Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
‘Mampitombo’ Jehovah any Fidji
ANY amin’ireo nosy kanto Fidji, ny fitahian’i Jehovah dia miharihary fa mitoetra eo amin’ireo mpitory ilay Fanjakana mahatoky. Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia 1 049 ao amin’ireo nosy ireo, ka izany dia mampiseho fitomboana 10 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taona lasa. Namboly sy nanondraka izy ireo, ary nampitombo Andriamanitraa. — I Korintiana 3:6, 7.
Araka ny rapaoron’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, dia “misy olona liana ny hianatra ny Baiboly amin’ny fomba tsy ampoizina tanteraka”. Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona iray dia nitory tao amin’ny vohitra mitokana iray izay tsy nandraisana azy tsara teo aloha. Tamin’io indray mandeha io anefa ny filohan’ny vohitra dia nanambara tamin’izy ireo fa hijanona ao an-tranony ny tantsaha rehetra mba hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah ary rehefa avy eo ireo vehivavy dia handroso fanalana hetaheta ho azy ireo ao amin’ny efitrano fanaovam-pety. Rehefa niverina ny mpitory maharitra mandavantaona iray tapa-bolana taty aoriana, dia nahita olona 28 vonona ny hianatra Baiboly. Nanomboka tamin’izay ireo Vavolombelona dia mankany amin’io vohitra io isaky ny tapa-bolana mba hampianatra ny vaovao tsara an’ireo liana amin’izany. Isaky ny fitsidihana, dia “mitombo ny isan’ny olona maniry hianatra ny Baiboly”.
Ny anankiray tamin’ireo mpianatra vaovao 68 natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao vao haingana dia mpampianatra sekoly alahady nandritra ny sivy taona. Avy amin’ny fianakaviana iray tia fivavahana tokoa izy io. Noraisiny ny Vavolombelona roa nitory isan-trano, ary “taorian’ny resaka naharitra sy ny fitsidihana imbetsaka dia natomboka ny fianarana tamin’ny farany”. Rehefa nianatra ny Baiboly nandritra ny roa volana io lehilahy io dia niala tamin’ny naha-mpampianatra sekoly alahady azy. Nanaraka ny fahamarinana izy ary natao batisa rehefa afaka herintaona. Nanazava ny tenin’ny apostoly Paoly izy ka nanambara toy izao: “Renareo tsara ny firesahana ny fahazotoako tao amin’ny fivavahan-diso fony aho be zotom-po aoka izany ho an’ireo lovantsofin’ny razambeko. Hitako anefa izao ny fahamarinana ka faly manompo an’i Jehovah miaraka aminareo aho.” — Jereo Galatiana 1:13, 14.
Tamin’ny 1984, dia vao voalohany no nanaovana fivoriamben’ny distrika roa tany Fidji. Loholona roa amby roapolo nonina tao amin’ny nosy lehibe indrindra no nanolo-tena hianto-tena ho any amin’ny nosy hafa iray mba handray anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriambe faharoa, fohy kokoa, tokony hatao tany. Nalamin’ny sampana àry ny dia. Rahalahy 90 no nantenainy ho tonga tao amin’ilay nosy lehibe indrindra mba hanatrika io fivoriambe io. Vavolombelona 115 anefa no nandeha tamin’ny fiaramanidina manokana ary 320 hafa tamin’ny sambo iray nofan’izy ireo. Ny fitondrantena tsaran’ny Vavolombelona dia nanosika mpamily iray tamin’ny fikambanana ana habakabaka hanambara hoe: “Talanjona aho noho ny fihetsik’izy ireo. Vonona izy ireo hanaraka ireo toromarika. Rehefa nanambara aho fa nilaina ny hidinana tamin’ny fiaramanidina noho ny tsy metimety amin’ny milina, dia nanao izany tamim-pahatoniana izy ireo ary tsy nimenomenona. Rehefa avy eo, dia niakatra tamim-pifaliana sy filaminana indray izy ireo. Ho tiako ho sahala amin’izy ireo izay rehetra mandeha amin’ity lalana ana habakabaka ity.”
Nanao izao fanamarihana izao ny injeniera lehiben’ny sambo nofana: “Mpandeha tena mahafinaritra ianareo, hafa tanteraka noho ny antokon-tanora kristiana vao nentiko ho eny amin’ny nosy hafa (...). Olona madio sy mora iaraha-miaina ianareo.” Ary izao no nolazain’ny mpiray dia iray: “Zavatra vaovao tanteraka ho ahy no nitranga tamiko (...). Niara-natory teo amin’ny tokotanin-tsambo mihitsy izahay mivady, tokotanin-tsambo nangatsiaka aoka izany, raha nanome anay ny kidorony ny anankiray tamin’ireo anabavinareo. Nitady fivavahana sahala amin’izany aho.” Nanatrika ny fivoriambe io olona io mba hahita sy hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany.
Marina tokoa fa ireny rahalahy rehetra ireny dia nanaraka ny fitondrantena tsara azo antenaina avy amin’ny kristiana marina. Izao no nambaran’i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.” (Matio 7:17). Toy inona moa ny fifaliana mahita ny fitomboana omen’i Jehovah an’ireo mpivavaka aminy mahatoky any Fidji! Tsy isalasalana mihitsy fa olon-kafa maro no handray tsara ny vaovao tsara arakaraka ny handrenesany firesahana ny amin’izany ka handinihany ny fitondrantena tsaran’ny olon’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy isalasalana mihitsy fa hanohana fitomboana lehibe kokoa Jehovah satria amin’izao fotoana izao ireo Vavolombelona dia mitarika fampianarana Baiboly 1 107 any an-tokantrano, ka izany dia mahaforona fitomboana 42 isan-jato amin’ny tamin’ny taona lasa.