FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/5 p. 28-29
  • “Ankasitrahantsika ireo olona be taona”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ankasitrahantsika ireo olona be taona”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampisehoana Fitiavana Kristiana Amin’ireo Zokiolona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Rota
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • “Izay Alehanao no Halehako”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/5 p. 28-29

“Ankasitrahantsika ireo olona be taona”

“AO amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana”, hoy Joba Joba 12:12. Nanao izao fanamarihana izao i Solomona: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31). Ireo teny ireo dia notononina tamin’ny fotoana niheverana sy nanajana ireo olona be taona. Asehon’ny Baiboly imbetsaka rahateo ny soa azon’ny tanora tamin’ny fifaneraserana tamin’olona be taona.

Ohatra, nandritra ny taona maro i Rota dia nanana fahafahana nandinika an’i Naomy rafozambaviny sy nieritreritra ny amin’ny fihetsiny. Izany fiarahana izany dia toa nanome an-dRota faniriana hanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Koa rehefa nanana fahafahana handao an’i Naomy sy hiverina tany amin’ny taniny nisy mponina nivavaka tamin’ny sampy izy, dia nasehon-dRota ny fahatokiany tamin’ny filazana hoe: “Izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16, 17). Eny, noho ny fifankatiavany tamin’i Naomy, dia tonga “vehivavy tsara” i Rota. — Rota 3:11.

Nandray soa tamin’ny fiarahana tamin’ny lehilahy iray be taona noho izy koa i Timoty. Nandeha niaraka tamin’ny apostoly Paoly nandritra ny taona maro tokoa izy. Rehefa natao an-tranomaizina i Paoly, dia tafasaraka izy ireo, kanefa naharay taratasy avy tamin’i Paoly i Timoty, ka izany dia namporisika azy ‘hamelona ny fanomezam-pahasoavana avy tamin’Andriamanitra” tao aminy (II Timoty 1:6-8). Nianatra zavatra tsara tokoa tamin’i Paoly i Timoty, hany ka rehefa nanoratra ho an’ny Filipiana i Paoly dia nohazavainy tamin’izy ireo fa ‘tsy nanana olona nitovy fanahy taminy [Timoty] izy na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy azy ireo’. — Filipiana 2:20.

Azo lazaina hoe nanjavona anefa amin’izao andro izao ny fanajana ny olona be taona any amin’ny tany sasany. Toy izany anefa ve no izy eo amin’ireo kristiana? Tsy izany velively. Mbola tsapan’ny kristiana marina ihany amin’izao andro izao fa ireo olona be taona dia afaka mitondra ho azy ireny zavatra be dia be noho ny finoany, ny fitiavany fivavahana sy ny fanandraman-javatra efa hitany teo amin’ny fiainana. Izao no nosoratan’ny anabavy iray: “Isaky ny iharam-panerena avy amin’izao fandehan-javatra izao aho, dia mieritreritra ireo anadahy sy ireo rahavavy be taona ao amin’ny kongregasiona, ka manome herim-po ahy indray ny tsy fivadihany.” Ny rahalahy iray 34 taona dia nanambara toy izao koa momba ireo namany be taona tsy mivadika hatrany: “Nanampy ahy tamin’ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainana izy ireny. Ohatra, nila torohevitra aho mba hijoroana tsara. Tamin’izany dia nilaza tamiko toy izao ny rahalahy iray 72 taona: ‘Fantatro tsara raha manao izay tian’i Jehovah hataonao voalohany indrindra ianao. Ady maharitra izany. Ho tonga amin’ny fijoroana anefa ianao raha mikatsaka ny Fanjakana voalohany indrindra.’ ”

