Ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra”
Tena mety tokoa ny hananan’ireo fivoriambe omanina ho amin’ny 1986 ny foto-kevitra hoe “Ny fiadanan’Andriamanitra”. Jehovah Andriamanitsika tokoa dia “tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. Endrey ny fifanoheran’izany amin’ilay “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, dia Satana Devoly izay andriamanitry ny fikorontanana sy ny fisaratsarahana ary ny fisafotofotoana kosa! — I Korintiana 14:33; II Korintiana 4:4, MN.
Tena mety tokoa ny anondroana matetika an’i Jehovah ao amin’ny Teniny ho “Andriamanitry ny fiadanana”. (Filipiana 4:9; I Tesaloniana 5:23; Hebreo 13:20.) Mampanantena fiadanana ho antsika ny Baiboly; manoro hevitra antsika izy mba hihavana; miresaka ny amin’ny fiadanana na fihavanana izy manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, izany hoe eo amin’ny in-250 eo. Marina tokoa fa “Andriamanitra manome fiadanana” ny olony Jehovah. — Romana 15:33, MN; 16:20, MN.
Zava-dehibe indrindra ny haha-olon’ny fiadanana ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, eny, ny tsirairay avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Milaza izany fa tsy vitan’ny hoe tokony ho tia filaminana izy, fa tokony ‘hitady fihavanana sy hanaraka izany’, araka ny torohevitry ny apostoly Petera (I Petera 3:10, 11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tokony ho “mpitondra fihavanana” isika, raha raisina indray ny teny ampiasaina ao amin’ny Matio 5:9 ao amin’ny Traduction interlinéaire du Royaume.
Tsy mora akory ny ho mpitondra fihavanana, ny hiasa ho an’ny fiadanana, ny hanandrana hiaro ny fiadanana. Ny toe-tenantsika olombelona tsy tanteraka, miaraka amin’ny fahalemeny, dia mirona ho amin’ny fanamorana ny fifandonana noho ny tsy fitovian-toetra. Izany no miharihary amin’ny anankiray amin’ireo hirantsika (n° 56), manao hoe: “Isika mantsy tsy tonga lafatra ka matetika no solafaka.” Avy eo dia omeny izao torohevitra izao: “Fa izay mamindra fo ka mamela dia hampandroso ny fiadanana.” Etsy andaniny koa, ny fanerena sy ny fanintonan’izao tontolo izaon’i Satana dia manimba ny fahazoana “ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. (Filipiana 4:7.) Farany, dia miharihary fa tsy tokony hohadinoina Satana mihitsy sy ireo demoniany, izay manao izay rehetra azony atao mba hanakorontanana ny fiadanantsika; tokony hanao ady amin’izy ireo isika. — Efesiana 6:12.
Fahiny, dia nalahatr’Andriamanitra ny hivorian’ny olony amin’ny fotoana manokana mba hifampandrosoana sy hanatanjahana ny fahavononana hanaraka ny didiny. Toy izany koa, amin’izao andro izao, ireo fivoriamben’ny distrika fanaontsika isan-taona dia mahaforona ny anankiray amin’ireo fandaharana maro manampy antsika ho mpitondra fihavanana. Amin’ireny fihaonambe ireny, dia hazavaina amintsika ny Tenin’Andriamanitra. Mandritra ny efatra andro, ny Raintsika any an-danitra dia mampianatra antsika amin’ny alalan’ny lahateny, ny fanadinadinana, ny fampisehoana sy ny tantara araka ny Baiboly. Eny, na dia ireo hirantsika aza dia mananatra antsika mivantana na tsy mivantana hitady ny fiadanana.
Amin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra” ho avy, dia hahatsapa ny toe-tsain-drahalahy mampifamatotra antsika amin’ireo namantsika isika rehefa hiarahaba azy ireo. Rehefa mahita ny fitambaran’ireo sampan-draharahan’ny fivoriambe miasa amim-pifandrindrana isika dia tena ho voatanan’izany toe-tsaina amin’io fivoriambe io izany.
Aoka isika ho tonga any, amin’ny fahatsapana tokoa izay ilaintsika ara-panahy sy amin’ny fahavononana handray soa faran’izay betsaka amin’ny fitambaran’ny fandaharana. Aoka isika hitsinjo ny hahatongavana alohaloha mba handraisan-tsoa amin’ny fotoam-pivoriana voalohany, ny an’ny alakamisy tolakandro, ary aoka isika tsy hiainga alohan’ny hira farany sy ny vavaka famaranana ny alahady tolakandro.
Ambonin’izany, moa ve isika tsy tokony hifanaraka amin’ny tenantsika ihany? Amin’ny fomba ahoana, hoy angamba ianao? Amin’ny fankamamiana araka ny tena vidiny tokoa ny sakafo ara-panahy hozaraina amintsika. Be dia be amintsika no handeha lavitra sy handany vola be vao ho tonga. Aoka àry isika hiezaka mba ho marim-potoana sy hanana toe-batana tsara. Milaza izany fa tokony hohalavirintsika ny fihinanana na ny fisotroana be loatra ary tokony hitandrina isika mba tsy hiari-tory be loatra. Aoka ho azontsika antoka kosa fa manao zavatra amim-pahalalana onony isika ary aoka isika hatory alohaloha mba ho afa-tsasatra tsara sy hahay handray ny sakafo ara-panahy hatolotra antsika. Mandritra ny fandaharana, dia tokony hipetraka sy hihaino isika. Tsy hety ny hivezivezena etsy sy eroa na hananganan-dresaka amin’ny namana iray tsy hitantsika hatramin’ny ela be. Aloha na aorian’ny fotoam-pivoriana no hanaovantsika izany. Araka izany àry, rehefa ho any amin’ireny fivoriambe ireny isika, dia tokony ho tapa-kevitra mafy ny hampitombo fahalalana ara-panahy.
Fahiny Andriamanitra dia nandahatra ny hivorian’ny olony tsy tapaka, tamin’ny toe-javatra manokana, mba hifampandrosoana. Ary amin’izao andro izao dia tokony hiaiky isika fa ireo fivoriamben’ny distrika fanaontsika isan-taona dia mahaforona anankiray amin’ireo fandaharana maro manampy antsika ho mpitondra fihavanana.
Toerana sy datin’ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra” amin’ny teny frantsay
Frantsa
10 ka hatramin’ny 13 jolay:
MARSEILLE: Stade-Vélodrome, 3, boulevard Michelet
NANTES: Nouveau Stade de la Beaujoire, route Saint-Joseph
TOULOUSE: Stadium municipal (misy fandaharana manontolo amin’ny teny espaniola)
17 ka hatramin’ny 20 jolay:
GRENOBLEa I: Palais des Sports, boulevard Clemenceau
LILLE: Foire commerciale, Hall B, boulevard du Président-Hoover (misy fotoam-pivoriana tapatapany amin’ny teny polone)
STRASBOURG: Stade de la Meinau
24 ka hatramin’ny 27 jolay:
BASTIA: Théâtre Municipal, rue César-Campinchi
GRENOBLEb II: Palais des Sports, boulevard clemenceau
PARIS I: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fotoam-pivoriana tapatapany amin’ny teny anglisy, arabo, arameniana sy vietnamiana)
31 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra:
PARIS II: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fandaharana manontolo amin’ny teny portiogay sy amin’ny fiteny baiko moana marenina)
POITIERS: Les Arènes de Poitiers, Parc des Expositions, rue Touffenet
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.
b Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.
Guadeloupe
17 ka hatramin’ny 20 jolay sy 24 ka hatramin’ny 27 jolay:
LAMENTIN: Terrain des congrès des Témoins de Jéhovah, Vincent
Guyane française
14 ka hatramin’ny 17 aogositra:
MATOURY: La Cotonnière, La Mirande
Martinique
31 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra:
RIVIÈRE SALÉE: Centre culturel de rassemblements, Habitation Thoraille
Maurice
30 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra:
ROSE HILL: Stade de Rose Hill
Nouvelle-Calédonie
4 ka hatramin’ny 7 septambra sy 11 ka hatramin’ny 14 septambra:
NOUMÉA: Salle d’assemblées de Ducos, rue de Papeete
Réunion
28 ka hatramin’ny 31 aogositra:
SAINT-PAUL: Stade Olympique régional
Tahiti
14 ka hatramin’ny 17 aogositra:
PAEA: Salle Omnisports de Paea
Belgique
24 ka hatramin’ny 27 jolay:
CHARLEROI: Palais des Expositions
31 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra:
LIÈGE: Halles des Foires, Coronmeuse
Canada
17 ka hatramin’ny 20 jolay:
QUÉBEC: Colisée, Parc de l’Exposition, 2205, avenue du Colisée
24 ka hatramin’ny 27 jolay:
CALGARY: Stampede Corral, Stampede Park, 12th Ave. & 4th St. S.E.
MONTRÉAL: Montreal Forum, 2313, rue Ste-Catherine O.
Suisse
17 ka hatramin’ny 20 jolay:
GENÈVE: Palexpo
Madagascar
4 ka hatramin’ny 7 septambra:
ANTANANARIVO
18 ka hatramin’ny 21 septambra:
ANTSIRANANA
FIANARANTSOA