FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/7 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fantatra ny Antikristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/7 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no nandroaka (nanongana) noho ny fivadiham-pinoana, olona izay manizingizina anefa fa mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary Jesosy Kristy?

Ireo izay milaza fanoherana toy izany dia manamarika fa fandaminana ara-pivavahana be dia be milaza tena ho kristiana no mandefitra ny tsy fitovian-kevitra. Indraindray aza ny mpitondra fivavahana sasany dia tsy manaiky ireo fampianarana fototry ny Fiangonany, kanefa dia mbola ankasitrahana ihany. Saika ny antokom-pinoana rehetra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia ahitana tia vao sy mpanao ara-bakiteny tsy mifanaraka aoka izany raha ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry ny Soratra Masina.

Izany ohatra izany anefa dia tsy manome lalana antsika hanao toy izany. Nahoana? Be dia be amin’ireny fivavahana ireny no mandefitra aoka izany ny hisian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny klerjy sy ny lahika satria mahatsiaro ho tsy afaka milazalaza marina ny atao hoe fahamarinana araka ny Baiboly. Izy ireny dia sahala amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy izay, tsy mba sahala amin’i Jesosy fa tsy nahay niteny toy ny olona nanana fahefana (Matio 7:29). Afa-tsy izany koa, arakaraka ny anohanan’ireo mpikambana ao amin’ireny fivavahana ireny ny fanakambanam-pinoana, dia voatery izy ireny tsy mihevitra ho zava-dehibe loatra ny tsy fitovian’ny foto-pampianarana.

Tsy miorina amin’ny Soratra Masina anefa izany fomba fijery zavatra izany. Jesosy tokoa dia tsy niombon-kevitra mihitsy tamin’ireo antokom-pivavahan’ny jodaisma. Ireo Jiosy tao amin’izany antokom-pinoana izany dia nanantitrantitra anefa fa nino an’Andriamanitry ny famoronana sy ny Soratra hebreo, indrindra fa ny lalàn’i Mosesy. Izao anefa no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany: “Tandremo (...) andrao azon’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” ianareo. (Matio 16:11, 12; 23:15). Mariho koa fa tamin-kery no nanomezan’ny apostoly Paoly an’ireto toromarika ireto: “Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.” Naverin’i Paoly nony avy eo io fanambarana io mba hanamafisana azy. — Galatiana 1:8, 9.

Ny fampianarana hevitra mifanohitra na mifanipaka dia tsy mifanaraka amin’ny tena kristianisma, araka ny nohantitranterin’i Paoly mazava toy izao ao amin’ny I Korintiana 1:10: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” Nilaza koa izy ao amin’ny Efesiana 4:3-6 fa ny kristiana dia tokony ‘hazoto hitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra’.

Moa ve ny kristiana hanao sy hitana izany firaisan-tsaina izany amin’ny fandinihana amim-pahaleovan-tena ny Soratra Masina, ka ny tsirairay avy no samy manao ny fanatsoahan-keviny ary mampianatra izany rehefa avy eo? Azo antoka fa tsy izany! Mba hanatrarana izany zava-kendrena izany, Jehovah Andriamanitra dia nanome tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy “ny sasany ho Apostoly, (...) ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra (...), mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe”. Eny, noho ny fanampian’ny minisitra toy izany dia mety hisy ary ho azo tanterahina ny firaisan-tsain’ny kongregasiona, na amin’ny fampianarana na amin’ny asa. — Efesiana 4:11-13.

Miharihary fa mba hahatongavana ho namana eken’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy ampy ny mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary Jesosy Kristy, ets. Ny papa, toy izany koa ny arseveka anglikana any Cantorbéry, dia mino zavatra toy izany, kanefa dia anisan’ny fivavahana tsy misy ifandraisana mihitsy izy ireo. Toy izany koa, ny fanarahana zavatra inoana sahala amin’izany fotsiny dia tsy hanome lalana olona hampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah.

Mba hahavoaray ho namana eken’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ilaina ny hanarahana ny fitambaran’ireo fahamarinana araka ny Baiboly, anisan’izany ireo zavatra inoana mifototra amin’ny Soratra Masina izay mampiavaka ny Vavolombelona. Ireto ny sasany aminy:

Ny raharaha lehibe mipetraka amin’ny olombelona dia ny amin’ny maha-ara-dalàna ny fanapahan’i Jehovah; noho io raharaha io no namelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy maharitra (Ezekiela 25:17). Nanana fiainana talohan’ny naha-olombelona azy Jesosy Kristy ary teo ambany fahefan’ny Rainy any an-danitra izy (Jaona 14:28). Amin’izao andro izao eto an-tany dia misy “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” ‘anankinana ny tombontsoan’i Jesosy eto an-tany rehetra’; izany mpanompo izany dia manana ho solontena ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah (Matio 24:45-47). Tamin’ny 1914, dia nifarana ny andron’ny Jentilisa na ireo firenena, naorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra ary nanomboka ny fanatrehan’i Kristy voambara (Lioka 21:7-24; Apokalypsy 11:15 ka hatramin’ny 12:10). Kristiana 144 000 monja no handray ny valisoa any an-danitra (Apokalypsy 14:1, 3). Akaiky Hara-Magedona, izany hoe ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha (Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21). Io ady io dia harahin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, izay hanorina indray ny Paradisa amin’ny tany manontolo. Ny voalohany hifaly amin’izany dia ho ireo anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’i Jesosy ankehitriny. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9-17; 21:3, 4.

Moa ve misy zavatra efa nitranga taloha araka ny Baiboly izay mahatonga antsika ho afaka hanaraka toerana hentitra toy izany? Izany dia izany tokoa! Izao no nosoratan’i Paoly ny amin’ny sasany tamin’ireo niara-belona taminy: “Ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan’ireny Hymeneo sy Fileto, izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany.” (II Timoty 2:17, 18; jereo koa Matio 18:6). Tsy misy na inona na inona milaza fa ireny olona ireny dia tsy nino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary ny soron’i Jesosy. Kanefa, noho izay nampianarin’izy ireo raha ny amin’ny fotoan’ny fananganana ny maty, hevitra tena lehibe, dia ara-drariny ny nampitovian’i Paoly azy ireny tamin’ny mpivadi-pinoana, dia olona tsy hiarahan’ireo kristiana mahatoky.

Toy izany koa, ny apostoly Jaona dia nilaza ho antikristy ireo izay tsy nino fa tonga tao amin’ny nofo i Jesosy. Tena afaka nino an’Andriamanitra izy ireo, nino ny Soratra hebreo, nanaiky an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra, ets. Kanefa tsy nekeny ny hoe tena tonga tao amin’ny nofo tokoa i Jesosy: noho izany antony izany no niantsoana azy ireny hoe “antikristy”. Nanampy teny toy izao i Jaona ny amin’ireo izay nanana izany karazam-piheverana hafa izany: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” — II Jaona 7, 10, 11.

Miharihary amin’ireo ohatra notsoahina avy amin’ny Soratra Masina ireo fa raha manohana fampianaran-diso ny kristiana iray ary tsy mibebaka (na dia milaza fa mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary Jesosy aza), dia mety hilaina ny handroahana azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona (jereo Titosy 3:10, 11). Mazava ho azy fa raha olona manana fisalasalana fotsiny izany na tsy mahafantatra tsara ny hevitra iray, dia hisy minisitra mahay hanampy azy amim-pitiavana. Izany fomba fanao izany dia mifanaraka amin’izao torohevitra manaraka izao: “Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy.” (Joda 22, 23). Araka izany, ny tena kongregasiona kristiana dia tsy azo ampangaina ara-drariny ho manao zavatra amin’ny fomba jadona loatra, fa heveriny ho sarobidy tokoa kosa ny firaisan-tsaina ka miasa mba hanatanterahana izany izy, araka ny amporisihan’ny Soratra Masina antsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara