Asaina ianao ho tonga ao amin’ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra”
NY vavolombelona kristian’i Jehovah rehetra dia miandry amim-pahadodonana ny fivoriamben’ny distrikany. Isan-taona izany dia tsy azo lavina fa fisehoan-javatra miavaka ho azy ireo. Ireo lahateny tsara dia tsara, ireo fampisehoana tantara araka ny Baiboly, ny famoahana boky vaovao, ny fiarahana amin’ireo rahalahy, ary indraindray koa ny mpanatrika maro, izany rehetra izany dia mahatonga ireny fihaonambe ireny ho fisehoan-javatra tena manokana.
Eritrereto ohatra ny sasany tamin’ireo fivoriambe “Ireo mpihazona tsy fivadihana” natao tamin’ny taona lasa. Tany Brésil, ny tany São Paulo sy Rio de Janeiro dia nahavory mpanatrika be indrindra 249 351, ka tamin’izany dia 2 645 no natao batisa tao amin’ny rano ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra. Tany Kanada, dia mpanatrika 78 804 no tonga tao amin’ny fivoriambe tany Montréal, fivoriambe niavaka tamin’ny filasiana nidadasika natao tsy lavitra ny kianja sy tamin’ny fampisehoana ny fandaharana tamin’ny fiteny 11. Ireo kristiana nanatrika ny fivoriambe tany Zurich, any Soisa, dia nanantitrantitra fa tsy mbola niaraka tamin’ny vahoaka feno hafanam-po sy falifaly toy izany mihitsy izy. Naneho fihetseham-po sahala amin’izany ireo solontena nankany amin’ny anankiray na maromaro tamin’ireo fivoriambe tany Pologne.
Ny rapaoro tsy feno dia milaza mpanatrika 5 653 689 sy batisa 75 202 tamin’ireo fivoriambe 754 “Ireo mpihazona tsy fivadihana” natao naneran-tany. Notahin’i Jehovah tamin’ny fomba mahatalanjona ireny fihaonambe nalamin’ny olony ireny.
Mifanohitra amin’ny hainteny be mpahalala, ho an’ireo nanatrika ireny fivoriambe ireny dia nihoatra ny eritreritra fotsiny ny zavatra tena nisy. Saika ny ankapoben’olona no nihevitra fa tamin’io indray mandeha io koa, dia ny fivoriambe farany no tsara indrindra. Noho izany antony izany, dia tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra izay hahatongavan’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra” hatao amin’ity taona ity saika hatraiza hatraiza maneran-tany. (Any Frantsa, dia fivoriambe 11 no omanina amin’ity lohataona ity.)
“Ny fiadanan’Andriamanitra.” Foto-kevitra tsara dia tsara re izany ho an’ireny fivoriamben’ny distrika ireny! Amin’izao androntsika izao dia mandrotidrotika ny fitambaran’olona, tsy ny ady mirehitra etsy sy eroa fotsiny eo amin’izao tontolo izao, fa karazana ady hafa koa, toy ny ady ara-toe-karena, ny adin’ny mpivady sy ny mpianaka. Izany tarehin-javatra izany dia mifanohitra mazava amin’ny fiadanana manjaka eo amin’ny olombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah. Araka an’Andriamanitra izany satria avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fiadanana manome fiadanana. Mihavana aminy ireny kristiana ireny noho ny finoan’izy ireo sy ny asany, ka amin’izany izy ireo dia afaka ny hihavana amin’izy samy izy eo anivon’ny kongregasiona sy ny fianakaviana. — Filipiana 4:7; Romana 16:20.
Tokony homarihina koa fa izany fiadanan’Andriamanitra izany dia tsy mifanitsy fotsiny amin’ny tsy fisian’ny ady. Ny teny hebreo nadika hoe fiadanana dia shalôm. Izy io dia manondro, ankoatra ny fiadanana na fihavanana, ny fahafinaretana sy ny fanambinana. Marina tokoa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifaly amin’ny tsy fisian’ny ady sy ny fanambinana, satria ao anatin’ny paradisa ara-panahy izy ireo. Ireo fivoriambe ireo dia hahatonga an’ireo izay hanatrika izany rehetra, mbola hahatsapa kokoa ihany ny maha-zava-dehibe ny fiadanana ka haniry ny hampitombo izany, raha mbola azony atao koa izany. — Romana 12:18.
