho amin’ny fiainana mandrakizay.

[Fanambarihana ambany pejy]

a Zava-nanahirana niadian-kevitra aoka izany ny isan’ireo novonjena teo amin’ireo raby. Nanao izao fanamarihana izao ny mpanao famoaboasan-kevitra momba ny Baiboly iray: “Anisan’ny hevitra hafahafa fanazavan’ny Jiosy ny Soratra Masina nolazain’ireo raby dia tao ny famerana ny isan’ireo novonjena avy amin’ny isan’ny litera tao amin’ny andinin-teny toy izao na izao.”

Hevitra vitsivitsy tokony hoheverina

◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny fitenenana hoe “miadia mafy”?

◻ Amin’ny fotoana toy inona ary amin’ny fomba ahoana no iharan’ny tenin’i Jesosy aminao?

◻ Nahoana ny “maro” no tsy afaka miditra amin’ny varavarana ety?

◻ Ahoana no ahafahan’ireo manana fahafahana voafetra hiady mafy ihany?

◻ Haharitra toy inona no tsy maintsy hiadiantsika mba hidirana amin’ny varavarana ety?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara