Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
Afaka Manao ny Asan’ny Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao Amin’ny Martsa? Aprily? May?
1 “Tadiavina: Mpitory 1 000”. Izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny Aprily 1881. Izy io dia nisy fiangaviana natao tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy vita fanoloran-tena rehetra, ka “nanankinan’ny Tompo fahalalana ny fahamarinana momba Azy”, mba hampiasa izay fotoana azony nampiasaina mba handraisana anjara tamin’ny fampielezana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ireo izay afaka nanokana ny antsasaky ny fotoanany, na mahery, ho amin’ny asan’ny Tompo ranofotsiny, dia nampirisihina mba hanolo-tena ho evanjelisitra colporteur, dia ireo mpialoha lalana ny mpisava lalana amin’izao andro izao.
2 Na dia niova aza ny toe-javatra hatramin’ireo taona 1800, dia misy zavatra iray tsy niova — ny mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena dia maniry hanohy hampiasa fotoana betsaka araka izay azo atao mba hampielezana ny vaovao tsara. Ny fanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy dia mahatonga ny mpitory ao amin’ny kongregasiona hahita vokatra kokoa, eo am-panaovany ezaka fanampiny eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana. — Kol. 4:17; 2 Tim. 4:5.
3 Hatramin’ny niandohan’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mihitsy, dia rahalahy sy anabavy ana hetsiny maro no nankafy azy io. Nitombo ny hafanam-po ho an’io lafiny amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana io, hany ka nahatratra 500 ny isan’ny mpisava lalana mpanampy teto amin’ny faritanin’i Madagasikara tamin’ny Aprily 1995!
4 Mampirisika anareo izahay hanana ho tanjona ny ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na mahery amin’ny Martsa sy Aprily ary May. Nahoana no ampidirina ny Martsa? Satria amin’itỳ taona itỳ, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy dia amin’ny alahady 23 Martsa. Tsy misy fomba tsara kokoa azontsika andaniana ireo herinandro mialoha ny Fahatsiarovana, noho ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ilay asa fitoriana ilay Fanjakana natombok’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Noho ny antontam-panambarana lehibe hatao amin’ny Martsa, dia ho afaka hanasa olona liana maro hiaraka amintsika hankalaza ny nahafatesan’i Kristy isika. Ho manokana koa ny volana Martsa, satria amin’io isika no hanasongadina voalohany ilay boky vaovao hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Fanampin’izany, dia misy asabotsy dimy sy alahady dimy amin’ny Martsa, ka mamela antsika hanao asa be dia be eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, amin’ny faran’ny herinandro. Mazava ho azy fa mandritra ny volana Aprily sy May, ny ezaka hotohizintsika amin-jotom-po eo amin’ny fanompoana dia hamela antsika hanolokolo ny fahalianana hitantsika, sy hanomboka fampianarana Baiboly vaovao amin’ny fampiasana ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Hiasa ny faritanintsika amin’ny fomba feno koa isika, indrindra fa amin’ny faran’ny herinandro, amin’ny alalan’ireo nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, izay amin’ny fotoana ilana azy.
5 Iza no manana ny toetra ilaina mba ho mpisava lalana mpanampy?: Hoy ny hazavain’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, pejy faha-114: “Na manao ahoana na manao ahoana toeranao, raha vita batisa ianao, fantatra amin’ny fitondrantenanao tsara ary afaka manokana 60 ora isam-bolana amin’ny fitoriana, ary raha mino ianao fa ho afaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mandritra ny volana iray na maromaro, dia hahafaly an’ireo loholona ao amin’ny kongregasionanao ny hihevitra ny fangatahanao hiditra amin’io tombontsoam-panompoana io.” Afaka manome toerana ho an’io tombontsoa io ve ianao amin’ny Martsa? Aprily? May?
6 Noho ny fihetsika manorin’ny fitambaran-doholona, sy ny fanohanan’ny mpitory hafa rehetra amin’ny fony manontolo, io antso mba hisian’ny mpisava lalana mpanampy 600 io dia tokony hahazo valiny manakoako. (Heb. 13:7). Ampirisihina ny loham-pianakaviana rehetra hijery hoe iza avy ao amin’ny ankohonany no ho afaka hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray na mahery amin’ireo volana ho avy. — Sal. 148:12, 13; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:8, 9.
7 Aza maika hanatsoaka hevitra hoe zavatra tsy ho tratranao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, noho ny asanao izay maka ny fotoananao manontolo, ny fandaharam-potoananao any an-tsekoly, ny andraikitrao ara-pianakaviana, na ny adidinao ara-baiboly hafa. Ho an’ny sasany, dia mety ho tsy mora ny hanao azy io; na dia izany aza, noho ny fahaiza-mandamin-javatra tsara sy ny fitahian’i Jehovah, dia ho afaka ny hamita azy io soa aman-tsara izy ireo. (Sal. 37:5; Ohab. 16:3). Aoka ny faniriana ho mpisava lalana no hanapaka eo amin’ny toe-javatra misy anao, fa tsy ny toe-javatra misy anao no hanapaka eo amin’ny fanirianao ho mpisava lalana. (Ohab. 13:19a). Noho izany, noho ny fitiavany mafy an’i Jehovah sy ny mpiara-belona aminy, dia maro no afaka manitsy ny fandaharam-potoanany isan-kerinandro mba hanitarana ny fanompoany mandritra ny iray volana. (Lioka 10:27, 28). Fitahiana maro no miandry an’ireo izay mikely aina mafy eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana. — 1 Tim. 4:10.
8 Izay tanterahin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy: Ny ezaka ataon’ny mpanompon’Andriamanitra an’arivony maro amin’ny fanahiny manontolo mba ho mpisava lalana mpanampy, dia manome hiakam-piderana lehibe ho an’i Jehovah. Rehefa mikely aina hampiely ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa ireo mpitory ilay Fanjakana ireo, dia mihamanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, satria mianatra ny hiankina kokoa aminy mba hahazoana ny fanahiny sy ny fitahiany.
9 Ny fananantsika mpisava lalana mpanampy sy maharitra ary manokana eo anivontsika dia miteraka havitrihana vaovao ao amin’ny kongregasiona. Mifindra ny hafanam-pon’izy ireo rehefa miresaka momba ny fanandraman-javatra hitany teny amin’ny saha izy ireo. Izany dia manosika ny hafa hanombana indray ireo zavatra omeny ny toerana voalohany sy ny fahafahany hanitatra ny anjara raisiny amin’ny fanompoana, izay asa tena lehibe dia lehibe. Ny anabavy iray natao batisa teo amin’ny faha-70 taonany, dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tsy tapaka avy hatrany. Nanontaniana izy, taona maromaro tatỳ aoriana, hoe nahoana izy, teo amin’ny taonany, no mbola nikely aina ihany hanao be dia be toy izany teo amin’ny fanompoana, tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy isam-bolana. Nilaza izy hoe toa ohatra ny lanilany foana ireo 70 taona voalohany tamin’ny fiainany, ary tsy naniry handanilany foana izay taona sisa tavela izy.
10 Ny mpandray anjara tsirairay amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy dia manatsara ny fahaizany eo amin’ny fanompoana. Hoy ny neken’ny vavolombelona tanora iray: ‘Fony aho mbola kely, dia nanaraka ny ray aman-dreniko teo amin’ny asa fitoriany aho. Tena nahafinaritra ny fanompoana teny amin’ny saha. Kanefa, tatỳ aoriana, dia nanjary takatro fa tany am-pianarana aho dia niavaka tamin’ny hafa rehetra. Nanjary nahasaikatra ahy àry ny hiresaka tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko momba ny fahamarinana. Rehefa nitory isan-trano aho, dia nanomboka natahotra ny hifankahita tamin’ny olona fantatro tany am-pianarana. Raha ny amiko, dia ny tahotra olona no zava-nanahirana ahy. [Ohab. 29:25]. Rehefa vita ny fianarako, dia nanapa-kevitra ny hanandrana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy vetivety aho. Ho vokany, dia nanjary nanintona ahy, tsy toy ny hatramin’izay mihitsy, ny asa fitoriana. Tsy nihevitra azy io intsony ho toy ny zava-mahafinaritra fotsiny, na ho toy ny enta-mavesatra, aho. Rehefa nahita ireo nampianariko Baiboly nandroso tao amin’ny fahamarinana aho, dia nahatsapa fahafaham-po lalina noho ilay porofo fa nanohana ny ezaka nataoko i Jehovah Andriamanitra.’ Nanjary nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra io tanora io.
11 Raha ny lafiny azo tsapain-tanana no jerena, rehefa maro no mpisava lalana mpanampy ao amin’ny kongregasiona, dia fiasana ny faritany amin’ny fomba feno no vokany. Ilay rahalahy mikarakara ny fizarana ny faritany dia afaka mangataka ny fanampian’ireo mpisava lalana mpanampy mba hiasa ireo faritra tsy voasa firy. Ny fitondrana sakafo sy ny fandaniana iray andro manontolo eo amin’ny fanompoana no hany takina mba hiasana na dia ireo faritra lavitra aza.
12 Tokony hanao fiomanana mialoha ireo loholona: Mandritra ireo telo volana manaraka, dia tokony hisy fandaharana ny amin’ny karazam-panompoana samy hafa, amin’ny fotoana samy hafa amin’ny herinandro, anisan’izany ny faran’ny tolakandro sy ny fiandohan’ny takariva. Izany dia mba hahafahan’ny maro araka izay azo atao handray anjara. Ho fanampin’ny asa isan-trano mahazatra, dia mampidira fotoana hanaovana fitoriana eny an-dalana, sy hiasana ny faritany be fandraharahana, ary hiverenana any amin’ny tsy nahatratrarana olona. Amin’ny fanaovana izany, ireo loholona dia manampy ireo mpisava lalana mba handray anjara amin’ny fanompoana miaraka amin’ny kongregasiona amin’ny fotoana izay mety sy mifanentana indrindra amin’ireo mpisava lalana. Tokony hampahafantarina tsara ny amin’ireo fandaharana rehetra amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny kongregasiona. Tokony ho voalamina tsara ny fitantanana ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana. Fanampin’izany, dia tokony hisy faritany ampy ary tokony hisy gazety ampy sy zavatra vita an-tsoratra hafa hohafarana haingana.
13 Alamino mialoha ny fandaharam-potoananao ho amin’ny fanompoana: Hoy ny rahalahy iray, izay natahotahotra ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny voalohany: “Tena mora lavitra tsy araka ny niheverako azy ilay izy. Fandaharam-potoana tsara fotsiny no ilaina.” Eo amin’ny faran’itỳ takelaka fanampiny itỳ, moa ve ianao mahita fandaharam-potoanan’ny mpisava lalana mpanampy izay hety aminao? Adiny 15 isan-kerinandro eo amin’ny fanompoana monja no takina amin’ny mpisava lalana mpanampy.
14 Mba hanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy, ireo mpikarakara tokantrano sy ireo miasa manomboka amin’ny hariva ka hatramin’ny misasak’alina, matetika dia afaka mandamina ny fotoana amin’ny maraina hanaovana ny fanompoany. Ireo mpianatra sy ireo miasa manomboka amin’ny misasak’alina ka hatramin’ny vao maraina, mazàna dia afaka manokana ny hariva ho amin’ny asa fitoriana. Ireo miasa tontolon’ny andro dia nahita fa azony atao ny maka andro iray tsy hiasana isan-kerinandro, na manokana faran’ny herinandro manontolo ho amin’ny fanompoana, ho fanampin’ny fitoriana amin’ny takariva. Maro amin’ireo izay voafetra ho amin’ny faran’ny herinandro ny ankamaroan’ny fanompoany, no mifidy volana misy faran’ny herinandro dimy feno. Amin’itỳ taona itỳ, dia marina izany ny amin’ny Martsa, ary koa ny amin’ny Aogositra sy Novambra. Amin’ny fampiasana ilay fandaharam-potoana tsy nofenoina eo amin’ny pejy faha-6, izay nomena ho mpitari-dalana, dia anehoy fiheverana amim-pitandremana sy ao anatin’ny vavaka izay ho fandaharam-potoana ho amin’ny fanompoana mety amin’ny tarehin-javatra misy ny tenanao.
15 Ny tombony iray amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy dia ny fahafahana manovaova omeny. Afaka mifidy ireo volana hanaovanao ny asan’ny mpisava lalana ianao, ary afaka manompo matetika araka izay irinao. Raha tianao ny ho mpisava lalana mpanampy mitohy, nefa tsy afaka manao izany ianao, moa ve ianao efa nieritreritra ny hirotsaka hanao azy io isaky ny roa volana mandritra ny taona? Etsy an-danin’izany kosa, dia misy afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy mitohy mandritra ny ela be.
16 Fiomanana ho amin’ny asan’ny mpisava lalana manontolo andro: Mpitory maro manana ny toe-tsain’ny mpisava lalana no maniry ny ho mpisava lalana maharitra, nefa manontany tena raha manana ny fotoana, ny toe-javatra, na ny tanjaka hanaovana azy io. Tsy isalasalana fa ny ankamaroan’ireo mpisava lalana maharitra ankehitriny no nampiasa ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy aloha, mba hiomanana ho amin’ny fitoriana manontolo andro. Amin’ny fampitomboana adiny iray isan’andro monja ny fandaharam-potoanan’ny mpisava lalana mpanampy ataon’ny tena, na andro iray feno isan-kerinandro, dia ho azo atao ny hamita ny fandaharam-potoanan’ny mpisava lalana maharitra. Mba hahitanao raha azonao atao izany, nahoana moa raha miezaka hanokana 90 ora eo amin’ny fanompoana mandritra ny iray volana na mahery anaovanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy? Amin’izay koa ianao dia hahita fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly, izay hamela anao hankafy fanompoan’ny mpisava lalana feno tsara.
17 Ny anabavy iray dia nankafy ny asan’ny mpisava lalana mpanampy nitohy nandritra ny enin-taona. Nandritra izany fotoana rehetra izany, ny tanjony dia ny hirotsaka ho mpisava lalana maharitra. Mba hahatongavana tamin’izany, dia nanandrana asa efatra samy hafa izy, tamin’ny fanantenana ny hahazo tarehin-javatra hampety ny fahatratrarany ireo 90 ora takina amin’ny mpisava lalana maharitra. Isam-bolana izy dia nanamboatra fandaharam-potoana iray na roa mba hahitana raha hety izany. Rehefa nandinika azy ireo anefa izy, dia nahatsapa fa tsy ho tratrany ny fanompoana manontolo andro. Na dia izany aza, dia nanohy nangataka ny fitarihan’i Jehovah izy. Avy eo, indray andro, raha nanomana ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izy, dia namaky lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Septambra 1991, izay nanambara hoe: “Toy izay hihevitra be loatra ilay ora takina, nahoana isika raha mampifantoka ny saina amin’ny fahafahana handray anjara betsaka kokoa amin’ny asa fijinjana? (Jaona 4:35, 36).” Hoy ny tantarainy: “Novakiko indimy na inenina io fehezanteny io, ary dia nahazo antoka tanteraka aho fa valiny avy tamin’i Jehovah ilay izy. Tamin’io fotoana io aho dia nandray ny fanapahan-kevitra hirotsaka ho mpisava lalana maharitra.” Na dia tsy tonga lafatra aza ny fandaharam-potoanan’ny asany tapa-potoana, dia nanome ny fangatahany hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy. Herinandro taorian’izay, dia niova ny fandaharam-potoanany, ary dia nomena ora fiasana izay sahaza azy indrindra izy. Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Tsy i Jehovah ve no tao ambadik’izao rehetra izao?” Ary hoy ny teny nanampiny: “Rehefa mangataka ny fitarihan’i Jehovah ianao, ka azonao ilay izy, dia aza lavina, fa ekeo.” Raha fanirianao mafy ny ho mpisava lalana maharitra, angamba rehefa mifarana ireo telo volana hanaovanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’izao Martsa sy Aprily ary May izao, dia hiaiky ianao fa ny tenanao koa dia hahavita soa aman-tsara ny fanompoana manontolo andro.
18 Matoky izahay fa hitahy ny zotom-pon’ny vahoakany ary hanohana ny ezaka ataony i Jehovah, eo am-panambaran’izy ireo ny vaovao tsaran’ny famonjena mandritra izao fotoam-panompoana manokana izao. (Isaia 52:7; Rom. 10:15). Moa ve ianao hanoina ilay antso mba hisian’ny mpisava lalana mpanampy 600, amin’ny fandraisana anjara amin’ny Martsa? Aprily? May?
[Efajoro, pejy 3]
Ny Fomba Hahavitana Soa Aman-tsara ny Asan’ny Mpisava Lalana Mpanampy
■ Manàna fihetsika manorina raha ny amin’ny fahafahanao
■ Mivavaha mba hitahian’i Jehovah ny ezaka ataonao
■ Manasà mpitory iray hafa hiara-manao ny asan’ny mpisava lalana aminao
■ Manaova fandaharam-potoana azo ampiharina ho amin’ny fanompoana
■ Manafara gazety ampy
■ Tohano ireo fandaharan’ny kongregasiona amin’ny fanompoana
■ Mitadiava fahafahana hitory tsy ara-potoana