Tongava amin’ny fivoriamben’ny distrika 1987: “Matokia an’i Jehovah”
HANANA ny foto-kevitra hoe “Matokia an’i Jehovah” ny fivoriamben’ny distrikantsika amin’ny 1987. Fifidianana tsara dia tsara re izany! Tsy isalasalana mihitsy fa mahatonga antsika ho samy hafa amin’ny tapany amin’izao tontolo izao ny fitokisantsika an’i Jehovah. Ny hafa rehetra mametraka ny fitokisany amin’ny zavatra toy ny harena, fahendrena, fahefana na amin’ny mpitondra ara-politika sy filohany ara-pivavahana. Nefa tsy ho ela ireo rehetra ireo dia hahita fahadisoam-panantenana mangidy. — Salamo 146:3, 4.
Inona moa no tiana hambara amin’ny hoe mametraka ny fitokisana amin-javatra na amin’olona iray? Araka an’ireo mpanao diksionera, ny fitokisana dia “ny fanantenana miorina tsara, [ny] toky ananan’izay miantehitra amin’olona iray na amin-javatraa”. Izany marina tokoa no tsapantsika: mametraka fitokisana tanteraka sy tsy azo hozongozonina amin’i Jehovah isika.
Hamafisin’ny tenin’Andriamanitra matetika ny maha-zava-dehibe ny hametrahana fitokisana amin’i Jehovah. Imbetsaka, ny mpanao salamo no niresaka ny amin’ny fitokisana an’i Jehovah tsapany, tamin’ny filazana toy izao ohatra: “Fa Jehovah kosa no itokiako”, na koa: “Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô!” Mampahatsiaro antsika ny tonon’ny iray amin’ireo hirantsika ireo fitenenana ireo: “Ry Ray tsara ô, fialofana, manda fiarovana ho anay ianao. Akaikinao, ambany sandrinao mahery, matoky hatrany izahay. (...) Vatolampy ho an’ny olo-mahitsy ianao, mino ny fampanantenanao izy.” — Salamo 31:6, 14.
Mibaiko antsika imbetsaka ny Soratra masina mba hametraka ny fitokisantsika amin’Andriamanitra. Araka izany, no anambarany toy izao: “Matokia an’i Jehovah ka manaova soa.” “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” (Salamo 37:3; Ohabolana 3:5). Ahariharin’ny tenin’Andriamanitra amintsika koa fa mpanompo mahatokin’i Jehovah maro be no novalian-tsoa noho izy ireo nihazona fitokisana taminy tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Aoka hotanisaintsika ankoatra ny hafa, Hezekia mpanjaka, Ebeda-Meleka, ireo Hebreo telo lahy sy Daniela. — II Mpanjaka 18:5; Jeremia 39:18; Daniela 3:28; 6:23.
Ahoana no ampisehoana fa matoky an’i Jehovah ny tena? Efa atao izany amin’ny fanaovana fiezahana hianatra hahafantatra azy sy amin’ny finoana izay ambarany. Nomen’i Jesosy Kristy antsika izao fotopoto-pitsipika tena tsotra izao: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Eny tokoa, fa raha matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika, dia homentsika toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ny tombontsoan’ilay Fanjakana ary hitondra tena amim-pahitsiana isika. — Matio 6:33.
Nahoana no tokony hatanjaka ny fitokisantsika an’i Jehovah? Satria mahita fanerena hatraiza hatraiza isika. Fanenjehana an-karihary no mahazo ny sasany, fakam-panahy hanao ratsy ny an’ny hafa. Ho an’ny hafa indray, dia voasedra ny fitokisany satria tokony hamboly fiaretana izy. Anissan’ireo fandaharana maro be raisin’i Jehovah hanampiana antsika mandritra ny andro farany ny fivoriamben’ny distrikantsika ho avy.
Haharitra telo andro feno ny fivoriambe, amin’ity taona ity: zoma, asabotsy ary alahady. Ho feno sahalahala amin’ny taon-dasa ny fandaharana, noho ny fanamboarana eo amin’ny faharetan’ireo fotoam-pivoriana. Afaka matoky isika fa natao hanatanjaka ny fitokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminana hita maso ampiasainy amin’izao androntsika izao ny tapany tsirairay amin’ny fandaharana.
Noho izany, dia tokony ho tapa-kevitra tsara ny kristiana Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ho tonga fara faharatsiny amin’ny iray amin’ireo fivoriambe ireo. Ento miaraka aminao ny zanakao. Tongava eo alohan’ny hira fanokafana sy ny vavaka ny zoma maraina ka hatramin’ny hira famaranana sy ny vavaka ny alahady tolakandro. Tongava miaraka amin’ny Baibolinao, ny fihirananao, ny karine fandraisanao an-tsoratra sy fanoratana. Mifantoha tanteraka amin’izay horenesinao, anisan’izany ny hira sy ny vavaka. Mihainoa amim-pitandremana foana izay rehetra hambara. Ary aoka ny tsirairay avy amintsika hiahy ny hahatonga ny fisehoany ivelany sy ny fitondrantenany tsy ho azo kianina amin’ny fotoana rehetra.
Mihatra amin’ny fanatrehantsika ny fivoriamben’ny distrika “Matokia an’i Jehovah” ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly hoe ‘Mamafaza be, dia be no hojinjainao’. Arakaraka ny hanasiantsika vidiny ny fandaharana manontolo, no handraisantsika fitahiana avy amin’ny fivoriambe sy hahatonga antsika koa ho fitahiana ho an’ny hafa. — II Korintiana 9:6.
Toerana sy datin’ny fivoriambe “Matokia an’i Jehovah” amin’ny teny frantsay any Eoropa sy amin’ny teny malagasy eto Madagasikara
Frantsa
3 ka hatramin’ny 5 jolay:
LE HAVRE: Stade Jules-Deschaseaux, 107, rue du Commandant-Abadie
MARSEILLE: Stade-Vélodrome, 3, boulevard Michelet
NANCYb Stade Marcel-Picot, 90, boulevard Jean-Jaurès, Tomblaine (misy fandaharana manontolo amin’ny teny italiana)
NANTES: Nouveau Stade de la Beaujoire, route Saint-Joseph
TOULOUSEc: Stadium Municipal
17 ka hatramin’ny 19 jolay:
BORDEAUX: Salle Polyvalente de Bordeaux-Mériadeck, cours du Maréchal-Juin
GRENOBLE I: Palais des Sports, boulevard Clemenceau
ORLÉANS: Parc des Expositions, 1, rue du Président-R.-Schuman
24 ka hatramin’ny 26 jolay:
GRENOBLE II: Palais des Sports, boulevard Clemenceau
LILLE I: Foire Commerciale, Hall B, boulevard du Président-Hoover (misy fandaharana manontolo amin’ny teny Polone)
PARIS Id: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fandaharana manontolo amin’ny teny anglisy sy arameniana, fotoam-pivoriana tapatapany amin’ny teny arabo sy vietnamiana)
31 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra:
AJACCIO: Stade du G.F.C.A., route de Mezzavia, Mezzavia
BESANÇON: Palais des Sports, 42, avenue Léo-Lagrange
LILLE II: Foire Commerciale, Hall B, boulevard du Président-Hoover
PARIS IIe: Stade Yves-du-Manoir, 12, rue François-Faber, boulevard Pierre-de-Coubertin, Colombes (misy fandaharana manontolo amin’ny fiteny baiko moana marenina)
Belgique
24 ka hatramin’ny 26 jolay:
NAMUR: Palais des Expositions
31 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra:
CHARLEROI: Palais des Expositions
Soisa
10 ka hatramin’ny 12 jolay:
GENÈVE: Palexpo
Madagascar
4 ka hatramin’ny 6 septambra:
ANTANANARIVO
18 ka hatramin’ny 20 septambra:
ANTSIRANANA
FIANARANTSOA
[Fanamarihana ambany pejy]
a Le Pietit Robert, dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française.
b Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.
c Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.
d Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.
e Raikitra ireo fivoriambe ireo raha hamafisina any aoriana.