Belsazara: zanakalahin’ny mpanjaka mpandova sa mpanjaka?
NIADY hevitra naharitra ny amin’i Belsazara ireo mpandinika Baiboly. Araka ny voalazan’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly, “Belsazara mpanjaka” dia tompom-piandrianana tany Babylona ary nanao fanasana lehibe tamin’ilay alina nampangitakitaka nakan’i Kyrosy Persiana ny tanàna, tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana (Daniela 5:1). Mampalahelo anefa fa ny Baiboly ihany no manonona ny anarana hoe Belsazara. Ireo fitantarana tranainy hafa dia tsy manisy fitenenana ny amin’io anarana io ary milaza fa tamin’izany fotoana izany dia Nabonida no mpanjakan’i Babylona. Noho izany antony izany, dia be dia be no nahita tamin’izany, porofo fa ny bokin’i Daniela dia tsy misy vidiny ara-tantara ka azo inoana fa nosoratana taonjato maro taorian’ny nianjeran’i Babylona.
Niharihary fa natao haingana loatra anefa izany fitsarana izany. Ny lahatsoratra iray nosoratan’i Alan Millard tao amin’ny Biblical Archaeology Review (may/jona 1985) dia mitantara fa tamin’ny 1854 dia hita tany Irak ny soratra iray nirakitra vavaka mba hanomezana andro lava sy fahasalamana tsara an’i Nabonida sy ny zanany lahimatoa. Ary iza no anaran’izany zanaka lahimatoa izany? Belsazara! Nisy tany Babylona àry ny Belsazara iray. Nanomboka tamin’ny 1854, dia hita ny soratra hafa be dia be nanamarina izany toe-javatra izany. Tsy nisy na dia iray monja tamin’izy ireny aza anefa nilaza an’i Belsazara ho mpanjaka. Zanakalahin’ny mpanjaka, na mpandova no nilazan’izy ireo azy, hany ka ireo mpanaratsy ny Baiboly dia manamafy fa diso hevitra ny mpanoratra ny bokin’i Daniela tamin’ny fampiasana ny fitenenana hoe “Belsazara mpanjaka”.
Kanefa, na dia tamin’io hevitra io aza, dia diso hevitra izy ireo. Inona no fantatsika ny amin’izany? Voalohany indrindra, araka ny filazan’i Alan Millard, dia hita ny tahirin-kevitra ara-pitsarana nifanitsy tamin’ny fotoana nanoratana azy izay nanisy fitenenana ny amin’ny andaniny roa mianiana amin’i Nabonida sy amin’i Belsazara. Nahoana no manambara zavatra izany? Satria fanao ny nianianan’ny andaniny roa tamin’ny anaran’ireo andriamanitra sy tamin’ny anaran’ny mpanjaka. Ny fianianana tamin’ny alalan’i Belsazara no hany naningana tamin’io fitsipika io; miharihary amin’izany àry fa nanana fitsipika nitondrana manokana i Belsazara. Raha ny marina, dia hita fa nanapaka irery tany Babylona taona maromaro i Belsazara, raha mbola nonina tany Teima, toerana kely lonaka tany avaratr’i Arabia, ny rainy. Ny vato fisaka kely voatahiry any amin’ny British Museum ankehitriny dia manamarina fa “nanankina ny fiandrianany” tamin’i Belsazara i Nabonida nandritra izany fotoana izany.
Amin’izany toe-javatra izany, nahoana ireo soratra ofisialy no manondro azy ho “zanakalahin’ny mpanjaka mpandova” kanefa ny bokin’i Daniela mampiasa ny teny hoe “mpanjaka”? Manome ny valiny ny fahitan-javatra araka ny arkeolojia iray tany avaratr’i Syria. Nofongarina tany tamin’ny 1979 ny tsangambato iray araka ny habeny mihitsy mampiseho ny mpanjakan’ny tanànan’ny Gozana taloha. Teo amin’ny akanjony dia nisy soratra roa, ny anankiray tamin’ny teny asyriana, ary ny anankiray tamin’ny teny arameana. Na dia nitovitovy aza ireo soratra roa ireo dia nirakitra tsy fitoviana mahaliana iray fara fahakeliny. Tamin’ny fitenin’ny mpanapaka asyriana, dia nilaza ilay soratra fa ny mpanjaka nasehon’ny tsangambato dia “ny governoran’i Gozana”. Ny soratra amin’ny teny arameana, fitenin’ny olona teo an-toerana, dia nilaza an’io olona io ho “mpanjaka”.
Mitovitovy amin’izany ihany, dia mihevitra i Alan Millard fa na dia nanisy fitenenana ny amin’i Belsazara ho toy ny zanakalahin’ny mpanjaka mpandova aza ireo tahirin-kevitra ofisialy, “dia tsy isalasalana fa hita ho mahafapo ao amin’ireo fitantarana tsy ofisialy toy ny bokin’i Daniela ny hiantsoana an’i Belsazara hoe ‘mpanjaka’. Nanana fahefan’ny mpanjaka izy tamin’ny naha-solontenan’ny rainy azy na dia tsy nanana ara-dalàna ny fiandrianana aza angamba izy. Tsy hisy antony ny fanavahana amin’ny fomba hentitra ary hampisavorovoro fotsiny ny tantara araka ny tantaraina ao amin’ny Daniela”.
Miteraka fanontaniana iray izany voalaza eo aloha izany: Raha tena nosoratana tokoa taonjato maro taorian’ny nianjeran’i Babylona ny bokin’i Daniela, ahoana no nahalalan’ny mpanoratra azy an’i Belsazara izay tsy noresahin’ireo mpanoratra tantara hafa? Ary nahoana izy io no nantsoiny hoe “mpanjaka” tamin’ny fanarahana tamin’izany ny fanao mahazatra iray tamin’ny andro nahaveloman’i Belsazara, kanefa navela tao anatin’ireo taonjato nanaraka? Marina tokoa fa ny nanononany an’i “Belsazara mpanjaka” dia manaporofo tsy azo lavina fa tena nosoratan’olona velona tany Babylona tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana tokoa ny bokin’i Daniela.