Tao anatin’ny toe-javatra hafa iray, ny rahalahy iray 87 taona dia narary mafy. Nitsidika azy ny loholona iray niaraka tamin’ny rahalahy tsy narisika iray. Niteny toy izao sady nitomany ilay Vavolombelona tsy narisika: “Tena sakaiza ho ahy ianao. Halahelo anao aho.” Dia hoy ny navalin’ilay rahalahy be taona: “Ho tsapako koa ny tsy maha-eo anao.” Mbola nitomany foana ilay rahalahy tsy narisika sady nanampy teny hoe: “Hahita anao indray aho any amin’ny fandaharan-javatra vaovao raha tonga izany indray andro any.” Na dia reraka aza ilay kristiana be taona dia niarina ka namaly azy tamin’ny fomba hentitra hoe: “Tsy maintsy ho tonga izany!” Na dia tsy namaly izany fampaherezana izany aza ilay Vavolombelona tsy narisika, ilay loholona nandinika izany fisehoan-javatra izany dia voatohina mafy tao am-pony noho ny toky nananan’io rahalahy be taona io. “Nanampy ahy be dia be ny finoany”, hoy ny fitantarany.

Ireo rahalahy sy anabavy be taona dia afaka manome torohevitra azo ampiharina sy mampiseho fahendrena notsoahina avy amin’ny fanandraman-javatra efa hitany teo amin’ny fiainana kristiana nananany. “Fihino sy tambatambazo ny zanakareo kely, hoy ny fanipazan-kevitry ny anankiray tamin’izy ireny, satria mitombo haingana izy. Karakarao voalohany indrindra izy ireo. Mpianatrareo ireo ary sarobidy.” ‘Rehefa iharan’ny fanerena eo amin’izao fandehan-javatra izao ianao na rehefa sedrain’i Satana, dia aza miala amin’ny fahamarinana mihitsy. Manohiza miaina mifanaraka aminy, hitondra fahasambarana ho anao izany.” Ny mpivady be taona niasa tamim-pahatokiana tany amin’ny faritra iray any Nouvelle-Zélande nandritra ny 43 taona teo ho eo, dia nanome izao fanipazan-kevitra azo ampiharina izao: “Raha azo atao izany, dia tsaratsara kokoa ny mijanona ao amin’ny toerana iray ihany toy izay hifindra toerana foana. Amin’izany fomba izany, dia manohina bebe kokoa ny manodidina antsika ny fahamarinana ary voatosika ny tena hiaina foana mifanaraka amin’izany. Mahatonga antsika hatanjaka kokoa izany.”

Marina fa maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona no tsy afaka mandray anjara sahala amin’ny ataon’ny tanora amin’ny fitoriana isan-trano. Ny sasany amin’izy ireny aza dia eo am-pandriana. Ny hafa koa miaritra fanaintainana isan-karazany. Izao no nolazain’ny anabavy be taona iray: “Tsy mampaninona ahy ny mihantitra. Ny tsy tiako dia izay rehetra mitranga rehefa be taona.” Kanefa dia maneho zotom-po be dia be foana izy.

Maka fotoana hianarana hahafantatra ireo rahalahy sy anabavy be taona ve ianao? Mitady izay hanahafana ireo toetra asehony ve ianao, dia toetra nodioviny toy ny volamena araka ny fandehan’ny fotoana sy ny fanandraman-javatra? Azo antoka fa manan-javatra be dia be hampianarina antsika ireo namantsika be taona raha maka fotoana hiheverana azy ireny sy hiresahana aminy isika. Izao no nolazain’ny tanora kristiana iray: “Ireo rahalahy sy anabavy be taona dia ohatra ho ahy tamin’ny fahatokiana, ny tena fitiavana, ny finoana velona, ny fangoraham-po sy ny zotom-po amin’ny asan’Andriamanitra. Amiko izy ireny dia manana hatsaran-tarehy sahala amin’ny hazo mamony, ary sahala amin’ny hazo mamony, ary sahala amin’ny afo manafana amin’ny alina mamanala.” Tena manana antony maro be tokony hankamamiana ireo rahalahintsika sy ireo anabavintsika be taona tokoa isika!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara