Mivory ireo mpihazona tsy fivadihana amin’izao taonjato faha-20 izao
NANOMBOKA aloha be teo amin’ny tantaran’olombelona ny ady. Nipoaka ny fikomiana tany amin’ny faritra ara-panahy sy tamin’ny faritra teto an-tany, ary nolavina ny maha-ara-drariny ny fanapahan’ny Mpamorona. Izany dia niteraka zava-manahirana iray amin’ny lafiny ara-pitondrantena izay nahafaoka izao fanontaniana manaraka izao: Moa ve ireo tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra amin’izao fotoana izao hanohana ny fiandrianany amin’ny tsy fivadihana aminy? — Genesisy 3:1-24; Eksodosy 9:16; Lioka 22:31.
Nilaza tamin’ny fomba diso Satana Devoly fa ny mpivavaka amin’i Jehovah dia manompo azy noho ny fitadiavana tombontsoa fotsiny fa tsy noho ny fitiavana (Joba 1:1 ka hatramin’ny 2:10). Tsy nivadika tamin’Andriamanitra hatrany anefa izy ireo na dia tao aza ny fiezahan’i Satana sy izao tontolo izao tarihiny mba hialan’izy ireo amin’ny tsy fivadihany (Hebreo 11:4-38; Apokalypsy 12:10-17). Mba hamporisihana ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao hanohy tsy hivadika hatrany, ny Fikambanana Watch Tower dia nanomana fitohitohizam-pivoriambe araka ny foto-kevitra hoe “Ireo mpihazona tsy fivadihana”, izay tokony hatao tany amin’ny tany maro nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 1985. Isan’andro, dia nasongadina ny foto-kevitra araka ny Baiboly iray nety.
“Aoka isika handeha amin’ny tsy fivadihana”
Io foto-kevitra io, ny an’ny andro voalohany tamin’ny fivoriambe, dia nanaitra ny fahalianana ara-panahin’ireo mpanatrika. Ny foto-dresaka hoe “Mihainoa, ry oloko, ny Tenin’i Jehovah” dia nanome fanombohana tsara tamin’ny fampahatsiahivana tamin’ny rehetra ny maha-zava-dehibe ny hihainoana maharitra izay holazaina. Ny lahatenin’ny prezidà mitondra ny lohateny hoe “Hiaro anareo anie ny tsy fivadihana” dia nampiseho ny maha-fahendrena an’io torohevitra io. Ahoana izany? Ho antsika, ny hoe tsy mivadika hatrany dia milaza fanolorana ho an’Andriamanitra fifikirana feno amin’ny fiahiana mba hadio ny fontsika sy ireo antony manosika antsika ary ny firaiketam-pontsika. “Raha tapa-kevitra ny hanao toy izany isika, hoy ny nambaran’ny prezidà, dia azo antoka fa hiaro antsika ny tsy fivadihantsika.” — Salamo 25:5; 31:23.
Rehefa avy eo dia novoaboasana ilay foto-kevitra hoe “Ohatra mampiseho tsy fivadihana mampahery”. Rehefa avy naka ohatra tamin’ny lasa ny mpandahateny, dia nanadinadina rahalahy sy anabavy izay ohatra mampiseho tsy fivadihana amin’izao androntsika izao. “Aoka isika tsy ho menatra ny vaovao tsara”, izany no torohevitra arahin’ireo izay mitana ny tsy fivadihany. Io lahateny io, mifototra amin’ny andinin-teny ao amin’ny Marka 8:38 dia nanaporofo mazava fa fiarovana ny fampahafantarana tsy misy henatra fa Vavolombelona isika amin’ny fanompoantsika, amin’ny asantsika tsy ara-pivavahana ary hatraiza hatraiza any amin’ny toeran-kafa. ‘Ary fitahiana kanto toy inona moa no horaisintsika rehefa hanambara ankarihary eo anatrehan’ireo anjely sy eo anatrehan’ny Rainy i Jesosy fa mpianany isika ary nandeha tamin’ny tsy fivadihana!’
Nitohy ny fandaharana tamin’ilay lahateny hoe “Antsika, dia isika sy ireo zanatsika ny zavatra voambara”. Nasehon’ny mpandahateny fa Jehovah, Raintsika feno fitiavana, dia faly manambara amin’ny olony “ny zava-miafina”. (Deoteronomia 29:28; Amosa 3:7.) Ny fianarana amim-paharisihana ireny zavatra ambara ireny dia hampahatanjaka antsika mba hahafahantsika miorina mafy hatrany amin’ny tsy fivadihantsika. Ny foto-dresaka manaraka mitondra ny lohateny hoe “Ny fomba hahitana fahafinaretana amin’ny Tenin’i Jehovah” dia nanipika ny amin’ny tokony haha-mpianatra ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah (Salamo 1:1, 2). Marina tokoa fa ny fianarana dia anisan’ny fiainan’ny kristiana rehetra izay mandeha amin’ny tsy fivadihana”.
Tian’ireo mpihazona tsy fivadihana ny hahafantatra “Ny fomba famakafakana avy amin’ny Soratra masina” satria mampiasa io fomba io izy ireo rehefa manao fanambarana amin’ny sokajin’olona isan-karazany mifanehatra aminy. Ohatra, tao amin’ny synagoga iray tany Tesalonika, ny apostoly Paoly dia ‘namakafaka avy amin’ny Soratra masina, ka nanazava sy nanaporofo tamin’ny alalan’ny teny nalaina fa tsy maintsy nijaly Kristy’. Nahitana fahombiazana ve ny fiezahan’i Paoly? Eny, satria tonga mpino ny sasany tamin’ireo mpihaino azy (Asan’ny apostoly 17:1-4). Moa ve ireo Vavolombelona amin’ny andro ankehitriny hankasitraka ny fandraisana fanampiana mba hahafahana mamaly ireo fanontaniana apetraky ny olona hitany eny amin’ny fanompoana? Toy inona moa ny fifaliana rehefa nasehon’ilay mpandahateny ny boky vaovao fanao am-paosy hoe Ny fomba famakafakana avy amin’ny Soratra Masina izay hahasoa tokoa amin’ny fitoriana!
“Aoka isika hianatra hampiasa tsara ny teny fahamarinana”
Teo am-piandohan’ny andro faharoa, dia nihetsi-po ny rehetra nahita mpitory maharitra be dia be aoka izany — nisy an’arivony maro izy ireny tamin’ny fivoriambe sasany — nitsangana araka ny fangatahan’ny mpandahateny, ka nanome porofo tamin’izany fa maro be no mandray anjara amin’ny asa manontolo andro. Io tapany tamin’ny fandaharana io, nitondra ny lohateny hoe “Miadia mafy ao amin’ny asa manontolo andro” dia nampisongadina fa mendrika ny hatao ny asan’ny mpitory maharitra, na dia ilaina aza ny hiadiana mba handraisana anjara amin’izany. — Lioka 13:24.
Ny lahateny fototra hoe “Ampifalio ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany” dia nifototra tamin’ny Ohabolana 27:11. Nanovo avy tao amin’ny haren’ny tenin’Andriamanitra ny mpandahateny ary nampisongadina avy amin’izany ireto hevitra niavaka ireto: “Ny tsy fivadihana marina dia milaza fifikirana tsy azo ravana amin’ny olona iray, eto dia Jehovah Andriamanitra.” “Tonga kinga amin’ny fahaiza-manapaka ny tsy fivadihana Satana” ary ny fikomiany dia “nanohitra ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’Andriamanitra”. “Tsy miankina amin’ny tsy fivadihan’ny zavaboariny anefa ny fiandrianan’i Jehovah. Kanefa ny fikomian’ny Devoly dia nanao ny tsy fivadihan’ny olombelona ho foto-javatra tena lehibe amin’ny raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao.” Nametraka izao fanontaniana izao ny mpandahateny: “Ahoana no mety handresentsika amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana? Tonga amin’izany isika satria manaraka ny Tenin’Andriamanitra”, hoy ny navaliny. — Romana 14:8.
Ny foto-kevitra nanaraka dia nampisongadina ny mahazava-dehibe ny hametrahana ireo tombontsoa ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika. Ny lohateniny dia hoe “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”. Izany dia nanampy antsika hahatakatra tsara kokoa fa na dia ilaina aza ny vola, ny fitiavam-bola kosa dia mety hampidi-doza tokoa (Mpitoriteny 7:12; I Timoty 6:10). Ilaina ny hanehoana fahatokiana mba handraisana ny fitahian’i Jehovah, ary izany no mahaforona ny tena harena. — Ohabolana 10:22.
Ilay fampisehoana tantara hoe “Ny ho avinao: mitaky fiezahana” dia nampitaha ny tsy fivadihan’ny Nazirita tamin’ny an’ireo Vavolombelona tanora izay manao fiezahana amin’ny fahatongavana ho mpitory maharitra sy amin’ny fijanonana ao amin’ny asa manontolo andro toy izay hanatratra zava-kendrena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Namporisihina ny tanora hanao fiezahana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra araka izay farany azo atao. Nasehon’ilay fampisehoana tantara koa ny fomba azon’ny ray aman-dreny sy ny olon-kafa anampiana azy ireny amin’izany.
Ilay lahateny hoe “Aoka isika hamafy be dia be sy hijinja be dia be” dia nanazava fa ny fotopoto-pitsipika ilazana fa ‘mijinja izay afafintsika isika’ dia mampiseho fahendrena sy marina ary feno fitiavana. Amin’ny fanahafana an’Andriamanitra sy Kristy ary ‘ny mpanompo mahatoky’, dia hamafy be dia be isika, na amin’ny famonjena ireo fivoriana, na ao amin’ny vavaka, amin’ny fitoriana na amin’ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviana (Matio 24:45-47). Raha mamafy amin’izany fomba izany isika, dia hijinja ny fitahian’i Jehovah. — Hebreo 6:10.
Nandritra ilay lahateny hoe “Hainao ve ny mamaly ny tsirairay avy?”, dia nohenoin’ny mpanatrika tsara tokoa ireo fanipazan-kevitra sy fampisehoana ny amin’ny fomba fampiasana ilay boky vaovao hoe Ny fomba famakafakana avy amin’ny Soratra Masina. Nohantitranterin’ny mpandahateny ny amin’ny ilàna handresy ny tsy firaikana amin’ny alalan’ny fampidiran-dresaka tsara, ny hambolena fahaiza-mamaly an’ireo izay mandray amim-pahatsorana kanefa misalasala, sy ny hampisehoana fa mifototra amin’ny Baiboly ny valintenintsika. — Kolosiana 4:6.
Tamin’ny andro faharoa, taorian’ny lahateny famaranana nitondra ny lohateny hoe “Aoka isika hanambara ireo asa mahagagan’i Jehovah”, dia narahintsika avy hatrany io baiko io tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fitoriana. Tamin’io tolakandro io, ny Vavolombelona iray nandeha isan-trano tany Vancouver, any Kanada, dia tafahaona tamin’olona iray izay nanao fanoherana toy izao: “Raha Andriamanitra fitiavana Andriamanitra, nahoana no mamela ny faharatsiana hisy izy?” Nampiasain’ilay rahalahy ny valiny omena ao amin’ny boky Famakafakana mba hanomezana fanazavana ho an’ilay olona. Natomboka avy hatrany ny fianarana ny Baiboly.
“Aoka isika hitoetra tsy hanan-tsiny eo afovoan’ny taranaka miolakolaka”
Izany no foto-kevitra tamin’ny andro fahatelo ary nampieritreritra. Tamin’io maraina io, ny lahateny hoe “Aoka isika hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika” dia nilaza lisitr’izay azontsika ampiasaina mba hanomezam-boninahitra ny Raintsika any an-danitra: ny fiainantsika natolotsika ho azy, ny fifandraisana akaiky tanantsika aminy, ny fananantsika ara-batana, ara-tsaina sy ara-pitaovana. — Ohabolana 3:9, 10.
Ilay foto-kevitra hoe “Ny fomba handraisana hery indray sy tsy hahaketraka” dia nanome torohevitra mety mba hanampiana antsika hahatohitra ireo fanafihan’i Satana izay mitady hanapaka ny tsy fivadihantsika amin’ny alalan’ny fisalasalana, ny tsy fahampiam-pinoana, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fakam-panahy sy ny karazam-pahakiviana samihafa. Ny fianarana, ny fisaintsainana, ny vavaka, ny famonjena ireo fivoriana sy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ilay Fanjakana dia fomba azo antoka mba hahazoana ny fanohanan’i Jehovah, Loharanon-kery tsy mety ritra. — Isaia 40:28-31.
Ity misy hevitra fototra avy amin’ilay lahateny hoe “Aoka isika ho velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra dieny izao sy ho mandrakizay”: Raha mitovy toe-tsaina amin’i Kristy isika, dia ho velona tsy “araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra”. (I Petera 4:1, 2.) Tsy navelan’i Jesosy mihitsy hampiala azy tamin’ny fihazakazahany ny fanirian’olombelona. Ireo mpilatsaka hatao batisa indrindra no nihaino tamim-pitandremana ny foto-kevitra hoe “Mandraisa toerana eo amin’ireo mpihazona tsy fivadihana”. Azon’izy ireo natao ny nandre fa ny dingana ho amin’ny batisa dia fanombohana fotsiny ny fihazakazahana tokony hitanan’izy ireo ny tsy fivadihany. Mba hahatongavana amin’izany, dia tokony handray soa amin’ireto fandaharana manaraka ireto izy ireny: ny vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ireo boky kristiana sy ny fiarahana amin’ny kongregasiona. Nitsangana ireo mpilatsaka hatao batisa mba hamaly ireo fanontaniana roa izay nahatonga izay nahatonga azy ireo ho afaka hampiseho fa takany ny dingana lehibe hataony. Rehefa avy eo dia natao batisa tao amin’ny rano izy ireo, tamin’ny toe-javatra sasany dia hitan’ny mpanatrika rehetra.
Tamin’io tolakandro io, ilay lahateny hoe “Ao aminao ve ny tahotra an’i Jehovah?” dia nanipika ny tokony hanajantsika ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao (Ohabolana 8:13). Ireto ny sasantsasany amin’ny fampitahana natao ny amin’i Josafata mpanjakan’ny Joda sy Jesosy Kristy, ilay Josafata Lehibe, amin’ny maha-Mpanjaka efa nandray fiandrianana izao: ny fitandroana ny fahadiovan’ny fanompoam-pivavahana marina (I Mpanjaka 22:16; Malakia 3:1-18); ny fiarovana ny fahafahana amin’ny fanompoam-pivavahana (II Tantara 17:1, 2, 12-19; Filipiana 1:6, 7); ny fandaminana ny fampianarana omena ireo mpivavaka marina (II Tantara 17:7-9; Matio 28:19, 20); ary ny fananganana tribonaly teokratika mba hitsarana. — II Tantara 19:6, 7; I Korintiana 6:5, 6.
Ilay foto-dresaka hoe “Ny Soratra Masina dia mahasoa ho fanitsiana izay diso” dia nampiharihary ny fomba anampian’ny Baiboly antsika mba hilamina sy haneho fanajana ny fandaminana, ireo mpiandraikitra voatendry sy ny olona be taona. Manaraka izany, noho ilay lahateny hoe “Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra”, dia takatsika tsara ny maha-zava-dehibe ny hananana fo ara-panoharana salama, fo tsy voazarazara sy feno amin’ny asan’i Jehovah. — I Tantara 28:9.
Ny mpandahateny manaraka dia niresaka ny amin’ny maso tamin’ny famelabelarana ny foto-kevitra hoe “Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, manana maso ‘tsotra’ ve ianao?”. Koa satria mampiasa zavatra maro i Satana mba hahavariana ny masontsika ara-panahy, dia zava-dehibe tokoa ho an’ireo ray, reny sy zanaka kristiana ny mitana fiheverana voalanjalanja sy ny mametraka foana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany (Matio 6:33). Avy eo, ilay foto-kevitra hoe “Aoka isika hanaraka amim-pitandremana ny baikon’ilay Mpanjaka” dia nanipika ny ilàna hanaiky ilay Mpandamina lehibe amin’ny fanajana ireo loholona voatendry sy ny kongregasiona. — Ohabolana 8:32-36.
Ilay lahateny hoe “Mahatoky sy tsy mivadika amin’ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao ratsy” no fara heriny tao anatin’ny andro. Nasehon’ilay mpandahateny ankoatra ny zavatra hafa fa ny kristiana dia tokony hijanona ho mahatoky sy tsy hivadika amin’ny fahamarinana amin’ny fiarovana ny fampianarana araka ny Baiboly momba ny famoronana sy amin’ny fandavana ireo tsangan-kevitra ratsy. Ravoravo ny mpanatrika nandre ny fisehoan’ny boky iray 256 pejy izay mamaly amin’ny antsipiriany ny fanontaniana tao amin’ny lohateniny manao hoe Ny fiainana: ahoana no nisehoany? Evaolisiona sa famoronana?. Misy vokany ve io boky io? Ny Vavolombelona iray tany Soeda, izay evaolisionista taloha, dia namaky manontolo an’ilay boky nandritra ny alina ary rehefa avy eo dia nanao izao fanamarihana izao: “Raha evaolisionista aho omaly, dia azo antoka fa ho niova hevitra tao anatin’ny alina.”
“Aoka isika hanana fitondrantena tsara foana eo amin’ireo firenena”
Izany no foto-kevitra tamin’ny andro farany. Ny anankiray tamin’ireo lahateny natao tamin’ny maraina dia namaly ny fanontaniana hoe “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra” Ny tenantsika ihany no mety hisaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy Kristy. Kanefa raha mbola tsy mivadika koa isika, na ireo fanerena, na ireo toe-javatra miseho ratsy, na ireo mpanohitra dia tsy mahasakana an’Andriamanitra tsy haneho ny fitiavany amintsika. — Romana 8:35-39.
Ilay lahateny hoe “Aza malaky manaiky ho voahozongozona amin’ny fahaizanao mitsara zavatra” dia nanipika ny ilàna hitana ny toerantsika ao anatin’ny paradisa ara-panahy. Amin’ny fomba ahoana? Etsy andaniny, amin’ny fanariana ny fironana himenomenona, ary etsy ankilany, amin’ny fanoherana ny fivadiham-pinoana. Manoro hevitra antsika tokoa i Paoly ‘mba tsy halaky hanaiky ho voahozongozona amin’ny fahaizantsika mitsara zavatra’ amin’ny alalan’izay rehetra mety ho hafatra an-tsoratra na am-bava izay ny kendrena aminy dia ny handavoana antsika ao anatin’ny fisalasalana sy hanimbana ny finoantsika. — II Tesaloniana 2:1, 2, MN.
Nahavariana koa ilay fampisehoana tantara faharoa hoe “Matahora an’Andriamanitra ary manalavira ny ratsy”. Noresahiny ny amin’i Joba, olona nihazona tsy fivadihana, ary nasehony fa tsy vaovao akory ny hoe enjehina sy mijaly satria manompo an’Andriamanitra ny tena. Na dia ao aza ny fiezahana rehetra atao mba hampaniasia antsika, sahala amin’i Joba, dia tokony ho tapa-kevitra isika ny hitana mafy ny tsy fivadihantsika, amin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy amin’ny fanalavirana ny ratsy.
Ny lahateny ampahibemaso hoe “Aiza ho aiza isika izao ao amin’ny andro sy fotoana noferan’Andriamanitra?” dia nampahatsiahy antsika fa Jehovah dia ‘nanaisotra mpanjaka sy nanangana mpanjaka’ mifanaraka amin’ny fikasany tsy miova. Noho izany, rehefa ho tonga ny fotoana voatendry, dia hofoanany tsy misy diso ny faharatsiana ka haoriny indray ny rariny. — Daniela 2:21, 44.
Tena amin’ny ilàna azy indrindra ireo lahateny famaranana roa. Ny foto-kevitra hoe “Fampaherezana ho an’ireo mpihazona tsy fivadihana” dia nampahery antsika tamin’ny fampisehoana tamintsika fa afaka matoky isika fa tsy maintsy hanohana antsika ao anatin’ny fitsapana Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny, ny fanahiny sy amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Araka ny nohazavain’ny lahateny famaranana dia tsy mihemotra ny Vavolombelon’i Jehovah satria hoe miaina eo amin’izao tontolo izao manohitra an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany kosa fa “Mandroso ny fandaminan’ny olona tsy mivadika”! Tsy manam-paharoa amin’ny karazany io fandaminana io satria manohana ny fiandrianan’i Jehovah ary matoky fa hahazo ny fandresena sy hitoetra mandrakizay.
Mandroso ireo mpihazona tsy fivadihana
Tsy vitan’ny hoe nandray soa tamin’ny sakafo ara-panahy tondraka ireo mpanatrika ka nahafantatra ny fisehoan’ny boky kanto vaovao roa, fa nihetsi-po koa izy ireo naharay bokikely iray 32 pejy feno sary miloko mitondra ny lohateny hoe Ny fitondram-panjakana izay hanorina ny Paradisa. Ary toy inona moa ny fifaliana afaka hanana ny Mélodies du Royaume n° 6, “cassette” mirakitra feon-kira mahafinaritra tokoa mba hahafaly antsika!
Nody nahazo fampaherezana sy faly ary velom-pankasitrahana ireo mpanatrika noho io fanasana ara-panahy nampitombo fahalalana aoka izany io. Nihamafy ny fitokisan’izy ireo an’Ilay manohana hatramin’ny 6 000 taona ireo izay miandany amin’ny fiandrianany. Marina tokoa fa io Andriamanitra io ihany koa, Jehovah, dia hahita ireo Vavolombelony handresy, hamakivaky ny “andro farany” ka ho tonga soa aman-tsara ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, ary izany dia ho fanamarinana azy mandrakizay. — II Timoty 3:1; Apokalypsy 7:9-12; 21:1-5.
Koa satria isika manana izany fitokisana izany sy izany finoana an’i Jehovah Andriamanitsika izany, inona no hataontsika? Izao: tapa-kevitra ny handroso amin-kerim-po ny fandaminan’i Jehovah mahavory mpihazona tsy fivadihana amin’izao taonjato faha-20 izao!
[Efajoro, pejy 29]
Ny hevitry ny hafa
Ny kaomiseran’ny polisy iray tao amin’ny tanànan’i Leds, any Angletera, dia nilaza toy izao: “Ho tiako ny hidera anareo sy ny mpiasa ao aminareo ary ny mpanatrika rehetra (...) noho ny fomba tsara dia tsara nitarihana sy nandaminana ny fivoriambenareo. Afaka mirehareha ny amin’izany ianareo rehetra. Tonga tao amin’ny kianja aho tamin’ny asabotsy tolakandro sy alahady maraina, ary hitako fa feno hafanana tokoa ny rivo-piainana. Nahafinaritra ny nijery fa nizotra tsara io fihaonambe io. Maromaro tamin’ireo mpiara-miasa amiko no nahamarika zavatra sahala amin’izany.”
