Antony tsara tokony hanatrehana ny fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra”
AMIN’NY andro andrenesana matetika ny fampihorohoroana, ny fikomiana sy ny ady, dia azo antoka fa hankasitrahanao ny fanatrehana ny anankiray amin’ireo fivoriambe “Ny fiadanan’Andriamanitra” hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ity lohataona ity. Tsy vitan’ny hoe horaisinao ao ny toromarika azo ampiharina mifototra amin’ny fampianaran’i Kristy izay hampiseho aminao ny fomba hitanana ny fiadanana, fa tena hahita olona an’arivony maro mampihatra izany toromarika izany tokoa ianao.
Tongava raha vao amin’ny fotoam-pivoriana voalohany, izay hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany ny alakamisy tolakandro. Ho renao hiteny ao ny mpitory izay manambara ny fiadanana hatramin’ny taona maro. Ho fantatrao koa ny hoe inona avy no fandrika mety hahalatsaka antsika rehefa miala voly miaraka amin’ny sakaiza isika ary ahoana no hanalavirana izany. Afa-tsy izany, amin’ny faran’ny fotoam-pivoriana dia haharay zavatra sady tsara tarehy no hahasoa mba hanampiana ny hafa ianao.
Ny fandaharana ny zoma maraina dia hisy ny lahateny fototra hoe “An’ireo izay ampianarin’i Jehovah ny fiadanan’Andriamanitra”. Hanohina mafy ny fonao koa ilay fampisehoana tantara hitondra ny lohateny hoe “Famonjena ny aina amin’ny fotoan’ny mosary”. Aza manadino ny ho tonga amin’izany!
Ny asabotsy, ireo fianakaviana dia handray torohevitra azo ampiharina mba hitanana ny fiadanana eo anivony; izany dia hatao amin’ny alalan’ny fampisehoana, ny fanadinadinana sy ny lahateny hahitana fianarana. Hifarana amin’izao lahateny lehibe izao ny fandaharana: “Ny filaminana maneran-tany eo ambany fiandrianan’ilay ‘Andrian’ny fiadanana’.”
Ny alahady maraina dia haseho ny tantara iray momba ny zavatra tena misy amin’ny andro ankehitriny mampangorakoraka izay hanipika ny ilàna hitady ny fahamarinan’Andriamanitra mba hahatafita velona. Ny tolakandro, ilay lahateny ampahibemaso lehibe hoe “Ny fiadanana rehefa ela ny ela — araka ny baikon’Andriamanitra” dia hahaforona fotoana miavaka hafa iray koa amin’ny fivoriambe.
Mangataha fanazavana amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana mba hahalalana ny daty sy ny toerana hanaovana ny fivoriambe akaikin’ny fonenanao indrindra. [Ho an’i Madagasikara, dia jereo ny lisitra raikitr’ireo fivoriambe ao amin’ny pejy faha-27.]
Fivoriamben’ny distrika 1986 any Madagasikara
4 ka hatramin’ny 7 septambra:
ANTANANARIVO
18 ka hatramin’ny 21 septambra:
ANTSIRANANA, FIANARANTSOA