Ny Baiboly: ilaina ve izy io amin’izao androntsika izao?
NIOVA tamin’ny fomba mahagaga izao tontolo izao tao anatin’ity taonjato ity. Vetivety aoka izany ny nialana avy tamin’ny andron’ny kalesin-tsoavaly ho amin’ny andron’ny habakabaka, hany ka zara raha vao voatonta pirinty ireo boky ara-teknika dia matetika no lany andro sahady. Anisan’ireo fanovana miavaka indrindra, dia aoka hotononintsika ireo mahakasika ny siansa sy ny haitao (technologie). Na dia nampiasaina voalohany aza ny hevitra ny amin’ny mpanisa, tokony ho 150 taona teo ho eo izay, dia vao haingana no nampiasana “ordinateurs” hatraiza hatraiza; nampiasaina izany mba hifehezana ny zavatra rehetra, nanomboka tamin’ny fandefasana zanabolana sy ny sambondanitra ka hatramin’ny fitantanana tetibola ao an-tokantrano. Tena mahatalanjona tokoa izany! Mahatalanjona aoka izany ka sarotra ny manao izay hahafantarana ny amin’izany fandrosoana rehetra izany!
Nahasoa ny maro tamin’ireny fanovana ireny. Izany no hita tamin’ny fandrosoana vita teo amin’ny lafin’ny fifandraisana, ny fitaterana, ny fitaovana fikarakarana tokantrano sy ny fitsaboana. Ohatra, noho ny “microchirurgie”, dia matetika tokoa no azo averina amin’ny olona iray ny fampiasana tanana iray na rantsan-tanana iray notapahina, kanefa taloha dia ho noheverina ho very tanteraka izany. Azo atao ny manidina hatrany amin’ny faran’ny tany ao anatin’ny indray andro monja, ka ho afaka amin’izany amin’ny fandehanana volana maro. Raha todihina ny tany amin’ny zato taona lasa, fony tsy mbola fantatra ny fiarakodia, ny radiao, ny televiziona, ny sarimihetsika, ny vata fampangatsiahana, ny milina fanasan-damba, ny vitaminina, ny “antibiotiques”, ny vaksiny sy ny zavatra hafa sahala amin’izany an-jatony maro tafiditra ao amin’ny fanao amin’izao andro izao, dia tena miaina marina tokoa ao anatin’ny fotoana vaovao isika.
Tsy niasa ho tombontsoantsika ho fanatsarana kokoa anefa ny zavatra rehetra. Ny fakana ny hery noklehera, ohatra, dia niteraka fandrahonana lehibe ho an’ny olombelona, miaraka amin’ny mety hitondrany ady na taratra. Ny fitomboan’ny fandotoana “chimique”, anankiray amin’ny vokatry ny haitaontsika ara-taozava-baventy, dia manampy izany fandrahonana izany. Miteraka fandravana eo amin’ny fiainana maro ny zavatra mahadomelina sy izay rehetra mifamatotra amin’izany.
Teo amin’ny fiainan’ny olona mihitsy no niavaka indrindra ny fiovana. Nandrotidrotika ny fianakaviana ny fanaova-taozava-baventy sy ny fialana tany ambanivohitra. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo aloha, ary indrindra fa teo amin’ny vehivavy sy ny ankizy, dia mitady ny ho afaka sy hahaleotena ny olona. Ny fanafahan-tena tamin’ireo fameperana nandidian’ny fahatsaram-pitondrantena fahiny dia niteraka fomba fiaina vaovao sy nanakorontana ny fahatsarana ara-tsosialy, hany ka amin’izao andro izao izy ireny dia hafa tanteraka noho izay fantatr’izao tontolo izao nandritra ny an’arivony taona maro.
Tsy niova ny Baiboly
Aiza àry no tokony hitodihana mba hahitana fitarihana? Inona avy no torohevitra azo ampiharina amin’izao andro izao? Tsy mitsahatra ny manova ireo fombany sy bokiny ny mpampianatra mba hiaraha-mandroso amin’izao tontolo izao mihetsika misy antsika. Ny mpitondra ara-pivavahana sy ny olon-kafa fanontany matetika dia mamolavola indray ny toroheviny arakaraka izay be mpanaraka sy eken’ny maro.
Ny Baiboly kosa anefa dia tsy niova hatramin’ny an’arivony taona maro. Mampitandrina antsika tokoa izy mba tsy hanampy na inona na inona na hanaisotra na inona na inona amin’ny teny raketiny (Ohabolana 30:5, 6; Apokalypsy 22:18, 19). Azo atao àry ve ny mihevitra ny Baiboly ho mpitari-dalana mahasoa amin’izao androntsika ankehitriny izao?
Tsy mieritreritra izany ny sasany. “Tsy hisy mihitsy olona hanoro ny hampiasana boky fianarana ‘chimie’ natonta tamin’ny 1924 ho an’ny kilasy mianatra ‘chimie’ amin’izao androntsika izao: nitatra loatra ny fahalalantsika ‘chimie’ hatramin’izay”, hoy ny nosoratan’ny dokotera Eli Chesen tao amin’ny bokiny hoe Mety hahatandindomin-doza ny fahasalamanao ny fivavahana (anglisy). Nanohy ny teniny toy izao izy: “Tamin’izany fomba izany koa, ny fahalalantsika dia nitatra tamin’ny sosiolojia, tamin’ny filozofia sy tamin’ny psykolojia tao anatin’ireo arivo taona farany; kanefa, ny Baiboly (izay miresaka be dia be ny amin’ireny foto-kevitra ireny) dia eken-teny ary mahalana no ahitsy.”
Hoy ny teny nanampiny: “Talanjona foana aho rehefa mandre olona miantsoantso hoe ‘fahagagana’ amin’ny filazana fa maharitra mandrakizay ny Baiboly ary mbola misy heviny toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany amin’izao andro izao. Izany dia mitovitovy amin’ny fahatalanjonana mety ho tsapa eo anoloan’ny ‘fahamarinan’ny astrolojia’. Nampihatra fahefana mahery aoka izany ny Baiboly, hany ka olona vitsy no mieritreritra fotsiny ny hampanaraka ny toetr’andro azy na hanary azy.”
Kanefa moa ve ny Baiboly tena lany andro tokoa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? Sa kosa ny torohevitra omeny mbola mahasoa sy manan-kery ihany ho an’izao androntsika izao?