Izao no nosoratan’ny lehiben’ny mpanoratra ao amin’ny gazety iray any Montréal teo ambanin’ny lohateny hoe “Mamaly ny tsikin’ireo olon’i Jehovah”: “Afakomaly, tao anatin’ny adiny roa latsaka, dia nandondòna varavarana 800 000 tao amin’ny faritra izy ireo. Fiahiana ara-panahy nasehon’olona maro, angamba nanakantsakana kely, nefa azo antoka fa tsy nanorisory (...) Rehefa mandray mpitsidika ny tena, dia somary mifaneritery mba hisian’ny toerana. (...) Tsy mampaninona na dia tsy mitovy finoana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza, ao anatin’ny andro vitsivitsy dia hiara-manana fahatoniana aminy fotsiny ary dia efa hahatsiaro ho tsaratsara kokoa ny tena. Ireny olona tia fihavanana ireny dia nifidy ny hihaona tao Montréal; enga anie hisy hafa ho tonga aminy ary an’aliny maro.”
Ny manamboninahitra ao amin’ny polisy any Dortmund, any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina, dia nanao izao fanamarihana izao: ‘Rehefa misy fihaonana amin’ny fanatanjahan-tena, dia polisy 200 izahay no miasa eto fara fahakeliny; amin’ny fivoriambenareo, dia efatra monja no ilaina ka ny roa mikarakara ny fifamoivoizana.’
Ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny kianja filalaovam-baolina any Norwich, any Angletera, dia nilaza toy izao: “Ny fiadanana nanjaka nandritra ireo efatra andro ireo (...) dia mamindra. Tsapanao ny fahatoniana anaty izay mifanohitra tanteraka amin’ny fihenjanan-tsaina ateraky ny efatra andro lany eo amin’izao tontolo izaon’ny raharaham-barotra sy ny firimorimon’ny fiainana andavanandro. Tena hafa ny Vavolombelona ary sarotra ny manazava ny antony.”
[Efajoro, pejy 30]
Ny fivoriambe tany Montréal: fisehoan-javatra tsy nanam-paharoa!
Ny fivoriamben’ny distrika hoe “Ireo mpihazona tsy fivadihana” izay natao tany amin’ny kianja olympika malaza any Montréal dia nitovy fandaharana tamin’ny fivoriambe hafa rehetra nitovy karazana taminy. Manokana anefa izy io noho ny antony mihoatra ny iray. Izy io indrindra no voalohany tamin’ny fivoriambe sasany iray karazana taminy izay hiavaka amin’ny halehibeny sy amin’ny endriny manokana hafa koa.
Ny isan’ny mpanatrika: Olona 78 804 amin’ny fitambarany, avy ao Kanada sy avy any avaratra atsinanan’i Etazonia no tafangona tao. Nohatanjahina ny finoan’ireo mpanatrika noho izy ireo voahodidin’ny mpihazona tsy fivadihana maro be toy izany ka nihaino ireo lahateny, nihira sy nivavaka niaraka. Nahatalanjona re izany!
Ny batisa: Nahafaly indrindra ny nahita nitsangana ireo 1 004 nilatsaka hatao batisa. Izy ireo dia porofo hita maso ny amin’ny fitomboana isa marihin’ny olon’i Jehovah amin’izao androntsika izao.
Ny fiteny: Natao tamin’ny fiteny 11 ny fandaharana: anglisy, arabo, sinoa, koreana, espaniola, frantsay, grika, hongroa, italiana, portiogay sy iokreniana. Nisy fandaharam-panamafisam-peo manokana natsangana tany amin’ny fefin’ny kianja ka noho izany, ireo rahalahy niteny frantsay tafavory tao amin’ny faritra sasany dia nahare ny fandaharana tamin’ny fiteniny raha mbola nihaino tamin’ny azy ireo mpanatrika niteny anglisy.
Ny fitobiana — tena tanàna iray: Izany dia nanampy tamin’ny fanamarihana ho tsy fahita firy an’io fivoriambe io. Inona no hatao mba handraisana ireo izay nila toerana ho an’ny trano fiarany, ny fiarany fitobiana na ny lainy? Vao tamin’ny volana desambra 1984 dia nandramana ny fanaovana izay hahazoan-dalana hampiasa ny Saha Maisonneuve nanoloana indrindra ny kianja. Rehefa ren’ireo tompon’andraikitra fa naniry hanofa ny saha izahay, dia nihomehy aloha izy ireo, ka takatra moa ny nanaovany izany. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy mbola nampanofaina mihitsy ny sahan’ny tanàna teo aloha. Tamin’ny farany dia nomena ny fahazoan-dalana. Tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’izany ny laza tsaran’ny olon’i Jehovah.
Rehefa nisaina farany, dia feno ny toerana 4 300 ary mpanatrika 20 000 no nipetraka tamin’ny ahitra matevina teo ambany alokaloky ny hazo maro. Nanao ahoana ny saha rehefa avy nampiasain’olona be dia be toy izany nandritra ny efa ho herinandro? Tsy nahatsapa fahasimbana lehibe ireo tompon’andraikitra gaga. Noho izany antony izany no namerenany taminay ny vola rehetra natao antoka izay nahatratra an’arivony dôlara maromaro anefa.
Ny fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe: Izany dia nanampy koa tamin’ny fanaovana ny fivoriambe tany Montréal ho fisehoan-javatra manokana. Marina fa lavin’ny olon’i Jehovah ny fanindrahindrana zavaboary amin’ny endriny rehetra, nefa tsy isalasalana mihitsy fa Vavolombelona maro no nitovy fihetseham-po tamin’ny an’ity rahalahy izay nanambara izany tamim-pahafaham-po hoe: “Ny fanatrehan’ny mpikambana fito ao amin’ny Kolejy foibe, izay mbola tsy hitako sy reko nanao lahateny mihitsy teo aloha ny sasany, no anisan’ny nampahery indrindra.” Ny fiarahana tamin’izy ireo dia nahatonga fisian’ny tena ‘fifamporisihana’ ara-panahy. — Romana 1:11, 12.
Vokany tsara dia tsara: Mendrika hoderaina ireo manam-pahefana sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny noho ny tsy nampiasana fiangarana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atao ny milaza fa niavaka izany rehefa tsaroana fa tsy ela be loatra izay, i Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec taloha, dia nanambara ankarihary fa hanao “ady tsy misy indrafo ho fanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah” mandra-pahafoanan’izy ireo. Tsy hoe tsy nisy antony akory ny nanaovan’ny mpanao gazety iray izao fanamarihana izao: “Alao sary an-tsaina, omaly [zoma] dia nisy vavolombelona 74 846 tsy nisy diso tao anatin’ny fefin’ny kianja! Maurice Duplessis, izay nandrara ny fihetsiketsehana dia tsy maintsy mitsipatsipaka ao amin’ny fasany.”
Tsy vao voalohany tamin’izay no namalian’i Jehovah soa be dia be toy izany ireo mpihazona tsy fivadihana. Fisehoan-javatra tsy nanam-paharoa tokoa anefa ilay fivoriambe tany Montréal.
[Tabilao, pejy 28]
Fivoriambe vitsivitsy “Ireo mpihazona tsy fivadihana”
Tany Isan’ny Isan’ny Isan’ny
fivoriambe mpanatrika batisa
Allemagne,
République fédérale d’ 17 148 853 904
Autriche 3 23 123 237
Brésil 25 389 387 4 825
Canada 14 146 897 1 585
Équateur 4 22 918 394
Espagne 13 90 808 1 628
États-Unis 112 1 189 173 9 851
France 11 119 940 2 002
Grèce 3 37 367 368
Îles Britanniques 10 142 859 925
Italie 25 184 078 4 153
Japon 25 202 221 3 512
Pays-Bas 1 40 694 151
Portugal 10 52 581 990
Suède 8 27 194 315
Suisse 3 20 601 213
Venezuela 4 69 843 1 063
[Sary, pejy 31]
L. Barry, anisan’ny Kolejy foibe, mampiseho tao Montréal ilay boky vaovao mahavariana hoe “La vie; comment est-elle apparue? Évolution ou création?”.
Nosoritana ny tsy fivadihan’i Joba tamin’io tantara araka ny Baiboly io, naseho teto amin’ny fivoriamben’i Atena, Gresy.