Sahala amin’ireo taona lasa, ireny fivoriambe ireny dia hanomboka ny alakamisy tolakandro amin’ny 1 ora sy sasany. Ny andro tsirairay avy dia hanana foto-kevitra mahakasika ny fiadanana. Ny an’ny andro voalohany, “Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”, dia nalaina avy amin’ny Salamo 29:11. Ireo mpanatrika dia hahazo torohevitra mba hahatonga ny vavaka ataony hisy heviny kokoa ary ny lahateny hiavaka iray dia hanazava ny fomba ampiasain’i Jehovah mba hanaovana ny zavatra rehetra ho vaovao.
Ny zoma, ny lahateny fototra hoe “An’ireo izay ampianarin’i Jehovah ny fiadanan’Andriamanitra” dia hanipika ny hoe inona no loharanon’ny fiadanantsika. Haseho koa ny tantara araka ny Baiboly mampihetsi-po iray izay hampisongadina ho an’ny androntsika ny fianarana avy amin’ny fisehoan-javatra kely taloha.
Ny fotoam-pivoriana ny asabotsy maraina dia hisy ny lahatenin’ny batisa sy hanipika fa amin’ny maha-vavolombelona kristian’i Jehovah antsika, dia manana adidy kristiana amintsika samy isika isika ary tokony tsy hitsahatra ny handroso. Ny tolakandro, dia handray torohevitra tsara dia tsara ireo fianakaviana sy ireo mpiandraikitra.
Ny alahady maraina isika dia ho afaka hanaraka fampisehoana tantara mihevitra ny zavatra tena misy sy mampangorakoraka hampiseho an-tsehatra, olona amin’izao androntsika izao. Ny lahateny ampahibemaso hahery hitondra ny lohateny hoe “Ny fiadanana rehefa ela ny ela! — araka ny baikon’Andriamanitra” dia hahaforona ny anankiray amin’ireo fotoana lehibe amin’ny fivoriambe. Azo antoka fa ny mpanatrika rehetra dia hody amin’ny fahatsapana ho nandray fitaovana feno avy amin’ilay Andriamanitry ny fiadanana mba hanaovana ny sitrapony.
Tongava àry amin’io fivoriambe io mandritra ny efatra andro, miaraka amin’ny fahazotoan-komana ara-panahy tsara, amin’ny fahatsapana tsara izay ilainao ara-panahy (Matio 5:3, MN). Ataovy izay hahatongavana ara-potoana isan’andro mba hanao ny hira sy ny vavaka fanokafana. Mitondrà koa zavatra hakana fitadidiana an-tsoratra, satria raha tananao an-tsoratra ireo hevi-dehibe, dia ho azonao atao mora kokoa ny hampifantoka ny sainao amin’izay holazain’ireo mpandahateny, ary hilentika lalina kokoa ao an-tsainao sy ao am-ponao ireo hevitra hovelabelarina.
Aoka tsy hohadinointsika mihitsy anefa fa ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah dia tsy natao handraisana fotsiny, fa hanomezana koa. Hotadidiantsika ao an-tsaina izao fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly manaraka izao: “Izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.” (II Korintiana 9:6). Afa-tsy izany koa, noho Jesosy nilaza fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, dia amin’ny fanomezana betsaka araka izay azo atao, amin’ny fanolorana ny fanampiantsika an-tsitrapo, no handraisantsika fifaliana lehibe indrindra amin’ny fivoriambe (Asan’ny apostoly 20:35). Tsy tokony hilaina foana àry ny hitakiana ny hisian’ny mpiasa an-tsitrapo.
Etsy andaniny koa, dia aoka isika hanararaotra ny fahafahana atolotra antsika mba handraisana anjara amin’ny fitoriana ny zoma tolakandro. Mandritra ireo efatra andro hanaovana ny fivoriambe, dia aoka isika hikendry ny fahafahana rehetra hatolotra antsika hanao fanambarana, amin’ny fitadidiana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ilazana fa hohatavezina ny fanahy malala-tanana, ary izay manondraka, dia mba hotondrahina koa (Ohabolana 11:25). Aoka àry isika hanasa olona betsaka araka izay azo atao mba hahatsapany mihitsy fa tena manana ny fiadanan’Andriamanitra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.